Ny Euthanasie...
41. xxx
(
01/03/2009 22:45)
Ny resak'aina syny fandatsahana aina ry zareo aza raisina @ ze hita ao anaty lasitrareo sy izay nomena hi moulevana ny fijerinareo fotsiny ihany fa jereo @ cause & effects ihany koa a...
Tsy ny maha etre superieur ny olona mihoatra @ alika sy nny akoho no tokony hojerena fa hoe rehefa aina de aina...misy antony io na ain'inona na ain'inona, dia misy antony koa ny tokony handatsahana azy?
Dia hoy aho hoe : dia mitovy koa ve izany ny ainao sy ny ain'ny moka ? Alika ? Kankana ? Kisoa ? Voangoritay, sns...
Ohatra : raha misy kankana voahitsaky ny fiara dia hitovy amin'ny ankizy voadonan'ny fiara ve ny sensibilité-n'ny olona. Ataoko fa ny adala sy ny mandrongony ihany no tsy mahalala izany.
Araky ny efa nolazaiko teo, tsy azonao réduise-na amin'ny Vie biologique mihitsy ny ain'ny olombelona. Ary tsy azonao sarahina amin'ny maha-olombelona azy ny ainy.
Zavatra pratique be izany fa tsy ilàna ady hevitra.
Raha nanao io fanoharana io Jesoa dia ny fanamafisana ny halehiben'ny ain'olombelona no tiany hantitraterina ; " nahoana ianareo no sahy mamonjy ny ampondranareo @ andro sabata nefa ny ain'olombelona tsy ekenareo vonjena ?
Ary momba ilay Jesoa Znk'ondrin'Andriamanitra, dia ianaro aloha ny atao hoe : "metaphore", fa aza mandray ara-bakiteny.
Averiko indray, manàna fanetren-tena handray ny hevitry ny hafa. Sinon tu continue de te ridiculiser par tes propres raisonnements bancaux.
42. ikaretsaka
(
02/03/2009 00:08)
Raha aina no resaka (ary izany no resaka eto)de mitovy ireo satria samy manana. Ka tsy any @ aina mihitsy no hamaritana hoe iza no avo sy iva...
Raha saina sy fanahy de ie
Raha saina sy fanahy de ie
43. xxx
(
02/03/2009 00:19)
xxx:
Dia hoy aho hoe : dia mitovy koa ve izany ny ainao sy ny ain'ny moka ? Alika ? Kankana ? Kisoa ?
Kissoa ?
44. rakapy
(
02/03/2009 03:12)
Indrisy mantsy raolombelona fa feno fitiavan-tena ny fiananao. Rehefa ny havanao na ny olombelona mitovy aminao no very aina dia malahelo sy mitsetra tokoa ianao. Mihevitra ny tenanao fa ianao no tena ambony indrindra @ zava-boahary nefa dia fanimbana sy famonoana no heverinao fa fiamboniana.
Mihevitra ianao fa tsy misy alahelo na tsy misy dikany ny ain'ny biby raha oharina @ ain'olombelona satria tsy henonao na koa tsy azonao akory ary tsy hohenonao mihintsy aza ny alahelon'izy ireny.
Maro ireo finoana izay tsy mihinana biby nohon'io antony io. Samy biby noharin'i zanahary na izy ireny na isika olombelona. Samy manana ny havany aman-tsakaizany na tsy mitovy azy ny fanehoana izany fitiavana izany.
Ary isika olombelona dia mihevi-tena fa tena ambony sy mahay nefa raha jerena sy dinihina dia isika no tena ambany satria raha jerena dia isika no mpanimba ity tontolo ity indrindra raha @ samy biby no jerena. Eny fa na isika aza dia mifamono. Vao tsy ela akory izay no niheverantsika ny ain'ny ny andevo fa ambany sy tsy misy dikany ary tsy nahenohatsika ny alahelony sy ny fahoriany nefa anie dia olombelona tahaka isika ihany isy ireny.
Ka hamaranako azy dia,mbola lavitra ny lalana alehan'ny olombelona vao hanam-pahendrena mitovy ny biby isankarazany isika.

45. klitika
(
02/03/2009 04:02)
rakapy:
mbola lavitra ny lalana alehan'ny olombelona vao hanam-pahendrena mitovy ny biby isankarazany isika.
Dia ahoana ny liona sy ny vorondolo ary ny hitsikitsika? Ireo angaha velona raha tsy mamono ny haka?
