Ny Euthanasie...
141. coopsal
(
06/03/2009 15:13)
Fody:
Ny olona ry coopsal dia tsy nohariana mba ho passif fotsiny a! Noharianan'Andriamanitra ho mpiara-miasa aminy izy, ary efa nomeny fahasoavana (talenta) hampiasainy amin'izany.
==> Ndeha atao hoe mahay mitendry gitara ianao, favo be. Ao anatina group iray ianao. Misy mpandrindra ny hira atao ao @ groupe, ka na havanana be @ tsapiky aza ianao, raha toa ny groupe tsy mivoy afa-tsy ny rythme & blues, hisisika hanao tsapiky na rock&roll ve enao ? Ataoko fa tsia. Passif enao eo anatrehan'izay tompon'andraikitra na dia nananao aza ny talenta.
Moa ve Andriamanitra tsy mihoatra noho ny auteur/ compositeur/ arrangeur ? Izy izay auteur ny univers, arrangeur ny temps, compositeur ny zava-drehetra ?
Fody:
Ny fahalala ilazako aminao fa famonoana olona ny euthanasie rakoto dia ...
2 - Tsy mijery izany amin'ny mason'olombelona fotsiny anefa, na mandinika izany amin'ny fisain'olombelna fotsiny, fa mijery azy amin'ny fijerin'Andriamanitra sy ny lojikan'Andriamanitra, avy eo.
==> Ka le lazainao lojikan' Andriamanitra anie no tsy hitako hoe inona no ilazanao @ko fa tena lojikan' Andriamanitra izany ?
Fody:
Angaha ny baiboly ry koto Andriamanitra ka mahalala ny zavatra rehetra???
Ny voalaza ao dia mazava be: heloka ny famonoana olona. Io famonoana olona io dia miseho amin'ny endrika maro, saingy ny mampitovy azy rehetra dia ny hoe: Fanalana ny aina, fampitsaharana tsy amin'ny fotoana ny androm-piainan'ny olona iray.
==> Raha ny Baiboly no vakiana, ny fahafatesana lazain' Andrimanitra dia "fisarahana amin' Andriamanitra", araka ilay nolazainao t@ famaritana ny fahotana iny. KRISTY no nilaza fa "ny devoly dia mpamono olona, nandainga hatr@ voalohany sady rain'ny lainga".
Ny ao @ Baiboly dia mampiseho fa tsy ny fandatsahan-drà akory no tena famonoana, fa cas particulier iny.
Fanoharana
T@ kilasy primaire dia nampianarinahoe : vitesse = distance parcourue divisée par temps. Rehefa tonga tao @ lycée dia nolazaina fa cas particulier ihany ireny ary matetika aza tsy marina, fa misy formule hafa toy izao : x(t) = at²+vt+x°. Mazava ho azy fa tsy takatry ny sain'ny EPP izany variables sy accélération izany. Fa fahalalana ampy ho azy ny hoe distance sur temps.
Donc, ny fandatsahan-drà (fanesorana ny aina (=fanahy) amin'ny vatana (=nofo)), dia famonoana raha tsy zavatra nampanaovin' Andriamanitra, fa raha Andriamanitra no nampanao dia hoy Izy hoe "izaho manana ny hevitra hiheverako anareo, dia hitondra fiadanana fa tsy loza".
Fody:
ka aminao:
Famonoana olona sa tsia ny tsy fanomezana rano sy sakafo ny marary, nefa mila izany izy mba ho velona????
Famonoana olona sa tsia ny fanindronana pozina olona???
==> Efa voalazako teo ambony ny fahafantarako ny hevitr' Andriamanitra araka izay ambaran'i KRISTY, voasoratra rahateo ao amin'ny Baiboly (mba tsy hilazana fa noforoniko).
Fa raha ny fahalalanao ny tenin'i KRISTY,
- mamono olona ve ny tezitra @ rahalahy sa tsia ?
- iza no meloka kokoa, ny tezitra amin'ny rahalahiny sa izay manao ny rahalahiny hoe "olo-poana ianao" ?
- iza no meloka kokoa, ny manao amin'ny rahalahiny hoe : "adala tsy misy ilàna azy" (raka) ?
