Ny Euthanasie...

101. ikaretsaka ( 04/03/2009 20:20)
Fody:

hihihi, Aza miezaka manamarin-tena rakoto ò!!!
Tsy nisy namatsamatsamaka ary tsy nisy nanampy izay nolazainao fa naveriko iray manontolo. Ianao no nanampy azy, ary vao maika tsy mitohaka.

Taiza koa no nisy hoe: Olombelona dia ao anatin'ny zavatra...hihihi....
Na olona tsy nahita fianarana aza tsy mba miteny ohatra an'izany, tena marina....
Mba mandinika aloha vao miteny e!


asa na ianao
Tsy ZAVA manan'aina (etre vivant) ny olona??
tsy zava manan'aina (etre vivant) ny biby?
-> dia raha samy etre vivant.. de inona no maha samihafa azy raha resaka vie ?




manaraka:

Mbola pire lavitra noho ny mpamosavy ny zavatra ataonao ry namana. Ny mpamosavy dia mamono ny olona tsy tiany. Ianao kosa dia mamono ny olona tianao sy tia anao.
Ny mpamosavy dia mamono ny olona afa-miady aminy, ianao kosa mamono ny olona tsy mba afa-mamaly anao.
Ny mpamosavy dia mamono ny olona manelingelina azy, ny anao kosa dia mamono ny olona tsy mba manelingelina anao.

Hay ve le euthanasie =mamono aminao e!
ivereno ny fototr'ilay teny ry namana tsy "mamono"(=grika -Phoneo/ hebtioRatsach” araka ny iheveranao azy no filaza azy ry namana fa "manamora ny fahafatesana"!

Mbola pire noho ny olona lozabe ianao koa ry namana.
Ny olona lozabe dia mbola mety hanome sakafo na rano izay miangavy mafy aminy. Fa ianao kosa mahavita mijery ny hafa ho faty mosary, ho faty ny hetaheta.


---> aza atao supposition .. ity izay mitady de omena fa tsy izay mitady dia "mbola mety " homena... suppositoire be izany!

Euthanasie:
Dia inona no atao hoe tena euthanasie ry namana raha ny tena dikany marina no raisina ?
= fanamorana ny fahafatesan'ireo mangataka izany sy mila izany

Angamba ianao mbola tsy nandalo formation militaire na sahala amin'izany. Fa ny tenako efa nandalo an'izany dia mahalala tsara hoe: inona no ampiasaina ny basy. Ary tiako ny milaza aminao fa tsy natao hamonona olona mihitsy ny basy, ary matoa mianatra mitifitra ny miaramila sy ny polisy dia tsy ny hamono hahafaty no antony fa ny hikendrena ny faritra hahalavo ny fahavalo fotsiny fa tsy ny hahafaty azy.

wawawa ny anao .... raha tena nianatra formation militaire ianao fa tsy vatatay na sn de niala dia jereo ny "art of war"-> de jereo ao ny antony hilana ny fitaovam-piadiana
Aminao izany dia efa tokony ho faty efa ela ry Marthe Robbin satria efa 50 taona tsy nahavita na inona na inona ary efa natetika efa tsy nahatsiaro tena... Ry Eluana sns...

ie raha nangataka ny hovonoina izy

Dia ahoana ny hevitrao amin'ireo olona vao teraka dia efa maona sy marenina ary kilemaina tongotra aman-tanana no sady tsy salama saina..? Tokony haringana ve? Satria tsy hahavita inona mandritry ny fiainany ary tsy misy zavatra ho vita...?


eny raha nangataka ny hatao izany izy, fa raha mahatsapa izy fa mbola ilain'ity fiainana ity dia tsia!

Hanampy anao handinika kokoa dia mba mitsidiha ny trano toy ny Trano Fitiavana (Maison de charité) any Fianaratsoa Ambatomena, Tongarivo Antananarivo, Ambanidia Antananarivo, sns...

efa tany aho ry namana ary nahita ny pire noho ireny, fa ny marary @ireny tsy nisy niteny sy nangataka hoe hafaingano ny fahafatesany, fa raha nisy nangataka dy nananantsika ilay fitaovana dia .. eo indrindra isika izao!

farany:
Raha mamono ny olona sendra ny tsy fidiny ve dia mamono olona sa tsia???

rehefa mamono olona dia mamono olona na fidiny na tsy fidiny, fa samihafa ny nangataka hovonoina sy ny tsy nangataka







102. fijo ( 04/03/2009 21:27)
eto aho dia momba tanteraka an'ika.na olona na biby dia samy miaina ary samy marary.ka amiko tokony hitovy ny fanajana azy.raha hijaly izy aleo maty.

ny ahy ny raiko no voan'ny cancer.ary tena itako sy tsapako ny fijaliany.de za no niteny tamin'i mamanay hoe raha mivavaka ianareo,dia ny ahafaty azy haingana hivavahana.

miombonkevitra amin'i fody koa aho amin'ilay hoe tsy azo feran ahoe rehefa tsy mahatsiaro tena 3 taona dia azo alefa.amiko dia arakarak'ilay toebatany io.raha ita ve,fa olona efa tsy misy hafa tsy taolan asisa de mboalhizirizirian aeo foana.aleo izy hiadana.
103. ikaretsaka ( 04/03/2009 22:22)
Lasa izy ary safidiko izany satria nijaly izy. Tsy fidiny ny mijaly ary tsy safidiko ny mahita azy mijaly. Saingy kosa safidiko ny mahalala fa afaka milamina izy any amin'izay misy azy SATRIA TSY MIJALY ARA-BATANA IZY! na hijery azy mijaly mandrapahafatiny.

Ny finoana fa mbola hihaona indray andro any no tokony ametrahantsika ny toky. Raha matahotra fahafatesana ianao dia manontania tena tokoa???


izay

104. xxx ( 04/03/2009 23:48)
Dia izay ianao olombelona vao niforona taty aoriana be an'ireo zava-boahary hafa ve no miseho ambony nohon'ny hafa???