Ny Euthanasie ho ahy dia miankina amin'ny zava-misy. Ahoana raha ianao no eo an'ilan'ny olona iray, mikiakiaka isan'andro vaky amin'ny fanaintainan'ny aretina manjo azy, izay fantatra fa tsy maintsy haka ny aina afaka 3 volana ohatra. Vatranao va na dininao ny hahita sy hihaino isan-ora ny fitarainan'io olona io, na kiakiakany miady aina mafy?
Tonga ny mpivavaka ary nametraka tanana no sady nilaza fa ilay ramatoa dia tokony tazonina ny ainy satria tsy fantatra hono izay fahagagana ataon'Atra. Dia hoy aho anakam-po hoe: "raha fahagaga no andrasana avy amin'Atra, dia ny fitsangan'io olona io amin'ny maty no fahaganana goavana indrindra".
Ho ahy dia ny fanalan-jaza no fahadisoana lehibe indrindra mihoatra ny famonoana noho ny fanaintainana diso tafahoatra. Asa izay hevitrao?
46. ikaretsaka
(
02/03/2009 04:17)
Izay mantsy rakapy. Tsarovy fa tsy nohon'ny aina mihitsy no maha ambony na ambany ny olombelona miohotra @ biby fa raha izay de samy manana. Samy mahay mamono io aina io na ny olona na ny biby, ary samy tsy mahay mamelona an'io rehefa maty io.samy aina tokana ihany no nomen'ilay nahary na ny olona na ny biby ... ka tsy any mihitsy no hi determinena ny hoe ity superior noho ny ain'ity.
Raha te hampitaha sy hizesta hoe ambony nohon'ny biby dia aza any @ aina mihitsy no hitondrana resaka fa zavatra hafa..talenta,fahaizana,ohatra

47. rakapy
(
02/03/2009 04:29)
Dia ahoana ny liona sy ny vorondolo ary ny hitsikitsika? Ireo angaha velona raha tsy mamono ny haka?
Ireny no mitovy @ olombelona,Izy ireny ary tsy omena tsiny satria mety ho faty raha tsy mihinana hena fa isika olombelona kosa dia tsy maty izany raha tsy mihinana hena. Ary ny biby koa mety hamono fa tsy hanao famonoana en masse toy ny ataon'ny olombelona @ zava manan'aina sy @ samy olombelona.
Asa izany ve ilay atao hoe ambony???
48. ari.malala
(
02/03/2009 05:53)
IKa, tsy anao anie ilay aina e! tsy manana fahefana hanala aina mintsy na iza na iza! raisina ohatra ftsn enao, raha tsy diso ny fahalalako dia efa nandalo anizany hoe tsy fahatsiarovantena izany, nefa tsy kivy ireo niatrika anao fa nanao izay azony natao nitazomana ny ainao, noho izany tsy anjaranao tsy anjarantsika mitsy no mitsara hoe ity olona iray ity ts nahatsiaro tena nandritra ny izao ora na izao andro na izao volana na izao taona ka efa tsy tokony hoanisan'ny velona intsony. Momba ny ain'ny biby, tsy manan-kambara aho fa izaho tsy mahafaty na akoho aza :?
49. Fody
(
02/03/2009 07:41)
Mba valio hoe ity ry ikaretsaka fa toa odinao fanina ilay izy, sa tsy misy alahatra.
aho:
Sao dia adinonao aza ry ikaretsaka fa OLOMBENONA no resahana eto fa tsy ZAVATRA akory.
sa rehefa marary mafy tsy afa-manao na inona na inona intsony ny olona dia lasa zavatra (chose) ???? Mba valio hoe!!!
Am-pitiavana be.
50. ari.malala
(
02/03/2009 09:00)
klitika:
Ny Euthanasie ho ahy dia miankina amin'ny zava-misy. Ahoana raha ianao no eo an'ilan'ny olona iray, mikiakiaka isan'andro vaky amin'ny fanaintainan'ny aretina manjo azy, izay fantatra fa tsy maintsy haka ny aina afaka 3 volana ohatra. Vatranao va na dininao ny hahita sy hihaino isan-ora ny fitarainan'io olona io, na kiakiakany miady aina mafy?
Eny e, ekena anie hoe ts zaka ny miaino sy miatrika ny kiakiakany e! fa efa misy kosa fanamaivanana ny fanaintainany, eo iany koa ny fampisehoana aminy fa tsy kivy ny tena miatrika azy sy mankahery azy! ianao izany raha sanatria misy manjo anao dia hiteny ianao hoe vonoy za? :roll: Efa niandry marary miaritra ny mafy tokoa aho, izany efa tsy mihinankanina intsony fa efa ampidinina @ tuyau ny sakafony, fa tsy atao mahakivy izany! sinkinina ny herim-po ary mivavaka mba hamaivanin'Andriamanitra ny fanaintainany! Andriamanitra no nanome ny aina dia Izy irery no manana droit haka an'iny fa tsy isika no handeha hanapaka hoe efa mijaly ity fa aleo amizay vonoina!
