Voaloboka: Ny sampany izay tsy mamoa dia esorina

41. Ilo ( 19/06/2008 12:41)
Misy ny fiangonana hita maso (oh:katolika, protestant, sns...), misy koa ny fiangonana tsy hita maso, ilay universelle izay fitambaran'ireo tena mpino rehetra, manana an'i Kristy, tsy ankanavaka fiangonana hita maso io dia ireo no tena sampany.
42. ikaretsaka ( 19/06/2008 13:05)
le hoe "ianareo" notondroin'i kristy... iza no adresser-ny amin''io aloha?

ary misy antony izy matoa nidina tety ..matoa lany andro nametrapetraka ny rafitr' ilay "fiangonana hita maso": Nifidy olona, nampianatra ireo, naniraka an'ireo, nanome fahefana ireo sns... fa raha univers fotsiny (izay efa no dominer-ny satria naoriny ) dia afaka avy eny an-danitra izy no niteny dia nino aby isika rehetra fa tsy nila anmetraka zavatra hita maso taty !
43. prime ( 19/06/2008 13:06)
Ika> Ny resaka Maitreya (ooops ialàna tsiny rakaroka raha diso ilay fanoratana azy) dia tsy misy maharatsy azy fa samy mitondra ny finoany ary tsy nisy olana velively... ny nahatonga resaka lava dia ny filazàna fa i Maitreya no manana ilay notoriété feno afaka mi-représenter ireo olo-masina sy olon'Andriamanitra amin'ny vaninandro ankehitriny (Jesosy velona mihitsy hoy ireo mpino azy)... ka aza afangaro ilay resaka...

Ny resaka sampana "sandoka" tianao ahatongavana dia na ny ohatra ambaranao aza dia mazava tsara ka tsy haiko hoe te-hanita-dresaka ve ianao sa ahoana??? ianao ihany no milaza fa na mandady aza ny garàna tsy ho lasa voaloboka ary tsy hamoa voaloboka... ny tenin'Andriamanitra dia nanambara tsara fa ny sampana dia miray amin'ny foto-boaloboka ary izay miray aminy dia hamoa be dia be fa izay tsy miray aminy dia tsy mahay manao na inona na inona... ka na handady toa inona aza ny garàna tsy ho tafaray mihitsy amin'ny foto-boaloboka... dia mazava ho azy miharihary amin'ny voany...

Raha resaka te-hanavaka ny vary amin'ny tsimparifary no tianao ahatongavana (na ny voaloboka amin'ny garàna...:) ) dia asan'Andriamanitra izany ary mitombina ny lazain'i niryna hoe mbola ho avy ny fotoana hanavahana ny vokatra fa tsy izany no anirahana ny mpino fa ny hitory ny famonjen'i Kristy ary hanatanteraka ny sitrapony... :)
44. ikaretsaka ( 19/06/2008 13:09)
ka le "sampana miray" ange no problematique eto e.....
define "miray"
45. Ilo ( 19/06/2008 13:40)
Ikaretsaka>>Ka ao anatin'ilay fiangonana hita maso dia misy ireo efa mpino sy mbola tsy mpino ...
Tsy azoko tsara koa ny tianao tenenina @ ilay hoe "ny rafitr'ilay fiangonana hita maso", midika ve izany fa iray ihany ny fiangonana neken'i Kristy raha ny hita maso no resahina? Sa izaho no diso fandray? :roll:
Fa tsy A/tra iray, Kristy iray sy Fanahy Masina iray ihany moa ve no inoana ?
46. ikaretsaka ( 19/06/2008 14:11)
Ilo:

Ikaretsaka>>Ka ao anatin'ilay fiangonana hita maso dia misy ireo efa mpino sy mbola tsy mpino ...
Tsy azoko tsara koa ny tianao tenenina @ ilay hoe "ny rafitr'ilay fiangonana hita maso", midika ve izany fa iray ihany ny fiangonana neken'i Kristy raha ny hita maso no resahina? Sa izaho no diso fandray? :roll:
Fa tsy A/tra iray, Kristy iray sy Fanahy Masina iray ihany moa ve no inoana ?




Iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesoa, fa marobe kosa ireo fiangonana "nanorin-tena" tao aminy (samihafa aloha ireo fa aza adino)

A/tra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina no inoana, marina izany... fa ny fomba finoana ireo sy fanehoana ny finoana ireo no samihafa!
47. fahamarinana ( 19/06/2008 14:21)
ilo:
Fa tsy A/tra iray, Kristy iray sy Fanahy Masina iray ihany moa ve no inoana ?


ika:
A/tra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina no inoana, marina izany... fa ny fomba finoana ireo sy fanehoana ny finoana ireo no samihafa

:arrow: iraisako hevitra koa fa io tenin'ny ika notsipihako io no mampisy tsy fifankahazoana foana satria betsaka no tsy manaiky izay fa manandratra ny azy ho tena izy hatrany noho ny finoan'ny sasany dia miafara zvtr hafa sy lasa mivaona.....(l)
48. ari.malala ( 19/06/2008 14:46)
betsaka no tsy manaiky izay fa manandratra ny azy ho tena izy hatrany noho ny finoan'ny sasany dia miafara zvtr hafa sy lasa mivaona
marina tanteraka!
49. ikaretsaka ( 19/06/2008 15:23)
dia izay no ilana fifanankalozana sy fialana @ ilay "izay tiatiana ihany no ekena fa izay hafahafa dia any izany"
50. rakapy ( 19/06/2008 15:36)
Ity izany ilay fomba fiteny hoe " O ravoaloboka mena o!, esoriko aminao izay samapana tsy mamoa mba hanomezanao voa, ka rehefa vokatra ianao dia hanamboarako divay mba hahamamo an-draolombelona sy hampiady azy ireo"
51. niryna ( 19/06/2008 17:47)
fahamarinana:

:arrow: f'angaha moa rehefa mangataka valiny ny olona dia mifamaly izay ? matoa ny olona manontany fanampin_kevitra dia misy tsy mazava ny napetraka.
Normal rahatoa i niryna no ametrahana fanontaniana satria niryna no nanokatra dinika.Jereo zao bor2lais namaly dia naninona ?????.
niryna:
Miandry valinteny ? dia vereno vakiana ny baiboly

:arrow: Sao dia mba tsy mety loatra ilay famaly? Sao dia mba malahelo ianao raha averin'olona aminao io rehefa manokatra dinika ianao ?
Amiko manokana tsy manohitra anao ny olona fa ny fomba fanazavanao azy.Hoy ika zay hoe tsy ny olona no miady fa ny hevitra .Rahoviana re vao hilatsaka ao an-tsaintsika ny tena dikan'izay ?
Azo atao koa zany hoe rehefa ika sy ari. no miteny dia manohitra i niryna ve ?toa io voalazanao io.
Bref tsetsatsetsa tsy aritro iny mba hifandaminana fontsiny fa anjaran'ny tsi11 no mandray na tsia.
bor2lais :misaotra tamin'ny fanazavana. :) (l)

----------------------------------------
hi,hi ka na inona na inona lazaina tsy maintsy misy ny mpanohitra ary izay indrindra no vao maika mahatsara azy .Raha manaiky anao daholo ny olona(manao ny tsy mety mitovy aminy ) dia mihevera tena hoy ilay pasitera izay.
Mahafaly ahy tokoa ny fifamaliana eto satria vao maika fantatro fa miaraka amiko Atra ,manampy ahy,manoro ahy ny teny ho teneniko,izay ilay hoe ,vereno vakina ny baiboly.Andraso hoe jereko tsara na ao anaty baiboly iizany teny izany ? Na iza na iza no mampiseho ny heviny ka tsy mifanaraka ny baiboly izy dia diso izy izay.Hialako tsiny fa mety ho mahery aminareo ny teniko,fitiavana daholo izany ,izay no antony ampitandremana antsika tsirairay avy hoe "Fantaro ny mpitoriteny antsika" Diniho,alalino ao anaty baiboly :-* :-* :-*
52. niryna ( 19/06/2008 17:50)
fahamarinana:

.

:arrow: HS be niryna,tsy mbola nisy angamba nilaza fa tsy ilaina ny baiboly,tsy ilaina ny tsianjery,tsy ilaina ny mijoro vavolombelona fa KOSA ny asa tsy hoe ara-batana fa fanampiana ny hafa sns sns...dia isany ihany koa.Mino aho fa na tsy lafatra amin'ny Tenin'Andriamanitra aza ny namana hafa dia mba mahay sy mahafatantra ihany na hoe tsy ampy,angaha,izany tsy midika fa tsy ao am-bavany akory na ao am-bavako ...
niryna:
ireo no santionany dia anjarantsika no mandray izay tenenin'ny olona (io ilay hoe fantaro ny fanahin'ireo mizara ho antsika
hi,hi, anontanio i ..... fa izy no mandraraka zezika misy tsilo raketa eto ha,ha ka izay rehetra te hino dia voageja avokoa .



