Inona no antony tsy andehanana miangona hoe e?
128. niryna
(
13/02/2008 06:39)
mitia04:
zay lé fihatsarambelatsihy zay no mahatonga ny olona tsy miangona intsony, satri misy teny oe " avelao aloha ny heloky ny rahalahanao, d ho voavela ny helokao", tsy haiko ny toko sy andininy fa za ts d mpamaky baiboly lotra, ka ny tiko ahatongavana d zao, olona mifanenjika ety ivelany, ety am fiarahamonina, d tonga ny alahady d hiaraka hivavaka, ny lolompo anefa any anaty any iany, ny fijerena lamaody sy ny fanakianna mandé doli, inn dray zao no akanjo anaovan-dranona, inn ny poketran'i ranona, inn ny fiaran-dry zareo ao, sns, ka ra izaho manokana d ra misy olona manirikiry anà ao ampiangonana, d aleoko ts mivavaka, satria tsy ho foana vetivety eo ny lolompoko amin'iny oul iny (za tsinn tsy anjely!), d sady mihatsaravelatsihy amlé oul za no mihatsaravelatsihy amin'Andriamanitra kou ra mody mivavaka ao, d mba tsy ahitako ireo olona manirikiry anà ao ampiangonana zany d aleoko tsy mankany a, fa mivavaka ao an-trano, d sady mety ho adinoko tsikelikely eny ko lé lolompo e!
Ka ny fiangonana anie toy ny hopitaly e,marary ara-panahy daholo no tonga ao,raha mahatsiaro izy fa tsy mila an'ATra dia tsy miditra any.
Raha resaka akanjo na fitafiana na hoe ny toetran'olona ohatra no tsy andehanana any am-piangonana dia very koa isika.
Mifantoka amin'ATra izany no tokony atao.Misy miakanjo tsara ohatra ,ny tena tsy manana? Mandeha ihany aho satria hidera an'ATra no andehanako any fa tsy hifampijerijery ,sa ahoana ,tsy mety ve ny maso?
129. niryna
(
13/02/2008 06:41)
pika:
betsaka
ao ireo voalaza ireo
ao ny fahantrana ka maniraka ny mbola hitady vola
ao ny fahakamoana satria efa reraky ny asa hono
ao ny fahankahalana an' i dada pasy na ny présidentmpiangonana sns ....
ny zavatra tokony ho tsapa anefa dia tsy izy ireo no hivavahana
ny hankivina sy ny fahasarotan' ny fiainana indray rehefa avy any ianao dia toa maivana izany tsiki2 foana ny herin 'andro vao2
Marina izany.Ohatra hoe avy ny orana na misy neige dia hoe andao tsy andeha fa aleo mibonoka bodofotsy!!
Dia mieritreritra ny tena hoe na mangatsiaka na mafana na maman'ala rehefa fotoana hitadiavana vola dia tsy maintsy mivoaka ny trano aho,dia ataoko toa izany koa ny ahy. sa ...mila miato kely aloha androany dia amin'ny alahady atao double ny rakotra :D
130. niryna
(
13/02/2008 06:43)
prime:
niryna> fanontaniana manahirana tokoa ity napetrakao ity...
Maro no antony fa ny tsara indrindra dia ny mifona amin'Andriamanitra ka mangataka ho an'ny tena no sady mangataka ho an'ireo olona mahatonga fahatafintohinana ireo mba hibebaka ka handray an'i Kristy ihany koa... ary indrindra mivavaka ho an'ilay fiangonana sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba ho tena hiray amin'Andriamanitra marina fa tsy handeha amin'ny fahazarana sy ny fomba fotsiny intsony...
misaotra anao.
131. niryna
(
13/02/2008 06:49)
cutie:
za ndray kamo ny antony tsy handehanako miangona indrindra @ zao winter zao :-D:-D:-D:-D:-D
Fa hiezaka handeha @ lahady e lol
misaotra aky milaza ny marina a.
ilay fahakamoana dia mila toherina.
Hoy aho mantsy ny zanako hoe mila miangona isika,midera an'ATra ,dia hoy aho hoe indraindray tsy avelan'i satana miangona fa ataony mahita hevitra tsy ho tonga any.Indray andro aho narary, tsy afaka nihetsika teo am-pandriana dia hoy izy hoe bedin'Atra izao hianao fa manaiky ny tenin'i satana =))=))
Tonga saina aho fa dia nazavaiko azy fa marary aho.
