Ny Euthanasie...

1. Fanhaiky ( 25/02/2009 07:53)
Raha amin'ny fijerinareo manokana raha sanatria ianao manana havana na atao hoe ianao mihitsy aza dia inona no ataonao?
Toa an'i ELUANA izao dia tsy nahatsiaro tena nandritra ny 20 taona izany hoe dans le coma
Raha ianao efa hita fa tena mijaly izy nefa fahotana ny mamono olona ny havana efa tena very hevitra izy tsy ho sitrana intsony
Hovonoina nefa lavin'ny Fiangonana izany tsy ho vonoina fa hoe tsaboina foana mandram-pahafatiny ny vola anaovana izany angamba efa tsy hisy intsony de ho jerena fotsiny eo izany nefa ianao mety tsy hahatanty izany dia mba inona no fanapahan-kevitra raisina raha ianao no amin'ny toeran'ireo havany.
Izy moa dia maty tamin'ny 9 Fevrier lasa teo
"Eluana n'est pas morte de mort naturelle, elle a été assassinée, elle a été tuée alors que les sénateurs étaient en train de discuter sur la constitutionnalité du projet de loi du gouvernement"

http://www.lepoint.fr/content/system/media/1/200902/33544_image-eluana.jpg
2. rola ( 25/02/2009 08:53)
ra ny hevitro: atao ny fiala nenina satria adidy le izy; fa ra otran ny an le ramatoa ty; tsy famonoana azy iany ve ny famelana azy o ao anatin coma nandritra ny 20 taona?? Zany oe refa tena ita fa tsy o avotra kosa amiko, tsy maninona satria fampijaliana azy le izy no iany koa fampahoriana ny havany mikarakara azy.
3. xxx ( 25/02/2009 09:45)
Mampalahelo tokoa aloha iny tranga iray iny, saingy ny fahafantarako azy dia fahotana izany araka ny voalazan'ny fiangonana, ny hoe hojerena fotsiny koa mbola fahotana ihany koa satria tsy manatanteraka ny adidy tokony hatao izany, ny tokony hatao amiko dia ny famonjen araka izay tratra ny mety hiverenan'ny fahatsiarovany tena, raha be loatra ny fandaniana dia mba any amin'ny fiangonana mangataka fanampiana na any amin'ny fanjakana
4. coopsal ( 25/02/2009 12:23)
Raha izaho no eo amin\'ny toeran\'ilay havana dia manontany an\' Andriamanitra ny anton\'ilay fijaliana aho, ary koa izay tokony hataoko.
Dia izay asain\' Andriamanitra atao no hataoko.

Marina mantsy fa tena mampalahelo ny mijery an\'ilay mijaly mandritra ny 20 taona ... fa Andriamanitra no mahafantatra hoe sao dia misy tanjoNy ao mba tsy hahatonga ilay fijaliana haharitra mandrakizay any amin\'ny afobe. Vao maika tsy ho tantiko lavitra ny hahita ilay havako na olon-tiako hijaly mandrakizay any ankoatra
5. soanja ( 25/02/2009 14:44)
Fanhaiky:

Raha amin'ny fijerinareo manokana raha sanatria ianao manana havana na atao hoe ianao mihitsy aza dia inona no ataonao?
Toa an'i ELUANA izao dia tsy nahatsiaro tena nandritra ny 20 taona izany hoe dans le coma
Raha ianao efa hita fa tena mijaly izy nefa fahotana ny mamono olona ny havana efa tena very hevitra izy tsy ho sitrana intsony
Hovonoina nefa lavin'ny Fiangonana izany tsy ho vonoina fa hoe tsaboina foana mandram-pahafatiny ny vola anaovana izany angamba efa tsy hisy intsony de ho jerena fotsiny eo izany nefa ianao mety tsy hahatanty izany dia mba inona no fanapahan-kevitra raisina raha ianao no amin'ny toeran'ireo havany.
Izy moa dia maty tamin'ny 9 Fevrier lasa teo
"Eluana n'est pas morte de mort naturelle, elle a été assassinée, elle a été tuée alors que les sénateurs étaient en train de discuter sur la constitutionnalité du projet de loi du gouvernement"

http://www.lepoint.fr/content/system/media/1/200902/33544_image-eluana.jpg


Mila manamboatra saina ka. Io tsinona raha hiandry valiny amin'Andriamanitra dia tsy hanome izy. Inona moa no atao hoe Fijaliana? Matoa ilay olona toy ny zavamaniry tsy mihetsika dia ary tsy mifoha ka indrindra amina " tohan'aina" na life support dia efa tsy misy azo atao momba azy intsony raha efa niteny ny dokotera hoe izay ihany no vitan'ny siansa.

