Passion-fivavahana

1. rakaroka ( 06/09/2008 15:53)
Rehefa mirona @ vola loatra : dia antsoina hoe mivavaka @ vola!
Misy rangahy mizara dépliant maimaipoana na tsy mis'interesse izany aza ny mpandalo.....
Nisy silamo namelatra 'tapis dia nandohalika nivavaka teo ambonin'izany. Gaga ny iray fiasana.Fa tsy nisy nanaraka ilay fombany.
Nisy Xtiana iray izay koa niblablabla an'i Xty tany anaty métro fa dia tsy taitra sy nirona ny hafa.
Danze ihany ny "passion" toa "balise" mametra ny olona iray @ fijeriny.
Ratsy ve izany sa tsara?....tsy haiko 'ntsony!
:roll: :?: 8O
novalian'i rakaroka ny 02/10/2008 14:59
2. ikaretsaka ( 06/09/2008 16:42)
izay rakaroka le hoe ilaina ihany ny fahalalana honony sy fijerena foana ny manodidina sy ny effets (io ilay reperes) na "passiones" be tahakan'ny inona aza ianao!
amiko raha tsy te hahalala afa tsy ny ny anao sy ny cote iray an'ny anao (tsy raharahanao ny cote hafan'ilay zavatra maha passione anao...) ianao: na fivavahana io na vola io na bizna io na revy io na inona na inona dia tsy izy izay amiko
3. rijadolly ( 06/09/2008 20:06)
Nefa koa misy olona mijery ilay mi-passione fa tsy miheno na mamaky ilay izy akory dia efa tsy mivaky loha.De misy arak'izany koa ny mijery couleur hoe ra tsy ra... dia tsy izy na dia tena hita zao ilay izy hoe Fanomezam-boninahitra an'Andriamanita zao aza.
Misy namako izay Mivavaka ao amin'temoin de le mitety trano ireny ry zareo.Tsy mbola niteny akory hony ry zareo dia efa nohanin'ty ramatoa iray de ozy izy t@ le ramatoa hoe: "le zv ho torinay aminao ve no tsy tianao sa izahay izay vao hitanao androany ? " :roll:
4. rakaroka ( 06/09/2008 20:38)
Maro mihitsy anefa ireo olona "passionné" @ zavatra ataony, dia tena ferany @ izay mihitsy ny "anjerimanontolony : sahala @ hoe "andevon'ilay zavatra 'ndray no fijeriko azy. Dia tena manadino ny hafa sy ny manodidina ary na ny "adidy @ andraikiny aza": "indrisy" :oops: :oops: :oops:
5. ikaretsaka ( 06/09/2008 22:38)
marina izany rakaroka an..
izay foana ange le lazaiko hoe
"tsy fahafahana mivaona any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra"
6. rijadolly ( 07/09/2008 04:21)
rakaroka:

Maro mihitsy anefa ireo olona "passionné" @ zavatra ataony, dia tena ferany @ izay mihitsy ny "anjerimanontolony : sahala @ hoe "andevon'ilay zavatra 'ndray no fijeriko azy. Dia tena manadino ny hafa sy ny manodidina ary na ny "adidy @ andraikiny aza": "indrisy" :oops: :oops: :oops:
Tsia tsy andevo ny olona manompo an'Andriamanitra fa olon'afaka fa isika ety ivelany ho mahita izany satria tsy mbola nanolotra ny tena rehetra eny fa na dia ny aina aza ho an'Andriamanitra.LIOKA 14:15 - 27 "15 Ary ny anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy dia nandre izany ka nanao taminy hoe: Sambatra izay hihinan-kanina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin'ny fotoana fisakafoana hilaza amin'izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialana. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masina hianao, ekeo ny fandavako.19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masina hianao, ekeo ny fandavako.20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin'izany tsy afaka mankany .21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin'ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dàlana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.23 Ary hoy ny tompo tamin'ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe:26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy.27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy."

Mba tsy ivadian'resaka holava any amin'hoe asa sy fitoriana indray dia aleo aty am-boalohany dia efa lazaiko fa hanaradia an'Jesoa Kristy hanao na ahnoy ny asany.