Rehefa niezaka nandeha niangona izahay dia sitrana aho ,toa tsy tsaroko fa maivana ilay nahazo,dia vao maika aho gaga indray ;-)
Gaga aho fa ao anatin'ny vavan'ny zaza no anehoana ny asan'Atra ary ny fikirizako mba hampianatra ny zanako amin'ny marina na dia narary aza dia toa maivana ilay izy ka izany no nahagaga ahy,mbola kely finoana e,rehefa nasehony andro aman'alina ny fahagagany sy ny fahasoavany dia resy lahatra tanteraka .
132. niryna
(
13/02/2008 06:52)
prime:
cutie> ilay fahakamoana mora arenina satria rehefa mba mazoto dia azo ezahina tohizana... fa ny fahatafintohinana noho ny ataon'ny hafa tena manahirana satria "cautionné"'ny olona hafa izany ny famonjena ny fanahin'ny tena??? hummmm....
Ity no tantaran'ilay olona tofoka tsy nety niangona : Nisara-bady hono izy ary mananjanaka roa mianadahy.Rehefa tonga any am-piangonana hono izy dia mijerijery ireo olona no mitakoritsika,mijery ambony ambany ary dia izay no nahatofoka azy.
Amin'ny maha olona an'ny tena aloha dia mety mandalo izany ary misy koa fiangonana araka ny tenenina fa ao daholo no toetra rehetra ,saingy ny hidera an'Atra no tanjona dia izay ihany .
133. niryna
(
13/02/2008 06:55)
ikaretsaka:
ny ahy tena raha tsy nisy komonio tany mety nentin'ny hakamoako ihany aho.. fa any misy sakramenta masina sy misy jesoa mitoetra..
dia efa niezaka nanatona izany hianao ,tsara izany ika a .Raha vao mahita ilay antony mihitsy anie dia miainga ho azy ny tongotra e,andeha hisaotra an'ATra aho noho ny fahasoavany azoko tamin'ity herinandro ity,andeha hidera sy hankalaza ny anarany aho noho ny soa be nataony tamiko.Na dia mijery ireo namana maro miaraka mivavaka aza dia efa tena zava-dehibe satria hoy ny tompo hoe raha misy roa na telo no mivavaka amin'ny anarako dia eo ampovoany aho.
134. niryna
(
13/02/2008 06:59)
cutie:
hay ve ka any am-pengonana no mitoetra jesoa e :-D
misy azy daholo ka,rehefa miangona isika dia misy hira miantso ny fanahy masina mba hidina ,ary rehefa mitory teny ny mpitandrina dia iny no mofon'aina ho antsika.Mitoetra ao am-po koa i Kristy,ary ny fanahy masina no miaraka amintsika izay mino an'i kristy isan'andro.Maheno feo mibitsika isika indraindray ,ny fanahy masina no mibitsika amintsika.
I cutie ve efa nahatsampa fa indraindray rehefa mitori-teny ny mpitandrina toa natokana ho antsika ilay izy?
Ny fanahy masina no manazava sy mampianatra ary mitondra antsika mba ahazo ilay heriny ka izy no manome izany teny izany ho antsika.
136. niryna
(
13/02/2008 07:01)
rabilabila:
'Za ndray mankany rehefa misy hafanàna be iny satria ao no magnitsinitsy ,na koa rehefa misy kaonseritra orgue iny :oops:
ka efa niezaka aloha hianao dia efa zava-dehibe izay
137. niryna
(
13/02/2008 07:14)
celesy:
ny momba ny rakitra roa isan-alahady ary fahafolokarena
ilay fahafolokarena?
Ahoana no hilazana fa mandroba an'Atra ny olona?
8 Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy hianareo? Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.[Heb. fanatitra asandratra]
9 Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.
10 Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo. Malakia 3
voasoratra io saingy tsy nampianarina an'izany isika na ny ankamarony e.
Izany hoe izay kely ananao no omenao Azy fa tsy hoe voatery hanankarena vao manome Azy.
Inona no mitranga? Manome am-pifaliana isika,ary matetika dia averin'Atra amintsika iny ary avo folo eny ilay izy.Tsy vola mivadika vola ?
Ny fahasalamana,ny asa aman-draharaha,ny fifaliana,sns..
Izay manome amin'ny fo feno fankasitrahana no tian'ATra.Raha tsy misy moa ny atao dia izay foina ka.
Afaka manampy ny mahantra ihany koa raha misy kely ny atao ,ary ny fizarana ny fahasoavana nomeny dia efa endrika iray.