51. Fody
(
02/03/2009 09:05)
Ikaretsaka:
Mba araho ny lojikan'i rakapy dia valio hoe: " Azo atao ve ny euthanasie sa tsia?"
Ny kaka dia tsy azo atao ny manala ny ainy, ary ny olona ve izany azo atao ny manala ny ainy???
ikaretsaka:
Raha te hampitaha sy hizesta hoe ambony nohon'ny biby dia aza any @ aina mihitsy no hitondrana resaka fa zavatra hafa..talenta,fahaizana,ohatra
Fa inona ny aina aminao?
Ny zava-maniry koa anie manan'aina e! Ny biby manan'aina, ny olona manan'aina... ka mitovy ve ireo ???
Mba asio lojika le resaka fa tsy mampihomehy intsony fa efa mampalahelo...
Am-pitiavana be.
52. JdArimathie
(
02/03/2009 11:30)
Sarotra be ilay izy satria raha ny finoana @ maha kristiana aloha dia Andriamanitra no tompon'ny aina!
@ maha olombelona indray dia mampalahelo tokoa ny mijery ilay olona ary zary lasa vesatra ho an'ny fiarahamonina aza!
Ny lafiny tkony andinhana azy izany dia ire lafiny roa ireo!
Na isika mametraka ho ambony ny lafiny arapanahy ary manana finoana ny amin'izany dia miandry izay sitrapon'ny tompo ary miezaka mamantatra ny sitrapony!
Na kosa isika mametraka ho ambony ny lafiny mahaolona fotsiny dia mandray fanapahankevitra mifandraika @ izay ary mety afaka ny hanaiky ny euthanasie
:)

53. ari.malala
(
02/03/2009 12:20)
JdArimathie, raha tena apetrakao ho ambony ny lafiny mahaolona dia tsy mieritreritra ianao hoe vesatra hoan'ny fiarahamonina ilay marary satria tsy fidin'azy ny ho toy izany!
54. ikaretsaka
(
02/03/2009 14:06)
Fody:
Mba valio hoe ity ry ikaretsaka fa toa odinao fanina ilay izy, sa tsy misy alahatra.
aho:
Sao dia adinonao aza ry ikaretsaka fa OLOMBENONA no resahana eto fa tsy ZAVATRA akory.
sa rehefa marary mafy tsy afa-manao na inona na inona intsony ny olona dia lasa zavatra (chose) ???? Mba valio hoe!!!
Am-pitiavana be.
Efa in 8 io no novaliako ao ambony ao fa mba mamakia tsara fa aza manao toa ilay hoparlera manao pub ana argile verte any analakely ireny...soloy ny diska fa efa loaka
55. ikaretsaka
(
02/03/2009 14:12)
Fody ...manan'aina ny olona sa tsia aminao?
Manan'aina ny biby sa tsia aminao?
Aina no resaka eto.... de raha io ary no resaka de inona no maha samihafa azy?
Hazavao ary aza avoana ivelan'ny aina!

56. pissoa
(
02/03/2009 16:44)
Raha tian'i Ikaretsaka dia toa tsy ny "aina" no resaka fa "Olona" ! I Ikaretsaka ihany no nampiditra resaka etnazian'alika teto, fa ilay dinika toa ny an'ny olona noresahina.
Fanontaniana manaraka : raha mitovy laharana amin'ny ain'ny alika sy ny biby hafa ve ny ain'olona ... moa ve azo vonoina (ny olona izany) ?
Raha ny lojikan'i Ikaretsaka mantsy no arahina, dia efa nolazaiko ao ambony ao fa tokony tsy azo atao ny mamono akoho atao sakafo ... na tokony azo atao ny mamono olona atao sakafo.
Dia iza no izy ... tokony azo atao sa tsy tokony azo atao ny mamono olona atao sakafo ?
:-D :-D :-D :-D :-D

57. ikaretsaka
(
02/03/2009 17:29)
ka tsy nofaritan'ilay sujet ange hoe euthanasie ana inona le izy e..
fa ny dikan'ny euthanasie izany de fanalana aina an-tsitrapo

58. xxx
(
02/03/2009 22:51)
Tokony hazava kosa aloha fa raha vao resaka Euthanasie izany dia ny olona no resahina amin\'izany é ! Ary mazava be ny lohahevitra ery ambony. I Eluana Englaro no niantombohan\'ny resaka Euthanasie fa tsy akoho amam-borona etsy avaratra.
