Arahaba ry Maria!

141. pissoa ( 19/09/2007 22:24)
nefa dia nodisoanao lazainao fa
Jesoa=ray+jesoa+Fanahy masina

Mba mamakia tsara moa e !
Pissoa teo hoe:
Raha azoko tsara zany ny valin'ny fantaniko dia hoe i Jesoa = Zanaky Ray + Jesoa + Fanahy Masina ? ()

Dia azavao amin'izay rehefa vy mamaky tsara ... fa ito manaraka ito aloha dia tsy mamaly ahy mihitsy !!!

inona no hamaliko anao , tsy azonao izany ny zavatra lazaiko .
Amiko dia zanak'Andriamanitra ,tsy ho Andriamanitra mihintsy satria andriamanitra tsy nature ka hoe zanak'alika alika ihany ,fa personne izany hoe manana caracteristique tsy mitovy ary tsy manan-tsahala na amin'iza na amin'iza ,ny marina izany dia zanak'i pissoa ,tsy ho pissoa mihintsy .
Andriamanitra=Ray+Jesoa+Fanahy Masina
ireo no lazainy finoana sasany ary tanako sy inoako ,
io no antsoina hoe trinité ,tsy misaraka ,ary mitambatra ho iray sao dia manao equation eo indray ka hiteny amiko hoe .
Jesoa=Andriamanitra-Ray-Fanahy masina

Ary aoka izay fa mba resaka afa indray atao fa
142. ikaretsaka ( 19/09/2007 22:25)
patrick .. mitazona ny anarako ny zanako ka... ohatra hoe ikaretsaka junior na patrick junior
tsy mety kao angaha ilay equation hoe:

Jesoa=Andriamanitra
Ray=Andriamanitra
Fanahy masina=Andriamanitra

dia andriamanitra+ andriamanitra +andriamanitra= andriamanitra?
143. cutie ( 19/09/2007 22:27)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 20-09-2007 00:25:01
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
patrick .. mitazona ny anarako ny zanako ka... ohatra hoe ikaretsaka junior na patrick junior
tsy mety kao angaha ilay equation hoe

hay ve ka anarana fotsiny e :lol:
tokony atao we Atra junior koa zany jesoa :-D
144. cutie ( 19/09/2007 22:30)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 20-09-2007 00:25:01
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
patrick .. mitazona ny anarako ny zanako ka... ohatra hoe ikaretsaka junior na patrick junior
tsy mety kao angaha ilay equation hoe:

Jesoa=Andriamanitra
Ray=Andriamanitra
Fanahy masina=Andriamanitra

dia andriamanitra+ andriamanitra +andriamanitra= andriamanitra

tsy mitombina ny equation an'i Ikaretsaka :-D
Ikaretsaka junior# Ikaretsaka
Atra# jesoa
145. patrick2002 ( 19/09/2007 22:34)
dadan'i Ikaretsaka tsy ho Ikaretsaka mihintsy satria raha izany dia Ikaretsaka afaka manambady an'i Vadin'i Dadan'I Ikaretsaka. :D:D:D
146. ikaretsaka ( 19/09/2007 22:36)
ka nga ny fanambadiana mikoty?
fa za mpandova an'i dadanay:-D
147. cutie ( 19/09/2007 22:41)
lollllllllllllllllllllllll
148. patrick2002 ( 19/09/2007 22:49)
cutie:

tsy nampoiziko ho interesse @ resaka finoana i patrick :lol:

Tena interessé mihintsy kah ,mpanaraka fotsiny anefa eto @ fivavahana sy finoana .
i Patrick tsy votom-pinoana ,fa tsy azo havadika @ finoany ,ary tsy nandalina fa mpamaky sy mpihaino fotsiny @ resaka religion sy Theologie.
Amiko ny finoana dia vokatry ny fahalalana, sy fikarohana nataon'i olombelona daholo ,tsy misy afaka hiteny fa ny anay ny finoana marina, fa ny anareo diso .
Izay no tsy hijoroako amin'ny finoako ,ary hanajako ny finoan'ny afa ,na silamo ,na boudhiste ,na hindoue ,na juif,
Fa raha vao misy finoana manindraindra ny azy kosa ,na manao ny an'ny sasany finoana tsy marina dia ,mijoro izaho .
Andriamanitra irery ihany no aoka hitsara ,fa tsy isika izay nohariny.^:^^:^


149. patrick2002 ( 19/09/2007 22:55)
ikaretsaka:

ka nga ny fanambadiana mikoty?
fa za mpandova an'i dadanay:-D

tsy misy zanaka handova RAD raha mbola velona ny RAD .
Andriamanitra dia tsy manam-petra, tsy maty ,ary tsy nateraka :wink:


150. cutie ( 19/09/2007 22:57)
tsy misy zanaka handova RAD raha mbola velona ny RAD .
Andriamanitra dia tsy manam-petra, tsy maty ,ary tsy nateraka

dikan'zany tsy mila reny izy :lol:
151. cutie ( 19/09/2007 23:27)
Tena interessé mihintsy kah ,mpanaraka fotsiny anefa eto @ fivavahana sy finoana .
i Patrick tsy votom-pinoana ,fa tsy azo havadika @ finoany ,ary tsy nandalina fa mpamaky sy mpihaino fotsiny @ resaka religion sy Theologie.
Amiko ny finoana dia vokatry ny fahalalana, sy fikarohana nataon'i olombelona daholo ,tsy misy afaka hiteny fa ny anay ny finoana marina, fa ny anareo diso .
Izay no tsy hijoroako amin'ny finoako ,ary hanajako ny finoan'ny afa ,na silamo ,na boudhiste ,na hindoue ,na juif,
Fa raha vao misy finoana manindraindra ny azy kosa ,na manao ny an'ny sasany finoana tsy marina dia ,mijoro izaho .
Andriamanitra irery ihany no aoka hitsara ,fa tsy isika izay nohariny

mazava tompoko :lol:
152. cutie ( 20/09/2007 00:31)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-09-2007 18:10:52
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
Aza afangaro kosa ny Personne sy Nature é,
Raha nature dia samy Andriamanitra na ny Ray na ny Zanaka. Io ilay ohatra omen'Ika. Raha zanak'olona dia olona fa tsy alika. Ary zanaka bitro dia bitro fa tsy akoho. Izay ny natiora.
Ny Personne na olona( raha adika tsotsotra) dia samy hafa io fa tsy mitovy. Ny Ray tsy ho Zanaka mihitsy ary ny Zanaka tsy ho Ray. Toy ny hoe : ianao tsy reninao mihitsy ary ny reninao tsy ho ianao mihitsy fa olona roa samy hafa ianareo.
Ka raha ny nature no resahina dia samy Andrimanitra na I Jesoa na ny Ray : satria tsy zava-boaary izy ireo fa Mpahary ary mandrakizay fa tsy voafetra.
Raha Personne kosa dia olona roa samy hafa ny Ray sy ny Zanaka.
Fanampiny : ny olona faha-3 ao @ Trinité Masina dia ny Fanahy Masina.

Mandefitra :
Tsy mitsara ny finoanao velively aho fa miainga @ izay voasoratrao hatrany.
Hatr@ izao dia lavinao ny maha-renin'i Jesoa an'i Maria. Fa lazainao fa Fitaovana izy fa tsy reny. Dia midika izany fa tsy olombelona i Jesoa.
Reny akory tsy midika fa niteraka azy @ Andriamanitra Azy. Fa i Jesoa dia manana natiora anankiroa : sady Andrimanitra no olombelona. Dia ilay faharoa no niantohan'i Maria. Ary tsy misaraka ireo natiora roa ireo ka izay no iantsoana azy hoe : Renin'Andriamanitra

