Voaloboka: Ny sampany izay tsy mamoa dia esorina

61. prime ( 23/06/2008 12:55)
Ika> izany hoe izay tsy EKAR ve hoy aho izany dia tsy sampany fa mpisandoka avokoa?

Dia ahoana hoy Kristy raha nanavaka toa izany ny Apostoly? moa va tsy izao ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy mikasika indrindra ny atao hoe ondrin'i Kristy :

"Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry." Jaona 10:16
ika:
ka inona aloha no antony ni establish-evan'i Kristy ilay rafitra be nankininy tamin'ny apostoly sy ny dimbiny (Kato) aza fa tsy niteny fotsiny izy hoe "izay manorintena ato amiko dia akamako sy sampako daholo"? na nataony fotsiny hoe

"manaova daholo nareo sekta sy manorena fiangonana ry olona terem-panahy eto Jerosalema sy ny fara vazan-tany dia za fotsiny toriana any araka izay irevesanareo azy , dia ampy izay?"

Fa nandany fotoana be izy nampianatra ny apostoly, ary nandefa ny fanahy masina sy niaro ny dimbiny mandrak'ankehitriny???
ny androatonkon'ny evanjely anefa dia ny fanorenana an'io no tena nimasoany! t@ fanofanana ny 12 lahy anefa!
... O ry Ika, sao ho diso fanantenana ianao any am-parany... ny nanorenan'i Kristy ny fiangonana dia ny hitory ny Vaovao Mahafaly mba hananan'ny mpanota anjara amin'ny fiainana mandrakizay fa tsy ny hananany rafitra maty paika sy voaorina ao amin'ny Apostoly araka ny tianao ambara... ny fiangonana voalohany tsy be rafitra be toa ny misy amin'ny fiangonana ankehitriny io (tsy manavaka eto na ekar, na ortodoksa, na reformey na loteràna na anglikàna)...

Ny fanorenana nentin'ny Apostoly rehetra tamin'ny anaran'i Kristy dia ny mamerina ny mpanota rehetra (ny jiosy sy ny tsy jiosy sy ny jentilisa) ho amin'ny finoana ilay tena Marina dia Kristy mba hananan'ny rehetra anjara ao Aminy... (Asan'ny Apostoly -> Fanambaràna) fa tsy ny hankatoavana rafitra na olona, na Apostoly akory aza...

Ny fampianaran'i Kristy dia manorina finoana velona sy miasa ao amin'ny fiangonana fa tsy manorina rafitra hotompoina (toa ny an'izao tontolo izao)...
Ika:
Raha i kristy no ni former fiangonana 1 ka no reformena ka raha tsy i kristy tenany no ni reformer azy fa ze olona rehetra mihambo any! .... hafahafa ihany no ilazako hoe an'i Kristy io na mosy mampiasa ze milay ihany t@ le notazomin'i kristy aza ! mba kozy vre!!!!
... Tsy nisy ny hetsika fifohazam-panahy sy ny reformasiona raha nizotra tsara tamin'ny fampianaran'i Kristy ny fiangonana fahiny... fa rehefa nivily lalana ny fiangonana dia tsy vitsy ny asan'ny Fanahy Masina namerina azy tamin'ny fampianarana araka an'i Kristy marina...

Tsy ny anaram-piangonana no maha-sampana na tsia azy fa ny firaisany na tsia amin'i Kristy... ny fiangonana tena manana an'i Kristy dia izay miray aminy ka mihaino sy mankato ary manao ny sitrapony feno, madio sy masina araka ny nampianarany azy sy ny namonjeny azy...

Tsy ny maha-FJKM ahy na ny maha-LOTERANA an'i Mandefitra ohatra (miala tsiny raha tsy izany rahalahy) na ny maha-EKAR ZEZOITA an'i Ika no maha-sampana antsika (raha tena sampana tokoa) fa ny firaisan'ny tsirairay amintsika amin'i Kristy ka tena manambara ny fahafatesantsika fa maneho an'i Kristy velona kosa ao amintsika...