Izay no mahavendrana an'ialahy, tsy resaka fotoana chronologique no maha-ambony ny olombelona fa ny fananany saina sy fanahy afaka mandanjalanja. Ary raha izy no noforonina voalohany dia taiza no nasiana azy tany @ VIDE.
Ary raha te hitovy laharana amin'ny biby rangahy dia an-drangahy izany. Ary aoka hazava fa ny fahambonian'ny olombelona tsy midika akory fampijaliana biby na zava-boaary hafa.
Fa angaha raha mahavita fiara sy raoplinanina sns de hoe ambony???
fa angaha raha tsy mitovy fomba fisainana sy fanao @ olombelon ny biby hafa dia ambany??? Ny ohatranao izao indrindra angamba no ambany na manan comlpexe d'inferiorite.

Tsy misy resaka complexe de superorité sy infériorité eto rakoto fa zavatra EVIDENT be izany. Mahagaga fa bandy miseho azy mahay indray ato no lasa mihavendrana. Sa rangahy te ho baikon'ny instinct tahaky ny biby koa.

Ary ny baiboly izay tohavinao sy hamaritanao ny fiananao io dia tantara toy ny tantara rehetra ka noterena ho marina.Genesisy a genesisy! Ohatrany milaza amiko ianao fa mino an'i Ngahy be Noely koa


Raha izay ny Opinion-nao mikasika ny finoana dia tazony ho anao irery ihany. Fa aza mandany hery mandresy lahatra ahy amin'izany. De toute façon tsy voatery ho marina izay opinion izay, indrindra moa rah mahita ny lòjika mba lazainao ato.

Raha ny olombelona no jerena dia ny famotehana sy fanimbana ny voahary no tena hainy.

Raha milaza ianao vohary iza kay ilay mpahary ?
Ary aza hafangaro fa ampahany amin'ny olombelona no mpanimba zava-boaary fa tsy izy rehetra : miteny ho azy ny mvt écologiste, jereo koa indianina any amerika atsimo, eny na ny ezaka ataon'izao tontolo izao amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ary raha mino sy tia izany A/tra izany tokoa ianao dia ny fanajana ny zavatra nohariny no fanajana azy voalohany fa tsy ny fahaizana ny andininy sy toko ao anaty baibolinao ao!

Tsy fantatrao aloha na manaja na tsy manaja izany voahary izany ao, ary tsy fantatrao ihany koa na mianatra ny toko sy ny andininy no tena ataoko. Koa mety diso adiresy izany teny izany.

Ary aza miafanina ao ambadiky ny xxx moa fa ohatra ny MPAMOSAVY MALEMY ko ity izy.

Izay ilay formule matetika miverimberina eto rehefa tsy mahahovoka firy intsony amin'ny ady hevitra. Bon, na ataoko rakoto na rabe io tsy any pbl fa ny hevitra mivoaka.

Ary amin'ny manaraka dia mba ataovy mafonja ny hevitra alefa fa vendrana be. Ialahy ve leitsy olona mba manana saina sy fanahy natao handinika sy handanjalanja dia sahy hilatsa-tena hitovy laharana amin'ny biby izay baikon'ny instinct fotsiny.
105. rakapy ( 05/03/2009 00:20)
[
Izay no mahavendrana an'ialahy, tsy resaka fotoana chronologique no maha-ambony ny olombelona fa ny fananany saina sy fanahy afaka mandanjalanja.


Dia raha tena mahay ialahy dia nahoana no tsy fantatr'ialahy fa tsy manana saina afaka mandanjalanja ny biby? Izany ve dia mbola ampianarina koa e??? Be letsy ny zavatra tsy takatry ny sain'ialahy fa takatry ny biby a!ary vise versa koa. Ny tsy fitovizan'ny fomba fiaina sy ny fomba fisainana ve no ilazan'ilahy fa ambany izy ireny?
Aza be vava manakiana hevitr'olona @ hoe vendrana hoa fa toa mampiseho ny inferiorite izato izy.
Ary aza hafangaro fa ampahany amin'ny olombelona no mpanimba zava-boaary fa tsy izy rehetra : miteny ho azy ny mvt écologiste, jereo koa indianina any amerika atsimo, eny na ny ezaka ataon'izao tontolo izao amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.


Tssssssssssssss!!!!!!! tena hita no maha vendrana anao raxxx.
miseho ho mahay milaza ny momba ny ekolozia nefa tena innocent tanteraka ialahy izany.
Fa angaha ingahy eto an-tany no mipetraka sa aiza???
:-D :-D :-D
Ny tiako lazaina dia ohatra iray fotsiny no omeko an'ialahy .Ny harona plastic na ny taratasy fifiran'ingahy io kay avy azy? ity ordinatera ahafahan'i ngahy manoratra eto ity kay inona no voka-dratsiny ary inona sy inona avy kay no nanamboaharana azy ary mankaiza kay izy ity rehafa tonga ny fotoana mahasimba azy??? dia hitan'ialahy fa mpanimba ny voahary ialahy na dia tsy mivantana aza.
Tatatataina ny hoe polution e polution e! fa angaha ny biby no mampidonaka ny sekotra sy ny simika izay vokatry ny tsy fisainan-draolombelona??? dia milaza ve ialahy fa ambony sy mahay nohon'ny biby???
Io rakoto tsy misy ambony sy ambany izany fa samy manana ny maha izy azy a!
Fa ny mpanambony tena toa anao no tena ambany.
106. soanja ( 05/03/2009 00:22)
xxx> Marina fa tsy mitovy ny hevitra eto fa aoka kosa mba tsy hisy ny fanabatibatiana sy fanambanimbaniana ny hafa.
Olona samy afaka misaina tsara daholo isika ary matao misy ny tsy fitovian-kevitra dia satria samihafa ny fomba handraisana ny fiainana.