:D :D
53. niryna ( 19/06/2008 18:02)
bor2lais:

Rehefa mandinika ny lohahevitra sy ny voalaza rehetra eto aho dia mahatsapa fa tanjona mitovy ihany no kendren'ny Kristiana tsi11 eto, izany hoe mitovy ny "fond" : fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsaran'i Kristy.
yap .... aleloia ,deraina mandrakizay anie ny Anarany fampandrosoana ny asa fitoriana ny filazantsraran'i kristy famonjena avy aminy irery. misaotra e

Ny fahatsapako fa olom-boavonjy aho no manesika ahy hanao am-pifaliana sy am-pitiavana ny asa iraka ampanaovin'ny Tompo ahy (maro ny endrik'izany asa iraka izany eto @ izao tontolo izao).
marina tanteraka izany ka na iza manakana ny tsy hitory sy ny tsy hoe aza mijoro vavolombelona,ilay fitiavana lehibe nomeny ahy iny dia tsy hotazomiko fa zaraiko ny olona. Raha manome vola ny fiangonana aho dia tsy hidradradradra nomeko izao vola izao ny fiangonana .....iny ilay fahasoavana nomen' Atra ahy ka izaho sy Izy irery no mahalala izany...io ary ilay hoe ny zavatra nataon'ny tanana havia aza atao fantatry ny tananao havanana.

Izany hoe ilay "asa" voalaza ao @ Jakoba dia vokatry ny finoana Azy.[/b]
bravo ,mazava tsara .Ny fahasoavan'Atra anie anome anao anay n/y fahamarinana avy Aminy

Tsy ho tsapako anefa ny halehiben'izany famonjena izany raha tsy tsara ny fifandraisako Aminy (io ilay antsoina hoe "relation verticale"). Izany hoe rehefa tsara ny fifandraisako amin'Andriamanitra dia (tokony) "mandeha ho azy" ny fifandraisako amin'ny manodidina ahy izay anaovako ny asa iraka (io no antsoina hoe "relation horizontale" toy ny lakroa).
mazava be toy ny masoandro miposaka

Ny tiako tenenina dia hoe : ny asa dia vokatry ny finoana. Ka raha miverina @ ilay lohahevitra izany dia toy izao :

- ilay sampana tsy mamoa dia azo ampitahaina @ Kristiana tsy manao ny asa iraka : ny fifandraisana "matory" (relation horizontale) no tsy mahomby.

- matoa tsy mety io fifandraisana "matory" io (kizikizitina, mora tezitra, fankahalàna, sns) dia ny fifandraisana "mitsangana" (matetika) no misy tsy mety : tokony manontany tena ary aho hoe "manao ahoana ny fifandraisako @ Andriamanitra (androany) ? "

- rehefa ratsy ny fifandraisana "mitsangana" dia miha-maina ilay sampana satria "miha-mihataka" @ foto-boaloboka, tsy mitondra voa intsony ... : maty ilay finoana.

Eto no mipetraka ny voalazan'i Jakoba hoe : "ny finoana tsy arahin'asa dia maty".

Sao lava loatra fa dia misaotra antsika namaky hatramin'ny farany.



=D> =D> ^:^ ^:^ ^:^ Misaotra tompo o fa nomenao olona izahay ahafantaranay ny teninao . ^:^
54. prime ( 20/06/2008 08:01)
ika:
Iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesoa, fa marobe kosa ireo fiangonana "nanorin-tena" tao aminy (samihafa aloha ireo fa aza adino)
... mba tena tian'i Ika mihitsy ny mamerina an'io na dia efa ambara aza hoe diso ny tanjona tianao ahatongavana...

Fanamarihana : marina tanteraka fa iray ihany ny fiangonana naorin'i Jesosy Kristy fa TSY NY EKAR akory io... (vakio tsara ny bokin'ny Asan'ny Apostoly)

Ekena tanteraka fa ny Apostoly Petera no ivon'ny vato nanorenan'i Kristy ny fiangonana fa TSY NY EKAR akory io fiangonana naorina araka an'i Petera io... (vakio ny tantaran'ny fiangonana kristiana, izay voasoratra ao amin'ireo Epistily nosoratan'ny Apostoly Paoly, Petera, Jaona...)

Ilay "légitimité" iadian'ny EKAR dia zony feno ny miady izany fa tsy misy tantara manamarina fa ny EKAR no fiangonana kristiana voalohany... (mbola lasa lavitra io raha amarinina isaky ny Apostoly tsirairay avy satria tsy i Petera avokoa no nanorina ny fiangonana isaky ny toerana rehetra nitoriana ny filazantsara nandritra ny taon-jato voalohany taorian'i Kristy... raha tsy hiresaka fotsiny ny momba ny fiangonana ortodoksa ihany koa...)

Raha hiverenana ny lohahevitra dia fahadisoan-kevitra ny fiheverana ny hoe ny sampana nambaran'i Kristy dia resaka sampana sy firaisana amin'ilay "fiangonana voalohany tian'i Ika soritana manokana hoe ny EKAR"...
55. ari.malala ( 20/06/2008 11:15)
ilay hoe katolina anie ry zareo tsy ny EKAR araka ny fandraisanareo azy e! ny hoe katolika dia universelle! izay aloha aza adino mitnsy!
56. prime ( 20/06/2008 11:32)
ari.malala> Marina izany...