Efa nahita aho fianakaviana iray, niady mafy izy rehetra nitazona ny ain'ilay olona amina life support araka izay vitany. Ela ny ela ritra aby ny fanandry zareo. Ilay olona maty ihany nono ritra ny fanana satria tsy voavidy ny life support. Vao ritra anefa ny fanana dia tsy afaka nandeha nianatra intsony ny zanak'ilay olona, ny trano nanana namidy avokoa. Lasa niady izy mianakavy dia niafara tamin'ny fisarahana ny zavanisy.

Amiko misy fetra ny fitazoman'aina. Izay no ilana ny fanoratana ny power of attorney na mpisolo vava anao amin'ny fianakaviana na olona manodidina anao raha tsy manana ianao ka sanatria ka tafiditra amin'ny olana toy izany. Inona no fanirianao? hatraiza no tianao hoe ampy izay fa mijaly aho? hatraiza no tianao ampiharana ny fanananao, hatraiza no tianao havela ho an'ireo sombinainao? Mila jerena mialoha daholo izany? Ny sitrak'Andriamanitra tsy fantantsika fa ny antsika kosa ny fikajiana ny mbola velona sy ny hanalefahana ny marary iray hanana fitoniana ao amiNY dia afaka eritreretina.

Ny hany azonao hanampiana amin'ny manaraka dia manampy ara-bola na manohana ireo ezaka rehetra ataon'ny siansa hampiasa haingana ny atidohan'ilombelona hitady vahaolana amin'ny zavatra toy izany. Beazina tsara ny zaza iray / ankizy/ ny tanora mba hanana ilay fahaizana hikarokaroka ary ampafantarina azy ny olana raha toa ka efa vory saina izy hoe ireto misy olana mbola tsy voavahan'olombelona. Izay no mahatonga ny olona mihetsika ( fifaninana hazakazaka, bisikleta sns...) mitady vola amin'ny fitadiavana vahaolona ny SIDA, cancer sy ny hafa satria any ianao mahalala fa izay no adidy na anjarabirikinao ho an'ireo izay mbola tsy ahitam-bahaolana.

Raha manao izany ianao dia ho faly tokoa Andriamanitra satria ampisainao ny herinao hanampiana ny hafa.


6. kotobekibo ( 25/02/2009 22:39)
Raha mihoatra ny 2 volana no tao anatin'ny comas ny ol iray d tokony avela @ izay fa tsy insisté-na ny ahavelona azy .

- Ny vola ( fanafody ) tokony ahafahana amelomana ol marary hafa manjary very fotsiny .
- Ny vola tokony ahafahana manamboatra ny fihainan'ny velona ( havana ) very fotsiny .
- Ho faty ihany ( tsy ferana ) nefa d mampiady saina ny havana .
- Raha sendra mba velona d matetika malazo ny vatana manotolo , ary tena fahasahiranana b ho an'ireo velona na ara-bola na ara-pitaovana na ara-tsaina .
- Raha sendra mba velona d tsy ahita tsirony intsony @ fihainana .
- Ny fotoanan'ny tsirairay ( mpitsabo , havana ... ) very fotsiny .
- Ny toerana ao @ hopitaly voabahana @ zvt tsy misy dikany ....

Ny euthanasie d fanafahana sy fanampiana fa tsy famonoana velively .
7. soanja ( 26/02/2009 02:09)
kotobekibo:


- Ny toerana ao @ hopitaly voabahana @ zvt tsy misy dikany ....

Ny euthanasie d fanafahana sy fanampiana fa tsy famonoana velively .



