Passion-fivavahana

61. ikaretsaka ( 14/09/2008 20:39)
rakaroka:

Dia iza ary no misangy :roll: :?: :roll: . Ilay mivavaka avec "sincerité" sa ireo
milaza fa andevozin'ny ota dia mivavabavaka dia manota kely dia mibebaka kely
doa manota kely indray dia miblablabla ....Tsy hita mihitsy anie ny hiheverana ilay "sary toa izany eo anatrehan'Atra sy ny ol. Dia raha ampahatsiahivina ilay "image" dia :twisted: :twisted: :twisted: :roll: :roll: 8O 8O 8O


izay mantsy
izay anie le nolazaiko foana hoe lasa zandarma zany na sanatria sirveillant A/tra e

62. fahamarinana ( 15/09/2008 12:18)
ika:
Faha> mahafinaritra ahy ny observations anao fa indro kely
le resy lahatra koa ange ry faha mbola tantara be e... ary marina mihitsy io nolazainao io!
saingy mba haha convaincu anao kosa mba misy coco mihodina ihany aho fa tsy entin'ny emotions fotsiny ..

:arrow: marina ny voalazan'ika ka izay no nilazako ilay teniko tery ambony hoe :
hoy i zà:
Ilay izy koa ,angamba ny circonstance nahatonga ilay olona ho resy lahatra no mahatonga ny toetry ny tsi11 tsy mitovy.

,dia nisy coco tokoa niasa fa zà moa ilay tsy mba mety resy lahatra ohatr'izao ihany fa ao antony fa iny moa samy manana ny antony sy ny naha-convaicu azy ka tsy hita hoe atao reference hoe tokony tahak'izao sy izao
rakaroka:
Ilay mivavaka avec "sincerité" sa ireo
milaza fa andevozin'ny ota dia mivavabavaka dia manota kely dia mibebaka kely
doa manota kely indray dia miblablabla ....Tsy hita mihitsy anie ny hiheverana ilay "sary toa izany eo anatrehan'Atra sy ny ol.

:arrow: marina ihany koa ny fanamarihan'ny rakaroka,zà manokana koa tsy dia voako izay hoe manota dia mibebaka dia manao ihany fa hoe voavela heloka...na ataoko hoe amin'ny maha-olombelona fa tsy hiditra amin'ny maha-XNa aza dia tokony hiezaka ihany koa.Ary ilay toe-javatra ohatr'izay no mazana betsaka ka mampihemotra olona...sy mampiteniteny olona rahateo....(l)
63. xxx ( 15/09/2008 13:24)
Ohatr'izay mihintsy ny fomba fijerin'ny olona mpivavaka satria ny zvt tsy fantatrareo angamba de matetika ireo olona ireo mizotra @ marina ary tonga de mahitsy resaka rehefa miteny ary mananatra indrindra ny mikasika ny fiainan'izao tontolo izao! Za vao haingana no ondry very ary hita ka de tsy menatra aho niteny @ izany hoe borné koa zalahy izany nefa rehefa voantso tao anatiny aho izao de tena mahita fa tsy hitovy @ fomba fiainako taloha intsony ny iainako ao anatin'ny lalàn'i Kristy!
64. fahamarinana ( 15/09/2008 13:28)
xxx62:
borné koa zalahy izany nefa rehefa voantso tao anatiny aho izao de tena mahita fa tsy hitovy @ fomba fiainako taloha intsony ny iainako ao anatin'ny lalàn'i Kristy!

:arrow: somary mahaliana ahy kely ity voalazanao ity,azonao velabelarina kely ve raha tsy mahadiso ?? Misaotra mialoha e (l)
65. xxx ( 15/09/2008 13:50)
Ny fiainako taloha de tao anatin'izao tontolo izao mihintsy e! fa ny amin'izao de najanona dhl izany rehetra izany fa mandeha @ rariny sy ny hitsiny ary miaina tanteraka ao @ fiainana takiana @ mahakristinina mihintsy e! Tapitra hatreo ny sipa/vola/bizna rehetra² io etc ..........
66. fahamarinana ( 15/09/2008 14:20)
:arrow: xxx :misaotra indrindra namaly ahy. :) (l)
67. rakaroka ( 15/09/2008 14:37)
[quote=xxx]
Ny fiainako taloha de tao anatin'izao tontolo izao mihintsy e!

