Voaloboka: Ny sampany izay tsy mamoa dia esorina

121. Rasiligaoma ( 10/07/2008 08:39)
misy teny izay manao hoe "tsy ianareo no nifidy Azy fa Izy no nifidy anareo"

dia misy koa teny manao hoe "tsy nandroaka devoly tamin'ny anaranao ve izahay? tsy nanao fahagagana tamin'ny anaranao? dia hovaliany hoe lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo ry mpanao ratsy"
122. prime ( 10/07/2008 10:44)
Rasily> eny hoy aho, dia ianao izany ve sampany hoy aho sa tsia?
123. Rasiligaoma ( 10/07/2008 15:56)
eo indrindra isika izao
mbola mijery sy manaraka akaiky ny fisampanan'ny sampany rehetra amin' ny fotony aho io aloha, na ara-tantara io na ara-tsoratra masina na ara-panahy, mba tsy hilazako sy hizestiavako hoe sampany marina ve kinanjo tsy izy tampoka
124. prime ( 11/07/2008 05:56)
Izany hoe mbola tsy sampany ianao izany aloha ve fa eo am-pandalinana?
125. Rasiligaoma ( 11/07/2008 06:56)
mbola misavasava ao anaty lobolobo ao,
aleoko lavitra izay aloha toy izay ilay
manao hoe "tsy nandroaka devoly tamin'ny anaranao ve izahay? tsy nanao fahagagana tamin'ny anaranao? dia hovaliany hoe lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo ry mpanao ratsy"

efa natorony izay koa isika hoe rehefa any amin'ny fanasana dia aleo aloha ary amin'ny sisiny ary, dia rehefa avy eo vao.....dia eo aho aloha izao

126. prime ( 11/07/2008 07:14)
Dia rahoviana no vita ny fisavasavana ny ao anaty lobolobo?
127. Rasiligaoma ( 11/07/2008 15:10)
rehefa vokatra ny voaloboka ka tena voaloboka tokoa no maniry
128. prime ( 14/07/2008 11:35)
Izany hoe mbola tsy misy vokatra izany ankehitrniny hamantaran'i rasily azy hoe voaloboka ka tena voaloboka tokoa na tsia? :lol:
129. Rasiligaoma ( 15/07/2008 14:21)
rehefa tonga ny "fotoana fijinjana" vao fantatra izany ka!

sady izao koa anie : tsy nisy sampam-boaloboka niteny sy nidera tena mihitsy izy no avia jereo fa nahavokatra be fa hita ho azy eny koa izany!

sady hoy koa ny Ntaolo Malagasy hoe "ny hazo no vanon-ko lakana" tsy niteny ny tany hoe amboleo eto ny hazonao fa izay hazo nambolena teto dia lasa lakana daholo! "vavolombelon'ny mpiasa rahateo ny bainga"
ampitahao fotsiny ny 2000 taona fototra 1 tsy mibaky sy ny 400 taona mahery kely sy ny vakivakiny isankarazany!
130. prime ( 16/07/2008 06:31)
Efa resaka lava teo ambony fa tsy averina intsony... tsy resaka anaram-piangonana no tian'i Kristy ambara amin'ny hoe "Izaho no voaloboka..."

Fa misy mahavariana kely ahy ny teninao farany... sahinao ve ny milaza hoe tsy nivaky ilay iray lazainao hoe "2000" taona fototra??? sao dia "décalé" amin'ny tantara ary ny fampianarana sy ny zavatra nampitaina noraisinao... na ny katolika fotsiny aza dia efa vaky roa, tsy mety mitambatra mandrak'ity ny androany fa samy mihazona ny azy, samy manana ny Papa'ny... sa, efa iray tokoa moa izy izao eo ambany fiahian'ny Ekar (fototry ny eokominisma novoizina hatrizay)???