Fa raha KRISTY no milaza fa mitovy ihany ny sazy tokony ho an'ny mamono olona sy ny tezitra amin'ny rahalahiny, ary raha ekena fa famonoana olona ny euthanasie! Izay tezitra t@ rahalahiny in-20 dia mitovy tsy misy hafa @ nanao euthanasie in-20.
142. coopsal
(
06/03/2009 15:35)
Fody:
Hay ny anao any amin'ny fototra mihitsy no voa koa. Aza raisina ara-bakiteny ny baiboly ry koto ò!!! Mbola mila mandalina kely ny Baiboly ianao, satria tsy boky natao hovakiana toy ny boky rehetra ny Baiboly, ary mila fahamalinana ny famakiana azy.
==> Ny tenin'i KRISTY dia izay tahaka ny zaza (en contradiction @ intelligents sy hendry) no mahita ny tian' Andriamanitra. Satria izany no fitiavan' Andriamanitra, tsy nataoNy ho an'ny marani-tsaina ihany ny famonjena, fa na dia ny bado aza mba tian' Andriamanitra vonjena.
Fody:
Tsy ampy ny manao tsianjery reference toy io ataonao io, sy manao boloky mamerina izany eto.
==> Tsy manao tsianjery araka ny teninao aho. Fa rehefa hitako matetika dia tadidiko, fa surtout rehefa iainako sy tsapan'ny foko dia tadidiko. Ary nefa koa, na tsy ary tadidiko aby aza, ny Fanahin' Andriamanitra koa manome ahy isanandro koa izay tokony havaliko ny mpanontany. Araka ny voasoratra hoe "na dia ny zavatra ho avy aza dia hambarany anareo"
Dia ianao moa milaza ho mahalala ny taratasin'i Md Paoly dia vakio any ny momba ny lalana.
==> Mety tsy mahalala ny taratasin'ny Md. Paoly akory aza aho. Fa misy amin'izay nolazainy dia nampianarin'ny Tompo ahy ka azoko. Ary raha mikasika ny lalàna, dia mitovy amin'izay nolazainy mihitsy no lazaiko eto : tsy misy marina na iray aza. Ianao izay manenjika ny mpamono olona nefa ianao koa mba tezitra @ rahalahinao indraindray, moa mihevitra ianao fa madio kokoa eo anatrehan' Andriamanitra ?
Fody:
Jereo koa ny resaka nifanaovan'i Jesoa tamin'ireo olona nitondra ilay vehivavy tratra nitsangajanga teo anatrehany.... Ny tiako hanontaniana aminao dia hoe: anjaran'ny olombelona ve ny manameloka ho faty, sa anjaran'Andriamanitra???
Eken'Andriamanitra ve ny famonoana olona sa tsia????
==> "Rehefa tonga ny Mpananatra, dia Izy no hampiaiky izao tontolo izao fa diso hevitra ny @ fanamelohana ireo, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voaheloka sahady". Tsy mila melohina anie izay nanao ratsy e! Ny ratsy nataony ihany no maha meloka azy, fa tsy mila olona hanameloka. Fa izay manameloka dia manameloka ny tenany.
Raha io ohatra noraisinao io, efa KRISTY no niteny hoe : "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy". Ka nahoana tsy izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato ny mpanao sy mpiombona @ Euthanasie ?
Fody:
Ny hoe pozina ny ry koto dia mazava be ny dikany: MAMONO FA TSY MAMELONA
==> Efa miteny poizina ianao, ao @ Psaumes 5 sy ny Romains 3 dia misy izao teny izao "fa poizina no ao anaty lelany" (miresaka olona izy). ka moa ve misy poizina tokoa ny lelan'ny olona hamonoany olona ? Sao dia poizin'ny fanahy = lainga mikasika an' Andriamanitra izany poizina ?
Ny Ntaolo Malagasy nahatsapa izany ka niteny hoe "aleo mifanena @ mpamosavy toy izay mifanena @ mpandainga".
Fody:
Ianao matoa manontany an'izany dia satria te hanamarin-tena eo anatrehany,
==> Fony aho mbola tsy nino an'i KRISTY dia nanamarin-tena foana aho isaka ny mba nanameloka ahy ny conscince-ko na ny olon-kafa, na ny baiboly. Fa rehefa tena teo anatrehan'i KRISTY aho dia tampina ny vavako, fa niseho fa meloka aho. Meloka tahaka ny mpamono olona rehetra aho, na vonoolona euthanasie izany na vonolona noho ny halatra na toy izay nataon'i Davida t@ Uriah miaramilany mba hakany ny vadiny. Mieloka tahaka ireny rehetra ireny aho.
