Arahaba ry Maria!

181. cutie ( 21/09/2007 05:24)
. Mpandefa : tywa68 [ Valio ] 21-09-2007 07:10:01
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
bozyboleta : tsy misy logique mivadika fa nareo mihitsy no tia manafangaro.
Efa hoe i jesoa tany ambohoka dia efa Andriamanitra aminay katolika donc renin'Atra i maria, ary vhv feno hasoavana satria voafidy t@izany.

raha tany an-danitra i Maria no niteraka an'i jesoa de renin'atra izy zay :-D
182. bozyboleta ( 21/09/2007 05:27)
Tena mifangaro sy mivadibadika mitsy ho an'ny mpamaky ka!
(Raha roman ty de hozy ny mpamaky hoe be enigme loatra fa tsy araka tsony hoe iza no iza de iza no naninn...) ao anaty fononteny ihany iny...
Izaho de mino 100% fa i Maria de renin'i Jesoa tamin'ny nahariana ho olona Azy.
183. Rasiligaoma ( 21/09/2007 06:06)
toa i boziboleta no mamadibadika azy ao raha tena jerena ny resaka ko,
kamo be aho hitsimpona fa efa tsy fombako hatramin'ny ela ny mintsimpona hoy i cutie
184. pissoa ( 21/09/2007 07:56)
bozyboleta : sao mila compass ianao mba haharahanao tsara izay voasoratra ? :-D:-D:-D
185. bozyboleta ( 21/09/2007 08:27)
Tsia de tsia.
Zao nge e! nareo le mpanoratra de efa ao andohanareo le izy.
Fa zahay mpamaky de mamantatra ny tian'ny mpanoratra lazaina fa tsy mahazo.
Za fôôôna no tsy maharaka e!
186. pissoa ( 21/09/2007 08:38)
:-D:-D:-D

ka le izy zavatra evident ho an'ny olona tena mandray an'i Jesoa Kristy ho Andriamanitra ! Rehefa Andriamanitra izy, tsy renin'Andriamanitra ve ny reniny ? Zavatra tsotra be izany, fa mahagaga ahy ny mahatonga ny fanontaniana mipetraka koa anie e !
187. bozyboleta ( 21/09/2007 09:26)
Hoy ny mpametraka lohahevitra
Hafatra am-pitiavana:
Ho an'ny tsy katolika: "Tsy maniry no sady tsy manery anao hifindra katoliaka aho, fa mba te hisarika anao kosa hahalala ny marina mba tsy hitsaratsaranao foana ny hafa".

Ho an'ny katolika: Tsy ny hanamarina na ny hiaro ny Fiangonantsika no aoka hanentana antsika amin'ity dinika ity fa ny Fitiavana an'i Kristy sy Masina Maria


Mba te-hahalala ny marina tokoa; ary za de mangataka foana hoe ze mba tena marina lazaina, omeo fanazavana ampy...
Fa raha io lazain'i Pissoa io zao no antony de tsisy fanazavana afaka omena ankoatra an'io fa tsy maintsy io.
Raha tsy izany de lasa miverina diska goaka mihodikodina @ hoe manaratsy sns izay tena sanatriavina.
188. mbaliana ( 21/09/2007 10:07)
Tamin'i Maria nanambarana fa ho renin'i Jesoa:(lioka1, 34-35) " Aza matahotra ry Maria, fa nahita fahasoavana tamin'Atra ianao, hitera-dahy ianaoka ho antsoinao hoe Jesoa izy... ahoana no hahatonga izany amiko fa tsy mbola mahalala Lahy aho?(= fa izaho mbola virjiny?) ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary Atra Mahefa an'izao tontolo izao no handrakotra anao, ary ny zaza ho azonao dia ho Masina .. antsoina hoe Zanak' Atra.... dia hoy i Maria Inty aho ankizivavin'i Tompo( la servante de Dieu)aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao"(= aoka ATRA hanantanteraka amiko zay tiany atao amiko )

miala tsiny amin'ny fandikana teny fa tsy baiboly gasy no ananako....