Tohanako daholo ny hevitr' Ikoto afa tsy io ambony io kosa e. Tena misy dikany mihitsy le izy saingy mbola tsy ananantsika ny vahaolana mahasoa ny rehetra. Mafy anie izany mandao havan-tiana izany e. Saingy atao ahoana fa ny velona tsy marary tsy azo tsinotsinoavina koa!


8. Fody ( 26/02/2009 11:45)
kotobekibo:
Raha mihoatra ny 2 volana no tao anatin'ny comas ny ol iray d tokony avela @ izay fa tsy insisté-na ny ahavelona azy .

Aza adino ry namana fa nisy ny olona dans le coma nandritry ny roa taona fa velona soa aman-tsara rehefa avy eo. Donc tsy anjarantsika ny mamaritra hoe: rehefa tsy mahatsiaro tena mandritry ny fotoana toy izao ny olona dia tsara vonoina amin'izay na avela ho faty.
kotobekibo:
- Ny vola ( fanafody ) tokony ahafahana amelomana ol marary hafa manjary very fotsiny .

Ny vola lany sy fanafody lany hitsaboana olona ry namana dia tsy very fotsiny araka ny filazanao akory.
Aminao izany ny olona rehefa ao anatin'ny tsy fahafahana intsony dia tsy misy valeur intsony???
kotobekibo:
- Ny vola tokony ahafahana manamboatra ny fihainan'ny velona ( havana ) very fotsiny .

Angaha ny olona dans le coma efa tsy isan'ny velona intsony? Ataoko fa mbola isan'ny olombelona izy, ary manana ny zo tokony ho karakaina koa.
kotobekibo:
- Ho faty ihany ( tsy ferana ) nefa d mampiady saina ny havana .

Angaha moa sitrapon'ilay marary ny ho tonga amin'io situation io e??? Ary na iza na iza dia samy mampiady saina ny olona daholo rehefa ao anatin'ny fahasahiranana, ka nahoana ny tratry ny tsy fidiny no atao an'izany???
kotobekibo:
- Raha sendra mba velona d matetika malazo ny vatana manotolo , ary tena fahasahiranana b ho an'ireo velona na ara-bola na ara-pitaovana na ara-tsaina .

Aminao izany ny salama sy ny matanjaka ihany no olombelona raha azoko tsara. Izay malemy sy tsy afaka manao na inona na inona dia tokony eliminer-na fa manavesatra ny velona. Dia mba rariny ve izany??? Fony izy natanjaka dia havanao (Olona toa anao), fa rehefa osa kosa dia zary enta-mavesatra = tsy olona intsony fa zavatra (chose) , noho izany esorina fa manelingelina ny fisiany...
kotobekibo:
- Raha sendra mba velona d tsy ahita tsirony intsony @ fihainana .

Fa inona moa no ataonao hoe tsirony amin'ny fiainana??? Mamy ny aina hoy ny Malagasy, ary tsy ny malagasy ihany no misaina toy izany fa saika ny olona rehetra.
Ny hoe: miaina dia efa zavatra mamy izay, ary mbola mamy mihoatra noho izay heverinao ho hamamian'ny fiainana, ny mahatsapa sy mahita fa TIAN'NY OLONA NY TENA (amin'ny fikarakarana, sns...)
kotobekibo:
- Ny fotoanan'ny tsirairay ( mpitsabo , havana ... ) very fotsiny .

Tsy misy fotoana very fotsiny izany ry namana. Ny mpitsabo dia efa asany ny mikarakara ny marary na iza izy na iza, ary arakaraky ny handaniany fotoana miaraka amin'ny marary no hananany experience vaovao, sy ianarany zavatra vaovao....
Ny havan'ny marary kosa dia isany fanehoam-pitiavana ny mandany fotoana ho an'ilay ao anatin'ny fahasahiranana....
kotobekibo:
- Ny toerana ao @ hopitaly voabahana @ zvt tsy misy dikany ....

Hay ve aminao ny olona rehetra tsy afa-manao na inona na inona dia zary lasa zavatra tsy misy dikany e??? Ny olombelona ry namana tsy zavatra ary diso fihevitra ianao manana fiheverana toy izany.
Manana ny zo rehetra ananao ny marary, mandram-piala ny ainy tanteraka, noho izany tsy zavatra, ary manana ny valeur-ny fa tsy hoe tsy misy dikany akory...

kotobekibo:
Ny euthanasie d fanafahana sy fanampiana fa tsy famonoana velively .