Ary mety ho diso fanantenana i Ika any am-parany raha tsy miambina tsara satria rehefa ho tonga ny antso sy trompetra farany dia mety mpino pentekotista na batista na evanjelika na advantista no hifampitantana hiakatra ho any an-danitra amin'ny mpino rehetra na fiangonana inona na inona, vao ho gaga i Ika hoe fa ahoana kosa izany??? satria nahoana? tsy anaram-piangonana no maha-sampana na tsia...
62. ikaretsaka ( 23/06/2008 13:32)

"Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry." Jaona 10:16


ka io anie kristy izy tenany no niteny fa tsy ilay indry no nanora tena ho an'i kristy e...

ny nanorenan'i kristy
ny fiangonana dia hitory vaovao mahafaly marina izany... (Jereo tsara io nataoko bold io)
dia t@ iza le izy no nankininy? tsy t@ izay olona rehetra izao kosa e! ka afaka mi reformer izay tiantiany momban'i kristy! dia izay tiany ihany no indraindrainy fa izay tsy tiany dia any izay! sa???


Tsy ny anaram-piangonana no maha-sampana na tsia azy fa ny firaisany na tsia amin'i Kristy... ny fiangonana tena manana an'i Kristy dia izay miray aminy ka mihaino sy mankato ary manao ny sitrapony feno, madio sy masina araka ny nampianarany azy sy ny namonjeny azy...

dia miverina amin'ilay fanoharako ary ambony ary aho:
raha miara mandady @ voaloboka ny garanadrelina ....dia ho lasa voalovoka ve ny garanandrelina... raha tena izay ataon'ilay voaloboka mihitsy aza no ataony?

ilay hoe "
ny fiangonana tena manana an'i Kristy dia izay miray aminy ka mihaino sy mankato ary manao ny sitrapony feno, madio sy masina araka ny nampianarany azy sy ny namonjeny azy...

dia averiko ihany .. raha mankato sy manaraka izay fanirin'ny voaloboka ve ny garana dia lasa voaloboka?
raha miteny ny garana heo "zahay voaloboka reforme" dia voaloboka ve izy??
nah!

aleoko mijanona ho voaloboka miezaka mamoa araka izay tratry ny heriko aloha toa izay garana miraikitra amin'ny sampambioaloboka dia miteny heo zahay voaloboka e!
ny firaisana ta ysia amin'i kristy ange hoa no poroblematique eto ry prime e


63. fahamarinana ( 23/06/2008 13:43)
prime:
Tsy ny maha-FJKM ahy na ny maha-LOTERANA an'i Mandefitra ohatra (miala tsiny raha tsy izany rahalahy) na ny maha-EKAR ZEZOITA an'i Ika no maha-sampana antsika (raha tena sampana tokoa) fa ny firaisan'ny tsirairay amintsika amin'i Kristy ka tena manambara ny fahafatesantsika fa maneho an'i Kristy velona kosa ao amintsika...

:arrow: Ohatr'izay voalaza zay koa no fieritreretako azy sy mba faniriko raha ny ahy manokana,zany hoe tsy misy varany fombafomba sns...sns...samihafa fa dia :arrow:
prime:
ny fiangonana tena manana an'i Kristy dia izay miray aminy ka mihaino sy mankato ary manao ny sitrapony feno, madio sy masina araka ny nampianarany azy sy ny namonjeny azy...
.
Raha ny amiko manokana io an :) (l)
64. ikaretsaka ( 23/06/2008 14:31)

prime:
ny fiangonana tena manana an'i Kristy dia izay miray aminy ka mihaino sy mankato ary manao ny sitrapony feno, madio sy masina araka ny nampianarany azy sy ny namonjeny azy...
.
Raha ny amiko manokana io an :) (l)
[/quote]

ka le "sitrapony feno" mihitsy eto no betsaka ny manafangaro azy @
ilay hoe "izay metimety @ sainy ihany"

izay ange ny anton'ny reforme e.. hoe tsy netinety taminy ireto sy ireto dia nesoriny na nodiany fanina... sa?

nefa rehefa tena dinihina dia ny "vatonamelankafatra" ihany ange no voalaza fa namelana hafatra sy voatso-drano hahazo ny lakile sy ny hoe "na ny varavaran'i sheol" aza tsy haharesy azy sy hoe "izay tana aty dia voatana any mo izay voavela aty dia voavela any e"

ahako aloha tsary naheno an'i Jesoa niteny an'iznay t@ reformiste e!
sa ao @ bokin'ia toko fahafiry izany??