mazava be ny filazan'i xxx azy :lol::lol::lol::lol:
ny indro kely de saingy theory be fotsiny ny ambiny :-D
153. tywa68 ( 20/09/2007 05:04)
Misaotra an'i xxx fa nanaiky ihany i cutie ny farany,
conclusion : Maria renin'Atra :lol:
i patrick indray na te-hanaiky aza d sahirana satria efa be loatra ny hanihany tany amboalohany, dia fanina ; ny finoana zany ny azy avy @ olombelona, ka izay no tsy mampitovy ny fijery : ny finoako avy @ Atra, ary fahasoavana nomeny ahy. Ny miteny hoe ny ahy no tena izy dia tena fomban'olombelona mpanadio ati-doha, aoka ny Tompo no hitsara fa tsy isika.:-*
154. Mandefitra ( 20/09/2007 05:06)
Hoy Piste :
Mandefitra :
Tsy mitsara ny finoanao velively aho fa miainga @ izay voasoratrao hatrany.
Hatr@ izao dia lavinao ny maha-renin'i Jesoa an'i Maria.

Nefa vo nanomboka ny adihevitra de ty no nosoratako:
1/Maria renin'Andriamanitra : tsy mety amiko io satria Andriamanitra efa nisy Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. renin'i Jesosy fony izy tety an-tany dia ampy sady nahalaza ny asany.
(nisy nanao vazivazy hoe ny maman'i Maria ve zany bebe an'Andriamanitra lol).

....
fanontaniana kely fotsiny , raha vo miresaka hoe Andriamanitra, inona no tonga ao antsaina voalohany?
Valiny : na Andriamanitra telo zay Iray (Ray sy Zanaka, ary Fanahy Masina), na Andriamanitra Ray (Mpahary).
sa tsy izany?
155. tywa68 ( 20/09/2007 05:14)
Mandefitra : Jesoa nateraka fa tsy natao ve Andriamanitra aminao sa tsia ? raha eny dia inona i Maria ? :lol:
156. Mandefitra ( 20/09/2007 05:25)
Maria ve ?Renin'ny Jesosy, fony Izy nirahin'Andriamanitra hamonjy ahy sy ianao.
Jesosy dia Andriamanitra Zanaka, saingy nanetry tena Izy ka tonga olombelona, naterak'i Maria Virijiny, mba hanao sorona ny Ainy, sy hanadatsaka ny Rany ho fampihavanana antsika @ Andriamanitra Ray.Ary rehefa vita ny asa nampanaovin'ny Ray Azy, dia nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Ray Tsitoha Izy.

Hoy Paoly hoe:"Ny Fanahy, dia miara-milaza amintsika fa zanak'Andriamanitra isika ..."
de hanontany anareo za hoe: fanahy inona zao le miara-milaza aminareo fa renin'Andriamanitra Maria?
157. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:26)
mandefitra>
raha atao indray ary hoe "reny naha tonga olombelona an'Andriamanitra? raha izany no mahafalifaly kokoa anao e

bebean'i Jesosy araka ny maha olombelona azy i Anna Vadin'i Joakima ka
158. tywa68 ( 20/09/2007 05:29)
Mandefitra : i Jesoa zany tsy Andriamanitra hatrany ambohoka aminao ?:lol:
159. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:49)
mbola tsy nahaforona baiboly vaovao anie hoe misy i Jesosy dia fouah..nisy Izy

fa mbola nila an'i Maria aloha e.
nefa izaho mino fa vitany izany raha tiany natao a
fa nila an'i Maria izy:" ao raha" araka ny filazan'Ika sy fijo azy izay
160. Mandefitra ( 20/09/2007 05:51)
hoy Rasil:
bebean'i Jesosy araka ny maha olombelona azy i Anna Vadin'i Joakima ka

Zay mantsy, de naninn no tsy natao hoe Renin'iJesosy araka ny mahaolombelona azy Maria vadin'i Josefa?:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103