Fody:
Ny ao anatin'ny olona ihany no miseho amin'ny ataony sy ny lazainy ry namana. Ary ny olona indifferent dia mbola pire lavitra noho ireo diso fijery satria sady tsy hita ahintsy, no tsy hita arahina ihany koa. Aza adino fa ho an'Andriamanitra dia tsy misy ny eo anelanelany. Ary fomban'ny demony no manao toy izany, sy manabe ny olona ho amin'izany. Amin'izay mantsy ilay olona dia tsy mahalala (na te tsy hahalala)....
==> Ka eto @ forum misy points de vue anakiroa mifanipaka : ny ahy sy ny mitovy amiko, ary ny an'Ika sy ny mitovy aminy. Rehefa nandinika aho dia eo anelanelany ianao sy ari.malala sy ry fahamarinana ...
143. Fody
(
06/03/2009 15:43)
Voalohany
Ny olona tena mahay mampiasa ny talentany ry namana dia ireo olona mahalala hoe: aiza sy amin'ny fotoana inona ary amin'ny fomba ahoana no ampiasaiko an'ity talentako ity. Ary izany rehetra izany, dia miankina amin'ny tanjona napetrak'ilay nanome azy ilay talenta.
Fa tsy sahala amin'ny anao hoe: nomena saina hahay hitadidy references dia ampedina bontolo amin'iny daholo ny zavatra rehetra, hany ka miteniteny foana ny farany.
Ampiasao sy ny saina sy ny fanahy fa efa nomena anao ireo ry namana fa aza manao boloky.
coopsal:
==> Ka le lazainao lojikan' Andriamanitra anie no tsy hitako hoe inona no ilazanao @ko fa tena lojikan' Andriamanitra izany ?
Vakio ny tantaran'i Kaina sy Abela.
Moa namono ny rahalahy ve i Kaina sa tsia??? Ary nankasitrahan'Andriamanitra ve ny nataony sa tsia???
coopsal:
Donc, ny fandatsahan-drà (fanesorana ny aina (=fanahy) amin'ny vatana (=nofo)), dia famonoana raha tsy zavatra nampanaovin' Andriamanitra, fa raha Andriamanitra no nampanao dia hoy Izy hoe "izaho manana ny hevitra hiheverako anareo, dia hitondra fiadanana fa tsy loza".
Mba misaina sy mandinika rakoto fa aza manao sain-jaza maroroka ohatra an'io.
Ilay Andriamanitra miteny hoe: "Tiavo na dia ny fahavalonao aza" "aza mamaly ratsy ny ratsy, fa valio tsara ny ratsy... ve dia hilaza aminao hoe: mandehana vonoy ranona ???? Mba mandinika kely aloha izay vao manoratra fa miteniteny foana e!!!
Hamaranako azy:
Raha zavatra tsy fantatra sy tsy hay ra-coopsal ny fahendrena tsara indrindra dia ny mangina, toy izay hiteny, nefa miteniteny foana.
Am-pitiavana be.
144. ikaretsaka
(
06/03/2009 17:34)
ahana tokao aloha ny definition an'ny "mamono" @ fody raha tsy mahadiso?
145. Fody
(
06/03/2009 19:11)
ikaretsaka:
ahana tokao aloha ny definition an'ny "mamono" @ fody raha tsy mahadiso?
Efa niverimberina imbetsaka ireo ambony ireo fa vakio tsara.
fa mba omeo koa ry ikaretsaka ny dikan'ilay hoe: AJEDAKA, AJEDAKA, AJEDAKA... fa efa imbetsaka io no nanontaniana nefa hatramin'izao tsy misy valiny !!!
Am-pitiavana be.
146. ikaretsaka
(
06/03/2009 19:21)
Fody:
[quotea]ahana tokao aloha ny definition an'ny "mamono" @ fody raha tsy mahadiso?