65. fahamarinana ( 23/06/2008 17:18)
ikaretsaka:
ka le "sitrapony feno" mihitsy eto no betsaka ny manafangaro azy @
ilay hoe "izay metimety @ sainy ihany"

:arrow: marina ihany koa zay remarque nataon'ika izay . (l)
66. niryna ( 24/06/2008 03:16)
niryna:

Ny tenin'Atra dia manambara amintsika fa Izaho no tena voaloboka (kristy io an )ny Raiko no mpamboatra.Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboarina mba hamoa bebe kokoa Jaona 15: 1-2

Araka ny fanoharana nomen'i kristy dia tsy afaka mankany amin'ny Rainy isika raha tsy manaraka aminy. Raha misy roa na telo eo afovoany ka mangataka zavatra amin'ny Anarako dia eo afovoany aho.Raha ataoko fanoharana @ continuity test aho(mifampitantana olona roa na telo na firy na firy ka mandray ilay cote ilany ary ampifandraisina amin'ny cote ilany dia mirehitra ny jiro,raha tsy misy fifaraisany izany dia tsy mirehitra ilay jiro.Nataonay ny fanandramana hatramin'ny peratra mariage,tanana kely fotsiny no nampihazonona ilay peratra ery amin'ny ilany avy e,dia nirehitra koa ny jiro.
http://www.techinstrument.com/acatalog/CT900LOV.jpg
Dia ahoana indray raha hianao irery no mitazona azy?
Ny tanana havia no mihazona azy ary ny havanana mihazona ny ilany ary dia mirehitra ihany koa.
toy isika mihidy trano irery ao amin'ny mangina ka miantso an'i kristy.Mihaino antsika koa izy .
:D
67. niryna ( 24/06/2008 03:58)
niryna:



.Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboarina mba hamoa bebe kokoa Jaona 15: 2

Roa karazany no tian'i kristy resahina amintsika eto dia ny sampana izay mamoa ary ny sampana izay tsy mamoa.
ny sampana izay tsy mamoa ? Dia ireo izay tsy misy ifandraisana amin'i kristy intsony,miantehitra amin'ny tenany sy ny heriny ary dia tsy misy ifandraisany amin'Atra ihany koa satria efa tapaka ny tetezana mampitohy azy amin'Atra sy izy dia i kristy izany. (Matio 3:10)
ny sampany izay mamoa dia ireo izay nisafidy hiaraka an'i kristy,mino fa any Aminy Irery ihany no lalana mankany amin'ny Rainy.Manao ny asa nampanaovina azy,mizara ny fahasoavana nomeny,mizara ny olona ny tokony atao mba ahazoana famonjena,tsy matahotra mijoro vavolombelona na iza mahita teny olazaina na iza mino na izay misintona iverina anaraka azy ireo.Tsy matahotra satria ny fanahy masina no miaraka sy miambina ary manindry ny vavany,ny tanany,ny tongony ,ny toetra rehetra ao aminy mba ho tonga toy ny Zanany.Mamoa be tokoa izy, ka izay manantsofina mihaino ny hafany dia ho toa izany ihany koa,ary mety tsy ho eo noho eo ny vokatra saingy mino sy manantena izy fa hody ventiny avokoa ny rano natsakainy ary tsy hisy iverina any amin'ilay mpamafy intsony izay nafafiny.