107. xxx ( 05/03/2009 00:54)
Izao vao hitako nahoana ny olombelona no mahavita manao zavatra isan-karazany amin\'ny fampijaliana ny biby sy ny fanapotehana ny tontolo iainana. Satria nahoana??? hay tokoa kay moa tsy manan-danja aminy ireo zavatra ireo! Tsy manan-kasina aminy ary fanambonian-tena no mihoatra amin\'ireo no fijery apetrany.

Iray ihany isika rehetra na biby na olombelona na ny zavamisy eran\'ny tontolo. Tsy afa misaraka isika fa miara-miodina. Mifamatotra ny fiainantsika!
Matoa isika mbola miaina dia satria mihinana ny vokatry ny tany ary mandray ny zavatry ny lanitra. Raha mbola ao anatin\'ity planeta misy antsika ity isika dia mitovy tokoa na dia tsy mitovy aza ny zavabita. Aza heverina fa ambany ny biby satria tsy misaina. Raha manontany ny rano ianao, tsy mambaliny izy fa saingy kosa manana asa soa ho anao. Matoa izy eo dia misy dikany izay.

Isika sy ny tontolo no eto. Ny ankoatr\'izay dia Andriamanitra mampifandray antsika amin\'ny alalan\'ny asa. Asa izay vokatry ny asan\'ny atidoha matsilo sy hendry.
.

Aza extremiste be ohatr\'io fa tsy mety é, ny fahambonian\'ny olombelona akory tsy midika avy hatrany fa tsy manaja ny zava-boahary izy.

Ary izay indraindray ny pbl amin\'ny Soanja( azafady manonona ny anarana) afangaronao daholo io finoana isan-karazany io hany ka tsy hita intsony ny maha-kristianina anao. Io hevitrao io izao dia avy any @ ireo fivavahana Tatsinana, Bouddhisme, sns .
Marina fa @ mahasamy Voahary dia mpihavana ny zava-boahary rehetra eny fa ireo olo-masina mistique toa ndry François d\'Assise aza manamafy izany @ ilay tononkira malaza nosoratany : \" Tononkiran\'ny zava-boahary \". Ary izany no tokony hanajana azy ireny sady équilibre ho an\'ny fiainantsika ihany koa ny fisian\'izy ireo. Ary betsaka ny olona déprimé eo @ fiainana no tezaina amin\'ny toerana mangina ihodidinan\'ny zava-boahary.

Na izany na tsy izany dia aza ampitoviana amin\'ny zava-boahary tanteraka ny olombelona. Efa misy lamina napetrak\'Andriamanitra ao ka i Adama no nomeny fahefana hanome anarana ireo biby isan-karazany tao @ saha, ary mbola Izy Andriamanitra no nilaza hoe : \" hanjakao ny tany \". Ka izay no hananantsika Faculté( saina, fo, fanahy) afaka mizaka ny zava-boahary.

Ary mba hivereno Vakio tsara koa ny Baiboly ry Ikaretsaka fa rehefa avy nahary ny olombelona Andriamanitra dia tsy hoe tsara fotsiny fa hoy ny Baiboly : \" ary hitan\'Andriamanitra fa tsara indrindra izany \". Appréciation izay miavaka tamin\'ny nahavitany ny @ zv-boaary hafa rehetra.

Ary mba azavao tsara koa ry Soanja ilay hoe \" fahafatesana = fahatoniana\" fa gravy be izy izany. Ka tsy izay ve no tena fandemen-tsaina loza indrindra. Raha fahatoniana ny fahafaresana dia ny mamono olona izany kay tsy crime fa fampatoniana fotsiny !!!!!!
Ho an\'ny olona te hamono tena, tsy mahita maminy @ fiainana angamba dia mety ho marina.

Ary farany, ity resaka euthanasie ity dia efa hatr@ andron\'ny romana no nisiany. I jesoa raha nilaza ho nangetaheta teo ambony hazofijaliana dia nomena ranon-javatra mangidy ho fampihenana ny fanaintainana, vao nanandrana izany anefa izy dia nialany haingana, dia naleony niandry hatramin\'ny farany. Ka mbola manamafy io fa olona kanosa no tena mitady an\'io euthanasie io.

Ny tena marina @ ity resaka Euthanasie ity dia ny tsy fahazakan\'ny olombelona miatrika ny fahalemeny. Satria ny fijaliany sy ny fanaintainana dia maneho ny maha-osa azy. Ka raha ho an\'ny olona tsy manam-pinoana izay mihevitra fa eto an-tany no hany fiainana, dia ny fanajedahana no vahaolana farany. Tsy izay anefa ny vahaolana raha ho an\'ny kristianina. Accompagnement no tokony atao amin\'ny olona hiatrika ny fahafatesana, fotoan-dehibe mety hampibebaka azy io fotoana io, ka omeo chance izy hibebaka fa aza hajedaka avy hatrany. Ary mba jereo koa ny valeur purificatrice et rédemptrice ny souffrance fa aza raisina coté negative intsony. Dia ny Fibanjinana ny Jesoa mijaly sy mifantsika irery ihany no ahafahantsika miaina izany.

Hatreo fa dia mirary ny kristianina rehetra handalina ny misterin\'ny ny Fijalian\'i Kristy amin\'izao Karemy izao.