Fa ilay fototra resahana aloha ve ilay "universalité" (catholique) maha kato ny kato sa ilay hoe "Eglise" (fiangonana)?

Ny fiangonana dia sampana dia itoviana hevitra angamba... fa ilay hoe ny katolika no sampana dia asa re... io no nanaovako fanamarihana satria matetitetika averin'i Ikaretsaka toa ny te-hiteny ombieny izy hoe izay tsy "EKAR" dia tsy sampana na tsy tena sampan'ilay voaloboka voambaran'ny fanoharan'i Kristy...

Ary raha tohizana kely io hatreo fotsiny ry ari.malala dia mbola taorian'ny fiangonana katolika ortodoksa aza no niorenan'ny EKAR... sa diso izany? dia mba entin'ny EKAR hanamarinana fa izy no tena "église primitive" dia no "statué"-ny fa i Petera no Evekan'ny Roma voalohany, ilay nomen'i Kristy tsodrano... (ny tantara nefa mazava fa tsy tao Roma ny fiangonana kristiana voalohany no niorina, tsia dia tsia... fa tao Jerosalema)
57. fahamarinana ( 20/06/2008 13:18)
:arrow: prime :ika kosa angamba tsy nanonona hoe ny eglizy catho na ekar spécialement sa ni-rater passage hafa aho,ndrao afangaroko ny resaka mantsy dia aleo hiandry azy zany .

ilo:
ilay universelle izay fitambaran'ireo tena mpino rehetra, manana an'i Kristy, tsy ankanavaka fiangonana hita maso io dia ireo no tena sampany.

:arrow: Finalement io no andrasako fa be gidragidra be sy be loatra ilay re ka tsy arako tsony :dia hiezaka aho ho mendrika izay fotoana zay,dia hamaky baiboly sy hianatra ny Tenin'ny Soratra Masina fa enga anie tsy ho tonga mafy loha sy hitoky tena fatratra fa ho tia sy ahay hizara amin'ny rehetra...Amiko manokana dia izay no important :raha tafitako ny tian'ny Tompo ho zaraiko sans forcing...Asa raha possible izany na mba nofinofy ihany ? :) (l)
58. ikaretsaka ( 20/06/2008 15:43)
Ny fiangonana dia sampana dia itoviana hevitra angamba... fa ilay hoe ny katolika no sampana dia asa re... io no nanaovako fanamarihana satria matetitetika averin'i Ikaretsaka toa ny te-hiteny ombieny izy hoe izay tsy "EKAR" dia tsy sampana na tsy tena sampan'ilay voaloboka voambaran'ny fanoharan'i Kristy...


ka inona aloha no antony ni establish-evan'i Kristy ilay rafitra be nankininy tamin'ny apostoly sy ny dimbiny (Kato) aza fa tsy niteny fotsiny izy hoe "izay manorintena ato amiko dia akamako sy sampako daholo"? na nataony fotsiny hoe

"manaova daholo nareo sekta sy manorena fiangonana ry olona terem-panahy eto Jerosalema sy ny fara vazan-tany dia za fotsiny toriana any araka izay irevesanareo azy , dia ampy izay?"

Fa nandany fotoana be izy nampianatra ny apostoly, ary nandefa ny fanahy masina sy niaro ny dimbiny mandrak'ankehitriny???
ny androatonkon'ny evanjely anefa dia ny fanorenana an'io no tena nimasoany! t@ fanofanana ny 12 lahy anefa!

Heritrereto ihany!
59. ikaretsaka ( 20/06/2008 15:58)
amin'io tsotra fotsiny e..
eritrereto fotsiny hoe ohatran'ny firenena na tanana le izy
Atao heo Andrianampoinimerina no ni former ny royaume Merina (malagasy) ohatra dia no reformen'ny vazaha taty aoriana na hoe no reformen'ny karana zanatany sy valovontaka teo .... dia iza no influence kokoa .. le originaliten'A/nampoina sa le an'ny vazaha/karana?


Raha i kristy no ni former fiangonana 1 ka no reformena ka raha tsy i kristy tenany no ni reformer azy fa ze olona rehetra mihambo any! .... hafahafa ihany no ilazako hoe an'i Kristy io na mosy mampiasa ze milay ihany t@ le notazomin'i kristy aza ! mba kozy vre!!!!
60. fahamarinana ( 21/06/2008 15:50)
:arrow: somary mampiketriketrika zanak'atidoha ihany koa lay remarque ataon'ny ika ,nefa tsy ho voavaliko dia mba miandry koa aho e....(l) .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1851