Io sampana io dia ho kolokoloin'Atra ary dia hiroborobo tokoa,toy ny rantsana izay nalazo dia nokapaina ary izay mbola mivelatra tsara dia vao maika midoroboka mamokatra ary mamoa avo folo,enimpolo ary zato heny mihitsy aza ( Mat 3:8,7:20)
Ary dia miseho miharihary eny ny vokany:ka ireto no toetra azony miandalana amin'ny fiainany.
Gal 5:22-23
22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

68. prime ( 24/06/2008 07:08)
ika:
izay ange ny anton'ny reforme e.. hoe tsy netinety taminy ireto sy ireto dia nesoriny na nodiany fanina... sa?
... tsia ra-Ika, tena diso izany fa tsy izany mihitsy... tsy resaka maivana hoe mety sy tsy mety amin'ny tena... fa hoe manaraka na tsia ny tenin'Andriamanitra sy ny nampianarin'i Kristy ve ny fiangonana dia misy foana hetsehin'ny fanahin'Andriamanitra mitondra famerenana sy fanavaozana mba hiverenana amin'ny tena nampianarin'i Kristy... na mandrak'ankehitriny aza dia mbola misy hatrany izany, ary izany no antony mampisy hetsika fifohazam-panahy etsy sy eroa... tsy resaka Loteràna sy Fjkm no tiako resahana fa ilay tena fifohazam-panahy avy amin'ny asan'ny Fanahy Masina, izay ankehitriny saiky tsy voatery ao amin'ireo fiangonana ofisialy (ekar, ortodoksa, fjkm, loterana, anglikana) no misy izany aza fa amin'ireny fiangonana evanjelika ireny... tsy mila averina hanalava resaka eto angamba izany, sady fantatry ny rehetra rahateo afatsy izay minia mikimpy, eny fa na dia ny papa maro nifandimby aza dia mi-reconnaitre tsikelikely hatrany ny fahadisoana fahiny taty aoriana...
Ika:
nefa rehefa tena dinihina dia ny "vatonamelankafatra" ihany ange no voalaza fa namelana hafatra sy voatso-drano hahazo ny lakile sy ny hoe "na ny varavaran'i sheol" aza tsy haharesy azy sy hoe "izay tana aty dia voatana any mo izay voavela aty dia voavela any e

ahako aloha tsary naheno an'i Jesoa niteny an'iznay t@ reformiste e!
sa ao @ bokin'ia toko fahafiry izany??
"
... dia iza hoy aho ilay vato namelan-kafatra? ny ekar ve? :)

Izaho dia miteny aminao fa raha variana hitory fiangonana ianao hoe ny anay no tena izy dia ho diso fanantenana ianao any am-parany fa tsy ny anaram-piangonana no mahavoavonjy ka any ianao vao hiogaoga hoe izahay ilay tena sampany satria ilay anay no nametrahan-kafatra... izany fanambarana ataonao izany no lasa mampitovy azy amin'ny ataon'ny fiangonana evanjelika sasany ihany koa sahy mitsara mihitsy indraindray hoe ny ekar sy ny papa toa izao fa ny anay no tena izy...

Aza adino fa ho an'ny fanamarinan-tena toa izany indrindra hoe tsy efa nanao asa mahagaga ho anao va izahay, tsy efa nandroaka demonia tamin'ny anaranao va izahay, tsy efa nanao toa izao sy izao tamin'ny anaranao va izahay no nitenenan'i Kristy hoe : mialà amiko ianareo mpanao meloka, tsy fantatro akory ianareo...

Ny tenin'Andriamanitra kay ho an'iza ra-Ika? ho an'ny Apostoly 12 ihany ve? ho an'ny fianakaviana akaiky an'i Kristy ihany ve? ho an'ny mpianatra 5000 lahy ihany ve? ho an'ny fiangonana voalohany tao Jerosalema ihany ve? :)