108. xxx ( 05/03/2009 01:03)
Raha fanambaniana moa iny dia hialan-tsiny, fa miainga avy amin'ny hevitra avoakany ihany ny zavatra soratako. Ny hoe mamoaka hevitra akory tsy midika miteniteny foana. Ary mba anaro koa ilay ranamana tsy halaky hisendaotra fa vao mainka manoratsoram-poana.
109. rakapy ( 05/03/2009 01:25)
Ny hevitro no nasehoko ry akama fa ianao no nampiditra ny teny hoe VENDRANA teo voalohany satria tsy tantinao ilay hevitro hoe tsy misy ambony sy ambany izany na ny olombelona na ny biby.
Raha mandinika sy mijery ny hevitrao aho dia hita fa hevitra concervateur be ny hevitrao ary tsy afaka ny hiahaino na hitady zavatra hafa ankoatra ny izay nampianarina anao. Inona izao ny maha diso raha toa ka mampifangaro karan-pivavahana maro i Soanja??? Raha Xana katolika no nanabehazana anao dia tsy midika akory izany hoe ny hafa ankaotra izay dia tsy tsara avokoa!
110. soanja ( 05/03/2009 03:03)
[quote=xxx]
I

Ary izay indraindray ny pbl amin\\\'ny Soanja( azafady manonona ny anarana) afangaronao daholo io finoana isan-karazany io hany ka tsy hita intsony ny maha-kristianina anao. Io hevitrao io izao dia avy any @ ireo fivavahana Tatsinana, Bouddhisme, sns .
Marina fa @ mahasamy Voahary dia mpihavana ny zava-boahary rehetra eny fa ireo olo-masina mistique toa ndry François d\\\'Assise aza manamafy izany @ ilay tononkira malaza nosoratany : \\\" Tononkiran\\\'ny zava-boahary \\\". Ary izany no tokony hanajana azy ireny sady équilibre ho an\\\'ny fiainantsika ihany koa ny fisian\\\'izy ireo. Ary betsaka ny olona déprimé eo @ fiainana no tezaina amin\\\'ny toerana mangina ihodidinan\\\'ny zava-boahary.

Na izany na tsy izany dia aza ampitoviana amin\\\'ny zava-boahary tanteraka ny olombelona. Efa misy lamina napetrak\\\'Andriamanitra ao ka i Adama no nomeny fahefana hanome anarana ireo biby isan-karazany tao @ saha, ary mbola Izy Andriamanitra no nilaza hoe : \\\" hanjakao ny tany \\\". Ka izay no hananantsika Faculté( saina, fo, fanahy) afaka mizaka ny zava-boahary.


Ary mba azavao tsara koa ry Soanja ilay hoe \\\" fahafatesana = fahatoniana\\\" fa gravy be izy izany. Ka tsy izay ve no tena fandemen-tsaina loza indrindra. Raha fahatoniana ny fahafaresana dia ny mamono olona izany kay tsy crime fa fampatoniana fotsiny !!!!!!
Ho an\\\'ny olona te hamono tena, tsy mahita maminy @ fiainana angamba dia mety ho marina.

Ary farany, ity resaka euthanasie ity dia efa hatr@ andron\\\'ny romana no nisiany. I jesoa raha nilaza ho nangetaheta teo ambony hazofijaliana dia nomena ranon-javatra mangidy ho fampihenana ny fanaintainana, vao nanandrana izany anefa izy dia nialany haingana, dia naleony niandry hatramin\\\'ny farany. Ka mbola manamafy io fa olona kanosa no tena mitady an\\\'io euthanasie io.

Ny tena marina @ ity resaka Euthanasie ity dia ny tsy fahazakan\\\'ny olombelona miatrika ny fahalemeny. Satria ny fijaliany sy ny fanaintainana dia maneho ny maha-osa azy. Ka raha ho an\\\'ny olona tsy manam-pinoana izay mihevitra fa eto an-tany no hany fiainana, dia ny fanajedahana no vahaolana farany. Tsy izay anefa ny vahaolana raha ho an\\\'ny kristianina. Accompagnement no tokony atao amin\\\'ny olona hiatrika ny fahafatesana, fotoan-dehibe mety hampibebaka azy io fotoana io, ka omeo chance izy hibebaka fa aza hajedaka avy hatrany. Ary mba jereo koa ny valeur purificatrice et rédemptrice ny souffrance fa aza raisina coté negative intsony. Dia ny Fibanjinana ny Jesoa mijaly sy mifantsika irery ihany no ahafahantsika miaina izany.

Hatreo fa dia mirary ny kristianina rehetra handalina ny misterin\\\'ny ny Fijalian\\\'i Kristy amin\\\'izao Karemy izao.







Mahavariana be tokony fomba fijerinao azy izany ry xxx.

Misaotra anao aho miahy ny momba ahy saingy hiteny aminao aho fa aza sahirana manakatra ny finoako. Aza sahirana hoy aho satria raha mihevi-tena ho Kristianina aho dia tsy hitovy na hiray lasitra amin\'izay mihevitra ny tenany ho Krsitianina hafa. Tsy manam-petra ny ahy ny finoako ary mivoatra arakaraky ny feon\'ny Fanahy Masina miaina ato anatiko manome torolalana ahy. Tsy voafetra ao anaty boky ary tsy ho voafetra mandrakizan\'izay hevitr\'olona mandalo.

Ny mahamety azy aza anie dia azonao tonga dia fafana tsy ho isan\'ireo eritreretinao ho Kristianina aho dia mety amiko koa izay e. Amin\'izay ianao tsy mijaly hisahirana amiko intsony sy ny momba ahy.

Ny hoe Xtremiste indray dia ialako tsiny fa raha misy angamba miezaka miala amin\'io dia izaho no voalohany fa raha toa nihevitra aho fa notsinotsinoavina ny biby sy ny tontolo iainantsika dia satria izay tokoa ny zavamisy amin\'izao. Firifiry moa ireo izay manimba azy tsy ankijanona sy mamita sy mamarana ny fisian\'ireo biby sy tontolo ireo eto ambonin\'ny tany?? Tsy mihevitra aho fa ianao na izaho no manao izany saingy kosa betsaka no tsy mahalala fa mifandraika ny fiainantsika sy ireo. Adidiko ny manoro sy miezaka mametraka izany fomba fijery izany amin\'ny hafa. Tsy manahy na tsy handray ny hafa fa izaho dia hiteny hoe samy manana ny hasiny isika mianakavy eto ambonin\'ity planeta ity. Ny mampiavaka antsika angamba hoy aho dia ny fanantanterahana izany adidy izany amin\'ny fitaovana nomen\'Andriamanitra antsika isaninsany avy. Manao ny adidiny ny biby, ny tany, ny rivotra sns... ary ireo manao ny asany arakarany avy.