Fa ilay hanaiky ho diso no hitako sarotra eto.
Ry Rakapy koa miseho mandahatra, kanefa au fond, nul be ilay zavatra resahina.
Dia hoy ianao :
Raha tsy maha-afa-po anao ny kankana sy ny olitra sy ny parasy, moka, kongona. Dia ampidinintsika any @ Microbe, sy ny parasite isan-karazany indray izany satria samy zava-manan\'aina koa ireo.
Dia mazava izany fa mitovy amin\'ny ain\'olombelona daholo ireo rehetra ireo aminao
Voalohany aloha dia efa latsaka ambany noho ny sens commun ny fomba fisainana. Satria na olona tsy nianatra aza dia mahay manavaka an\'ireo.
Faharoa, ny fototr\'olana koa dia nosarahinao ny atao hoe : Aina sy Etre. Nefa zavatra tsy azo sarahina ireo :
Raha vao miresaka ain\'olombelona izany aho dia tsy maintsy tafiditra ao an-tsaiko avy hatrany ny maha-olombelona azy. TOy izany koa ny ain\'ny kankana na parasy na kongona. Ka eo ho ahafahako mandanjalanja ny tokony atao.
Nosarahinao tanteraka anefa izany hany ka dia latsaka tanteraka ao anatin\'ny fisainana Relativisme tanteraka ny tena. Tsy capable mametraka hiérarchie misy @ tontolo iainana intsony fa dia mitovy lenta daholo ny zavatra rehetra.
Voka-dratsin\'izay : na mety tsy hihinan-kanina intsony fa ny zava-maniry hohaniko koa manan\'aina.
Na koa mety hamonomono olona fahatany fa mitovy amin\'ny mamono moka ihany kay.
Mahereza.
Fa ilay hanaiky ho diso no hitako sarotra eto.
Ry Rakapy koa miseho mandahatra, kanefa au fond, nul be ilay zavatra resahina.
Dia hoy ianao :
Raha aina no resaka (ary izany no resaka eto)de mitovy ireo satria samy manana. Ka tsy any @ aina mihitsy no hamaritana hoe iza no avo sy iva...
Raha saina sy fanahy de ie
Raha tsy maha-afa-po anao ny kankana sy ny olitra sy ny parasy, moka, kongona. Dia ampidinintsika any @ Microbe, sy ny parasite isan-karazany indray izany satria samy zava-manan\'aina koa ireo.
Dia mazava izany fa mitovy amin\'ny ain\'olombelona daholo ireo rehetra ireo aminao
Voalohany aloha dia efa latsaka ambany noho ny sens commun ny fomba fisainana. Satria na olona tsy nianatra aza dia mahay manavaka an\'ireo.
Faharoa, ny fototr\'olana koa dia nosarahinao ny atao hoe : Aina sy Etre. Nefa zavatra tsy azo sarahina ireo :
Raha vao miresaka ain\'olombelona izany aho dia tsy maintsy tafiditra ao an-tsaiko avy hatrany ny maha-olombelona azy. TOy izany koa ny ain\'ny kankana na parasy na kongona. Ka eo ho ahafahako mandanjalanja ny tokony atao.
Nosarahinao tanteraka anefa izany hany ka dia latsaka tanteraka ao anatin\'ny fisainana Relativisme tanteraka ny tena. Tsy capable mametraka hiérarchie misy @ tontolo iainana intsony fa dia mitovy lenta daholo ny zavatra rehetra.
Voka-dratsin\'izay : na mety tsy hihinan-kanina intsony fa ny zava-maniry hohaniko koa manan\'aina.
Na koa mety hamonomono olona fahatany fa mitovy amin\'ny mamono moka ihany kay.
Mahereza.
59. ikaretsaka
(
02/03/2009 23:26)
Ny fomba fisainanao no mety tery dia rehefa tsy mitovy @ nao sy ny lasitrao de nulle.. karaha sovalim-boatiry nasiana tampi maso hoe iny ihany ny lalan'ity de iny... sanatria
HIvereno jerena aloha ny dikany
Euthanasia ( hoy ny diksionera oxford)
Euthanasia (from the Greek eu = good + thanatos = death) refers to the practice of ending a life in a painless manner. Many different forms of euthanasia can be distinguished, including animal euthanasia and human euthanasia, and within the latter, voluntary and involuntary euthanasia.