Efa niverimberina imbetsaka ireo ambony ireo fa vakio tsara.
fa mba omeo koa ry ikaretsaka ny dikan'ilay hoe: AJEDAKA, AJEDAKA, AJEDAKA... fa efa imbetsaka io no nanontaniana nefa hatramin'izao tsy misy valiny !!!
Am-pitiavana be.
[/quote]
Ajedaka= ampiana sy hamoraina ny fiampitany mankary @ fiainana ho avy!
Ny mamono dia tsy voatery manjedaka amiko
148. ikaretsaka
(
06/03/2009 19:48)
merchi chandelle ato ka! :-D :-D :-D
ny 1 mihevitra hoe mamono moa ny 1 mihevitra hoe manampy olona ho any @ fahafatesana :-P

149. fijo
(
06/03/2009 21:45)
fody an,ny olona resahina eto anie ka ireo izay efa fantatra fa tsy azo tsaboana intsony e.ny afrikanina mosarena ,fantatra fa rah ahomena sakafo mbola velona.tsy misy antony hamonoana azy ireo noho izay antony izay.fa raha toa ka sady efa tsy misy nofo intsony izy,no mbola misy aretina toa ny sida n ahomamiadana,ny fitiavana azy amiko dia ny fanesorana ny fijaliany.
mba jereo ny fitarain'ilay ramatoa nisy aretina mipotsaka maso iny.mato aizy nangatak any hovonoina dia efa tsy zakany intsony ny mahazo azy,ka amiko fitiavana ny fanatanterahana ny tiany.
ari malala,tsy hoe kosa ,vao marary dia hoe vonoy.an an,rehefa tena ita fa tsy misy azo hoatao azy ,izay vao miditra amin'izay

150. Fody
(
07/03/2009 16:45)
Ikaretsaka: Sarotra be ilay manaky resy dohika e! hihihi... Rehefa tsy misy alahatra intsony ry namana dia lazao hoe: diso fijery tokoa aho.
Farany: Amin'ny fomba ahoana no anajedahana an'ilay olona sendra tsy fidiny.
Fijo: Ka ahoana raha vonoina koa ireo voan'ny Sida rehetra, ireo voan'ny homamiadana, ireo zaza sembana vao teraka, ireny zazakely beloha be ireny, sy ireo olona tsy ho sitrana mihitsy ka voatery mihinam-panafody mandra-maty.... sns...
Raha hoe fitiavana an'ilay olona no manosika anao dia tsy ny fanalana ny ainy mihitsy no vahaolana. Mbola ambony lavitra noho ny fijaliana ry namana ny mahatsapa HAFALIANA, ary ny tena fitiavana dia ny fitondrana izay hafaliana izay ho an'ilay mijaly.
Am-pitiavana be.
151. xxx
(
07/03/2009 17:20)
Ny somary olana eto @ forum koa dia ny tsy fisian'ny tena adi-hevitra fa lasa ekipaekipa ilay izy. Hany ka na hevitra fa tsy izy izao aza no lazain'i akama dia tsy maintsy tohanana.
Aiza ve nama eto misy milaza fa mitovy ny ain'ny olona sy ny biby. Dia raha terena any @ lòjikany izy hoe : mitovy aminy ny famonoana vitsika sy olona !!!
Ka na olona tsy nianatra aza dia tsy hahalala hanavaka an'ireo. Ka izany no nahatonga anay niteny mba VENDRANA ry zalahy izany.
O ry zalahy a ! Mba resaka matotra no atao à ! Tsy mahatsiaro voageja ve nareo rah toa ka tsy hijery ny marina intsony fa tsy maintsy hajaina ny sy arovana ny hevitry ny akama !!! Manoatra indray an'ireo mpivavaka izay lazainareo mitsimpona ny toko sy ny andininy rah izany.
Faharoa : eto indray dia misy milaza fa tsy mitovy hono ny mamono sy manampy ny olona @ fahafatesana. Aza dia mampihomehy ry zalahy à !
Aza amboarina ny voambolana. Samy mamono ireo fa ny fomba hanantanterahana azy fotsiny no tsy mitovy. Iray somary violent, ny iray atao tsy moramora. Fa ny Tanjona dia ny FANAPERANA NY AINA.
