Ny Euthanasie...

21. Fody ( 27/02/2009 15:36)


Na andevo na mpanmpo na olon-tsotra ry namana dia tsy mety ho isan'ny fanananao mihitsy. ETRE mitovy aminao ireo.

Aza adino fa ny ady amin'ny FITOVIAN-JO dia tsy nisy resaka fivavahana. Izany hoe amin'ny maha olombelona dia ambony noho ny biby ny olona, ary samy manana zo mitovy daholo.

Am-pitiavana be.
22. ikaretsaka ( 27/02/2009 15:37)
le izy rafody aza raisina @ zavatra vita lasitra..
Misy nampianatra anay izay: Morterol no anarany. dia ho'zy hoe
" La vérité et la liberté, valeurs fondamentales, ne peuvent être atteintes que par un dépassement des idées toutes faites et des peurs."
23. ikaretsaka ( 27/02/2009 15:38)
de anampiako azy> afaka faritanao ve ny atao hoe "fananana"?
24. Fody ( 27/02/2009 15:47)


Mialohan'ny hamaliako ny fanontanianao dia mba velabelaro aloha ilay teny vazaha io fa tsy angamba tsy hainay ny dikany.

Dia manaraka an'izay dia izao: Olombelona ve ny andevo aminao sa tsy olombelona????

Am-pitiavana be.
25. ikaretsaka ( 27/02/2009 15:57)
: Olombelona ve ny andevo aminao sa tsy olombelona????


tsy io angamba no fanontaniana fa hoe "fananana ve sa tsy fananana"


ny famelabelarana ilay teny vazaha de hoe "efa zavatra vita lasitra ao an-tsainao fa ny biby de tsy olona"...
dia hoe azonao atao koa ny mieritreritra ankoatran'izay eny, na ny mifanohitra @ izay aza... fa aza borkena eo fotsiny satria hoe izay no nampianarina sy no endoctrinevana anao

26. pissoa ( 27/02/2009 17:48)
:-D :-D :-D :-D :-D

Za ve no efa ela be no tsy ni-forum sa somary misenina mihitsy ilay resaka !

Ny fahitako azy dia mba hanohanana ny Etnazia dia misy sahy miady hevitra fa mety mitovy amin'ny alika ny olombelona !

Ikaretsaka:
tsy io angamba no fanontaniana fa hoe "fananana ve sa tsy fananana"

Ny andevo dia tsy fananana ! Ny olona taloha no mety nieritreritra fa fananany ny andevony ... fa isika rehetra eto angamba miaiky daholo fa tsy mety ny fanandevozana olona, tsy mety ny nataon'ny olona taloha tamin'ny tena nisian'ny fanandevozana . ;)
27. ikaretsaka ( 27/02/2009 18:37)
Illustration ilay resak'andevo eto
ny tiako ahatongavana de hoe rehefa zavatra manan'aina no vonovonoina ftsiny @ tsy misy antony (notsipihako ilay hoe @tsy misy antony) "na alika io na olona io na lalitra io " dia zava-boaharin'Atra aby ka tsy mety!
28. pissoa ( 27/02/2009 19:06)
:-D :-D :-D :-D :-D

Hay ny an'i Ika izany ny famonoana tsisy antony no resahina ! Ny olona anie misy antony betsaka no mahatonga azy mihevitra hoe mety ilay izy e, fa tsy hoe ny mamono tsisy antony akory no hiadiana hevitra.

Amiko milaza ny antony hiheverany hoe tokony hamonoana ilay marary ny olona, dia ny anjaranao izany dia miteny hoe vonoinao ilay marary raha ianao no havany, na hoe tsy manome anao fahafahana hamono izay antony voalaza izay.