Mba farito kely ny atao hoe: famonona olona raha tsy mahadiso...

Mba lazalazao koa hoe: inona no atao rehefa manao euthanasie....

Miandry ny valin-teninao....

Am-pitiavana be!!!
9. Mirananirina ( 26/02/2009 13:27)
Amiko aloha tsy mahatsiaro tena taonany maro izy dia aleo Andriamanitra ihany no maka azy,
fa raha kosa misy ireny marary mafy te ho faty ireny,izany hoe ilay marary mihitsy no maniry ho faty dia tokony ho ekena izany zony izany.
10. ikaretsaka ( 26/02/2009 15:44)
ny ahy aloha dia ny biby (alika) namako indrindra no efa nataoko euthanasie, ary efa in 2 izay...
ny 1 Voadonan'ny fiara lery de tapaka hazon-damosina de paralyse... dia naleoko ni opter an'izay fa mampalahelo be ny mijery azy hoe na ny fivalanany aza tsy voafehiny intsony dia na handeha hisotro rano aza dia tsy tonga eny @ viliany intsony
ny 1 indray voan'ny parvo...
11. soanja ( 27/02/2009 04:35)
Ka ny biby sy ny olombelona kosa aloha tsy hitovy mihitsy ny fisarahana eo. Sa ahoana hozy Ika. Efa somary betsakla ihany mantsy ny sakakely sy alikanay natao veloma tato saingy raha olomelona kosa dia tsy afaka hakana izany fanapahan-kevitra maimaika izay.
12. soanja ( 27/02/2009 04:37)
Io resaka " Life Support" io no tena mahasarotra ity resaka ity. Oviana no tokony hajanona ilay izy. Aina sa vola????
13. Fody ( 27/02/2009 06:56)
Mirananirina:
fa raha kosa misy ireny marary mafy te ho faty ireny,izany hoe ilay marary mihitsy no maniry ho faty dia tokony ho ekena izany zony izany.

Tsy haiko hoe inona no atao hoe: ZON'OLOMBELONA aminao. Ny zavatra marihako fotsiny dia izao: ny ZON'OLOMBELONA dia mifototra amin'ny FAHAVELOMANA, izany hoe: tsy misy zo mitondra makany amin'ny fahafatesana na dia iray aza.

Noho izany zo mifototra amin'ny fahavelomana izany, dia atao fady mihitsy ny mametraka fanafody mahafaty eo akaikin'ny olona marary mafy. Ny olona marary mafy (na dia maniry ny ho faty aza) dia manan-jo ny ho velona, fa tsy ny ho faty akory.

Ny olona rehetra dia tsy manan-jo ny hanala aina, na ny hamono olona. Ny mpitsabo dia natao hitahiry sy hitahy ary hikolokolo ny aina fa tsy ny anala azy. Noho izany, na dia mangataka ny ho faty aza ny olona iray, dia tsy misy olona manan-jo hanala aminy ny ainy... Na izy tenany aza dia tsy manana ZO ny amin'ny ainy satria tsy miankina amin'ny SAFIDINY izany....

Am-pitiavana be!
14. ikaretsaka ( 27/02/2009 12:25)
soanja> samy zava manan'aina ireo ko
15. Fody ( 27/02/2009 12:44)


ikaretsaka:
samy zava manan'aina ireo ko

Zava-manan'aina koa ny omby, ny akoho, ny vitsika, trondro, ny fosa, sns...

ka moa ve mitovy ny mamono omby na akoho sy ny mamono olona?

Moa ve mitovy ny mamono saka na alika sy ny mamono olona?

Moa ve mitovy ny mamono fosa na liona sy ny mamono olona?

Am-pitiavana be...

