Ny Euthanasie...

81. ikaretsaka ( 04/03/2009 06:56)
Aiza ho aizan'ilay sijet kay ry mandefitra ny idiran'ny xty manolotra ny ainy @ ollona natao euthanasie?

Sa le hoe samy sitrapony no te ho faty?
82. rakapy ( 04/03/2009 07:16)
Ny @ euthanasie ndray dia azo lazaina hoe victime ny fahaizany ihany ny olombelona. Nanao zay fara heriny ny mpahay siansa hitazonana ny ain'olona na dia efa tsy mahazaka izany ntsony aza ny toe-batan'ilay marary ... rehefa tsy tafaverina mihitsy nefa ny fahasalaman'ilay marary, dia ny olombelona ihany no mitady principe hamonoana ilay marary mba hanalefahana ny fahafatesany ...

Ka tsy zaranao aza ve ny olombelona manao izay faraheriny sy izay takatry ny saina mba hitazomana aina fa tsy mihonona fotsiny hoe aleo izay sitrapon'A/tra andrasana nefa apendicite na tetanosy ohatra no manjo ilay olona. Dia raha tsy tao ny siansa dia efa maty efa ela ilay olona.
83. ikaretsaka ( 04/03/2009 07:26)
Rakapy> sao kosa @ le olon'ilay secte tsy azo amindrana ra sy tsy azo didina ireny ialahy no miresaka...raha ireny manko tsy mipasse le resaka fa reny vaky roulement ny retroviserany
84. Fody ( 04/03/2009 07:41)
ikaretsaka:
rehefa hoe tsy azonao na inianao tsy ekena satria tsy metimety @ nao ilay principeko dia aza ahilika aty amiko ireo zavatra tsy mety fetezan'ny "taovam-paneken'ny sainao" azy
aza sarahina sy samatsamahana ary ampipina ny zavatra teneniko fa lasa manao fombana sekte izany ary niadianao mafy t@ ilay namana 1 iry
ny nolazaiko->ny olona= zava-manan'aina sa tsia? -> ny olombelona dia ao anatin'ny zavatra!

hihihi, Aza miezaka manamarin-tena rakoto ò!!!
Tsy nisy namatsamatsamaka ary tsy nisy nanampy izay nolazainao fa naveriko iray manontolo. Ianao no nanampy azy, ary vao maika tsy mitohaka.

Taiza koa no nisy hoe: Olombelona dia ao anatin'ny zavatra...hihihi.... Na olona tsy nahita fianarana aza tsy mba miteny ohatra an'izany, tena marina....
Mba mandinika aloha vao miteny e!

Ny olombelona dia zava-manan'aina fa tsy ZAVATRA araka ny lazainao akory.
Ny atao hoe zavatra rakoto dia tsy misy aina. Ary matoa sokajianao ho isan'ny zavatra ny olona dia esorinao ny maha izy azy, dia ny AINA izany. Ary rehefa miala ny maha izy azy dia azonao atao amin'izay tianao hanaovana azy izy.
Izany hoe: aminao ny marary mafy sy tsy afa-manao na inona na inona dia efa tsy isan'ny olombelona intsony, fa efa zavatra.

Mba mandinika vao miteny e!!!

ikaretsaka:
iza no tsy utilatarista ? na ianao io aza?

Ny olona efa simban'ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena, ary tsy mijery afatsy ny azy ihany no manana izany toe-tsaina izany ry namana. Ary aza heverina fa ny olona rehetra dia toy izany daholo. Ianao no manana izany toe-tsaina izany dia ekeo fa aza ahilika amin'ny hafa. Ianao no efa borne amin'ny tontolo tsy misaina afatsy ny tobon-tsoa manokana.



manaraka:

Mbola pire lavitra noho ny mpamosavy ny zavatra ataonao ry namana. Ny mpamosavy dia mamono ny olona tsy tiany. Ianao kosa dia mamono ny olona tianao sy tia anao.
Ny mpamosavy dia mamono ny olona afa-miady aminy, ianao kosa mamono ny olona tsy mba afa-mamaly anao.
Ny mpamosavy dia mamono ny olona manelingelina azy, ny anao kosa dia mamono ny olona tsy mba manelingelina anao.