Izaho akory tsy manohana an'io. Lasa nampihomehy be ahy fotsiny ilay resaka. :-D :-D :-D
29. Fody ( 27/02/2009 19:25)
Misaotra an'i pissoa dia miaraha anao koa.

ikaretsaka:
Illustration ilay resak'andevo eto
ny tiako ahatongavana de hoe rehefa zavatra manan'aina no vonovonoina ftsiny @ tsy misy antony (notsipihako ilay hoe @tsy misy antony) "na alika io na olona io na lalitra io " dia zava-boaharin'Atra aby ka tsy mety!

ka ho an'ikaretsaka izay efa namono ny alikany, fa paralysé... ny euthanasie ve izany dia mety sy azo atao amin'ny olombelona satria efa nataonao tamin'ny alikanao ???
30. ikaretsaka ( 27/02/2009 20:43)
Raha manana cause tena cause valable ianao @ le hanaovana euth .
Fa na lalitra aza hoa vonoinao @ tsy antony de efa tsy mety
31. Fody ( 28/02/2009 11:25)


Ikaretsaka:

Ny alikanao izao voan'ny accident dia paralysé, dia natao euthanasie.... Ka raha olona ve izany no voan'ny accident dia paralysé dia azo atao euthanasie... satria mitovy ireo aminao???

Am-pitiavana be.

32. ikaretsaka ( 28/02/2009 17:09)
Ie mitovy ireo amiko,,, satria amiko rehefa aina dia aina na ain'olona io na aim-biby

Amiko mandry kokoa ny consiansiko raha hoe akoho voan'ny grippe aviaire no novonoina nohon'ny hoe reniakoho mikotrika tsy maninona ary no ajedaka satria hoe nisy vahiny tonga.

Afaka transposenao @ zavaboarin'atra rehetra io
33. Fody ( 01/03/2009 11:58)


Averiko ilay fanontaniana satria tsy voavaly.

Ikaretsaka:

Ny alikanao izao voan'ny accident dia paralysé, dia natao euthanasie.... Ka raha olona ve izany no voan'ny accident dia paralysé dia azo atao euthanasie... satria mitovy ireo aminao???

Am-pitiavana be.
34. xxx ( 01/03/2009 11:58)
Asa na mahamenatra na mahalatsa-boninahitra ny manaiky ny hevitry ny hafa, ka aleo asesy ihany ilay hevitry ny tena na dia hita fa efa tsy ao intsony aza.
Kanefa arakaraka ny iziriziriana amin'ny hevitra diso toy izay no vao mainka maha-ridicule an'ilay olona tsy te-ho resy tohika.

Ohatra fotsiny : ny sasany eto dia sahy mampitovy ny alika sy ny olombelona !!!
Fahasahiana sa fahavendranana tsy misy ohatr'izany. Any amin'ny base anthropologique mihitsy no voa.

Ny olombelona akory tsy réduit amin'ny vie biologique fotsiny, fa indrindra ho antsika izay milaza azy ho kristianina ka manandratra ny maha-ambony ny olombelona mihoatra ny zava-boaary rehetra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny maha-endrika Andriamanitra azy.

Na tsy mpivavaka koa aza dia mahalala tsara fa fanahy ny maha-olona ny olona. Ary na mendrika hajaina aza ny biby dia ambony lavitra no izy ny olombelona.
Tsy te hanome lesona aho fa ny tiako hahatongavana dia mba mahaiza mandray ny hevitry ny hafa fa izany no maha-pinamana eto amin'ny serasera. Ataoko fa toerana fifanakalozana sy fifampizarana no eto.
35. ikaretsaka ( 01/03/2009 12:37)
Fivavahana sy finoana no ato fa tsy resaka kristianisma sy tsy kristianina. Na zon'olombelona...
Fa ho an'ny baibolista de afaka iverenany jerena ny tantaran'i abrahama sy isaac saika natao sorona sy ny fanoharan'i jesoa @ hoe raha latsaka any an-kady @ sabata ny ombinareo...
Fia ho anareo milaza fa manalika anareo aho...
I jesoa izany manaondry ny tenany ve raha milaza ny tenany ho zanak'ondry?
36. ikaretsaka ( 01/03/2009 12:55)
Ny resak'aina syny fandatsahana aina ry zareo aza raisina @ ze hita ao anaty lasitrareo sy izay nomena hi moulevana ny fijerinareo fotsiny ihany fa jereo @ cauuse & effects ihany koa a...
Tsy ny maha etre superieur ny olona mihoatra @ alika sy nny akoho no tokony hojerena fa hoe rehefa aina de aina...misy antony io na ain'inona na ain'inona, dia misy antony koa ny tokony handatsahana azy?