Au fond, fausse pitié le izy, fa ny marina dia tsy zaka ny mijery azy mijaly dia aleo vitaina. En fait, faiblesse humaine daholo izany rehetra izany. Ka izay no ilaina ny finoana.
Ka raha olona milaza azy ho kristianina dia ACCOMPAGNEMENT atao amin'ilay marary no atao. Ampio ilay olona marary mafy toy ireny hiatrika ny fijaliany sy ny fahafatesany : apport morale et spirituel. Fotoana tsara mety hampibebaka azy io satria mety hitodika amin'Andriamanitra izy. Fa ny anao indray dia ajedaho.
Rah tsy kristianina indray moa dia tsy omeko tsiny satria tsy hanana force d'âme hiatrika fijaliana izany izy.
ok

152. rakapy
(
07/03/2009 19:32)
Ilay hoe ambony nohony biby ny ain'olombelona ry ra xxx dia mila porofoinao fa tsy hoe izay no nampianarina sy heritreretinao fa ho marina dia hoe izay no tsy maintsy izy.Nomeko ohatra angamba ianao tetsy ambony nanamarika fa tsy ambony velively ny olombelona?
Mba alefaso lavitra kely hoa ilay fisainana. Faly ery ialahy mijery sy mihaino olona iray izay hita fa hofaty ka mikiakiaka sy manaintaina??? Dia hoe aloe andrasana sao misy miracle???
Marina fa famonoana ny Euthanasie fa tsy famelomana akory ka nefa ny tanjona dia ny tsy hijalian'ilay marary be loatra ary koa ny hanamora ny fahafatesany!
Ohatra tsotra omeko an'i ngahy. Raha nidina ny fidinana Ankadifotsy iny ny fiara iray . Tapaka tampoka ny frein. Ny andro amin'io @ 12am. Maro ny olona sy ny fiara mifamezivezy.Tsy maintsy hidofotra ny fiara na hanao ahoana na hanao ahoana. Inona no tokony reaction- ny saofera?
-hanamboatra ilay frein eny am-panidinana ve?
-Hiandry izay fidonany sy lalany any ve?
-Sa kosa hiezaka hanao izay hanamora sy hanakelezana ny fahasimbana sy ny aina mety ho afohy.
Manaraka izany dia asio fifanajana ny fomba firesaka. misaotra tompoko
:
Ampio ilay olona marary mafy toy ireny hiatrika ny fijaliany sy ny fahafatesany : apport morale et spirituel
Mba alefaso lavitra kely hoa ilay fisainana. Faly ery ialahy mijery sy mihaino olona iray izay hita fa hofaty ka mikiakiaka sy manaintaina??? Dia hoe aloe andrasana sao misy miracle???
Marina fa famonoana ny Euthanasie fa tsy famelomana akory ka nefa ny tanjona dia ny tsy hijalian'ilay marary be loatra ary koa ny hanamora ny fahafatesany!
Ohatra tsotra omeko an'i ngahy. Raha nidina ny fidinana Ankadifotsy iny ny fiara iray . Tapaka tampoka ny frein. Ny andro amin'io @ 12am. Maro ny olona sy ny fiara mifamezivezy.Tsy maintsy hidofotra ny fiara na hanao ahoana na hanao ahoana. Inona no tokony reaction- ny saofera?
-hanamboatra ilay frein eny am-panidinana ve?
-Hiandry izay fidonany sy lalany any ve?
-Sa kosa hiezaka hanao izay hanamora sy hanakelezana ny fahasimbana sy ny aina mety ho afohy.
Manaraka izany dia asio fifanajana ny fomba firesaka. misaotra tompoko
:
153. ikaretsaka
(
07/03/2009 20:21)
Fody:
Ikaretsaka: Sarotra be ilay manaky resy dohika e! hihihi... Rehefa tsy misy alahatra intsony ry namana dia lazao hoe: diso fijery tokoa aho.
Farany: Amin'ny fomba ahoana no anajedahana an'ilay olona sendra tsy fidiny.
Fijo: Ka ahoana raha vonoina koa ireo voan'ny Sida rehetra, ireo voan'ny homamiadana, ireo zaza sembana vao teraka, ireny zazakely beloha be ireny, sy ireo olona tsy ho sitrana mihitsy ka voatery mihinam-panafody mandra-maty.... sns...