dia misy iray koa ity ho an'i Josefa " mbola tsy niray trano akory izy roa, dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina....JOsefa nikasa hametraka azy mangingina ka raha mbola nieritreritra iny izy dia tonga ny anjely niteny taminy hoe aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao , noho ny asan'i Fanahy Masina tokoa dia nitoe-jaza izy ka i Jesoa no anarany..." .

dia mbola tsy hazava ihany ve??

ito indray no fomba fijerin'ny olombelona araka ny fianany
raha atao hoe renin'ialahy menagere.. ialahy docteur.. dia iza no ambony?
.. ialay mazava ho azy! fa izany tsy mahasakana an'ialahy tsy hanaja tsara ny renin'ialahy kosa, sa?

tsy voatery ny logique ny olombelona no nampiasain'Atra ka... Masina Maria dia fitaovana nampiasain'Atra hakana nofo sy rà ho an'ny zanany...
fa tsy midika hoe i Masina Maria dia Atra

189. tywa68 ( 21/09/2007 10:35)
Hoy bozyboleta:
Mba te-hahalala ny marina tokoa; ary za de mangataka foana hoe ze mba tena marina lazaina, omeo fanazavana ampy...

Ny tena marina ho anao inona tsara ? satria ireo voasoratra ireo no azonay aroso, fa anjaranao sisa no mamerina mamaky raha tsy mazava.
190. bozyboleta ( 21/09/2007 11:19)
186. Mpandefa : bozyboleta [ Valio ] 21-09-2007 11:26:32
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!

Fa raha io lazain'i Pissoa io zao no antony de tsisy fanazavana afaka omena ankoatra an'io fa tsy maintsy io.
Raha tsy izany de lasa miverina diska goaka mihodikodina @ hoe manaratsy sns izay tena sanatriavina
.

Tonga de notsorina t@io fa tsy nila nahodikodina tantara be hoe nature,personne,avy eo lasa nisy resaka menagère sy dokotera sns tsy voatanisa.
Raha io lazain'i Pisoa io hatrany am-boalohany de tsy nitarina ny adihevitra fa avy de zay.
Io le lazaiko hoe ze tena marina, fa le adihevitra nge aholakolanareo de fanina ny mpamaky e.
De mbola za ndray no....
:-* ihany kalongany
191. pissoa ( 21/09/2007 11:56)
Bozyboleta : tena zavatra evident ilay izy ! araka io efa nolazaiko io.

Ny mahatonga ny ady hevitra mihitatra dia izao :

1 - Misy milaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa donc tsy renin'Andriamanitra i Maria. Ohatra hoe i Patrick sy cutie. Dia lasa miitatra hatramin'ny fanazavana hoe tena Andriamanitra i Jesoa.

2 - Misy indray mitady handrasarasa an'i Jesoa hoe ilay Jesoa olombelona no zanak'i Maria fa tsy ilay Jesoa Andriamanitra ... Na ny manoratra an'io aza nefa toa hafahafa ihany ... dia miitatra indray koa ny adihevitra hoe tsy azo zaraina toy izany anie i Jesoa e !

Izay no nampatonga anah niteny hoe sao mila boussole ianao tetsy ambony :oops::oops::oops: Betsaka ny antony mampivelatra ilay ady hevitra.
192. bozyboleta ( 21/09/2007 12:20)
Efa hoe tsia de tsia. Ataoko inn compass?
Za mahita ny misy ahy, fa le adihevitra no ahodikondina eo fa tsy avy de lazaina hoe io no fotokevitra, ary tsy maintsy io satria io no fampianarana ary mbola io ihany aloha no marina ho an'ze nandray azy. De zay fotsiny.
Fa ny nahalava ty resaka ty de le nandray te-hanazava fa tsy nahitsy avy hatrany fa naolankolana, avy teo nitarina ary ny farany nisafotofoto beeee; de le fanitarana sy fisafotofotoana iny ndray no lasa ifandroritana kms zato sy arivo sy raialina tapitrisa tsisy fiafarany eo.
Kay!! reraka sal@ nandeha zato sy arivo sy raialina tapitrisa kms koa za.:)
193. Mandefitra ( 21/09/2007 12:30)
Ny tena fototry ny olana ange ry Pissoa tsy de ireo antony 2 ireo loatra fa le maha-Andriamanitra an'Andriamanitra mihitsy e.
Zay no nahatonga ahy nanontany hoe raha vo miresaka hoe Andriamanitra, iza no voatondro @ io?
Valiny:na Telo zay Iray, na ilay Mpahary.
Ty zao notsiponiko tao @ baiboly katolika:
Fanambarana toko 20.6:
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany!Tsy mba hanam-pahefana amin'izy ireo ny fahafatesana faharoa,fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy izy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.