Mbola pire noho ny olona lozabe ianao koa ry namana.
Ny olona lozabe dia mbola mety hanome sakafo na rano izay miangavy mafy aminy. Fa ianao kosa mahavita mijery ny hafa ho faty mosary, ho faty ny hetaheta.

Euthanasie:
Dia inona no atao hoe tena euthanasie ry namana raha ny tena dikany marina no raisina ?

ikaretsaka:
@ fomba ahoana no ampiasana izany? amin'ny alalan'ny famonona na fanesorana ny ain'ilay olona manembatsembana ny ain' ilay tokony harovana (aiza ny lojikanao... sa mahita fika hafa fampiasana bady sy fitaovam-piadiana au sens propre ianao?

Angamba ianao mbola tsy nandalo formation militaire na sahala amin'izany. Fa ny tenako efa nandalo an'izany dia mahalala tsara hoe: inona no ampiasaina ny basy. Ary tiako ny milaza aminao fa tsy natao hamonona olona mihitsy ny basy, ary matoa mianatra mitifitra ny miaramila sy ny polisy dia tsy ny hamono hahafaty no antony fa ny hikendrena ny faritra hahalavo ny fahavalo fotsiny fa tsy ny hahafaty azy.

ikaretsaka:
misy stade ireny aretina ireny.... rehefa tonga any @ meta.. dia ie!

Aminao izany dia efa tokony ho faty efa ela ry Marthe Robbin satria efa 50 taona tsy nahavita na inona na inona ary efa natetika efa tsy nahatsiaro tena... Ry Eluana sns...

Dia ahoana ny hevitrao amin'ireo olona vao teraka dia efa maona sy marenina ary kilemaina tongotra aman-tanana no sady tsy salama saina..? Tokony haringana ve? Satria tsy hahavita inona mandritry ny fiainany ary tsy misy zavatra ho vita...?

Hanampy anao handinika kokoa dia mba mitsidiha ny trano toy ny Trano Fitiavana (Maison de charité) any Fianaratsoa Ambatomena, Tongarivo Antananarivo, Ambanidia Antananarivo, sns...

farany:
Raha mamono ny olona sendra ny tsy fidiny ve dia mamono olona sa tsia???

Am-pitiavana be.

85. Fody ( 04/03/2009 07:42)


rakapy: Ny kankana ve tsy azo vonoina fa ny olona azo vonoina ????
86. ari.malala ( 04/03/2009 08:00)
ikaretsaka:

Raha samy hijery mamono ihany ary I ari. Dia iza no alain'i ari sy mampitony ny konsiasin'i ari kokoa...tsy maintsy mifidy an..atao hoe samy longonao aby izy 2:
Ilai olona efa ambavahoana tsy nahatanty ny fijaliany ka niteny niangavy hoe ho alefa any @ fiainana manaraka dia ianao no nikomandy an'i doko hoe euthanaseo
Sa ilay olona havanareo avy lavitra...tonga alina noheverinareo fa mpangalatra de notontanao ny famaky teo @ lohany de maty?



tsy afaka hifidy ah satria samy hafa le cas teneninao :) d za koa ts mamono olona na d izay heverina ho mpangalatra aza :) sady hafahafa b le exemple omenao, aiza koa no hisy olona tonga alina tonga de tontaina ny famaky ny lohany na d loza in aza! :-D :-D :-D :-D :-D fa iverenako ilay hoe mamono marary, atao izany hoe tsy ny tanan'ny tena mivantana no mamono azy, fa ilay nanaiky hoe eny aza fa vonoy.... ts vitako ka! marina mafy e! tsy vitako! raha misy mahavita raha izaho no marary tsy maninona isaorako azy mampitony ny fanaintainako, fa izaho tsy hahavita hiteny mitnsy hoe vonoy izy na inona mitranga na inona mitranga!
87. ari.malala ( 04/03/2009 08:15)
Fody:
Hanampy anao handinika kokoa dia mba mitsidiha ny trano toy ny Trano Fitiavana (Maison de charité) any Fianaratsoa Ambatomena, Tongarivo Antananarivo, Ambanidia Antananarivo, sns...
Marina mintsy zany! izaho aloha dia midera ny herim-pon'ireo masera sy ny laîka mpanampy mikarakara azy ireo e! ny tao Ambanidia sy Tongarivo no efa notsidihiko ary ny tao Ambanidia no nifanerasera tamiko aman-taonany, fa tena mahonena ny mahita ireo ankizy, olon-dehibe tezaina ao fa tsy kivy ireo mpikarakara fa dia tena manao izay hoafany @ fikarakarana ireo sembana (ara-batana sy ara-tsaina) ary ireo beantitra!
88. Mandefitra ( 04/03/2009 08:22)
ika:
Aiza ho aizan'ilay sijet kay ry mandefitra ny idiran'ny xty manolotra ny ainy @ ollona natao euthanasie?