131. Rasiligaoma ( 16/07/2008 15:46)
ampitahao amin'ilay 400 taona sy ny zanany ... aza miala lavitra fa M/kara fotsiny!
dia isao na ianareo samy FJKM fotsiny aza sy ny vakinareo!

jereo ny realite fa aza mitsingevana ry prime o
132. prime ( 17/07/2008 11:05)
Dia zava-dehibe aminao ve ny hoe ny FJKM vaky be dia be? sa hitondra famonjena ho anao satria ny katolika nivaky roa ihany mba tsy itenenana hoe ny katolika ihany anie io mivaky be dia be mandrak\'ity ny androany io e...

Avy ao amin\'ny katolika ihany ny ortodoksa, avy amin\'ny katolika sy ny ortodoksa ihany ny reformées, avy amin\'ny reformées ihany ny évangéliques, avy amin\'ny évangéliques ihany ny sectes, ka na ahoana ialàna amin\'io na ahoana, arakaraky ny anenjehanao ny hafa no manameloka ny katolika... raha arahana ny zohin-kevitrao nefa dia tsy nisy karazana kristiana be dia be toa io izany raha lavorary ny katolika... fa arakaraka ny anamarinanao tena amin\'ny maha-katolika no mahameloka ny katolika satria avy ao aminy avokoa ireo...

Dia jereo tokoa ny réalité fa aza mitsingevana Rasily a!!! na hanamarina impiry aza ianao, ny voaloboka marina dia Kristy ihany...

Ny fanamarihanao dia miainga amin\'ny hoe iza marina ny sampany? ny valiny dia Kristy ihany no mamaly azy,

\"4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin\'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.\" Jaona 15:4-5 - IZAY MITOETRA SY MIRAY AMIN\'I KRISTY

\"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.\" Jaona 15:7 - IZAY ITOERAN\'NY NY TENIN\'ANDRIAMANITRA

\"Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin\'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin\'ny Raiko sy ny itoerako amin\'ny fitiavany. Jaona 15:10 - IZAY MITANDRINA NY DIDIN\'ANDRIAMANITRA SY MITOETRA AMIN\'NY FITIAVAN\'ANDRIAMANITRA

\"Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.\" Jaona 15:12 - IZAY MIFANKATIA TOA NY NITIAVAN\'I KRISTY NY APOSTOLY

\"Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon\'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin\'ny Raiko no nambarako taminareo.\" Jaona 15:15 - IZAY MAHALALA IZAY ATAON\'ANDRIAMANITRA DIA IZAY NAMBARAN\'I KRISTY

\"Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan\'ny vokatrareo, mba homen\'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin\'ny anarako na inona na inona.\" Jaona 15:16 - IZAY VOAFIDY, VOATENDRY HANDEHA SY HAMOA

\"18 Raha halan\'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.19 Raha naman*\'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*\'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin\'izao tontolo izao, dia halan\'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin\']20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.\" Jaona 15:18-20 - IZAY HALAN\'IZAO TONTOLO IZAO SATRIA NOFIDIAN\'I KRISTY ARY TSY NAMAN\'IZAO TONTOLO IZAO INTSONY

\"Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.\" Jaona 15:23 - IZAY TSY MANKAHALA AN\'I KRISTY

\"Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin\'ny Ray, dia ny Fanahin\'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin\'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16]\" Jaona 15:26 - IZAY MANANA FANAHIN\'ANDRIAMANITRA KA MANDRAY NY VAVOLOMBELONA MARINA MANAMBARA AN\'I KRISTY

\"Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin\'ny voalohany.\" Jaona 15:27 - IZAY VAVOLOMBELONA MANAMBARA AN\'I KRISTY TOA NY APOSTOLY

Amin\'ireo rehetra ireo dia tsy anaram-piangonana no anambaran\'i Jesosy ny mahasampany na tsia fa fenitra hafa mihitsy... noho izany ny mahasampany dia arakaraky ny mpino tsirairay mihitsy, ilay tena fiangonana velona sy tempolin\'Andriamanitra...
133. Rasiligaoma ( 17/07/2008 13:25)
ka ireo nosoratan'i prime mangamanga ireo diniho tsara tsiraiay
nisy realisee ve

ohatra:
"Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany." Jaona 15:27 - IZAY VAVOLOMBELONA MANAMBARA AN'I KRISTY TOA NY APOSTOLY



tena teo hatramin'ny voalohany ve?

aoka re!
134. prime ( 18/07/2008 10:03)
Rasily> aza mampihomehy r'ise a...:-D ary toa io ihany no notsimponinao? :)
ka ireo nosoratan'i prime mangamanga ireo diniho tsara tsiraiay
nisy realisee ve
... raha tsy nisy réalisée ve nisy fiangonana ankehitriny???

