Voaloboka: Ny sampany izay tsy mamoa dia esorina
141. niryna
(
19/07/2008 03:12)
Rasiligaoma :hmm ao anaty lobolobo izany hianao hatramin'izao aloha?
mbola misavasava ao anaty lobolobo ao,
aha,ka ny trano madio tsy hipetrahany intsony ka fa raha misalasala isika dia tafiditra izy (satana io) ,ka na mpino an'i kristy na tsy mpino samy nanao asa avokoa ary ny anaran'i kristy no tonony ,eny na satana aza mahay sy fetsy fatandremo an.Izay no antony[b] hianarana ny tenin'Atra fa omeny hery ahalala na avy amin'Atra na tsy avy aminy izay mametraka izany finoana Azy izany.
aleoko lavitra izay aloha toy izay ilay
manao hoe "tsy nandroaka devoly tamin'ny anaranao ve izahay? tsy nanao fahagagana tamin'ny anaranao? dia hovaliany hoe lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo ry mpanao ratsy"
dia aza mitory zany fa tazomy ho antsika daholo aha,maromaro ihany ireo mitovy hevitra aminao ireo ka asa sampana mitovy angamba raha izany k'ty?
efa natorony izay koa isika hoe rehefa any amin'ny fanasana dia aleo aloha ary amin'ny sisiny ary, dia rehefa avy eo vao.....dia eo aho aloha izao
kanefa ny tenin'Atra nomeny antsika dia mandeha amin'izao tontolo izao ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra...hmnn. dia tsy hitombina intsony izany io raha izany araka ny fisavasavanao ny lobolobo k'ty
sa inona no tiana tenenina eto ? mba azavao hoe sao mahasoa anay ? :D
142. niryna
(
19/07/2008 03:15)
prime :
Dia rahoviana no vita ny fisavasavana ny ao anaty lobolobo?
Rasiligaoma :
rehefa vokatra ny voaloboka ka tena voaloboka tokoa no maniry
:D :D :D
143. niryna
(
19/07/2008 03:32)
prime:
Izany hoe mbola tsy misy vokatra izany ankehitrniny hamantaran'i rasily azy hoe voaloboka ka tena voaloboka tokoa na tsia?
hi,hi
prime koa manapa-tsinay ahy
Rasiligaoma:
rehefa tonga ny "fotoana fijinjana" vao fantatra izany ka!
:roll:
rahoviana ilay fotoam-pinjinjanao raha izany ?
satria ny nampianarina dia hoe mamafaza voa fa aza mba malaina fa tsy fantatrao izay ho vanona !!! ny anao indray izany dia hoe ity ho vanona ,ity tsy ho vanona ? sa tonga dia tondrahana ranomafana ?
sady izao koa anie : tsy nisy sampam-boaloboka niteny sy nidera tena mihitsy izy no avia jereo fa nahavokatra be fa hita ho azy eny koa izany!
hay ve midera tena ny sampam-boaloboka eto e..izany hoe ny tenin'Atra nampianatra azy hoe aza miantehitra amin'ny herin'ny tenanao ,fa amin'izay rehetra ataonao dia ankino Aminy daholo izany rehetra izany fa ataony ho lavorary sy ho tanteraka avokoa izay irian'ny fonao rehetra eto indray izany dia lasa nidera tena ilay nampahafantatra ny tenin'Atra fa izay sampana tsy mamoa hoy Kristy dia ho kapain'Atra fa manimba ny tany fotsiny...toa mifanohitra izy izany rasily a
aleloia a,dia hianao ihany dia afaka mahafantatra ny hazo ho vanon-kolakana ,ny tany naniriany no tsara,raha tsy ohatra angaha ka tonga ilay hira hoe sopatra intony mpialona ka dia rarahany ranomafana ilay voa tokony aniry ,izany hoe tsy maitsy misy olona anoro voana antsika ka izany indrindra no ilaina ny references dia ny tenin'Atra izany satria izay miaraka Aminy dia mahafantatra sahady fa sampana miaraka amiNy izy..
sady hoy koa ny Ntaolo Malagasy hoe "ny hazo no vanon-ko lakana" tsy niteny ny tany hoe amboleo eto ny hazonao fa izay hazo nambolena teto dia lasa lakana daholo! "vavolombelon'ny mpiasa rahateo ny bainga"
dia ahatsiarovako ny olona tsy mpino izany teninao izany hoe Jesosty tamin'ny taona 2000 taona lasa izany fa tsy ankehitriny intsony. He is alive. Velona Izy,ao am-pon'izay mitady sy mino Azy Izy. Kristy tamin'ny taona 2000 taona dia mbola manao fahagagana hatramin'izao ora itenenako izao ary mbola mamerina sy tsy menatra aho ny mijoro vavolombelona aminao amin'izany.
ampitahao fotsiny ny 2000 taona fototra 1 tsy mibaky sy ny 400 taona mahery kely sy ny vakivakiny isankarazany! :roll:
144. niryna
(
19/07/2008 03:35)
prime:
Dia zava-dehibe aminao ve ny hoe ny FJKM vaky be dia be? sa hitondra famonjena ho anao satria ny katolika nivaky roa ihany mba tsy itenenana hoe ny katolika ihany anie io mivaky be dia be mandrak'ity ny androany io e...