ny fampitoviana ny olona @ biby.
Zay tsy fihevitr olona Kristianina velively.

Olona : nohariana araka ny endrik'Andriamanitra, nanoloran'i Kristy ny Ainy ho famonjena azy.

Biby : zava boahary, nomena ny olona hanjakany.


89. Fody ( 04/03/2009 10:41)



Tsy vitan'ny mampitovy olona amin'ny biby, fa mbola mampitovy azy amin'ny labatra sy ny seza koa... ary mbola latsaka amban'izany satria ny seza sy ny latabatra (ireny mantsy no zavatra) dia mbola azo ampiasaina ka avela eo ihany, fa ny olona marary mafy tsy afa-manao na inona na inona dia mendrika ny tsy ho eo intsony satria tsy misy ilaina azy intsony. Io no izy araka ny lojikanao rakaretsaka....

Mba mandinika kely aloha vao milaza hevitra rakaretsaka a!!!

Mbola tsy nidirako ny resaka spirituaté ignacienne aloha hatreto.

Am-pitiavana be.
90. soanja ( 04/03/2009 12:40)
Mandefitra:

Ny olona mampitovy ny olona @ biby aloha mazava ho azy fa tsy Kristianina izy.
Satria tsy ny biby mihitsy no nanoloran i Kristy ny AiNY fa ho famonjena ny olombelona zay nohariNy tahaka ny endriNY.
Ka aza dia lany andro miady hevitra @ zany fa efa mibaribary loatra izany.


Ny @ euthanasie ndray dia azo lazaina hoe victime ny fahaizany ihany ny olombelona. Nanao zay fara heriny ny mpahay siansa hitazonana ny ain'olona na dia efa tsy mahazaka izany ntsony aza ny toe-batan'ilay marary ... rehefa tsy tafaverina mihitsy nefa ny fahasalaman'ilay marary, dia ny olombelona ihany no mitady principe hamonoana ilay marary mba hanalefahana ny fahafatesany ...

Mampivoitra avy hatrany ny mahavoafetra ny asan'ny siansa izany, ary mampiharihary ny ny fahefan'Andriamanitra : "Izy no maka ary koa manome" hozy ny hira izay ...

Ka marina loatra ny tenin'i Coopsal hoe anontanio Andriamanitra.



Mahavariana tokoa ny fomba fisainana samihafa.

Eto angamba no tokony hanontany isika hoe nahoana isika no mifamaly sy mifanazava eto momba ny etanisia?

Raha ny fahitako azy matoa misy ity resaka ity dia tsy voavaly na ao amin'ny baiboly na aiza hoe HATRAIZA NY FAMERANA NY FIAINAN'OLOMBELONA IRAY RAHA TOA KA EFA MIJALY LOATRA IZY. Io fijaliana io no tokony asiana resaka nahoana tokoa moa no misy ny fijaliana na ara-batana na ara-tsaina???? Andriamanitra koa ve no nampiditra an'io tamintsika olombelona sa ve asan'i demony izay lazaina matetika eto izy io???
Aminareo nisafidy ve Andriamanitra fa atao jamba marenina ary malemy i Rakoto ary atao mavitribitrika manana ny rehetra i Rabe???