Faly tokoa ny tenako mahita fa hitanao ny filantsika ny zavaboary. Isaorako anao manaja azy ireo. Fa ny hametraka ny tenako ho ambony noho ny rivotra na hanjaka amin\'ny zavaboary iray dia hoy aho hoe TSIA! Tsy hanao izany aho. Mitovy amin\'ny vorona sy ny hafa ny kilasy misy ahy. Samy misy ary ny fisiany sy ny fisiako mety mbola mampanontany tena ahy hoe iza no tonga taloha sy taty afara? Isika rehetra dia tokony hifampiankina sy hifanaja. Mifandray ary mifameno.

Ilay resaka fahafatesana dia mazava tanteraka ny ahy. Ny fahaftesana amiko dia tsy tokony ho naman\'ny tahotra. Ny fahafatesana dia ho fiombonana amin\'Izy Tompo. Tsy andriko aza ny hihaona amin-karavoana amin\'Izy Tompo. Nateraka aho dia faly ary ho faty aho dia faly satria hihaona indray amin\'ireo izay Tia ahy sy nitahy ahy. Ny fandazaoko anareo angamba no mampalahelo fa ny fahafatesana amiko dia fitoniana sy filaminana. Raha tsy mamono tena aho dia satria mbola manana adidy napetraka amiko sy tokony hovitaiko mandrapahatonga an\'ilay androko. Ilay andro iantsoana ahy. Tsy maika aho nefa tsy mitsoaka koa. Zava-dehibe ny fandalovana eto an-tany. Ny fanantanterahana ny mahaFanahy anao amin\'ny alalan\'ny Nofo. Asa tsy mora io ary tsy vitan\'ny hoe resaka ambony latabatra na eto amin\'ny Forum ka hanabatibatiana ny hafa. Amiko ny olona mamono no asa ratsy fa ny fialan\'ny olona aina kosa dia tsy misy maharatsy azy. Izay no androny. Ny fandaozana eo amin\'ny samy velona no mampalahelo. Toy ny fahaterahana ihany ny fandraisana ny fahafatesana amiko. Tonga ary lasa! Tsy misy tahotra ary tsy misy ahiahy satria hiaina ao anaty fitoniana tanteraka.

Inona moa ity fiainana ity e. Inona moa fa tsy fandalovana ihany. Samy ho any daholo. Ny fanararaotana ny hafa no tsy mety. Ka raha ny handatsaka aina dia tsy vitako saingy kosa ny hanalefaka ny mijaly dia vitako. Natao hivelona isika fa tsy natao hijaly. Matoa isika nomen\'Andriamanitra ny fahafahana malahelo ny hafa dia satria io fijaliana io no antony. Ny hialana amin\'io raha tsy antsitrapo. Matoa mijaly dia tokony itadiavana fanafodiny. Raha tsy misy ny fanafodiny dia atao akory fa izay aloha izany no misy. Samy hofaty any avokoa.

Lavabe ny resako fa tsy vonona ny hanohy intsony ity resaka ity aho fa tsy mitondra antsika mankaiza.

Olona efa heverin\'ny dokotera fa hofaty ary mijaly vao tonga ilay fahafatesana no hanaovana ny etanezia. Ny fijaliana mianjady amin\'ny vatany sy ny falahelovana azy ary ny faniriany tsy hiaina amin\'izany no mahatonga ny fanantanterahana an\'io. Natao hanasitrana ny dokotera ary natao hampiteraka ary natao hanampy amin\'ny fanalefahana ny manaintaina. Tsy anjaran\'iza n\'iza afa tsy ireo izay efa vonona manao izany asa izany ihany no manantateraka izany. Miankina amin\'ny tsirairay no mahita na mamelona ny dokotera aminy na mamono! Manampy na manimba. Manome soa na manisy ratsy. Anjarantsika tsiraidray no mihevitra izany amin\'ny fandraisantsika azy avy. NAMASTE!
111. pissoa ( 05/03/2009 08:12)
ikaretsaka:

Lasa izy ary safidiko izany satria nijaly izy. Tsy fidiny ny mijaly ary tsy safidiko ny mahita azy mijaly. Saingy kosa safidiko ny mahalala fa afaka milamina izy any amin'izay misy azy SATRIA TSY MIJALY ARA-BATANA IZY! na hijery azy mijaly mandrapahafatiny.

Ny finoana fa mbola hihaona indray andro any no tokony ametrahantsika ny toky. Raha matahotra fahafatesana ianao dia manontania tena tokoa???


izay


Izay amin'ny ahoana kosa ry Ikaretsaka ?

Rehefa tsy mijaly ara-batana angaha any amin'izay misy azy dia hoe "milamina" ? Ka sao tokony hajedaka daholo koa ireo malemy, sao tokony ajedaka ireo zaza tsy manan-kohanina ka zary mahia kozatra ! Mba tena mijaly ara-batana koa anie ireny e. Ary na ny mason'ny olona aza mangotsoka mahita ny sariny na amin'ny internet fotsiny aza.

Ny fandavana ny etnazia dia tsy midika ho tahotra ny fahafatesana, sahala amin'ny hoe ny olona mandeha manantona "mpitsabo" fa tsy "mpamono" rehefa misy aretina mianjady aminy, dia tsy midika hoe matahotra fahafatesana. Ny olona miady amin'ny SIDA tsy midika hoe matahotra fahafatesana.

Amin'ny fahafatesana ihany angaha no hahafahantsika mihaona amin-karavoana amin'Izy Tompo ? Aiza ho aiza ny finoantsika sy ny fiainantsika ny hoe miara-dalana amintsika isan'andro Andriamanitra ? Ary tena mitondra antsika amin-karavoana any Aminy tokoa ve ny famonoana olona na famonoana tena noho ny fijalian'ny vatana ?