Porofoy ny tsy mampitovy azy...
taoko samy vonoina aby ireo na kojakojaina na olona na microbe na inona manan'aina rehefa misy antony sy mitondra soa ho an'ny societe ny ataony, ary ajedaka aby kosa rehefa somary manelingelina ny societe ?
firifiry no mamboly microbe fanahy iniana hanaovana yaourt, vakisiny sns firifiry ny miompy parasites rehefa ahitany tombontsoa iny (champignons sns...) dia firifiry koa ny mamono olona rehefa manelingelina ny tombotsoany le izy??
raha mametraka hierarchie vazavazainao io... maninona no hoe "ny olombelona no napetraka ambony @ hierarchie"? nohon'ny aina ve ny antony? -->tsia!
raha hafa mihitsy (intelligence , sns...)
ny resaka famonoana dia io efa naveriko io foana hoe rehefa vonovonoina fahatany, na olona io na alika io na parasy io na lalitra io na akoho io dia tsy mety, fa rehefa misy antony . na olona io na alika io na saka io na moka io de aiza ny olana?
fa tsy misy hidiran'ny mihinan-kanina sy tsy mihinan-kanina @ iznay mihitsy... na fitovizan'ny mamono olona sy mamono akoho sy moka @ izany mihitsy
fehiny raha hoe vonoina fahatany ny omby dia diso ... fa raha vonoina atao loaka ny omby (voaporofo tsara ny ilavana azy) dia tsy diso!
raha vonoina fahatany ny olona dia diso, fa raha misy antony mazava tsara hoe tsy ho avotra intsony sy hita mazava izao fa mainka mampijaly azy ny hitazonana ny ainy (ary voaporofo izany ..ary izy no nangataka izany) dia amiko tsy diso!

Raha tsy maha-afa-po anao ny kankana sy ny olitra sy ny parasy, moka, kongona. Dia ampidinintsika any @ Microbe, sy ny parasite isan-karazany indray izany satria samy zava-manan'aina koa ireo.
Dia mazava izany fa mitovy amin'ny ain'olombelona daholo ireo rehetra ireo aminao
Porofoy ny tsy mampitovy azy...
taoko samy vonoina aby ireo na kojakojaina na olona na microbe na inona manan'aina rehefa misy antony sy mitondra soa ho an'ny societe ny ataony, ary ajedaka aby kosa rehefa somary manelingelina ny societe ?
firifiry no mamboly microbe fanahy iniana hanaovana yaourt, vakisiny sns firifiry ny miompy parasites rehefa ahitany tombontsoa iny (champignons sns...) dia firifiry koa ny mamono olona rehefa manelingelina ny tombotsoany le izy??
raha mametraka hierarchie vazavazainao io... maninona no hoe "ny olombelona no napetraka ambony @ hierarchie"? nohon'ny aina ve ny antony? -->tsia!
raha hafa mihitsy (intelligence , sns...)
ny resaka famonoana dia io efa naveriko io foana hoe rehefa vonovonoina fahatany, na olona io na alika io na parasy io na lalitra io na akoho io dia tsy mety, fa rehefa misy antony . na olona io na alika io na saka io na moka io de aiza ny olana?
fa tsy misy hidiran'ny mihinan-kanina sy tsy mihinan-kanina @ iznay mihitsy... na fitovizan'ny mamono olona sy mamono akoho sy moka @ izany mihitsy
fehiny raha hoe vonoina fahatany ny omby dia diso ... fa raha vonoina atao loaka ny omby (voaporofo tsara ny ilavana azy) dia tsy diso!
raha vonoina fahatany ny olona dia diso, fa raha misy antony mazava tsara hoe tsy ho avotra intsony sy hita mazava izao fa mainka mampijaly azy ny hitazonana ny ainy (ary voaporofo izany ..ary izy no nangataka izany) dia amiko tsy diso!
60. ari.malala
(
03/03/2009 06:29)
ika, ka ts anao anie hoa le aina e! tsy misy tompon'ny aina na iza na iza fa Andriamanitra izay nanome iany no maka izany aina nomeny izany! ts anjaranao no mitsara! na ianao aza hoa efa nandalo anizany hoe tsy nahatsiaro tena fa tsy nisy namono! firifiry izay olona efa re fa tsy nahatsiaro tena nandritra ny taona maromaro fa velona iany! ts isika no mandidy noho izany tsy isika no hanan-jo hanala aina! (momba ny olombelona no resahiko eto fa tsy miresaka biby ah an)