Tsia vokabilary ilazan'ny sasany ny toetra tsy eken'ny sainy ny "izao tontolo izao voalaza ngamba fa bien sur mbola miaina eo anivon'ozao tontolo izao tokoa ianao ankehitriny ary tsy diso izany!

fa ny amin'izao de najanona dhl izany rehetra izany fa mandeha @ rariny sy ny hitsiny ary miaina tanteraka ao @ fiainana takiana @ mahakristinina
:roll: 8O 8O :?:
Dia rehefa tsy Xtiana 'zany aminareo dia tsy miaina sy tsy mitempo ny rariny sy ny hitsiny ?...

Tapitra hatreo ny sipa/vola/bizna rehetra² io etc ..........
:roll: :?: 8O :{ :{ :{
Taoko misy mitonon-tena Xtiana bobaka Bbbbbe nefa manao bizna, sns... dia ahoana izany ?...


68. rakaroka ( 15/09/2008 14:53)
Ny tiako apetraka "Mazava" dia "size" natao ifotoran'ny "Finoana wà ity", tahaka ny fianarana "fandalinam-pinoana" eny ho eny sy "any ho any fa tsy "natao hampitsingevana ny finoana". Tsapa fa sahirana mantsy ny namana sasany we "Atra iza 'ndray aza no tokony ivavahana" sns...matoa toa tsy hitaizay ho harahina :
Ka ilay Atra Ray, nahary antsika jiaby jiaby koa no "Fototra" dia misy Staff miara-miasa aminy manjary ny fiainana, dia ireo Christ nifanesy isan-karazany .
Tsy "akifika" tahaka ny hitako mahazatra ataon'ireo mpitory teny "Passionné loatra amin'i Jesoa" ny hafa" satria diniho tsara fa na i Jesoa aza nanamafy fa tonga izy hanatanteraka ny lalana t@ Mosesy. Donk tsy zavatra mifanohitra mitsy izany fa "complémentaire". Tsy ni-écarte an-dry Mosesy toa ny @ izao fotoana mihitsy izy.
Dia misy moa ny "anjely isan-karazany, ny olo-masina vonona ny hanoa ny marina sy hiaina izany!
69. rakaroka ( 15/09/2008 14:57)
Ahoana koa izany hoe "tapitra hatreo ny vola ?"
Ny firesaka tahaka izany anie no mahatonga ahy manao ny point toa izao. :roll: :-w :-w :-w :@ :@ :@ 8O 8O 8O
70. rakaroka ( 15/09/2008 20:43)
Ny hanampiko ny fotok'hevitra etsy ambony ho an'ireo miroa saina hoe Xtiana sa Boudista sa....
Ka na i Kristy na i Boudha tsy natao ivavahana.
Ary hoy i Jesoa raha mivavaka ianareo dia ataovy hoe "Rainay izay any an-danitra!. Ny fampianaran-drizareo Boudista koa tsy manao mihitsy hoe mivavaha amin'i Boudha: tsia. Tsy manao koa hoe ankalazao izy sy ny tahaka izany.
Fa na Xtiana na Boudista na Hindhouiste dia ny fitondra-tena mendrika ny hatsaran(ilay Nahary no zava-dehibe !
71. fahamarinana ( 16/09/2008 08:03)
rakaroka:
Fa na Xtiana na Boudista na Hindhouiste dia ny fitondra-tena mendrika ny hatsaran(ilay Nahary no zava-dehibe !

