Arahaba ry Maria!

1. gasynamana ( 16/09/2007 13:14)
Arahaba ry Maria feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nohasoavina noho ny vahivavy rehetra ianao. Ary nohasoavina i Jesoa ilay nateraky ny Kibonao

Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro hafatesanay. Amen.


Io no Ave Maria ( na arahaba ry Maria). Mizara roa izy io. Ny voalohany dia tonom-bavaka nataon'ny Anjely (ao amin'ny Baiboly), ny faharoa kosa dia vavaky ny Fiangonana Katolika.

Fanontaniana:
1 - Aiza ao amin'io vavaka io no milaza fa manompo sampy ny katolika?
2 - Aiza ao amin'io no manohitra izay voalaza ao amin'ny Baiboly?
3 - Eto dia miangavy ny rehetra aho mba hanontany izay tsy mazava, ary mba mangataka indrindra koa amintsika katolika mba hanazava araka izay.

Hafatra am-pitiavana:
Ho an'ny tsy katolika: "Tsy maniry no sady tsy manery anao hifindra katoliaka aho, fa mba te hisarika anao kosa hahalala ny marina mba tsy hitsaratsaranao foana ny hafa".

Ho an'ny katolika: Tsy ny hanamarina na ny hiaro ny Fiangonantsika no aoka hanentana antsika amin'ity dinika ity fa ny Fitiavana an'i Kristy sy Masina Maria

Misaotra anao amin'ny fandraisanao anjara am-panajana.
novalian'i tywa68 ny 05/10/2007 10:58
2. kalapisokel ( 16/09/2007 16:11)
mahafinaritra be ilay sujet... izaho tsy katolika fa nianatra tany amin'ny sekoly katolika. tsy azoko fotsiny hatramin'izay hoe fa maninona Masina Maria no iresahana?
za tsy miteny hoe manompo sampy ny katolika fa tsy azoko fotsiny le izy... misaotra betsaka!:)
3. ikaretsaka ( 16/09/2007 17:03)
Misaotra an\'i Gasynamana,=D

Amin\'ny fanonta
Masina Maria Renin\'Andriamanitra, mivavaha ho anay Mpanota io no hitako fa karazan\'ny tsy hitan\'ny olona na fahangarony na ..tsy vakiany na henoiny tsara
4. Fiffi ( 16/09/2007 17:41)
gasynamana: misaotra anao....=D=D=D

ity misy lahatsoratra hitako momba an'i Maria....

Maria, iza moa Ianao ?

TENY HOVAKIANA

APOKALIPSY 11 :15-19, 12 1-18

I KORITIANA 15 : 20-28

LIOKA 1 :39-56

Nianjera alahady ny 15 aogositra tamin’ity taona ity. Ny 15 aogositra moa dia fotoana fahatsiarovana ny niakaran’i Masina Maria tany an-danitra. Noho izany dia fotoana lehibe tokoa ho an’ny katolika izany fotoana izany. Isan’ny mampisaraka ny protestanta sy ny katolika ny resaka mikasika an’i Maria. Ny teny voalahatra ho dinihina androany dia ny hira nataon’i Maria fony Elisabeta namangy azy (magnificat). Avelatsika kely ny fandinihina ireo teny ireo fa andeha ho jerena iza marina moa I Maria.

Ho an’ny Katolika dia mipetraka ho mitovy amin’Andriamanitra Maria, ary ny hilazana azy ho renin’Andriamanitra dia mazava ho azy fa mandika izany. Isan’ny anarana tian’ny katolika ny anarana hoe Maria. Ary na dia lehilahy aza dia nampiana hoe Marie ny anarana. Hita izany amin’ny hoe : Jean-Marie, Pierre-Marie, Christian-Marie.

Ho an’ny protestanta indray dia tsy manana toerana mihitsy I Maria hany ka na dia ny anarana ny zaza vao teraka aza dia tsy asiana Maria sao heverin’ny olona ho katolika. Noho izany dia vitsy mba tsy ilazana fa saika tsy misy ny protestanta manana anara hoe : Maria. Nefa dia betsaka ny mandray anarana ao amin’ny baiboly toa ny hoe Sarah, Rahely, Myriam, Rota, Marta sns...