Kristy rehefa miteny hoe : "Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko." Jaona 14:15 dia manambara ny sitrapony Izy... mankato izany ve ny mpino? an'ny tsirairay izany ary izany no hamantarana izay tena sampany fa tsy izay "vato namelan-kafatra" ihany tsy akory...
69. ikaretsaka ( 24/06/2008 12:33)
izao fotsiny io ra prime an
raha vao misy hoe "RE" le zavatra anankiray dia efa tsy ilay voalohany intsony izay
Raha nanjaitra malabary (ohatra) ianao ka nalaiko iny ka no retailleko ka na ilay lamba nanaovanao azy mihitsy aza no novahako vitrana sy niverenako nanjairana malabary vaovao "araka izay nitiavako azy" (tsy nahazo alalana taminao) indray dia tsy anao intsony ilay malabary ny dikan'izay,

tsy misy hafa @ reconstrucruction an'ny Rova ihany io e.... very anarana i laborde sy cameron fa any @ footnotes sisa

torak'izany ny zavatra no formena (eto dia i jesoa no niformer azy) ka no reformena
70. prime ( 24/06/2008 12:44)
Ikaretsaka> Ka iza hoy aho ilay voalohany? ilay vato namelan-kafatra? tsy valianao anie ilay izy e... :) iza ilay no "former"n'i Kristy? :wink:
71. ikaretsaka ( 24/06/2008 13:52)
tsy nisy tsodrano nomen'i jesoa aloha hoe nahazo lakle ilay "ni reforme" e!na nahazo hoe na ny varavaran'ny afobe aza tsy haharesy azy

ilay vato namelankafatra... mazava ho azy... matoa tamin'ireo no nanankinany azy fa tsy t@ reformiste...
porofoy ny mahadiso izay?
nisehoan'i Jesoa ve ry zalahy sa ahoana de heo reformeo letsy ny zxavatra noformeko?
72. niryna ( 25/06/2008 02:53)
ika:
izay ange ny anton'ny reforme e.. hoe tsy netinety taminy ireto sy ireto dia nesoriny na nodiany fanina... sa?
...
prime:
tsia ra-Ika, tena diso izany fa tsy izany mihitsy... tsy resaka maivana hoe mety sy tsy mety amin'ny tena... fa hoe manaraka na tsia ny tenin'Andriamanitra sy ny nampianarin'i Kristy ve ny fiangonana dia misy foana hetsehin'ny fanahin'Andriamanitra mitondra famerenana sy fanavaozana mba hiverenana amin'ny tena nampianarin'i Kristy... na mandrak'ankehitriny aza dia mbola misy hatrany izany, ary izany no antony mampisy hetsika fifohazam-panahy etsy sy eroa... tsy resaka Loteràna sy Fjkm no tiako resahana fa ilay tena fifohazam-panahy avy amin'ny asan'ny Fanahy Masina, izay ankehitriny saiky tsy voatery ao amin'ireo fiangonana ofisialy (ekar, ortodoksa, fjkm, loterana, anglikana) no misy izany aza fa amin'ireny fiangonana evanjelika ireny...


misaotra prime nanazava a

tsy mila averina hanalava resaka eto angamba izany, sady fantatry ny rehetra rahateo afatsy izay minia mikimpy, eny fa na dia ny papa maro nifandimby aza dia mi-reconnaitre tsikelikely hatrany ny fahadisoana fahiny taty aoriana...
hmm! ':roll:
Ika:
nefa rehefa tena dinihina dia ny "vatonamelankafatra" ihany ange no voalaza fa namelana hafatra sy voatso-drano hahazo ny lakile sy ny hoe "na ny varavaran'i sheol" aza tsy haharesy azy sy hoe "izay tana aty dia voatana any mo izay voavela aty dia voavela any e

ahako aloha tsary naheno an'i Jesoa niteny an'iznay t@ reformiste e!
sa ao @ bokin'ia toko fahafiry izany??
"
...
prime:
dia iza hoy aho ilay vato namelan-kafatra? ny ekar ve? :)
iza tokoa ?
prime:

Izaho dia miteny aminao fa raha variana hitory fiangonana ianao hoe ny anay no tena izy dia ho diso fanantenana ianao any am-parany fa tsy ny anaram-piangonana no mahavoavonjy ka any ianao vao hiogaoga hoe izahay ilay tena sampany satria ilay anay no nametrahan-kafatra..