Misaora an'Andriamanitra fa nomen'Andriamanitra ny atidoha isika handinika sy hikaroka ireo zavatra mbola tsy voavaly ary manome fahafahana antsika izy hanatanteraka izany matao mahavita isika manasitrana ny marary sy manatsara izay efa ananantsika eo aza. Tsy afa-misaraka Andriamanitra sy ny Siansa. Matoa isika tonga teny amin'ny volana dia efa planina ao anatintsika milaza fa ho tody any isika, ny universa rahateo efa vita planina noho izany. Amin'ny alalan'ny fikarohana no natanteraka izany. Matoa misy ny hopitaly ary raha efa nampiasa hopitaly ianao izay miteny io dia misaora ny Siansa, matoa natao vakisiny ianao raha tany ambohoka sy nolebiazina dia noho ny siansa zany hoe ny fahaizan=-draolombelona ary ny tsimoka avy any amin'Andriamanitra.

Ny Etanizia akory tsy natao hamonomonoana fa natao hanalefahana ny fijaliana. Tsy ataotao foana akory ilay izy fa matoa efa tonga amin'io fotoana io dia satria efa tsy nahita valiny intsony ra-olombelona dia farany io no vitany. Koa moa ve raha afaka manao etanizia izy tsy midika fa manam-pahefana?? Raolombelona no mamorona ny olona ary Raolombelona ihany koa dia mahalala ny hamerana azy. Ireo dia tsy hoe ataotao foana fa efa misy lalana mifandraika amin'io.

Nisafidy ny raiko aho hody any amin'Andriamanitra. Lasa izy ary safidiko izany satria nijaly izy. Tsy fidiny ny mijaly ary tsy safidiko ny mahita azy mijaly. Saingy kosa safidiko ny mahalala fa afaka milamina izy any amin'izay misy azy SATRIA TSY MIJALY ARA-BATANA IZY! na hijery azy mijaly mandrapahafatiny.

Ny finoana fa mbola hihaona indray andro any no tokony ametrahantsika ny toky. Raha matahotra fahafatesana ianao dia manontania tena tokoa???


91. Fanhaiky ( 04/03/2009 12:41)
Mandefitra:

Olona : nohariana araka ny endrik'Andriamanitra, nanoloran'i Kristy ny Ainy ho famonjena azy.

Biby : zava boahary, nomena ny olona hanjakany.





Omeo fampianarana hafa koa izy de resy lahatra tsara amin'izay, fantany tsara fa tsy hitovy velively ny olona sy ny biby
92. soanja ( 04/03/2009 12:52)
Izao vao hitako nahoana ny olombelona no mahavita manao zavatra isan-karazany amin'ny fampijaliana ny biby sy ny fanapotehana ny tontolo iainana. Satria nahoana??? hay tokoa kay moa tsy manan-danja aminy ireo zavatra ireo! Tsy manan-kasina aminy ary fanambonian-tena no mihoatra amin'ireo no fijery apetrany.

Iray ihany isika rehetra na biby na olombelona na ny zavamisy eran'ny tontolo. Tsy afa misaraka isika fa miara-miodina. Mifamatotra ny fiainantsika!
Matoa isika mbola miaina dia satria mihinana ny vokatry ny tany ary mandray ny zavatry ny lanitra. Raha mbola ao anatin'ity planeta misy antsika ity isika dia mitovy tokoa na dia tsy mitovy aza ny zavabita. Aza heverina fa ambany ny biby satria tsy misaina. Raha manontany ny rano ianao, tsy mambaliny izy fa saingy kosa manana asa soa ho anao. Matoa izy eo dia misy dikany izay.

Isika sy ny tontolo no eto. Ny ankoatr'izay dia Andriamanitra mampifandray antsika amin'ny alalan'ny asa. Asa izay vokatry ny asan'ny atidoha matsilo sy hendry.
93. soanja ( 04/03/2009 13:02)
Fanhaiky:

Mandefitra:

Olona : nohariana araka ny endrik'Andriamanitra, nanoloran'i Kristy ny Ainy ho famonjena azy.

Biby : zava boahary, nomena ny olona hanjakany.