:-D :-D :-D :-D :-D
112. coopsal ( 05/03/2009 09:21)
ari.malala & Fody ah >>>

Mamaly tokoa Andriamanitra. Raha mino ianao ohatra fa tena Didy avy amin' Andriamanitra marina ny hoe "Aza mamono olona", dia tsy asianao fanadihadiana be izany, fa ny hevitr' Andriamanitra dia hoe "aza mamono olona". Ary izay mino an' Andriamanitra dia tokony samy mipirina amin'io tenin' Andriamanitra io, tsy misy discussion.

Hafa indray raha hiresaka hoe : mamono olona tokoa ary ve raha manao euthanasie sa tsia ?
Raha ny fijeriko eto izao dia ny sasany mihevitra fa mamono olona kokoa aza ny tsy fanaovana ilay izy raha toa ka heveriny fa ilaina, ary ho an'ny sasany dia famonoana olona ankitsirano.

Ahoana indray ny hevitr' Andriamanitra amin'izay ?
Mitodiha amin' Andriamanitra amin'ny fo. Izay no problema.
Didin' Andriamanitra toa io koa, sady voalohany aza, ny hoe "aza manana andriamani-kafa fa izaho ihany". Ary ambaran' Andriamanitra amin'ny Kristiana, asehoNy amin'y Malagasy sy izao tontolo izao, fa ny fampirafesan'ireo olom-boafidin' Andriamanitra Azy amin'ny sampy maro hafa no mahatonga izao zava-misy eto Mada izao.
113. coopsal ( 05/03/2009 09:41)
soanja:

Nisafidy ny raiko aho hody any amin'Andriamanitra. Lasa izy ary safidiko izany satria nijaly izy. Tsy fidiny ny mijaly ary tsy safidiko ny mahita azy mijaly. Saingy kosa safidiko ny mahalala fa afaka milamina izy any amin'izay misy azy SATRIA TSY MIJALY ARA-BATANA IZY! na hijery azy mijaly mandrapahafatiny.

==> Rehefa namaky ity aho dia nahatsapa fa na dia mety ho nijaly tokoa aza ny rainao, ianao izay nahita azy no tena nijaly, satria tsy tantinao ny nahita azy. Nefa ny fijalianao tsy ara-batana ... fa ny an'ny rainao kosa ara-batana. Izany ve tsy mampiseho fa ny fanahy mety hijaly na dia tsy mijaly aza ny vatana ? Ary efa mba nosaininao ve ny fanahin'ny rainao ?
Raha Andriamanitra no nilaza taminao hoe : "vonoy izy fa alaiko tokoa", dia hoy aho hoe, tsy ianao intsony no nampanao ilay izy fa Andriamanitra, ary fankatoavana an' Andriamanitra no nataonao. Fa raha toa kosa ka ny fijalianao no nanaovanao izany ...

soanja:

Ny finoana fa mbola hihaona indray andro any no tokony ametrahantsika ny toky. Raha matahotra fahafatesana ianao dia manontania tena tokoa???

==> KRISTY niteny hoe "Aza matahotra izay mahafaty ny tena kanefa tsy mahay manao na inona na inona mihoatra. Fa matahora izay iray manana fahefana hanary any amin'ny afobe, rehefa avy namono ny tena. Andriamanitra ihany no atahory". Izaho mino fa izay lazain'i KRISTY no izy.
Rehefa mihaona any an-koatra amin'izay ary, azonao antoka ve fa hisaotra anao io rainao io noho izay nataonao ? Ary azonao antoka ve fa rehefa hifanatrika amin' Andriamanitra ianao dia ho hoy Izy hoe : "Félicitations soanja!" ?
114. Fody ( 05/03/2009 10:22)
ikaretsaka:
asa na ianao
Tsy ZAVA manan'aina (etre vivant) ny olona??
tsy zava manan'aina (etre vivant) ny biby?
-> dia raha samy etre vivant.. de inona no maha samihafa azy raha resaka vie ?

Dia mbola miezaka manamarin-tena ihany, nefa vao maika mivilana be tsy misy ohatra an'izany!!!

ZAVATRA = CHOSE = THING = COSA = RES....
Hoy i iKaretsaka tery ambony tery: "Ny olona dia anisan'ny zavatra". Ny zavatra izany ry namana dia toy ny latabatra, sy ny seza sns...

Tsy vitany hoe: mampitovy ny olona amin'ny biby fa mbola mampitovy azy amin'ny latabatra sy ny seza koa. Dia normal be ilay fomba fisainana hoe: izay tsy ilaina dia arina, AJEDAKA.

Ivereno jerena ny principe et fondement ignacien ry namana, rehefa kamo mamaky baiboly (Gen 1)
ikaretsaka:
Hay ve le euthanasie =mamono aminao e!
ivereno ny fototr'ilay teny ry namana tsy "mamono"(=grika -Phoneo/ hebtioRatsach” araka ny iheveranao azy no filaza azy ry namana fa "manamora ny fahafatesana"!

Mahay teny grika kosa ianao izany koa. fa iza no nampianatra anao teny grika kay?

Ny dikany hoe euthanasie dia izao: teny roa natambatra io
:arrow: EU = bonne thanatos = mort
Amin'ny tey malagasy dia hoe: tsara fahafatesana. Ary raha ny fomba fisainana malagasy, izay itovizany amin'ny maro, no jerena dia izao: izany tsara fahafatesana izany dia ny olona voahotrin'ny havany hatrany amin'ny ora farany hahataperan'ny ainy.

Dikan-teny efa mivilana no voarainao ry namana, ary izay moa no vohizina etsy sy eroa ka noraisinao tsy am-piheverana koa.

