Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina

1. rakapy ( 01/09/2009 14:26)
Rehefa tena dinihina sy fakafakaina dia ity boky atao hoe baiboly ity no an'isany mampisara-bazana ary mbola hampisara-bazana ny xana eto ambonin'ny tany angamba.
Rehefa dinihina mantsy dia samy manana ny fandikany sy fijeriny izay voalaza ao antin'io boky io ny xana maro. Ka raha vao mahita zavatra tsy hitovizana hevitra ao dia ny misitaka sy manangana ny finoana sy fiangonana ho azy manokana no zavatra ataon'ireo mpitarika sy mpino.
Izay ve ilay hafatra nampetraky jesosy sa ny xana mihintsy no efa samy te haka ho azy? Sa ve efa samy te hipetraka ho jesosy sy ho tohoteny avokoa?
Mba jereo, firifiry moa ny fangonana sy zana-piangonana mitsimoka etsy sy eroa.
novalian'i rakapy ny 13/09/2009 09:34
2. simplex ( 01/09/2009 14:44)

ka otran'ny antoko politika gasy ihany io e.
Ze tsy faly ao dia mamonjy mamorona antoko vaovao :)

Ny tena marina koa, i jesoa no somary nanao folaitra kely @ zavatra nolazainy. Tokony tonga dia izay hafatra tiana ampitaina no noteneniny fa tsy izao fanoharana sy resaka lava be tsy hay takarina izao.

Ra tonga dia nataony hoe izao avy no tokony inoana
izao no fomba fivavahana
izao no vaki-teny
izao avy no didy, en details
...
poinsa vitsivitsy ihany ny isan'ny kristiana.

@ lafiny 1 koa otran'ny diso niasa loatra ny apostoly sy mpitondra katolika taloha dia lasa otran'ny be loatra ny mpino kristianina. Ny fampianarana natao anefa somary nisy diso ihany. Hany ka lasa otran'ny hoe institution t@ fanjakana ny fiangonana... dia lasa nifangaro ny fiangonana sy ny fitondrana... dia lasa misy faly sy tsy faly...
vao nisy nisitanka moa dia tsy azo noferana tsony satria norma be ra hoe misy misitaka avy @ prostestant satria izy koa aza mba nisitaka... manahaka an-drainy...

:)
3. soanja ( 01/09/2009 14:52)
Araka ny volazako teto taloha hoe:

" Raha mba nanoratra boky mantsy I Jesoa dia tsy toy izao ny zava-nitranga" Soanja

Ny kontexta hoe ny navela maty teo am-pelatanan'i Romana izy nefa ny Jiosy no mpamporisika ny famonoana no tsy eken'ny saiko satria mankaiza moa izay hevitra izay, nefa Fitiavana no voizina hoe maty noho ny fahotantsika???? Aiza izany ny ho avin'ny fankahalana ny hafa amin'izany? Raha mpanao cine drama isika dia inona no tiana ahatongavana?

4. ikaretsaka ( 01/09/2009 15:10)
tsy baiboly loatra io fa vokatry ny tsimpona....samy nitsimpona ze netinety taminy de ny sasany tria mantamanta ny sasany tia masamasaka e
5. rijadolly ( 01/09/2009 16:44)
Ny mifanohitra izay indray no hitako rakapy.Ny baiboly ihany no afaka mampiray ny tsy mifanaraka(fampianarany)Indrindra ireo izay miseho mizarazara noho ny tsy fitovian-kevitra sy ny anay ihany no marina.Satria ilay tany vaovao nomanina ho an\'ireo Mpino dia Iray ihany no sady Tompo iray ihany no tompoina ao.Araka ny hevitry ika io hoe \"Tsy ny Baiboly\" .Asakasaky izay hanao fitaovana ny Baiboly hampisaraka ny Mpino hoe:\"aza Jesoa Kristy no inoana fa Izahay\".Izany akory tsy hoe aza miala amin\'Atoko itsy na Aza mandeha any amin\'itsy, fa izay ahatsapanao fa miray anao Kristy.
6. ikaretsaka ( 01/09/2009 17:08)
nampisaraka ka... mody hoe kristianina aho hoe oy ao hoy nefa firy ny sekta vanjo alika maniry ohatran ny anana eraky ny sisiny fa lagy kely atsy de manorina de mitsimpona kely ao anaty baiboly de lagy ao indray de manorina etsy

