Ny XXX

61. sitlo ( 07/12/2007 16:03)
Za ngamba no matotra loatra, fa rehefa kivalavala ny resaka dia mikivalavala.
Fa rehefa mba objectif ny resaka dia mba serieux(serieuses).

Za tsy mibaiko fa tsy ny fitarotsihina ny lasa no hanovana ny ho avy. Fa ny fepetra raisina amin'ny ankehitriny. Ny dinika eto hoe tazonina ve ny xxx sa tsia.

Fa izaho mahita hoe tianareo ihany kay ilay xxx.

[center][/center]
62. sitlo ( 07/12/2007 16:06)
fitakoritsihana*
63. xxx ( 07/12/2007 16:28)
ka mbola tsy nitarotsihina teto otran'izao anie ilay resaka momba io xxx mpanompa io e!
iza no mahalala hoe mba mety déclic hamiova azy ity dinika ity?

fa averinao tsy matotra angah ny olona voakasika miresaka eto aminao????
sa ny anao ihany no manan-danja amin'ny hevitra...
aza mba manao tsinontsinona ny sasany ho aho....

raha resaka spesialy sitlo ity dia naleo nangina fa matoa mba mandray anjara eto ny olona voakasika milaza izay tiany hambara dia aleo hilaza fa aza atao hoatra ny hoe tapenam-bava.

ny hoe fitiavana ny xxx na tsia ...tsy dia misy dikany loatra satria na tsy hanao xxx aza ilay olona zàtra mpanomba fa angaha izy tsy efa nanompa amin'ny ps hafa e!
64. mbaliana ( 07/12/2007 19:35)
sarotra ny fandidiana.. fa ny mampalahelo kosa dia zany admin manompa olona amin'ny xxx zany...
65. diamondra27 ( 07/12/2007 23:51)
tena miketriketrika b mitsy nareo 'zany
an!


mbaliana: ahoana koa 'zany? lasa liana koa za
66. xxx ( 08/12/2007 08:29)
tsy vitan'ny mandàny andro mamorona ps manompa olona eto fotsiny anie fa aty ambadika mbola mandany andro
miantso amin'ny telephone ny ankizy maro, hatrary ka hatraty... mitakoritsika , mifosa , manaratsy , mampiady ny namana fotsiny e!...tsy fantany fa tsy maitsy hifampiresaka mba mila fanazavàna ireo namana nampiadiany dia ho fantatra ihany hoe izy kay no tena ratsy loha....tsy ampy fahamatorana mihitsy sady toetra tsy mendrika.....mbà miovà amin'izay fa efa olon-dehibe hanana vinanto .
67. diamondra27 ( 08/12/2007 13:14)
hery:

REsaka efa nandeha matetika teto marina ity. Aleo samy haneho ny heviny eto indray. Ny hoe fahatsapan-tenan'ny webmaster dia misy fahatsapan-tena izay mety tsy mitovy amin'ny noheverinareo. Na ny marimarina kokoa fahatsapan-tena tsy noheverinareo. Efa fantatra hatramin'ny voalohany fa misy lafy ratsiny sy lafy tsarany ilay XXX. Ny lafy ratsiny anefa dia noho ny tsy fahaizana mampiasa azy. Dia hofoanana ve izy noho ny tsy fahaizan'ny olona mampiasa azy?

Izany ve tsy mitovy amin'ny hoe Foano ny alikaola fa be loatra ny mamo toaka mamono vady? Kanefa ny alikaola ilaina hanasitranana fa ny mpampiasa azy no tsy mahay. etc.

Miandry ny hevitry ny sasany koa.



______________________

eny tokoa ho aho efa nandeha teto foana izy ity fa mbola tsy nisy décision foana angaha hatr@zao e!

le hoe: miandry ny hevitry ny hafa de zao ndray ny ahy zany ny mba hevitro e!
ataovy toy ny @ réel le izy na de we virtuel aza:
efa hivoaka astsy ho atsy izao hono hoe: tsy mahazo ifohana sigara :@:@ intsony any @ bar sy any @ toerampiasana fa asiana toerana manokana azo ifohna azy

Dia mba asio toerana manokana azon'i xxx ampiasaina azy refa te hanao xxx izy fa tsy lieu public eto @ dinika zany koa :-D:-D:-D

de any doly ny xxx na mpanaratsy io na anonyme te handefa dinika anonyme sns sady @zay tsy mahabe asa anareo zany.

De zay zany fa de ho hita eo e!

hery: atao ahoana moa le famaly azy?
"KOBOKO ianao " Hiiii

ary ato anie misy xxx mahakobo an'i xxx e:D
68. diamondra27 ( 08/12/2007 13:26)
de ho lany andro eto nareo mitady hevitra @zany , vita ny androany de afaka firy volana indray de hisy hafa hanontany momba an'i xxx
fa asio rubrique xxx fotsiny de refa misy xxx miditra any @ dinika hafa de afindra toerana izy na fafàna le heviny nampiasa xxx any @ dinika hafa

bla bla bla

refa miova ps izy de zara aza fantatra we hay ps zao zany le mpanaratsy ato de kobo izy zany koa
aleo hitombo any ny pokona fa tsy olana zany e!
fantatra fotsiny we: i anona le manaratsy raha mandeha any @ dinika hafa izy
de refa any @ rubrique xxx moa izany de efa ze tia xxx ihany no mandeha any

sady @zay koa de kobo doly ny mpanao xxx @zay

de azo fantarina hoe: iza ny xxx tsara sy xxx mpanaratsy sy jiolahy

za reto gaga namaky hoe: misy jiolahy eto a!
(voalaza teo hoe: ataon'ny jiolahy fierena ny xxx)
virtuel koa kay misy jiolahy zany an! so de hisy dahalo koa aza ato atsy ho atsy :-D:-D
69. soanja ( 08/12/2007 15:29)
Amiko rehefa hanopa ny olona iray dia hanopa na xxx na ps hafa na ny tena anarany.