Ahatsiarovako ilay hira iray izay io,
Izahay an'i kaisara ,izahay an'i paoly sns

prime:
izany fanambarana atao annao izany no lasa mampitovy azy amin'ny ataon'ny fiangonana evanjelika sasany ihany koa sahy mitsara mihitsy indraindray hoe ny ekar sy ny papa toa izao fa ny anay no tena izy...
dia lasa ilay fiangonana indray no indraindraina
':roll:
prime:

Aza adino fa ho an'ny fanamarinan-tena toa izany indrindra hoe tsy efa nanao asa mahagaga ho anao va izahay, tsy efa nandroaka demonia tamin'ny anaranao va izahay, tsy efa nanao toa izao sy izao tamin'ny anaranao va izahay no nitenenan'i Kristy hoe : mialà amiko ianareo mpanao meloka, tsy fantatro akory ianareo...
marina izany.Fantaro tokoa izay fanahy miaraka amintsika.
prime:

Ny tenin'Andriamanitra kay ho an'iza ra-Ika? ho an'ny Apostoly 12 ihany ve? ho an'ny fianakaviana akaiky an'i Kristy ihany ve? ho an'ny mpianatra 5000 lahy ihany ve? ho an'ny fiangonana voalohany tao Jerosalema ihany ve? :)
ho an'iza mihaino Azy.
prime:


Kristy rehefa miteny hoe : "Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko." Jaona 14:15 dia manambara ny sitrapony Izy... mankato izany ve ny mpino? an'ny tsirairay izany ary izany no hamantarana izay tena sampany fa tsy izay "vato namelan-kafatra" ihany tsy akory...
mazava


:D
73. niryna ( 25/06/2008 02:57)
ikaretsaka:

izao fotsiny io ra prime an
raha vao misy hoe "RE" le zavatra anankiray dia efa tsy ilay voalohany intsony izay
Raha nanjaitra malabary (ohatra) ianao ka nalaiko iny ka no retailleko ka na ilay lamba nanaovanao azy mihitsy aza no novahako vitrana sy niverenako nanjairana malabary vaovao "araka izay nitiavako azy" (tsy nahazo alalana taminao) indray dia tsy anao intsony ilay malabary ny dikan'izay,

tsy misy hafa @ reconstrucruction an'ny Rova ihany io e.... very anarana i laborde sy cameron fa any @ footnotes sisa

torak'izany ny zavatra no formena (eto dia i jesoa no niformer azy) ka no reformena

izany ve no fandraisanao azy ?

74. niryna ( 25/06/2008 02:59)
prime:

Ikaretsaka> Ka iza hoy aho ilay voalohany? ilay vato namelan-kafatra? tsy valianao anie ilay izy e... :) iza ilay no "former"n'i Kristy? :wink:

miandry ny valiny any amin'ika hono izany
:D
75. niryna ( 25/06/2008 03:32)
prime:

[quote=ika]Iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesoa, fa marobe kosa ireo fiangonana "nanorin-tena" tao aminy (samihafa aloha ireo fa aza adino)
...
prime:

mba tena tian'i Ika mihitsy ny mamerina an'io na dia efa ambara aza hoe diso ny tanjona tianao ahatongavana...
io izany ilay diska goka eto k'ty
prime:

Fanamarihana : marina tanteraka fa iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesosy Kristy fa TSY NY EKAR akory io... (vakio tsara ny bokin'ny Asan'ny Apostoly)

Ekena tanteraka fa ny Apostoly Petera no ivon'ny vato nanorenan'i Kristy ny fiangonana fa TSY NY EKAR akory io fiangonana naorina araka an'i Petera io... (vakio ny tantaran'ny fiangonana kristiana, izay voasoratra ao amin'ireo Epistily nosoratan'ny Apostoly Paoly, Petera, Jaona...)
ie,
prime:

Ilay "légitimité" iadian'ny EKAR dia zony feno ny miady izany fa tsy misy tantara manamarina fa ny EKAR no fiangonana kristiana voalohany... (mbola lasa lavitra io raha amarinina isaky ny Apostoly tsirairay avy satria tsy i Petera avokoa no nanorina ny fiangonana isaky ny toerana rehetra nitoriana ny filazantsara nandritra ny taon-jato voalohany taorian'i Kristy... raha tsy hiresaka fotsiny ny momba ny fiangonana ortodoksa ihany koa...)

misaotra prime a,raha tsy mahazo an'izany tsy mahazo intsony .