Aza manita-dresaka Rasily a... mba vakio aloha izay voasoratra rehetra any ambony...
135. Rasiligaoma ( 18/07/2008 14:30)
ny any aminareo anie no tiako lazaina e: nisy mba tanteraka ve ka tsy nandeha ny fisaratsarahana nareo samy ianareo?
136. niryna ( 19/07/2008 02:42)
Rasiligaoma:

ny tsara hojerena angamba aloha dia ny "maha sampany na ny tsy maha sampany marina anao"

hianao ihany dia mahafantatra hoe sampany ve hianao sa tsy sampany ? ary io sampany teneniko io dia sampana miaraka amin'i kristy.
Raha ny hafa indray no jerenao toy io voalaza eo ambony io hoe maha sampany ahy na tsia dia efa fantako ny hinoako sy toriko teny eto lava dia ny famonjena avy amin'i kristy. Ny fanontaniana dia hoe sampana miaraka aminy koa ve hianao sa sampana hafa no arahanao,aza valiana fa hianao ihany dia efa mahalala azy irery.

:D
137. niryna ( 19/07/2008 02:51)
prime:

Rasily> eny hoy aho, dia ianao izany ve sampany hoy aho sa tsia?



:D :D
138. niryna ( 19/07/2008 02:56)
Rasiligaoma:

misy teny izay manao hoe "tsy ianareo no nifidy Azy fa Izy no nifidy anareo"
marina ary mazava tsara tokoa.ka mahatsapa fa nofidiana ve hianao,mahatsapa fa sampana miaraka aminy ve hianao sa tsia ? sa sampana hafa ?

dia misy koa teny manao hoe "tsy nandroaka devoly tamin'ny anaranao ve izahay? tsy nanao fahagagana tamin'ny anaranao? dia hovaliany hoe lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo ry mpanao ratsy"
marina koa izany ary fantarina tsara tokoa ny hinoana fa satana koa afaka manao fahagagana. ka izany no nahatonga an'i kristy niresaka an'io.
Ny Tompo mahalala ny ondriny
Ny ondry koa mahalala ny Tompony
Ary ny ondry mahalala hoe tena manaraka an'i Tompo tokoa izy na tsia,ny voa hafafy foana na ahalalana azy e.


139. niryna ( 19/07/2008 03:03)
Rasiligaoma:

mbola mijery sy manaraka akaiky ny fisampanan'ny sampany rehetra amin' ny fotony aho io aloha, na ara-tantara io na ara-tsoratra masina na ara-panahy,
tsara tokoa izany mijery izany ary aza mijery fotsiny fa ampiasao amin'ny fiainana,mivavaha Aminy mba ahalalanao hoe sampana miaraka amin'i kristy ve ireo mitory sy mizara ny tenin'ATra ireo,dia araho koa ny references omeny ka mivavaha mandrakariva mba omeny hery hianao ahalala tokoa raha sampana miaraka amin'i kristy ny olona na tsia,matetika ny sampana dia mahafantatra tsara izay sampana misy azy.

mba tsy hilazako sy hizestiavako hoe sampany marina ve kinanjo tsy izy

asa aloha raha mieritreritra ny tenanao ho mizesta hianao ,soa ihany fa hianao no namoaka an'io,nivoaka ny vava avy tao anaty fo.
mizara no hilazako ny manome ny tenin'Atra eto ary raha nomen'Atra hery hizara izy na misy mino na tsy misy mino efa vita ny mission-ny.
sa ahoana hoy hianao ? :D
140. niryna ( 19/07/2008 03:05)
prime :

Izany hoe mbola tsy sampany ianao izany aloha ve fa eo am-pandalinana?

:roll: :D :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094