16. ikaretsaka ( 27/02/2009 13:00)
raha zavatra sarobidy aminao ilay izy, na vonoinao tsy @ antony de mitovy!
17. Fody ( 27/02/2009 13:25)



Ny alika ve ry ikaretsaka mitovy amin'ny olombelona ??? Aty Europe ohatra dia betsaka ny olona tsy miteraka dia miompy alika, ary taizany ohatra ny zanaka an-trano mihitsy, ary andaniany vola be mihitsy koa amin'ny fikarakarana azy...

ny anao izao hoe: nisy alika akamanao be mihitsy... I fijo koa akamanao be, dia mitovy ve ireo aminao izany???

Izany hoe: moa ve ny alika mety ho tonga ohatra ny olombelona raha ny fandinihanao azy ????

Azafady amin'ny resaka fa somary mivantana be ilay izy mba hampazava ny resaka moa no antony!!!

am-pitiavana be.


18. ikaretsaka ( 27/02/2009 14:50)
raha tsy idirantsika ny resaka ara-panahy dia samy biby manan'aina na ny alika na ny olona.


Raha raisina amin'ny hoe atao hoe tsy manam-panahy ra fijo (sanatria), samy akamako izy sy ny alikako, tsy hoe manalika an-drafijo aho tsy akory, fa raha samy manan-danja be amiko izy ireo , dia amiko samy tsy mety na ny mamono an-dra fijo na ny mamono ny alika , raha samy tsy misy antony mazava! ary samy mahatonga ahy ho henjehin'ny heritreritro aby, ary samy crime izany amiko!

tadidio fa raha any @ tany mandroso dia Crime koa ny tsy miraharaha biby ary mampigadra sy maha voasazy toy ny mamono olona
19. Fody ( 27/02/2009 15:15)



Ikaretsaka

Na misy resaka ara-panahy na tsy misy ry namana dia tsy mitovy ny biby sy olona.

Ary na amin'ny tany mandroso na any amin'ny tany mahantra koa dia tsy mitovy ny biby sy ny olona. Raha ohatra ka mahaliana anao ny mahasamihafa azy ireo dia jereo ilay film hoe: "Dis-leur que je suis un homme".

Ary na misy antony na tsy misy antony, amin'ny maha olombelona, dia tsy azo atao (tsy mety) ny mamono olona.

Ny biby, na manan-danja be sahala amin'inona aminao aza, dia tsy hety hitovy laharana amin'ny olombelona mihitsy. Resaka moral amin'ny maha olombelona fotsiny izany. Ny biby dia isan'ny FANANANAO (avoir), na dia lazainao fa namana aza. Ny olombelona kosa dia tsy mety ho fanananao mihitsy, satria ETRE mitovy aminao. Izany hoe, tsy eo ambanin'ny fahefanao fa mitovy laharana aminao (na dia ny adala tsy misy saina indrindra aza). Eny fa na dia ny vady aman-janakao, na ny mpanomponao aza dia tsy mba mety ho fananao.

Ianao afaka manapan-kevitra amin'izay anaovanao ny alikanao (taritaritina amin'ny tady esty sy eroa, omena an'izao sy izao, vonoina koa aza angamba...), fa tsy afaka manam-pakevitra amin'ny ain'ny olombelona kosa ianao satria mitovy laharana aminao io ka tsy hanananao fahefana ny aminy, indrindra ny AINY.

Hatreto dia mbola tsy mampiditra resaka momba ny moral kristiana aho.

Am-pitiavana be.

20. ikaretsaka ( 27/02/2009 15:20)
Ny biby, na manan-danja be sahala amin'inona aminao aza, dia tsy hety hitovy laharana amin'ny olombelona mihitsy. Resaka moral amin'ny maha olombelona fotsiny izany. Ny biby dia isan'ny FANANANAO (avoir), na dia lazainao fa namana aza. Ny olombelona kosa dia tsy mety ho fanananao mihitsy, satria ETRE mitovy aminao. Izany hoe, tsy eo ambanin'ny fahefanao fa mitovy laharana aminao (na dia ny adala tsy misy saina indrindra aza). Eny fa na dia ny vady aman-janakao, na ny mpanomponao aza dia tsy mba mety ho fananao.

ary ahoana ny momban'ny andevonao? miala tsiny @ izay mora voatohina (voalaza ao anaty baiboly koa io an)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0641