Ny euthanasie ampiharina amin'izao dia famonoana olona tokoa, ary ianao aza dia mampiasa ny voambolana hoe: AJEDAKA. AJEDAKA. AJEDAKA....! Ka tsy mamono ve izany, sa mamelona indray??? Mba mandinika aloha vao miteny e!!! Ary io famonoana io dia misy fomba roa: na pozinina ilay olona (toy ny nataonao tamin'ny alikanao), na tsy omena rano sy sakafo (toy ny natao tamin'i Eluana)

ikaretsaka:
---> aza atao supposition .. ity izay mitady de omena fa tsy izay mitady dia "mbola mety " homena... suppositoire be izany!
:-D :-D :-D Tsy misy ambara intsony nefa tsy te ho resy lahatra dia miteniteny foana sisa...
ikaretsaka:
Euthanasie:
Dia inona no atao hoe tena euthanasie ry namana raha ny tena dikany marina no raisina ?
= fanamorana ny fahafatesan'ireo mangataka izany sy mila izany

Jereo io ambony io ny fanazavana. Ary raha te hahalala misimisy kokoa dia vakio ny famaritan'ny OMS sy izay voalazan'i Jn Paul II momba izany.
ikaretsaka:
wawawa ny anao .... raha tena nianatra formation militaire ianao fa tsy vatatay na sn de niala dia jereo ny "art of war"-> de jereo ao ny antony hilana ny fitaovam-piadiana

Sao mba ianao lahy no variana amin'ny film sy Bd... Ny lazaiko aminao fotsiny dia izao: efa nandalo formation militaire ny tenako, ary tsy vatatay na SN, ary raha mila fanazavana fanampiny ianao momba an'izany dia manorata aty amiko.

Averiko ihany ny hoe: ny miaramila sy ny polisy dia tsy natao hamono olona, ary ny basy nomena azy dia tsy nomena azy mba hamony olona fa hiarovany ny ain'ny olona sy ny fananany.

ikaretsaka:
ie raha nangataka ny hovonoina izy

Iza no niteny taminao fa nagataha ho vonoina ny olona ao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena? Ary raha ny olona mijaly mangataka hovonoina rehetra ve no novonoina moa afaka mampiasa ny talentany araka ny tokony ho izy ny mpitsabo?

Tsarovy ry namana fa matoa ny olona iray mbola afaka miteny hoe: "vony aho" dia midika io fa mbola misy possibilité be dia be ny hahavelona azy.
ikaretsaka:
eny raha nangataka ny hatao izany izy, fa raha mahatsapa izy fa mbola ilain'ity fiainana ity dia tsia!

hihihi... Aminao ve izany rehefa mamono olona mangataka ho vonoina dia tsy mamono olona izay???? hihihi... Mba manana lojika ry namana.

Ny olona tsy mahatsiaro tena, sy ny tsy salama saina sady kilemaina (toy ny any amin'ny maison de charité) dia tsy hiteny mihitsy hoe: VONOY AHO... Nefa ireo no vonoinareo, momba ny euthanasie.
ikaretsaka:
efa tany aho ry namana ary nahita ny pire noho ireny, fa ny marary @ireny tsy nisy niteny sy nangataka hoe hafaingano ny fahafatesany, fa raha nisy nangataka dy nananantsika ilay fitaovana dia .. eo indrindra isika izao!

hihihi... Dia ohatra ny hamono akoho izany ny fahavononao hamono azy an!!! Dia aiza ilay hoe: "Aza mamono olona..." Dia aiza ilay spiritualité ignacienne dradradradraina etsy sy ero... Mba mandinika kely aloha e!
ikaretsaka:
rehefa mamono olona dia mamono olona na fidiny na tsy fidiny, fa samihafa ny nangataka hovonoina sy ny tsy nangataka

hihihi... Matoa ny olona maniry mafy ny ho faty dia tena sendra ny tsy fidiny izy, ary efa kivy tanteraka. Tsy misy olona ny haniry ny ho faty par plaisir fotsiny izany...

Aminao izany raha olona ao anatin'ny fahakiviana tanteraka no mangataka ho vonoina dia tsara ajedaka satria mangataka ny hovonoina izy...
Dia aiza ho aiza amin'izany ilay tenin'i Md Ignace hoe: "Aza mandray fanapahan-kevitra raha ao anatin'ny hafaliana, na halahelo, na hakivina...." ? sa resaka fotsiny ireny fa tsy natao hampiharina????

Am-pitiavana be.
115. Fody ( 05/03/2009 10:28)



coopsal:

mamaky document hafa akoatra ny Baiboly aloha mba hahalalanao hoe: inona kay no ataon'ny olona rehefa manao euthanasie, satria ianao miady hevitra amin'ny olona nefa tsy fantatrao akory ny zavatra iadina hevitra.

Am-pitiavana be.
116. coopsal ( 05/03/2009 11:18)
soanja:

Mifandanja ny olona sy ny biby ary ny hafa rehetra. Tsy velona ianao raha tsy misy ireo. Ka iza no ambony?
Ny tsy ifampitovizantsika amin\'ny biby dia ny fomba fisainana sy fihetsika entintsika mifandray aminy. Isika olombelona izay manana izany. Mampalahelo fa tsy mahita ny mahasarobidy ny zavamisy eto amin\'ny tontolo rehetra.

Io no mahatonga antsika ho isika ihany no manimba ny tenantsika satria tsy mahalala ny fifandanjan\'ireo zavamisy rehetra ireo eo amin\'ny tontolo iainantsika.

==> Andriamanitra ve no niteny taminao fa mitovy daholo ny importance ny zavatra nohariaNy ?
Ianao mamerimberina miresaka ny saina sy fahalalana nomen\' Andriamanitra. Efa nanontanianao an\' Andriamanitra ve hoe hatraiza no tokony hampiasana io saina io ?