7. ikaretsaka ( 07/09/2008 13:08)
io izao i RD fa mivaona sahady koa
ka io nge le lazaiko atsy ambony atsy heo tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany e!
8. rijadolly ( 07/09/2008 14:35)
Hazavao ahy ika fa tsy azoko a! :oops: :oops: :oops:Menatra be za
9. rakaroka ( 07/09/2008 15:44)
8O :roll: :-$ :-w :-w :-$ Ny olona roboka @ lé "passion-ny" mihitsy anie no mihevi-tena fa tsy voafatotry ny hafa . Dia tahaka ny misy zaridaina ngononiny izany, ary "MANAHIRANA" tanteraka :roll: ny miresaka @ lé oul "sujet" hafa afa-tsy mikasika ny "passion-ny": Oh mon Dieu :cry: :oops: :oops: 8O
Anefa matetika misy zavatra tokony atrehiny hafa na ny manasa ny viliany sy ny mampirina ny trano sy ny misakafo aza zary hadinony. Ary dia iandrasana ny hafa satria "LEHIBE" loatra ilay "passion". Eny e raha manam-bola hi-payé-na ny hafa moa maninnn! fa dia tsy izany akory aza!
10. ikaretsaka ( 07/09/2008 19:50)
io efa voalazan-drakaroka io ry RD an
11. rijadolly ( 08/09/2008 16:42)
De eo mitsiny no ts azoko,Toetrako ve ireo nolazain-dRakaroka reo :roll: satria
ika woe:
io izao i RD fa mivaona sahady koa
ka io nge le lazaiko atsy ambony atsy heo tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany e!
ary de
any ika hoe:
io efa voalazan-drakaroka io ry RD an
Voatsara amin'ny maha-passion-Fivavahana ahy zany za? :D
12. ikaretsaka ( 08/09/2008 23:32)
Ho'zy Rakaroka hoe (azafady fa paraphrase-ko) ny olona "passiones" dia tsy mahafantatra ilay hoe voateritery izy fa aminy de hoe afaka sy malalaka...
de ianao nanaporofo azy @ zavatra lazainao io hoe "zaho (matsy ny tenanao) fahafahana tsy hita noanoa"
13. rijadolly ( 09/09/2008 18:53)
Lalina be koa le resaka an!ihezaka anakatra ihany aho
ny olona "passiones" dia tsy mahafantatra ilay hoe voateritery izy fa aminy de hoe afaka sy malalaka...
Dia inona ary zany ry ika ilay manery azy oh? fa tena tsy aiko.
14. ikaretsaka ( 09/09/2008 18:56)
rakaroka:
Ny olona roboka @ lé "passion-ny" mihitsy anie no mihevi-tena fa tsy voafatotry ny hafa . Dia tahaka ny misy zaridaina ngononiny izany, ary "MANAHIRANA" tanteraka ny miresaka @ lé oul "sujet" hafa afa-tsy mikasika ny "passion-ny"


inona moa no manery azy ry RD fa tsy ilay "passion-ny"??
15. rijadolly ( 10/09/2008 16:18)
Eto zao passion-fivavahana dia ilay fivavahana zany ve no manery azy?
16. rakaroka ( 10/09/2008 16:46)
Tena miaiky ny fahamarinan'ny teninao aho hoe:"lalina BBbe" ilay resaka: manahirana raha ny marina ny miresaka azy, saingy voaresako ilay izy satria
tsapako ho fototra iray mahatonga ny "suffisance" ara-piheverana ary insuffiusance ara-pifandraisana ara-tsosialy: hany ka zary lasa samy mandeha samy mitady, samy maka ho azy ny fiainana, :-$ 'Nefa @ lafiny ilany natao hiaina ao anaty fiaraha-monina isika: olona manatombo noho ny voahary hafa.
Donk mety misy traik'efa de notre c^té afaka hipaka @ manodidina raha tsy terin'ilay passion!
Izany hoe ilaina ny passion satria ikatsahana ny perasonnalité ohatra, fa tokony hosokatra @ manodidina ihany koa satria izany no sehatra isiana raha tsy izany dia ho tahala ny "elite maro manam-pahaizana!" 'nefa dia tsy hain'ny maro akory ny fisiany no toa tsy mahalala ny manodidin'azy 'ntsony koa!
17. rijadolly ( 10/09/2008 19:16)
Araka ny fahalalako azy ny Kristianina dia Misokatra amin'zavatra rehetra(izay mahasoa sy arakan'Andriamanitra),ary manampy ny tsy manana fahampiana,Tia ny namany eny fa na dia ny fahavalony aza.Ka eo amin'izay asa fanohizana ny asa Jesoa Kristy izay no mivoaka ilay Passion.Sa aona ny hevitrareo mirahalahy?ra eo amin'maha Kristianina izany dia tsy ratsy;ny fahalalako azy an!
18. rijadolly ( 10/09/2008 19:22)
HS: azafady rakaroka amin'ilay hoe mirahalahy an! :oops: :oops:
19. fijo ( 10/09/2008 21:47)
miombonkevitra amin'ika.rehefa tsy voafehinao le zavatra tianao,dia efa ratsy izay.na mihinankanina aza.
20. ikaretsaka ( 10/09/2008 21:57)
rijadolly:

Araka ny fahalalako azy ny Kristianina dia Misokatra amin\'zavatra rehetra(izay mahasoa sy arakan\'Andriamanitra),ary manampy ny tsy manana fahampiana,Tia ny namany eny fa na dia ny fahavalony aza.Ka eo amin\'izay asa fanohizana ny asa Jesoa Kristy izay no mivoaka ilay Passion.Sa aona ny hevitrareo mirahalahy?ra eo amin\'maha Kristianina izany dia tsy ratsy;ny fahalalako azy an!


Eo aloha de efa mifanohitra misokatra ho\'zy enao de avy eo indray hoe \"izay mahasoa sy arakarakan\'andriamanitra ihany\"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.054