de samy miteny daholo hoe samy manompo ny Tompo (io le fika fialana bala sy mody fandiovana tena) tssssss
7. rijadolly ( 01/09/2009 17:37)
Tsy mampisaraka ka...Marina izay tenin'ise zay ka.Le ny anay ihany no marina ny mahatonga an'iny fa tsy miheno ny an'hafa mihitsy nefa dia ilay fitorina ao amin'atoko itsy ihany no Torina atsy amin'itsy(Jesoa Kristy),dia avy eo ny Baibolin'itsy tsy izy fa ity no izy.
8. ikaretsaka ( 01/09/2009 17:55)
ka izay le tsy fahaizana manaiky izay mihitsy...
hoe taiza io boky io no nalaina... taiza io no nindramina..de nony azo de no interpreter-na hampisaraka de avy eo mody hoe izy 3 lazain'ny ao ihany no torianay ka.... nefa fika be fotsiny
tsisy hafa @ hoe "zahay mipataloha ka" nefa nareo mishort :-D :-D
9. rakapy ( 01/09/2009 18:03)
:-D :-D :-Dhoy rijadoly
Ny mifanohitra izay indray no hitako rakapy
Tsy mampisaraka ka...

Asa moa na izahay angamba no tsy mahita na ianareo no jamba. Fa raha ireo zana-piangonana sy fifanenjehena entre samy xana no jerena dia hita fa mizarazara tokoa.
Angamba tsy mbola niteny i jesosy hoe tiavo ny teneko ary henjeo sy hankahalao izay tsy mitovy hevitra aminareo.
10. ikaretsaka ( 01/09/2009 18:06)
:-D :-D :-D :-D
11. cutie ( 01/09/2009 20:59)
ka efa we iray ihany ianareo ao @ tompo koa, nareo xstiana io a :-D :-D :-D :-D
12. ikaretsaka ( 01/09/2009 21:02)
fa @ voanjo alika izay tsy 1 anao izany an..zahay tsy sekta voanjo alika
13. cutie ( 01/09/2009 21:15)
tsy mahalala an'zany voanjo alikanareo zany alou za fa miraisa hina nareo xstiana e, ho voninahitry izy tompo irery ihany :-D
14. ikaretsaka ( 01/09/2009 21:33)
ka za hoa Xtiana fa tsy vanjo alika....
zahay efa miray hina fa ireny no nivoaka ny vala
15. soanja ( 02/09/2009 00:50)
rijadolly:

Tsy mampisaraka ka...Marina izay tenin'ise zay ka.Le ny anay ihany no marina ny mahatonga an'iny fa tsy miheno ny an'hafa mihitsy nefa dia ilay fitorina ao amin'atoko itsy ihany no Torina atsy amin'itsy(Jesoa Kristy),dia avy eo ny Baibolin'itsy tsy izy fa ity no izy.


Raha jerena tokoa ny fahendrena sy fahamarinana entin'i baiboly misy ny TV dia tsotra tokoa ny hafatr'i Kristy dia ny fitiavana ny tenantsika sy ny namantsika/ havantsika/ miombona amintsika ary indrindra ny fitiavana ny fahavalontsika. Raha io hevitra io no misy dia tena mampiombona tokoa ny Fanahy Fahendrena izay tsy iza fa I Kristy : lalana sy fahamarinana ary fiainana. izay tokony hoy aho mino an'io ho laharam-pahamehana amin'ny atao hoe finoana raketin'i boky baiboly.