Raha hiverenana ny lohahevitra dia fahadisoan-kevitra ny fiheverana ny hoe ny sampana nambaran'i Kristy dia resaka sampana sy firaisana amin'ilay "fiangonana voalohany tian'i Ika soritana manokana hoe ny EKAR"...

aleloia ,deraina anie ny anaran'ny Tompo fa nisy olona afaka nanazava anay ny tenin'ATra .
bravo prime,ny fahasoavan'ny tompo anie hirotsaka aminao mandrakariva ampianatra anay mba ahalalanay ny marina .
76. niryna ( 25/06/2008 03:34)
ikaretsaka:

tsy nisy tsodrano nomen'i jesoa aloha hoe nahazo lakle ilay "ni reforme" e!na nahazo hoe na ny varavaran'ny afobe aza tsy haharesy azy

ilay vato namelankafatra... mazava ho azy... matoa tamin'ireo no nanankinany azy fa tsy t@ reformiste...
porofoy ny mahadiso izay?
nisehoan'i Jesoa ve ry zalahy sa ahoana de heo reformeo letsy ny zxavatra noformeko?


maro ihany izay noresena dohika izay fa mba raiso izay fantatrao fa mahasoa misaotra anao
77. prime ( 25/06/2008 09:14)
Misaotra niryna a... efa noezahina nazavaina tokoa ary azonao tsara ny tian-kambara fa rehefa iniana tampenana tokoa moa ny mason-tsaina satria dia tantara sy fotoana no entin'i Ika hanazavàna ny tian'i Kristy ambara mikasika ny hoe sampam-boaloboka dia izay izany no fandraisany azy...

Na ilay hoe miray amin'i Kristy aza izany dia midika hoe miray amin'ny ekar...

Misaotra an'i Ika aloha nanambara sy nanamafy izany foto-kevitra izany...

Ika> Mila mivavaka kokoa nefa ianao ra-Ika ka mangataka ny fanahy masina hanome anao fahazavan-tsaina mba ivelaran'ny fijerinao lavitra koka fa tsy mikatona fotsiny ao amin'ny fampianarana ekar... satria toa tsy izany loatra no tian'i Jesosy nambara tamin'io...

Dia raha tohizana kely ny zohin-kevitrao, dia iza no voalohany ary ny katolika romana sa ny katolika ortodoksa???

Mikasika ny hoe iza ny "reformiste" nanambaran'i Kristy ny ho tompon'ny lakilen'ny lanitra sns... dia mila mandinika lavitra kokoa ihany koa ianao satria ny tenin'Andriamanitra nomena an'i Petera tsy nomena an'i Papa Benoit XVI velively... raha Petera no mihazona izany fahefàna izany araka ny fampianarana ekar, tsy midika izany fa ny Papa mifandimby dia nomena izany koa satria porofoy koa ary hoe fotoana ahoana Kristy no niteny ny Papa Joany Paoly II hoe ianao no mihazona ny fanalahidy???

Hitanao fa boraingina sy bontolo fotsiny ilay hoe ity no vato namelan-kafatra dia mirohy ho azy hoe ny ekar...

Mila avahanao kely mihitsy ny hoe iza no "logos" ary iza no "rhema"... ny nanambaran'i Kristy an'i Petera io teny io dia "rhema" satria noho ny fanambaran'i Petera ampahibemaso ny maha-Andriamanitra an'i Kristy dia nomeny tenim-pahefana manokana i Petera, fa tsy "logos" akory io ka raisina am-bolony hoe i Petera irery izany no nandray io fahefàna io...

Ny tenin'Andriamanitra ihany koa no nanamafy toa izao ho an'ny Apostoly 12 lahy :

"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra." Matio 18:18... dia ahoana izany? kay tsy Petera irery indray tampoka?