Raha hoe fitiavana an'ilay olona no manosika anao dia tsy ny fanalana ny ainy mihitsy no vahaolana. Mbola ambony lavitra noho ny fijaliana ry namana ny mahatsapa HAFALIANA, ary ny tena fitiavana dia ny fitondrana izay hafaliana izay ho an'ilay mijaly.
Am-pitiavana be.
Fody aoka aloha hazava fa tsy misy dohika ampiadiana aty ka hoe rehefa tsy manaraka ny anao de hoe be dohika... tsy norefesiko ny ahy na be na kely ary tsy ilaiko ho fantatra koa ny habean'ny anao na ny heriny na ny nampety na tsy mampety ho resy azy fa opinions eto. Manana zo @ opinion ny tsirairay ary afaka mi comment koa @ opinion an'ny hafa. Izany no ilazako hoe ny argument anao haroso fa tsy hoe rehefa masaka andoha(io no ataoko hoe vita lasitra) ny hoe tsy mety ny zao ohatra de iny foana... hoe tsy matinao lolo ny hoe "ajedaka" de iny foana...
Efa hazavaina aminao ny hoe tsy ny physical ny atao hoe fahafatesana ary toetrana indramina ny tany sy ny vatantsika,
Efa nohazavaina aminao ny hoe ambavahoana sy ny hoe sauvable... ny tsy sauvable no resaka eto,,,, mbola ny cas sauvable ihany no averimberinao @ ze ohatra hatranganao rehetra...sa tsy sauvable ny olona le ngozabe ireny ny lohany?
Dia tsy mbola novalianao ange le hoe eto an-tany ihany ve ny fiainana
154. xxx
(
07/03/2009 21:18)
I
Efa naverimberiko teto fa tsy mila porofoina izany rakoto ò. Zavatra efa EVIDENT be toy ny hoe manga ny lokon'ny lanitra. Ary na ny olona tsy nianatra aza dia efa mahafantatra izany. Ary rah misy zandry 5 taona ianao dia mba hanontanio azy fa mety hanampy anao hahita ny marina izy.
Ka tsy fantatro izay manan-tsaina na izaho mametraka ny olombelona @ toerana maha-izy azy na ianao te hitovy laharana @ biby !!!
Aza asaina milaza zavatra tsy nolazaiko kosa aho é. Izay no mahavoa anareo. Sa tsy azonao indray ny atao hoe ACCOMPAGNEMENT ny olona marary? Hanontanio an'Ikaretsaka fa mety ho hainy.
Rah izay moa ny position-nao dia tano ho anao. Sady ianao efa nilaza ho athée rahateo. Ka limité ny fomba fijery.
Fa rah kristianina indray ingahy dia nahazo fanakianana mahery vaika tamiko. Na izany na tsy izany anefa tsy afaka hi-décider ny fiainan'ny olona iray mihitsy isika.
Rah mitady fanajana rangahy dia mba ataovy réciproque. Rah hiteniteny foana kosa aloha dia miala-tsiny.
lay hoe ambony nohony biby ny ain'olombelona ry ra xxx dia mila porofoinao fa tsy hoe izay no nampianarina sy heritreretinao fa ho marina dia hoe izay no tsy maintsy izy.Nomeko ohatra angamba ianao tetsy ambony nanamarika fa tsy ambony velively ny olombelona?
Efa naverimberiko teto fa tsy mila porofoina izany rakoto ò. Zavatra efa EVIDENT be toy ny hoe manga ny lokon'ny lanitra. Ary na ny olona tsy nianatra aza dia efa mahafantatra izany. Ary rah misy zandry 5 taona ianao dia mba hanontanio azy fa mety hanampy anao hahita ny marina izy.
Ka tsy fantatro izay manan-tsaina na izaho mametraka ny olombelona @ toerana maha-izy azy na ianao te hitovy laharana @ biby !!!
Mba alefaso lavitra kely hoa ilay fisainana. Faly ery ialahy mijery sy mihaino olona iray izay hita fa hofaty ka mikiakiaka sy manaintaina??? Dia hoe aloe andrasana sao misy miracle???
Aza asaina milaza zavatra tsy nolazaiko kosa aho é. Izay no mahavoa anareo. Sa tsy azonao indray ny atao hoe ACCOMPAGNEMENT ny olona marary? Hanontanio an'Ikaretsaka fa mety ho hainy.