Firifiry moa no mitifitra olona de manao hoe matesa ity...de avy eo nefa firifiry koa no mivavabavaka mafy rehefa hamono akoho le hamapaka ny tendany iny?
37. pissoa ( 01/03/2009 14:10)
Ikaretsaka:
Ny resak'aina syny fandatsahana aina ry zareo aza raisina @ ze hita ao anaty lasitrareo sy izay nomena hi moulevana ny fijerinareo fotsiny ihany fa jereo @ cauuse & effects ihany koa a...

Mba omeo mivantana aza ny cause sy ny effet hahafahana mandatsaka ain'olona amin'i Ikaretsaka e !


Dia ity koa mba valio mivantana.
Fody:
Ikaretsaka:

Ny alikanao izao voan'ny accident dia paralysé, dia natao euthanasie.... Ka raha olona ve izany no voan'ny accident dia paralysé dia azo atao euthanasie... satria mitovy ireo aminao???


:-D :-D :-D :-D :-D
38. ikaretsaka ( 01/03/2009 16:20)
Amiko ry pissoa rehefa aina de aina fa tsy hoe ny ain'alika de ambany kokoa nohon'ny ain'olona,
Amiko dia gravy kokoa ny hoe zava manan'aina tsy maninon tsy maninona no alaina aina tsy misy antony mazava... nohon'ny hoe zavatra efa tsy avotra sy aina ambivitra no tazomina
39. Fody ( 01/03/2009 17:49)
ikaretsaka tery ambony tery:
Raha raisina amin'ny hoe atao hoe tsy manam-panahy ra fijo (sanatria), samy akamako izy sy ny alikako, tsy hoe manalika an-drafijo aho tsy akory, fa raha samy manan-danja be amiko izy ireo , dia amiko samy tsy mety na ny mamono an-dra fijo na ny mamono ny alika , raha samy tsy misy antony mazava! ary samy mahatonga ahy ho henjehin'ny heritreritro aby, ary samy crime izany amiko!

Dia miverena mandinika tsara aloha ry ikaretsaka izay vao aviavy amin'ny manaraka mamaly ny zavatra lazain'ny olona fa aza dia maimaika loatra fa ohatra mampihomehy be ilay fomba fanehoanao hevitra.

Ny tiako lazaina dia hoe: hevitra mba misy fototra ijoroany lazaina fa aza dia maika hitsara ny hafa hoe: izay no nodotrineva anareo, sns.... Jereo diso ve ny hevitray dia lazao raha diso, ary raha marina dia ekeo fa marina... Ny zavatra tsapa mantsy dia lavinao ilay hevitra nefa nekenao... Jereo io notsipihako sy nataoko matavy io....

ikaretsaka:
Amiko dia gravy kokoa ny hoe zava manan'aina tsy maninon tsy maninona no alaina aina tsy misy antony mazava... nohon'ny hoe zavatra efa tsy avotra sy aina ambivitra no tazomina

Sao dia adinonao aza ry ikaretsaka fa OLOMBENONA no resahana eto fa tsy ZAVATRA akory.
sa rehefa marary mafy tsy afa-manao na inona na inona intsony ny olona dia lasa zavatra (chose) ???? Mba valio hoe!!!

Am-pitiavana be.
40. pissoa ( 01/03/2009 19:21)
ikaretsaka:

Amiko ry pissoa rehefa aina de aina fa tsy hoe ny ain'alika de ambany kokoa nohon'ny ain'olona,

Amiko dia gravy kokoa ny hoe zava manan'aina tsy maninon tsy maninona no alaina aina tsy misy antony mazava... nohon'ny hoe zavatra efa tsy avotra sy aina ambivitra no tazomina

Raha izao no izy ... sao tsy tokony azo atao ny mamono akoho hatao sakafo ... na sao tokony ho azo atao ny mamono olona atao sakafo. Mitovy ihany ny antony hamonoana eto, ary samy mazava: atao sakafo ... ary toa mitovy ihany hoy i Ikaretsaka na ain'olona na ain'alika ...

Oops, hay moa ny alika sy ny akoho mety tsy mitovy fa ny olona sy ny alika ihany :-D :-D :-D :-D :-D

Ary ahoana moa no hilazana fa efa tsy avotra ilay olona na ambivitra ny ainy ? Sao ny fahakivian'ny fianankaviana sy ny mpitsabo no fandrefesana ampiasaina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0099