Maro ny fiangonana tsy dia manaiky an'io noho ny zavatra mitranga maro mifamahofaho:mangalatra e,manodikodina ny volam-piangonana e.Kanefa izao no tsara ho tadidina rehefa manome rakitra isika,manome amin'ny fo,natao omena ny fiangonana ka na iza na iza no tompon'andraikitra amin'izany dia ireny olona ireny no hotsarain'Atra amin'ny andro farany.Vao naheno aho izao hoe eo am-pitantazana rakitra ilay olona dia mampiditra ao am-paosy. :cry:
138. niryna
(
13/02/2008 07:18)
celesy:
ary vary 23 kapoaka isan-trano ho any mpitondra fivavahana, karamaina ve ny fanompoana an-Andriamanitra :?:ary mpiangona miatoka karama mpitondra fivavahana ahoana ity fiainana iraha malala, raha tsy manao rakitra ny tena menatra ny eo anila, anao vokatra d samy mitondra vary 2 kapoaka isan-trano anaovana mokary sns raha tsisy vola dia ... miakina @ vola koa ,ny fivavahana @ Atra amin'izao.
ka ny sm anie milaza fa mitory ny filazantsara erak'izao tontolo izao e.Ny dikany tsy dia mandray karama firy ny sasany,ny sasany hoy aho a,fa misy fiangonana mandray karama be.Tadidiko taloha fa misy mpitandrina miankina ny vary omen'ny mpiangona no hohanin-dry zareo ary dia mivavaka foana hono ilay mpitandrina ka hoy ny zanany hoe tena tsy mbola nisy fotoana tsy nihinankanina izahay mianakavy ,misy olon'Atra foana alefany hanampy azy.
Raha misy hoy aho ny atao dia manaova ,raha tsy misy kosa ,ny tanimena ve irehatra
139. niryna
(
13/02/2008 07:33)
mmmhh:
ny ahy indray ny antony tsy andehanako miangona de ny hakamoako fotsiny rah tsy mande zà,
Aleoko mantsy tonga de mijann aty an-trano reefa kamo toy izany ho any hanao présence du corps fotsiny any.:) Lasa tsisy zvtra mifantoka @ lohako akory ny any.:)
:D mety mitovy ve izany amin'i mmmhh raha mandeha miangona na mijanona ao an-trano?
misy tokoa aloha fiangonana tsy mitory an'Atra e,tsy mahazo herin'ny fanahy masina ny olona satria tsy misy fanahy masina ao anatin'ilay fiangonana.
Ahoana koa izany?
Ity misy tantara nitranga tany Porto Rico.Malaza be ilay fiangonana misy olona 4000 ao aminy eo ho eo ilay isa,ary hoy foana ity mpitandrina hoe ny fiangonako toy izao,ny fiangonako feno olona ,ny fiangonako .....
Nanofy izy indray andro ary dia nasehon'ATra azy fa 16 fotsiny no olona voavonjy ao amin'ny fiangonany ary izy dia tsy an'isan'ilay voavonjy? :roll: mety ho gaga angamba isika fa ahoana?
Satria izy tsy miteny ny teny voasoratra ao anatin'ny soratra masina.Natahotra ny olona izy, matahotra ny handratra ny fon'ny olona hilazana ny marina ary izay mahafaly ny olona no notoriny,tsy niteny fibebahana,ny famonjena ,ny fahotana mahatonga antsika misaraka amin'Atra.Tsy sahy milaza ny teny izay voasoratra tao izy ka izany no antony nahatonga azy tsy voavonjy.
Nony maraina ny andro dia nitomany izy ary dia nifona sy nangataka tamin'ATra ny hanova ny toetrany ary dia niova tokoa izy, ary dia izay teny voasoratra tao anatin'ny baiboly no notoriany tamin'ireo olona ary dia marobe no voavonjy sy nanatona an'ATra.
Mafy ny tenin'ATra kanefa fitiavana daholo no antony hilazana ny marina satria tian'ATra ho voavonjy daholo isika rehetra.
6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. 1 Tim 2
140. niryna
(
13/02/2008 07:35)
melody:
fa ilay handray ilay Body sy hiresaka amin'ilay body sns .... iny no handehanako any
ika: hasio jiro fa tsy mazava
rabilabila: toa azoko sary an-tsaina no misy anao @ ilay mangingintsy sy accoustika mlay sy orkestra orga izany...
cutie: ndao indry entiko miangona ary @ alahady e,tsy mila kamo izany, hitondra bonbons za, ok?:-D:-D
:D