:arrow: =D> ,iraisako hevtr tanteraka,izay no hamerenako ombieny hoe tsy hoe Xna dia ireo irery ihany no lafatra rehefa manaradia an'ny Kristy fa na olon-tsotra , mpino hafa finoana,tsy mpino (rakaroka tsy haiko loatra hoe aiza no hametrahako azy ) dia manam-pahendrena sy fahalalana daholo avy amin'ny experiences ,jery ny manodidina,fandinihana ny fiainana...sns...sns...Izany hoe ny olona rehetra dia mety ho tsara sy lafatra hatrany fa tsy misy catégorie hoe rehefa tsy aty dia tsy izy izany fa ary...raha tsy mino an'izato dia tsy izy ihany koa : misy fotoanany ny zava-drehetra fa amiko io voalazan'ny rakaroka io no tena izy aloha,ny ambiny dia choix-ny tsi11 sisa. Dia mianatra mitondra azy amin'ny rariny sisa mba tsy hanelingelina ny hafa sy hanerena ny hafa.Izy ity moa araka ny voalazan'ny rakaroka entina hampieritreritra antsika jiaby dia isaorana azy fa zà manokana dia mahazo lesona hatrany... :) (l)
72. malalany ( 16/09/2008 12:00)
hoy xxx: Tapitra hatreo ny sipa/vola/bizna etc

ra manambady d marina ny anao tapitra hatreo sipa, d inn amelomana vady aman janaka ra tapitra hatreo ko ny vola
d ra tsy manambady ndray d aona zany no atao ra te anambady, d atao virtoaly iany zany ( mety itombona?)
bizna??? atsoina oe bizna ra vo miketrika fa tsy voatery ho ratsy na oe angalatra
Afa miaraka tsara @fivavahana ny fitiavana, fitadiavana, sns
73. fijo ( 16/09/2008 20:42)
voalaza tery ambony tery hoe:"Ny hevitra dia an'Andriamanitra,amiko diia ny Fnahy Masina izay tonga ato amiko no manome hevitra ahy"

izao mihintsy le tena tsy ekeko.manao ny olombelona ho tsinontsinona io.tsy manantsaina mihintsy izany ny olombelona fa di amiandry tataka avy amin'ny tsy hay fotsiny eo.
74. Mandefitra ( 17/09/2008 11:18)
Fahamarinana > tsy hamerina zay voalazan-Rakaroka eo ambony eo aho (fampitahana an i Kristy sy Boudha), fa te hampatsiahy anao fotsiny @ maha-Kristianina anao fa :
- Iray ihany no Lalana hankanesana any @ Ray Jaona 14:6
- Tokana ihany ny Vavahady mankany @ Fiainana Mandrakizay Matio 7 : 13-14

Mahereza
75. rakaroka ( 17/09/2008 14:49)
Nisy boky novakiako izay nametraka ny "position'Atra ho eo anivon'ny tontolo. => Vokatr'izany ny lalana tsotra sy mahitsy indrindra ary équitable ho an'ny différente coin du monde ny manantona azy "direct par sa propre
peception aza ! Ny "blem" dia nisy fotoan'andro nisian'ny clientélismen'ny église isan-karazany dia lasa nisy an'i Apolosy sns...Dia novozonana ny fijery
isan'isany tsy hijery sy hifantoka afa-tsy i Apolosy ohatra. Mazava be anefa na iray t@ iraka ihany i Apolosy izay nalefa hanao ny mission t@ faritra iray détérminé satria mazava ho azy fa tsy ahaeraka avy hatrany ny tontolo ny
iraka iray. Donk izay sendra an'i Apolosy dia ny fampianarany no novoiziny, izay sendra an'i Jesoa dia Jesoa, izay sendra an'i Boudha dia araka izany,
Ary ny tena nandrandrain'i Jesoa dia tsy ny hanaraka azy @ teny fa ny asa sy ny sitrapon'Atra. Donk Tsy ny hi-admniré azy loatra anie no tanjona fa ilay fahaizana mitondra-tena mifanaraka ny sitrapon'Atra izay hikambanana erak'izao tontolo izao. Izay no hoe "mino ny firaisan'ny olona masina manerana izao tontolo izao!
76. ikaretsaka ( 17/09/2008 15:37)
Ary ny tena nandrandrain'i Jesoa dia tsy ny hanaraka azy @ teny fa ny asa sy ny sitrapon'Atra