Zany tsy miteny hoe tsy Andriamanitra Kristy, na voazarazara Kristy , fa saingy samy manana ny fiantsoana Azy Izy.
Ka tsara kokoa ny miteny hoe Maria renin'i Jesoa, toy zay hoe renin'Andriamanitra.
194. pissoa ( 21/09/2007 14:05)
Efa hoe tsia de tsia. Ataoko inn compass?
Za mahita ny misy ahy, fa le adihevitra no ahodikondina eo fa tsy avy de lazaina hoe io no fotokevitra, ary tsy maintsy io satria io no fampianarana ary mbola io ihany aloha no marina ho an'ze nandray azy. De zay fotsiny.

Tsy hoe io satria io no fampianarana ka ! Avereno vakiana indray aloha ! Toa tsy mila fampianarana dia efa mahay hoe rehefa Andriamanitra Izy dia renin'Andriamanitra izy. :-D:-D:-D

Ny tena fototry ny olana ange ry Pissoa tsy de ireo antony 2 ireo loatra fa le maha-Andriamanitra an'Andriamanitra mihitsy e.

Io izao dia hitombo iray indray ny adi-hevitra !!! Ahoana ony ny mampaAndriamanitra an'Andriamanitra.

Mandefitra : hay ve ny anao resaka hoe tsara kokoa fotsiny e, fa tsisy hoe tsy Renin'Andriamanitra izy. Iny indray resaka hafa mihitsy ka. Samy manana ny Preference-ny io. Za koa zao refa kamo dia tsy soratako hoe renin'Andriamanitra fa ataoko hoe MM (Pour Masina Maria) :°)
195. pissoa ( 21/09/2007 14:08)
Nisy diso fa miala tsiny :
Tsy hoe io satria io no fampianarana ka ! Avereno vakiana indray aloha ! Toa tsy mila fampianarana dia efa mahay hoe rehefa Andriamanitra Izy dia renin'Andriamanitra izy.

ito no tiako nambara teo :

Tsy hoe io satria io no fampianarana ka ! Avereno vakiana indray aloha ! Toa tsy mila fampianarana dia efa mahay hoe rehefa Andriamanitra Izy dia renin'Andriamanitra ny reniny.
196. tywa68 ( 21/09/2007 15:12)
:lol::-D:-D mazava @izay kosa pissoa an :-*
197. ikaretsaka ( 21/09/2007 16:00)
bozyboleta:

Efa hoe tsia de tsia. Ataoko inn compass?


ko jere ary ko.. aiza ny hanazavana olona efa manana prejuges sahady?

198. fijo ( 21/09/2007 21:26)
misy milaza fa sy logikan'andriamanitra ny logikantsika olombelona.eny ary.
nefa nareo ihan no milaza fa izay ataontsika dia avy amin'andriamanitra.ka izay logikantsika izany dia avy aminy sa hiova indray lery?
199. fijo ( 21/09/2007 21:30)
pisoa an,ka andriamanitra anie no lazaina fa nahary izao tontolo izao e,raha nisy reny izy,de ny tsy nahary izao tontolo izao izany satria mbola nisy nahary azy aloha
200. cutie ( 22/09/2007 01:14)
fijo :lol::wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0093