Samy atrehantsika olombelona daholo izany tsara sy ny ratsy izany eto ambonin'ny tany. Mivonona amin'
izany lalandava.

Andraikitritrao voadona na voaopa ny milaza hoe aiza no misy mihoapefy. Anjaran'i Admin ny milaza ilay olona raha manontany azy ianao na mamoaka ilay ps eto na any aminao, no manala azy tsy ho namana sns...

Tsy hahasakana ny olona iray tsy hanimba olona iray/ hanoso-potaka/hanaratsy sns ny fanafoanana xxx.

Ny fijoroana amin'ny fahamarinana ihany no hany fanafody hampadio ny rehetra. Na hisy hanaratsy anao na hanala baraka na haninona rehefa madio eo imasonao ny zavabitanao dia milamina fa ny marina tsy mba maty. Ny mahaianao anao akory tsy avy amin'ny hafa fa Ianao ihany.
70. ikaretsaka ( 08/12/2007 17:18)
fa itony zavatra itony koa anie ka mba fampianarana fa tsy fanalana andro fotsiny koa e!
tokony mba hampianarina ihany ny olona @ fifanajana... edikasiô aby izany
71. xxx ( 08/12/2007 17:25)
ny fifanajàna no vaha-olona iray mahobmy indrindra eto amin'ny fiarahamonin'ny serasera....
samy olon-dehibe ihany sady samy malagasy ka tsy tokony hifanao toetra tsy mahomby....
ikaretsaka, marina mihintsy fa tokony famopianarana sy fiazan-kevitra ny ato fa tsy fanopàna sns...
72. soanja ( 08/12/2007 21:51)
Nahita hevitra hafa aho sao mba manamora ny fisorohana ny mpanompa sy mpanosopotaka olona eto:

Sao dia tokony hasiana tsindry iray hafa milaza hoe TORIOna Jereo na kintana na teny hafa mampifandray ilay dinika sy ny admin, manakaiky ny solonarana rehetra izay miditra xxx rehefa mamaly dinika na mametraka dinika, ka raha toa sanatria miteny ratsy olona izy na manopa sns tsy mendrika eto dia mba afaka isika rehatra manampy ny Admin na hilaza any hamafa azy haingana. Ny tiako lazaina dia tsy voatery miandry ilay olona mahatsiaro voadona hanoratra any amin'ny Admin ,ka itory any ary io farany io no hanao ny fanamaizana fa na isika rehetra mamaky aza ka mahita fa tsy mety ny zavatra lazain'i xxx. Ny hitako mantsy dia ilay olona voalaza na voadona no mahita vao manoratra any amin'i Admin de miandry ny Admin hitady vao ahita hoe aiza ilay izy raha ohatra ka tsy mahita izany ny Admin, elabe le process indraindray.
Misy moa ny olona kamo mihitsy hanoratra any amin'ny Admin raha tsy dia manahirana azy ny fisian'iny eo saingy manelingelina azy fotsiny ohatra. Ka ny fanamorana avy amin'io tsindry io no hitako mampitandrina ny rehetra amin'ny tiany resahina eto. Amin'izay fotoana izay anefa dia be asa ny Admin. :-P satria mety hisy olana koa aterak'izany.

73. ikaretsaka ( 09/12/2007 00:18)
hevitra koa izay
74. tywa68 ( 09/12/2007 10:17)
ary maninona moa raha ny mpametraka dinika ihany no manao xxx satria perso loatra ny fanontaniany ? d izy irery ihany no afaka manohy mamaly xxx ao @iny sujet napetrany iny ? :D
75. lapino ( 09/12/2007 10:23)
soanja:
Sao dia tokony hasiana tsindry iray hafa milaza hoe TORIO
Io hatramin'izao no hevitra hitako ho tsara indrindra

sitlo > 'sotra e :)
76. bitrokel ( 09/12/2007 10:46)
dinika interessant be ity...ahoana ihany no fanapahan-kevitra? fohanana sa tsia ny xxx????
77. mimich ( 10/12/2007 11:31)
tywa68:

ary maninona moa raha ny mpametraka dinika ihany no manao xxx satria perso loatra ny fanontaniany ? d izy irery ihany no afaka manohy mamaly xxx ao @iny sujet napetrany iny ? :D
miombon-kevitra amin-njy za amin\'io rhefa tsy hisy ny fanafoanana tanteraka.
jereo anie zao fa ny samy manao xxx reto no mifanasa vangy ee


78. hery ( 10/12/2007 12:12)
mimich> olona iray ihany no manao xxx hatrery ambony ery ka hatreto kah :-)

soanja> io tokoa no hevitra tsara. Mety tsy ho eto ihany fa @ tsikeran'ny sary koa.


79. xxx ( 10/12/2007 12:58)
aiza kosa e! misy xxx tsy izaho ny sasany amin'ireo.....
80. glady ( 10/12/2007 18:13)
:-Dizaho ko mba nanao xxx fa tsy ilay xxx eo ambony io ka=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4609