Marina fa misy izay tsy eken’ny protestanta mikasika an’i Maria toa ny Immaculée Conception ohatra izay vao tamin’ny taona 1854 no naneken’ny katolika azy na ny Assoption izany vao tamin’ny taona 1950. Nefa ny fikizizana hanohitra ny fanindraindra be hataon’ny katolika mikasika an’i Maria dia mahatonga ny protestanta handà izay voasoratra ao amin’ny baiboly. Tokony ho ekentsika fa misy fahadisoana ao ary tokony hanaiky handinika indray ny baiboly isika indrindra ny Testamenta Vaovao mba hahafantaratsika misimisy kokoa an’ity Maria ity izay hananatsika olana amin’ny fiarahana amin’ny katolika.

Ny protestanta dia mandà ireo foto-pinoana izay heveriny fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly : ny filazana an’i Maria ho olomasina ohatra satria amin’ny protestanta rehefa voavonjy dia mitovy daholo ny olona, ny Immaculée conception izay milaza fa tsy nihatra tamin’i Maria ny fahotana nifandovana (péché originel), ny niakaran’i Maria tany an-danitra, ny nijanonan’i Maria ho virjiny mandrapahafatiny sns... Etsy an-danin’izany kosa anefa dia toa fanahinin’ny protestanta alana mihitsy ny mikasika an’i Maria, ary raha azo natao aza dia ho tsy notenenina mihitsy ny momba azy. Izay fihetsika izay ve tsy manalana ilay maha-olombelona an’i Jesosy. Marina fa Jesosy no zava-dehibe ao amin’ny Filazantsara nefa koa dia misy lehilahy sy vehivavy maro ao izay azo alaina tahaka tokoa ny momba azy. Ary nahoana raha raisina ho ny iray amin’ireny I Maria. I Paoly apostoly tsy dia nilaza firy ny momba Maria. Ny hany hahitana resaka momba ny renin’i Jesosy dia izay voasoratra tao amin’ny Galatiana 4/4. Tsy dia mahagaga izany satria na dia ny tantaran’i Jesosy teto an-tany aza tsy dia mba hahitana firy izany ao amin’ny epistily nosoratany. Ny tantaran’i Jesosy noresahan’i Paoly dia ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. (I Koritiana 2/2).

Raha mijery ny Filazantsara indray isika I Marka dia tsy nitantara ny nahateran’i Jesosy, izany hoe tsy niresaka na dia kely akory ny momba an’i Maria izy. Nambarany aza fa tsy dia nomen’i Jesosy lanjany loatra ny reniny sy ny mpiray tampo aminy raha nitady Azy, satria nolazainy fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no reniny sy mpiray tampoa aminy. Ilay Maria voalazan’i Marka fa renin’i Jakoba kely sy Josesy teo apototry ny hazo fijaliana araka ny mpandinika dia I Maria renin’ny Tompo saingy tsy noresahan’i Marka ho izany. Ho an’i Lioka sy Matio izay hany mitantara ny nahaterahan’i Jesosy, izany hoe miresaka momba an’i Maria, I Maria dia ilay tovovavy avy any Nazareta izay fiasana nahatonga ny filazantsara ho tafiditra ao amin’ny fiainantsika. Izay nasongadin’i Matio ny momba an’i Maria dia mitovy amin’ny any Josefa koa. Tazana ao mantsy ilay fahasoavan’Andriamanitra. Tovovavy tso-piainana bevohoka tsy manam-bady nanaiky hitondra vohoka ny zanak’Andriamanitra (mère porteuse). I Lioka dia nanambara mihitsy fa noharabain’ny anjely izy noho izany : "Arahaba ry ilay nasohavina" (Lioka 1/28). Tamin’i Lioka tao amin’ny fiainan’ity tovovavy tsy fantatra akory avy ao Nazareta no niasan’Andriamanitra hitondra fanavaozana sy famonjena ho an’Izao tontolo izao ary ny taranaka mifandimby dia hihira izany. Na izany aza tsy midika akory izany fa ny reny na ny rain’i Jesosy dia manana tombony noho ny hafa. Hoy ny tantara vaorakitra tao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka : "Nisy vehivavy anakiray tao amin’ny vahoaka niantso ka nanao hoe ;"Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninoanao". Fa Izy nanao hoe : Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany " ( Lioka 11/27-28).