Marina fa famonoana ny Euthanasie fa tsy famelomana akory ka nefa ny tanjona dia ny tsy hijalian'ilay marary be loatra ary koa ny hanamora ny fahafatesany!
Rah izay moa ny position-nao dia tano ho anao. Sady ianao efa nilaza ho athée rahateo. Ka limité ny fomba fijery.
Fa rah kristianina indray ingahy dia nahazo fanakianana mahery vaika tamiko. Na izany na tsy izany anefa tsy afaka hi-décider ny fiainan'ny olona iray mihitsy isika.
Rah mitady fanajana rangahy dia mba ataovy réciproque. Rah hiteniteny foana kosa aloha dia miala-tsiny.
155. rakapy
(
07/03/2009 22:22)
rah kristianina indray ingahy dia nahazo fanakianana mahery vaika tamiko
Rah mitady fanajana rangahy dia mba ataovy réciproque. Rah hiteniteny foana kosa aloha dia miala-tsiny.
Izay zany fa dia aza mifanabatibaty sy mifampanao vendrana sy nulle sns... satria ny kristianisma no mba vala-parihinao fa ny fivavahana sy finoana dia tsy voafetra ho izany ihany.
156. ikaretsaka
(
08/03/2009 16:09)
io koa rakapy no hitako olana eto
betsaka no mihevitra fa ny Kristianina ireny ihany no mivavaka sy fivavahana, dia ny Kristianian irery ihany no finoana sy Mpino!
nefa izy manaiky tsara ny hoe: Tsy ny Gasy ihany ny olona ary tsy i Madagasikara ihany no tany sy firenena!
indraindray aho mba gaga ihany hoe fa dia naninopna loatra?

157. Fody
(
08/03/2009 20:12)
ikaretsaka:
Fody aoka aloha hazava fa tsy misy dohika ampiadiana aty ka hoe rehefa tsy manaraka ny anao de hoe be dohika...
hihihi.... Tsy hoe tsy manaraka ny hevitro rakoto fa mba jereo sy diniho kely izay zavatra soratanao.
Ohatra: iza no tsy mahalala fa zavatra= chose. Ary ny atao hoe chose dia sahala amin'ny latabatra sy ny seza... Nefa sahinao ny milaza fa ny olombelona dia isan'ny zavatra, izany hoe: Zavatra. Dia ahodikodina avy eo ny resaka mba hanamarinan-tena... hihihi
Avy eo ny atao hoe: AJEDAKA... Zovy no tsy mahalala rakoto fa ny dikan'ny hoe AJEDAKA dia hoe: VONOINA amin'ny teny malagasy ofisialy??? Nefa mba jereo ny hamaritanao azy, fa amboamboarina... hihihi. Avy eo tsy sahy milaza hoe: "inona moa no hatao rehefa manajedaka izany????"
Aza maika ny hanao fanamarinana rakoto fa diniho sy ivereno dinihina izay zavatra lazaina sy voalaza... Ny zezoita raha tsy diso aho manao examen de conscience isan'andro, dia mba diniho amin'iny fotoana iny ihany izay nolaizana sy natao e, ary ny tokony holazaina sy ny tokony hatao!
ikaretsaka:
Efa nohazavaina aminao ny hoe ambavahoana sy ny hoe sauvable... ny tsy sauvable no resaka eto,,,, mbola ny cas sauvable ihany no averimberinao @ ze ohatra hatranganao rehetra...sa tsy sauvable ny olona le ngozabe ireny ny lohany?
Iza no sauvable, ary zovy no ambavahoana? Moa ve mbola sauvable ny olona voan'ny sida sy ny homamiadana? Jereo fa noraisiko ohatra ireo eo ambony eo. Ny zaza be loha andrematoa, raha ny cas hitako hatramin'izay dia mbola tsy nisy avotra na sitrana soa aman-tsara nialohan'ny nahafatesany. Nahalala maromaro aho na tany Fianaratsoa izany (Trano Fitiavana Ambatomena), na tao Antananarivo (Trano Fitiavana Tongarivo).