Saingy indro kely hoy ny mpandrafitra,

Nisy eto amintsika olombelona " ilay fitiavan-tena" na "ego" hoy ny vazaha. Io dia tsy ho anao olona samirery fa tafiditra ao anatin'io koa ny ego fiombonana na "fitiavan-tena iombonansa amin'ny hafa" zany hoe tsy olona iray fa atidoha be dia miara-miombona manome io fitiavan-tena tafahoatra io. Ka raha io no manjaka dia tsy misy hevitra fa misaratsaraka izay tsy tokony hisaraka. Tsy avy amin'i devoly io akory fa tena ananatsika olombelona tokoa ho isan'ny maha antsika antsika satria biby sosialy isika.

Ny fihoarana amin'io ego io no ahafahantsika rehetra hiray ao amin'ny Tompo. Sarotra anefa no ahatongavana amin'izany satria " ny omby indray mandry tsy indray mifoha" hoy ny gasy. Noho izany dia mbola betsaka ny hatory na dia efa mibaribary eo imasony fa lasan'ny tondra-drano izy ireo ka hitambolombon'ny fankahalana ny hafa.

Tsoaka- Tsy natao ho an'ny rehetra ny baiboly!

Homba antsika lalandava anie Andriamanitra!

16. cutie ( 02/09/2009 02:41)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 01-09-2009 23:33:23
Lohateny : Re : Ny baiboly: Ilay boky nampisara-bazana ny kristianina
ka za hoa Xtiana fa tsy vanjo alika....
zahay efa miray hina fa ireny no nivoaka ny vala

le baiboly zany no nampiray hina nareo :-D :-D :-D :-D
17. Veloo ( 02/09/2009 03:23)
Rehefa tena dinihina sy fakafakaina dia ity boky atao hoe baiboly ity no an'isany mampisara-bazana

nonsense :roll: :roll:
18. majesty ( 02/09/2009 04:27)
Ra tonga dia nataony hoe izao avy no tokony inoana
izao no fomba fivavahana
izao no vaki-teny
izao avy no didy, en details
...
poinsa vitsivitsy ihany ny isan'ny kristiana.


I Jesosy ary efa fotsy rora mintsy,tsy mitsahatra ny miteny fa isika olombelona mihitsy no manamafy sofina e!
Efa hoe "anontanio ny lala-masaka hatry ny ela dia iny no izory " fa eh eh eh.Ivereno jerena indray aloha ilay fototra napetrak'i Kristy e fony izy tety an-tany fa namela fianarana anie izy e.


Raha mba nanoratra boky mantsy I Jesoa dia tsy toy izao ny zava-nitranga" Soanja


Rehefa tsy hino ny olona dia tsy hino ,rehefa tsy hanaraka dia tsy hanaraka na atao aza hoe i Jesosy mihitsy no miteny mivantana aminy.
19. niryna ( 02/09/2009 05:41)
rijadolly:

Ny mifanohitra izay indray no hitako rakapy.Ny baiboly ihany no afaka mampiray ny tsy mifanaraka(fampianarany)Indrindra ireo izay miseho mizarazara noho ny tsy fitovian-kevitra sy ny anay ihany no marina.Satria ilay tany vaovao nomanina ho an\'ireo Mpino dia Iray ihany no sady Tompo iray ihany no tompoina ao.Araka ny hevitry ika io hoe \"Tsy ny Baiboly\" .Asakasaky izay hanao fitaovana ny Baiboly hampisaraka ny Mpino hoe:\"aza Jesoa Kristy no inoana fa Izahay\".Izany akory tsy hoe aza miala amin\'Atoko itsy na Aza mandeha any amin\'itsy, fa izay ahatsapanao fa miray anao Kristy.
mitovy hevitra aminao aho,raha kristy no arahany na inona fiangonana na inona mety misy tsy itovizanjavatra ao fa ny fondation dia kristy ihany raha ohatra ka tsy izay dia mety isaraka tokoa rakapy a


20. rakapy ( 02/09/2009 07:12)
Ny zavatra hita maso sy tsapa, na dia eto @ serasera fotsiny aza dia azo tsapain-tanana fa mizarazara sy mifanipaka fijery ny xana ny momba ny voalaza ao @ baiboly.
Na handa ianao na hanaiky dia zava-misy hita maso sy azo tsapain-tanana io!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1919