Ho an’i Jaona kosa I Maria dia isan’ireo izay nahatonga ny fampanantenana nataon’Anriamanitra ho tanteraka. Na izany aza ny maha-renin’i Jesosy azy tsy midika ho hananany tombony amin’ny hafa fa tahaka an’i Marka koa dia milaza ny amin’ny fianakviana vaovao I Jaona ka izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no ho ao anatiny.

Fa misy ireo soratra apokrifa izay milaza zavatra betsaka momba an’i Maria. Ary raha dinihina dia avy amin’ireo no nakan’ny katolika ny foto-pinoana momba an’i Maria. Izay tsapa anefa dia toa fihezahana tsy hampitondra an’i Maria ny fahatsotsatsika ihany no hita ao. Afatoka amin’i Maria daholo ireo zavatra nofinofitsika : fahadiovana, fahamasina, tsy fisina petina, mpanalalana sns... Ho famaranana dia mametraka fanotaniana aho hoe : Iza moa hianao ry Maria. Ilay Maria izay nahatonga ny sasany ilaza fa raha tsy mitondra ny medailleny izy dia mahatsiaro very satria miantoka ny fiainana iny, sa ilay Maria somary hankahalaina aza fa heverina ho maka toerana be loatra mihoatra an’i Jesosy aza ? Ny tsirairay no mamaly izany.

Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro hafatesanay. Amen.
5. pissoa ( 16/09/2007 18:11)
Hono hoa, taiza no nahitan'i Fiffi an'io lahatsoratra io ? :roll::roll::roll:

Ho an’ny Katolika dia mipetraka ho mitovy amin’Andriamanitra Maria, ary ny hilazana azy ho renin’Andriamanitra dia mazava ho azy fa mandika izany. Isan’ny anarana tian’ny katolika ny anarana hoe Maria. Ary na dia lehilahy aza dia nampiana hoe Marie ny anarana. Hita izany amin’ny hoe : Jean-Marie, Pierre-Marie, Christian-Marie.

:{:{:{
6. tywa68 ( 16/09/2007 18:59)
Misaotra an'i Fiffi, fa maika mampiseho sy manamarina ny fijery sy ny tsy fahalalàna ny katolika io = be diso fa efa tsy mahagaga.
Samia mieritreritra fa efa be ny voalaza momban'io sujet io, dia manasa antsika hamaky ny any aloha, vao manoratra :-*
7. ikaretsaka ( 16/09/2007 19:08)
Fiheverako manokana ity a:
tsy hoe mitovy amin'Andriamanitra i Maria angamba no tian'ny mpanoratra lazaina eto, fa hoe nomen'Andriamanitra toerana ambony nohon'ny toerana rehetra i Maria.

Tsotra fotsiny ny theorie ko amin'io

1)Jesoa dia sady Zanak'Andriamanitra no tonga olombelona:
Dia raha lazaina hoe Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, dia mazava ho azy fa mba hahatanteraka sy hampitombina ilay fornule dia mazava fa azo lazaina koa hoe olombelona avy amin'olombelona

2) dia raha avadika io, atao hoe Andriamanitra Rain'ny Olombelona, dia i Maria izany Renin'Andriamanitra...

hafahafa fa izany!:-D
8. Fiffi ( 16/09/2007 19:09)
pissoa , tywa68: tato no nahitako azy an !

http://tsodrano.free.fr/tsodrano/article.php3?id_article=163
9. ikaretsaka ( 16/09/2007 19:24)
misaotra an'i fiffi nizara:)
10. tywa68 ( 16/09/2007 19:36)
Fiffi sy Ika : eny e ! samy miteny ny tiany zany fa ny essentiel mahalala ny inoany ! ny fijerin'ny hafa sarotra ny manova azy satria efa zay koa no napetraka andohany h@ mbola kely !

Masina Maria dia reny nitondra an'i Jesoa, ary vhv voafidy tsy mitovy @ rehetra satria madio sy mendrika teo imason'Atra. Renin'Atra izy satria Jesoa, dia tokana olona 3. Mendrika hajaina izy ho an'ny katolika. Ary zany no mahatonga ny olona manome anarana ny zanany hoe Maria satria faly izy manana azy atao reny modely.
11. ikaretsaka ( 16/09/2007 19:43)
tywa68:
Fiffi sy Ika : eny e ! samy miteny ny tiany zany fa ny essentiel mahalala ny inoany ! ny fijerin'ny hafa sarotra ny manova azy satria efa zay koa no napetraka andohany h@ mbola kely !