Averiko ny hoe: iza no sauvable?
ikaretsaka:
Dia tsy mbola novalianao ange le hoe eto an-tany ihany ve ny fiainana
Tsy novaliana ve io sa ianao no tsy namaky tsara ny zavatra voasoratro?
Raha tianao dia izao: Misy ny fiananana ao aorinan'ny Fahafatesana, ary mino izany aho.
Efa nolazaiko tery ambony kosa anefa, ary mbola averiko ny hoe: TSY NY FISIAN'NY FIAINANA AORINANAN'NY FAHAFATESANA AKORY NO HANAMARINANA NY FAMONOANA OLONA.
Ny famonoana olona na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, amin'ny maha olombelona dia CRIME.
Ary averiko ihany ny hoe: "Amin'ny jesuit ry namana dia izao: "la fin ne justifie pas les moyens"... Mandehana diniho sy halalino ny momba ny "discernemnt des esprits" natoron'i Md Ignace.
Am-pitiavana be.
158. Fody
(
08/03/2009 20:29)
Misy ny fiainana aorinan'ny fahafatesana, ary fiainana tsaratsara kokoa noho izao eto izao.
Raha ny hevitr'ikaretsaka dia hoe: esorina eto amin'ity tany feno fijaliana sy fahoriana ity ilay marary mafy tsy ho avotra intsony mba hahita fiadanana haingana.
Izany hoe: ny famonoana azy izany dia tsy heloka velively fa fanaovana asa soa.
Raha izay lojika izay no arahina dia tsy mba fahotana ny mamono olona sy ny mamono tena. Zovy no tsy mijaly, ary iza no tsy ory eto an-tany?
Toa adaladala Andrimanitra nanome ny didy hoe: aza mamono olona, satria tsaratsara kokoa noho ny eto ny any an-danitra, sady tsy misy fahoriana sy fijaliana, ka ahoana no sakana ny fandefasana olona any? , Ny fahafatesana mantsy no lalana tokana hahatongavana any.
Raha izay koa no izy, dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra akaiky mihitsy izany i Jodasy, sy ireo hafa namono nahafaty an'i Jesoa satria raha tsy maty izy tsy nitsangan-kovelona. Ary tena niteniteny foana i Jesoa nivavaka hoe: "Ray ò, mamelaha ny helony fa tsy fantany izay ataony!"... Isany asa soa lehibe mantsy no nataon'izy ireo, araka ny lojikan'i ikaretsaka, ka inona amin'izany no helony?
Mba mandinika kely fotsy ry namana. Ary alefaso lavitra ny saina sy ny fomba fijery fa aza varina mijery ny eo amban'ny orina fotsiny e! Mbola pire lavitra noho ny olona borne ianao izao...

159. rakapy
(
08/03/2009 21:12)
Izy ity moa ry zareo dia resaka "EUTHANASIE" no niatombohany ka dia hita fa lasa lavitra sy mihodikodina be tokoa.
Ny "euthanasie" dia vahaolana ara-tsiansa. Ary izy io dia tsy tokony hataotao foana. Misy condition maro izy io vao azo tanterahina araka ny lalan'ny firenena iray sy lalan'ny siansa ary ny hevitry ny fianakavian'ilay marary na ny olona akaiky azy indrindra.
Tsy ahazo an'io izay olona rehetra mangataka an'io raha tsy mahafeno ilay condition.
Marina fa maro ny finoana tsy mankatoha ny fanaovana azy io, tahaka ny tsy faneken'ny finoana maro ny zavatra ataon'ny siansa.
Nefa atao ahoana moa fa io aloha no vahaholana hitan'ny siansa sy amin'ny maha olombelona ny olombelona fa lalana iray hanalefahana ny fangirifirin'ilay marary raha ho faty ihany ilay olona. Izy io koa tsy an-tery fa teny iherana.
Na isika Gasy aza anie ka manana io traika io rehefa hita fa miala aina ny olona iray. Asa na mba efa niatrika izany ianao? tsy mila tsindrona na fanafody sns... fa dia ny fanovana ny position'ilay miala aina fotsiny no amboarina dia amin'izay izy mba vetivety dia miala aina.
Asa moa na famonoana izany na fanampiana??? Miakina @ tsy 1/1 sy concience-ny indray io.

160. soanja
(
08/03/2009 21:23)
rakapy:

Namaste Rakapy!!