Omeo fampianarana hafa koa izy de resy lahatra tsara amin'izay, fantany tsara fa tsy hitovy velively ny olona sy ny biby



Tsy voatery ho fampianarana izany ka. Mety fandemen-tsaina koa fa tandremo.

Mifandanja ny olona sy ny biby ary ny hafa rehetra. Tsy velona ianao raha tsy misy ireo. Ka iza no ambony?
Ny tsy ifampitovizantsika amin'ny biby dia ny fomba fisainana sy fihetsika entintsika mifandray aminy. Isika olombelona izay manana izany. Mampalahelo fa tsy mahita ny mahasarobidy ny zavamisy eto amin'ny tontolo rehetra.

Io no mahatonga antsika ho isika ihany no manimba ny tenantsika satria tsy mahalala ny fifandanjan'ireo zavamisy rehetra ireo eo amin'ny tontolo iainantsika.


94. ikaretsaka ( 04/03/2009 14:02)

Mandefitra:

Olona : nohariana araka ny endrik'Andriamanitra, nanoloran'i Kristy ny Ainy ho famonjena azy.

Biby : zava boahary, nomena ny olona hanjakany.





Inona kay ry mandefitra no maha samihafa ny hoe 'nohariana' sy ny 'voahary' araka ny hevitrao...
Ary ataoko voalaza fa 'hitan'Atra fa tsara izany' foana no miverina?

Ary raha genesisy genesisy dia ny olona sy bibilava ihany t@ noharin'atra no nahatezitra azy

95. pissoa ( 04/03/2009 14:56)
Misy fijery black and white be ! Raha hoe ambany noho ny olona na ny ain'ny olona ny alika dia tsy misy voatery midika akory izany fa tsisy dikany ilay alika na tsisy ilana azy.

Fa raha samy hianjera eo ambaravaran-kely koa ny rano amin'ny zinga sy ny zaza enim-bolana dia iza no hovonjena ? Ny rano sa ny zaza rehefa tsy ho tratra miaraka ? Samy manan-danja ireo, fa isika koa mila mametraka hoe ity aloha vao ity.

Ikaretsaka:

rehefa tsy avotra intsony sy hay hoe tsy avotra intsony de ajedaho.. fa raha mbola havatra dia aza ajedaka


Ikaretsaka:

na Atra aza no tompon'ny aina..nomena raison sy talenta hahafantatra ny tokony ho avotra sy ny tsy avotra intsony isika, heloka ho antsika koa ny tsy fampiasana izany talenta izany


Ny talenta nomena antsika dia natao hanarahana ny sitrapon'Andriamanitra - fa tsy natao hampitony ny eritreritsika akory hoe iza no mampandry kokoa ny konsiansy ny mamono sa ny mahita azy mijaly. Dia anontanio hoe inona no sitrak'Andriamanitra.

Tahaka izany koa ny safidy. Natao hanarahana ny sitrapon'Andriamanitra - fa tsy hanamaivanana fotsiny ny fahorian'ny tena. Ka na safidin'ilay olona aza ny ho faty ... mbola manana ny safidinao koa ianao.

Fa amiko koa raha olona heverina fa ambavahoana izany, heveriko koa fa tsy mila anao hamono akory fa ho faty ho azy eo.

Raha mboa tsy maty izy afaka telo volana fa mbola mijaly ... dia diso izany ny hevitrao tamin'ny telo volana lasa hoe efa ambavahoana izy :)

Ary ahoana moa ny hahafantaranao izay ao an-tsain'ilay olona na dia mivontirika aza ny masony ? Tsy fantatrao izy raha mbola mivavaka hoe Akambako amin'ny fijalianao teo amin'ny hazo fijaliana izao fijaliako izao.

I Kristy tsy nampanantena la vie en rose ety an-tany rehefa miaraka aminy. Ie - tena sarotra be ny safidy, fa tena ananantsika kosa - ary heveriko fa mazava ny tian'i Kristy amin'io lafiny io.

Sa moa tsy mazava ... aleo aloha aho hieritreritra :roll: :-D :-D :-D :-D :-D
96. pissoa ( 04/03/2009 15:01)
Pissoa:
Ny talenta nomena antsika dia natao hanarahana ny sitrapon'Andriamanitra - fa tsy natao hampitony ny eritreritsika akory hoe iza no mampandry kokoa ny konsiansy ny mamono sa ny mahita azy mijaly. Dia anontanio hoe inona no sitrak'Andriamanitra.