misaotra tompoko oooo!!
77. fahamarinana ( 17/09/2008 18:49)
mandefitra:
Fahamarinana > tsy hamerina zay voalazan-Rakaroka eo ambony eo aho (fampitahana an i Kristy sy Boudha), fa te hampatsiahy anao fotsiny @ maha-Kristianina anao fa :
- Iray ihany no Lalana hankanesana any @ Ray Jaona 14:6
- Tokana ihany ny Vavahady mankany @ Fiainana Mandrakizay Matio 7 : 13-14

Mahereza

:arrow: misaotra nampahatsiahy dia misaotra mankahery ihany koa..Efa mazava be raha ny mikasika ahy manokana f'aza manahy...
Ny tiako tsindriana sy faritana monja amin'ny voalazan'ny rakaroka sy iraisako hevitra tanteraka aminy dia ny ahy ny anjara fitoriana ataoko dia ny fi-appliquer-na ny voalaza hoe tiava ny namanao,na inona finoany na tsy mpino ihany koa.Tsy ny finoana no ho barriere amin'ny manodidina ahy ary tsy handany andro koa aho hitory sy hitsimpona fa amiko ,raha hitan'ny olona aho fa mahate ho tia ,raha hitan'ny olona aho fa tsara fitondran-tena,raha tazan'ny olona aho fa tsy tery saina ka hanenjika an'izato sy iroa....dia mba mety hampanontany tena azy ihany koa ny momba ahy sy ny finoako...Eny na voalaza aza hoe torio ny teniko fa samy manana ny fizaram-pahasoavana azony io...ka diso va ny tenako amin'izay ? :) (l)
78. fijo ( 17/09/2008 20:48)
Tsy ny finoana no ho barriere amin'ny manodidina ahy ary tsy handany andro koa aho hitory sy hitsimpona fa amiko ,raha hitan'ny olona aho fa mahate ho tia ,raha hitan'ny olona aho fa tsara fitondran-tena,raha tazan'ny olona aho fa tsy tery saina ka hanenjika an'izato sy iroa....dia mba mety hampanontany tena azy ihany koa ny momba ahy sy ny finoako.."

izay ka marina
79. ikaretsaka ( 17/09/2008 23:02)
mandefitra sy faha> tsy ny ara teny tsimpona loatra ange... iznay hoe na 1 na 10 no lalana tsy olana loatra fa ny ahatongavana any e.
raha miteny ianao hoe ny RN7 ihany no lalana mankany antsirabe... na averinao in 1000000000 eto aza izany..... ka tsy mandeha @ le lalana ianao ...
nga ho tonga any akory??? eritrereto tsara

izay le lazain'i Rakaroka io ambony io hoe aza tenitenenina sy tsimpotsimponina fotsiny... fa ataovy!
ny tena nandrandrain'i Jesoa dia tsy ny hanaraka azy @ teny fa ny asa sy ny sitrapon'Atra

80. Mandefitra ( 18/09/2008 04:58)
ka inona ary ny sitrapon'Andriamanitra?
Zao no tenin'i Kristy :
Jaona 6:40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
Ka asa raha mifanaraka @ io ty voizin-dRakaroka ty :

Tsy "akifika" tahaka ny hitako mahazatra ataon'ireo mpitory teny "Passionné loatra amin'i Jesoa" ny hafa"
Ka na i Kristy na i Boudha tsy natao ivavahana.
Donk izay sendra an'i Apolosy dia ny fampianarany no novoiziny, izay sendra an'i Jesoa dia Jesoa, izay sendra an'i Boudha dia araka izany,

Fa otran'ny tsiponinareo fotsiny ilay phrase tsaratsara omeny nefa ny tena votoatiny ny toriteniny hafa mitsy.
Zay no nampatonga ahy hampatsiahy an'i Fahamarinana satria izy milaza ny tenany ho Kristianina => donky manara dia an'i Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0089