Inona no hevitr\' Andriamanitra ?
117. ikaretsaka ( 05/03/2009 12:50)
Fody> ka aminao izany ve dia mitovy ny "mourir" sy ny "tuer"?..valio sy omeo arguments azafady

Aminao: manambara inona ny fahafatesana? Valio azafady (afaka maka sopapa @ ny nolazain'i soanja ianao raha kenda)

Rehefa manao credo...absoute...midika inona ny finoana ny fiainana mbola ho avy sy ny "hifankahita indray anie"?
Valio azafady

Rehefa voavalinao ny fanontaniako momba ny hevitra sy ny dikan'ny fahafatesana ka ekenao hoe teboka famaranana ny fiainana 1 ary fanombohana fiainana 1 hafa....
Afaka omenao ve ny antony mahatonga ny olona miteny rehefa misy teraka hoe "tongasoa eto @ fiainana an-tany"? (Welcome to this world)

Rehefa misy saro piterahana, maninona no ekenao ny fampiasana procedures fanamorana ilay fiterahana (cesarienne ohatra... na provoquena)mba hampihena ny fijalian ilay reny sy ny zaza ...sy ampiana ilay zaza ho afaka mora @ "fiainana ao an-kibo"?
Fa rehefa misy saro pahafatesana ..maninona no..... non tampoka

Fanontaniana manaraka....tena mpino ve ianao?
Ny fahafatesana ry namana raha hoan'ny mpino de tsy fin fa commencement d'une nouvelle vie a
118. coopsal ( 05/03/2009 12:56)
Fody:

coopsal:

mamaky document hafa akoatra ny Baiboly aloha mba hahalalanao hoe: inona kay no ataon\'ny olona rehefa manao euthanasie, satria ianao miady hevitra amin\'ny olona nefa tsy fantatrao akory ny zavatra iadina hevitra.

Am-pitiavana be.

==> Ka tsy izay efa tanisainareoeo ve no hohitako raha mamaky aho ?
Mahaliana ny documents, isan\'ny nazoto be tamin\'ireny aho fahiny ... Saingy tena mahasoa ve ? Aleo aloha izay important no atao, raha hoy Andriamanitra hoe \"mamakia documents\", dia hamaky aho.
Olona kristiana no iadiako hevitra, fa izaho tsy miady hevitra toy izany @ olona tsy kristiana. Noho izany, raha mbola misy kristiana eto dia inoako fa azoko atao ny mandefa hafatra à l\'attention ny kristiana.
119. ari.malala ( 05/03/2009 13:44)
ika:
Rehefa misy saro piterahana, maninona no ekenao ny fampiasana procedures fanamorana ilay fiterahana (cesarienne ohatra... na provoquena)mba hampihena ny fijalian ilay reny sy ny zaza ...sy ampiana ilay zaza ho afaka mora @ "fiainana ao an-kibo"?


Ika, zavatra samy hafa anie zany teneninao zany e! ny iray saropiterahana, izany hoe hanome aina ilay vevavy ary raha tsy voavonjy izy de mety samy hafoy na izy na ny zaza, ka tsy aleo ve maka recours @ cesarienne? fa ilay iray hanapitra aina! za aloha contre hatr@ farany ny euthanasie na in thèse i supportenareo azy na in e! ts tompon'ny aina isika na iray aza! na ireo lazainareo fa manana fahefana hanamora ny fahafatesana aza... Firifiry akory ireo ts mahatsiaro tena fa velona avy eo de raha notaperina t@ iny ny ainy de aona? Raiso ohatra akaiky hoa ny tenanao ika a! enao kou efa nandalo anizany tsy mahatsiaro tena izany fa tsy nisy nanapakevitra mintsy anala ny ainao na anapitra ny andronao na "anamora ny fahafatesanao" ko manin ny olona 1 tonga d enao no hanapakevitra hoe ao faranana ny andron'ity olona ity ary amoraina ny fahafatesany? hipetraka haka ny toeran'Andriamanitra enao?
120. ikaretsaka ( 05/03/2009 14:52)
ari> araho hatr@ farany ilay lojikako fa aza tapatapahina...

ny fahafatesana (ho an'ny mino ny fiainana any an-koatra) dia dingana iray lalovana handehanana any izany fiainana izany! io ilay lazain'i soanja ary ambony ary

Ilay resaka fahafatesana dia mazava tanteraka ny ahy. Ny fahafatesana amiko dia tsy tokony ho naman'ny tahotra. Ny fahafatesana dia ho fiombonana amin'Izy Tompo. Tsy andriko aza ny hihaona amin-karavoana amin'Izy Tompo. Nateraka aho dia faly ary ho faty aho dia faly satria hihaona indray amin'ireo izay Tia ahy sy nitahy ahy. Ny fandazaoko anareo angamba no mampalahelo fa ny fahafatesana amiko dia fitoniana sy filaminana. (. . .) Zava-dehibe ny fandalovana eto an-tany. Ny fanantanterahana ny mahaFanahy anao amin'ny alalan'ny Nofo.
(. . . ) Ny fandaozana eo amin'ny samy velona no mampalahelo.

Toy ny fahaterahana ihany ny fandraisana ny fahafatesana amiko. Tonga ary lasa! Tsy misy tahotra ary tsy misy ahiahy satria hiaina ao anaty fitoniana tanteraka.


ny fahaterahana koa dia toy izany... ka raha samy ampiana ianao io @ ireo procedures 2 ireo! maninona no 1 ekenao fa ny 1 tsy ekenao? nefa ianao milaza fa mino!

NB: Za raha t@ narary dia fantatro tany @ zavatra hitako tany @ subconscient hoe mbola ilaina eto an-tany aho ary mbola aty @ velona no misy ahy (jereo ilay near death experience ) , ary ireo nanodidina ahy dia nahalala aby hoe mbola eto an-tany no ilaina an'ilay zalahy io, ka izany no tsy ni euthanisevany anahy... fa raha fantatro hoe tsy ho eto intsony no misy ahy, de lasa aho, hizorako ny lalana mankany fa tsy hiady varotra aho na segondra 1 aza! ary tsy nila hoe euthanisevo
Za ry ari efa: "ity aho , Iraho aho" no credo-ko.. "n'aiza naiza io fa tsy misy condition"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0731