Tahaka izany koa ny safidy. Natao hanarahana ny sitrapon'Andriamanitra - fa tsy hanamaivanana fotsiny ny fahorian'ny tena. Ka na safidin'ilay olona aza ny ho faty ... mbola manana ny safidinao koa ianao.

Ooops, ni-assume za tamin'ny niteny an'ireo hoe tia an'Andriamanitra isika ary tia ilay ranamana. :oops:
97. soanja ( 04/03/2009 15:31)
pissoa:

Dia anontanio hoe inona no sitrak'Andriamanitra.




Izay anie le olana eto e. Tsy mamaly mihitsy Izy Andriamanitra fa isika olombelona tsy maintsy maka decision na hamela azy hijaly eo na ny hanalefaka ny fijaliany. Amintsika ny fandraisana izay safidy izay. Fa Izy Andriamanitra raha mahalala fa tsy tokony hofaty ilay olona dia tsy ho faty tokoa sa ahoana na dia vonoina aza??? raha ny fiheverantsika fa izy no manome ary izy no maka.
Be no milaza eo fa misy ny fitahian'Andriamanitra fa tsy maty ranina tamin'izao sy izao???? Mitahy izy rehefa tsy tiany hofaty ilay olona. Matoa maty dia vonona ny hamela izy izay handray azy.

Ny rano sy ny zaza dia samihafa tokoa raha samy hevitra ampifandraisana. Ny rano natao hikoriana sy hilatsaka, hambolena sns... hitsika zany hoe tsy haratra ny rano na mijaly ny rano raha raraka fa ny zaza kosa dia haratra. Hisy ny fijaliana amin'ny iray. Izay manalefaka ny fijalian'ny isanisany ihany no zava-dehibe. Zany hoe raha misy mijaly eo dia ny olona aloha no vonjena voalohany izay vao ny biby satria iny no manakaiky antsika kokoa. Fa kosa raha samy hoe ho simba ny zavatra na olona dia samy manana ny hasiny ireo ary mila kajiana avokoa ny hatsarany.


98. ikaretsaka ( 04/03/2009 15:56)
Tsetsatsetra kely ho an'i pissoa...
Ny rano ve "maty" raha azera na mianjera?
99. ikaretsaka ( 04/03/2009 15:56)
Tsetsatsetra kely ho an'i pissoa...
Ny rano ve "maty" raha azera na mianjera?
100. pissoa ( 04/03/2009 16:37)
Tsy ny hahafatesan'ilay olona no nataoko hoe anontanio ny sitrak'Andriamanitra, fa ny hanaovana ny etnazia. Sitrany ve ny hanaovana ilay etnazia, fa tsy hoe sitrany ve ny hahafatesan'ilay olona. Na hanao etnazia aza ny olombelona, izaho mihevitra fa raha te hanao fahagagana Andriamanitra tsy hahafaty ilay olona dia tsy ho faty ilay olona ! Fa ny fikasana tao amin'ilay olona saika namono kosa dia zavatra efa nisy, ary tsy nijanona ho fikasana fa efa notanterahiny, saingy Andriamanitra no nanakana ny tanjony !

Raha heverinao hoe tsy maintsy ho faty ilay olona ... sitrak'Andriamanitra ve ny hamonoanao azy ?

Asa io raha efa novalian'Andriamanitra. Izaho aloha mihevitra hoe efa an'arivon-taonany Andriamanitra no namaly an'io.

Ikaretsaka : Ary raha ovaiko alika amin'izay ilay rano amin'ilay ohatra hoe rano sy zaza ? Vao maika nasongadinao ny tiako avohitra.
Pissoa:
Samy manan-danja ireo, fa isika koa mila mametraka hoe ity aloha vao ity.

Ny fanontanianao misy implicit hoe ny mety maty aloha vao ny tsy mety maty. Dia tohizako ... ary raha samy mety maty fa amin'izao alika sy olona.
:-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.009