Hitanao amin'izany fa tsy azo raisina am-bolony ny tenin'Andriamanitra... ary izany no nahatonga ahy nanontany tsotra hoe iza ilay vato namelan-kafatra???
78. fahamarinana ( 25/06/2008 11:07)
:arrow: rehefa namaky ireo voalaza rehetra ireo aho ary dia hanontany anareo indray :
Prime :raha izay no marina hoe mikatona fontsiny amin'ny fampianarana ekar i ika dia izaho koa milaza fa misy amintsika ato koa mikatona fontsiny ihany koa amin'ny fampianarana loterana,fjkm fa tsy manana fahazavan-tsaina mba ivelarana amin'ny fijery lavitra :teny nataon'ny prime tery ambony io ary tena iraisakao hevitra ihany koa.
Fehiny :tsy ika irery na iza no tokony handini-tena izany fa isika manontolo mihintsy.Tsara dia tsara ilay mi-approuver ny tenin'ny i prime ,ary za koa dia misy iraisako hevitra fa tsy ho eto koa aho hiteniteny fontsiny any ika fa misy betsaka koa ato mitovy amizay...Mbola ezaka be no miandry antsika rehetra izany no tiako ambara e...misaotra antsika manana faharetana fa ao antin'izany koa no ahazoana fahazavana.

prime:
mba tena tian'i Ika mihitsy ny mamerina an'io na dia efa ambara aza hoe diso ny tanjona tianao ahatongavana...

:arrow: Dia
niryna:
io izany ilay diska goka eto k'ty

:arrow: izay ilay toetra mahagaga ndraindray,ohatran'ny miandry kendry tohana,sa? ..ianao anefa sahala aminzay koa rehefa mamerina ombieny ka tsy tian'ny namana izay...
Fanontaniana farany :rehefa tsy ekar,tsy fjkm,tsy loterana ,dia mba liana aho aheno hoe iza ary ilay izy finalemnt fa miondikodina eto foana isika izao.Ny tiako soritana hoe tsy misy tokony hiadian-kevitra izany ve ?,tsy misy tokony hiambona ihany koa zany ve ?satria samy tsy ilay Fiangonana naorin'ny Kristy daholo ireo Fiangonana misy antsika : Ka inona no hifamaliantsika,tsy aleo ve miezaka mi-comprendre ny hafa,izay ilay voalazan'ny prime ery ambony ery hoe:
tsy mikatona fotsiny ao amin'ny fampianarana iray... mila manana fahazavan-tsaina mba ivelaran'ny fijery lavitra ....Misaotra any prime amin'io teny io fa io no hitako mamintina ny rehetra (amiko manokana aloha fa samy manana ny fomba fijeriny moa...)Ary tena hitako fa izay no tokony ho izy.Dia mirary soa ho antsika ahita ny tena Fahazavana... (l)

79. ikaretsaka ( 25/06/2008 11:54)
nyh olona rehetra ange rehefa te hi attirer attention dia afaka mihambo daholo hoe "netsehin'y fanahy e" dia mody mamorona akanga tsy aman'orana dia body back-up evana andalandalantsoratra masina notsimponina dia :-D de miala any ry marivo salosana de heo tena mahay baiboly rangahy iny an.. dia voasarika
firifiry moa no manao izany na any amintsika aza?
dia firifiry ny voajono??



kena tanteraka fa ny Apostoly Petera no ivon'ny vato nanorenan'i Kristy ny fiangonana fa TSY NY EKAR akory io fiangonana naorina araka an'i Petera io... (vakio ny tantaran'ny fiangonana kristiana, izay voasoratra ao amin'ireo Epistily nosoratan'ny Apostoly Paoly, Petera, Jaona...)


dia iza no dimbin'ny piera? dia taiza ny apostoly paoly no ni pledge alegiance na tsy d'accord aza? nangataka fihaonana t@ Piera tokoa izy... toy izany koa i Joany

avoahay hoe ny tantara manamarina fa tsy ny ekar no fiangonana kristianina voalohany?? mba tiana hojerena?
80. ikaretsaka ( 25/06/2008 12:07)
preserve> le hoe iza no ni preserve anazy anie no olana fa tsy heo i petera akory dia i benoit e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149