Avy ao amin'ny katolika ihany ny ortodoksa, avy amin'ny katolika sy ny ortodoksa ihany ny reformées, avy amin'ny reformées ihany ny évangéliques, avy amin'ny évangéliques ihany ny sectes, ka na ahoana ialàna amin'io na ahoana, arakaraky ny anenjehanao ny hafa no manameloka ny katolika... raha arahana ny zohin-kevitrao nefa dia tsy nisy karazana kristiana be dia be toa io izany raha lavorary ny katolika... fa arakaraka ny anamarinanao tena amin'ny maha-katolika no mahameloka ny katolika satria avy ao aminy avokoa ireo...
Dia jereo tokoa ny réalité fa aza mitsingevana Rasily a!!! na hanamarina impiry aza ianao, ny voaloboka marina dia Kristy ihany...
Ny fanamarihanao dia miainga amin'ny hoe iza marina ny sampany? ny valiny dia Kristy ihany no mamaly azy,
"4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona." Jaona 15:4-5 - IZAY MITOETRA SY MIRAY AMIN'I KRISTY
"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany." Jaona 15:7 - IZAY ITOERAN'NY NY TENIN'ANDRIAMANITRA
"Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. Jaona 15:10 - IZAY MITANDRINA NY DIDIN'ANDRIAMANITRA SY MITOETRA AMIN'NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA
"Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo." Jaona 15:12 - IZAY MIFANKATIA TOA NY NITIAVAN'I KRISTY NY APOSTOLY
"Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo." Jaona 15:15 - IZAY MAHALALA IZAY ATAON'ANDRIAMANITRA DIA IZAY NAMBARAN'I KRISTY
"Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona." Jaona 15:16 - IZAY VOAFIDY, VOATENDRY HANDEHA SY HAMOA
"18 Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.19 Raha naman*'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin']20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa." Jaona 15:18-20 - IZAY HALAN'IZAO TONTOLO IZAO SATRIA NOFIDIAN'I KRISTY ARY TSY NAMAN'IZAO TONTOLO IZAO INTSONY
"Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa." Jaona 15:23 - IZAY TSY MANKAHALA AN'I KRISTY
"Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16]" Jaona 15:26 - IZAY MANANA FANAHIN'ANDRIAMANITRA KA MANDRAY NY VAVOLOMBELONA MARINA MANAMBARA AN'I KRISTY
"Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany." Jaona 15:27 - IZAY VAVOLOMBELONA MANAMBARA AN'I KRISTY TOA NY APOSTOLY
Amin'ireo rehetra ireo dia tsy anaram-piangonana no anambaran'i Jesosy ny mahasampany na tsia fa fenitra hafa mihitsy... noho izany ny mahasampany dia arakaraky ny mpino tsirairay mihitsy, ilay tena fiangonana velona sy tempolin'Andriamanitra...
misaotra prime fa mazava tsara a
:-*
145. Rasiligaoma
(
19/07/2008 04:38)
raha izaho ianao ry niryna dia mandinika tsara ihany aloha, ndrao manao ilay lazain'i ika hoe mitompo teny fatratra ho voaloboka kanjo garanadrelina!
ilay manao hoe "moa ve tsy efa nandroaka devoly tamin'ny anaran'i jesoa izahay sy nanao fahagagana tamin'ny anarany? dia hovaliany hoe lazaiko marina tokoa fa tsy fantatro akory ianareo"
misy koa ilay hoe nitandrina ny didy fony fahakely nefa tsy nendrika ny atao ho mpianatra.
dia misy koa ilay teny hoe "tsy ianareo no nifidy ahy fa Izaho no nifidy anareo" ,ka rariny loatra raha jerena akaiky ihany ny fahasamihafan'ilay hoe "naorin'i Jeso" sy ilay hoe "nanorin-tena tao amin'i Jeso"
dia mijery sy mandinika ny hoe aiza ho aiza tokoa ianao amin'ireo amin'ny saina sy ny fo tsy miangatra , noho ilay mitompo tena fatratra hoe tsy ny anaram-piangonana e tsy izao aho zao e, mijoro vavolombelona fa naharoaka devoly tamin'ny anarany e, kanjo... sanatria tratran'ilay hoe "tsy fantatro akory ianareo"
tsy te hahita aho !

146. niryna
(
19/07/2008 15:17)

misaotra anao fa afaka miteny izay tianao hianao ary dia avereno aminao daholo ireo teninao ireo .
:-*
147. Rasiligaoma
(
19/07/2008 18:51)
efa niverenako ireo ka nahatonga ahy niteny ireo nolazaiko ao ambony ireo tamin'i prime hoe "aleo lavitra ny mpijinja sy ny mpamboly no hijery ny vokatra, fa tsy mbola nisy sampam-boaloboka nidera tena izany"
148. niryna
(
23/07/2008 04:39)
Rasiligaoma:
efa niverenako ireo ka nahatonga ahy niteny ireo nolazaiko ao ambony ireo tamin'i prime hoe "aleo lavitra ny mpijinja sy ny mpamboly no hijery ny vokatra, fa tsy mbola nisy sampam-boaloboka nidera tena izany"
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.
16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;
17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.
18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny,
19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. Marka 4
Izay tsy sampana miaraka amin'i kristy dia ho esorin'Atra(kapao fa manimba ny tany e ? Aviavy avy any Betania..) toa jerena fa mandrobona kanefa tsy misy vokany ....kapao kapao kapao fa manimba ny tany e ..oops.
Ary hoy Kristy: Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny;
6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may. Jaona 15