(HS beee mihitsy ahako fa azafady)io no tsy azoko kely ry tywa
momba ilay lazainao teo hoe sarotra ny manova azy io satria izay no napetraka tao an-dohany!

dia ny tsy azoko eto dia hoe, dia ahoana ny @ ireo betsaka lasa niova finoana?

ahoana ny nanovan'ilay euh.. sekte, silamo, katolika, prot, sns... an'ireny olona avy atsy lasa ary ireny?
12. pissoa ( 16/09/2007 21:45)
HS beee mihitsy ahako fa azafady

c po tres catholique :-D:-D:-D

mahafinaritra be ilay sujet... izaho tsy katolika fa nianatra tany amin'ny sekoly katolika. tsy azoko fotsiny hatramin'izay hoe fa maninona Masina Maria no iresahana?
za tsy miteny hoe manompo sampy ny katolika fa tsy azoko fotsiny le izy... misaotra betsaka!

Tsy sanatria manao valy boraingina aho fa tsy azoko kely ... fa maninona moa izy no tokony tsy iresahana ? ny olona tsotra aza hiresahana ka maika fa ny Renin'Andriamanitra ?
13. niryna ( 16/09/2007 23:53)
1 Ary avy[ ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.

32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.

34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!

33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?

35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
Marka 3:31-35

Then Jesus's mother and brothers arrived.Standing outside,they sent someone in to call him.A crowd was sitting around him and they to him."Your mother and brothers are outside looking for you.

Who are my mother and my brothers? "he asked"
Then he looked at those at those seated in a circle around him and said,Here are my mother and brothers.
Whoever does God;s will is my brother and sister and mother. Mark 3:31-35


14. niryna ( 17/09/2007 00:09)
13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany--dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak' i Jakoba.

14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.
Asa 1:13-14

When they arrived,they went upstairs to the room where they were staying.Those present were Peter,Jhon,James,and Andrew,Philip and and Thomas ,Bartholomew,and Mathew,James son of Alphaeus and Simon the Zealot ,and Judas son of James.

They all joined together constantly in prayer ,[b]along with women and Mary the mother of Jesus,and with his brothers
Act 1:13-14

15. niryna ( 17/09/2007 00:23)
3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Miala eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;

4 fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.

5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
Jaona 7:3-5

3 Jesus' brothers said to him, "You ought to leave here and go to Judea, so that your disciples may see the miracles you do.4 No one who wants to become a public figure acts in secret. Since you are doing these things, show yourself to the world.5 " For even his own brothers did not believe in him. John 7:3-5:
16. niryna ( 17/09/2007 00:40)
19 Ary ny renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.

20 Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.

21 Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankato azy.
Lioka 8:19-21


Jesus' Mother and Brothers

19Now Jesus' mother and brothers came to see him, but they were not able to get near him because of the crowd. 20Someone told him, "Your mother and brothers are standing outside, wanting to see you."

21He replied, "My mother and brothers are those who hear God's word and put it into practice.
"Luke 8:19-21:
17. niryna ( 17/09/2007 01:28)

My Child,

You may not know me, but I know everything about you. Psalm 139:1

I know when you sit down and when you rise up. Psalm 139:2

I am familiar with all your ways. Psalm 139:3

Even the very hairs on your head are numbered. Matthew 10:29-31

For you were made in my image. Genesis 1:27

In me you live and move and have your being. Acts 17:28

For you are my offspring. Acts 17:28

I knew you even before you were conceived. Jeremiah 1:4-5

I chose you when I planned creation. Ephesians 1:11-12

You were not a mistake, for all your days are written in my book. Psalm 139:15-16

I determined the exact time of your birth and where you would live. Acts 17:26

You are fearfully and wonderfully made. Psalm 139:14

I knit you together in your mother's womb. Psalm 139:13

And brought you forth on the day you were born. Psalm 71:6

I have been misrepresented by those who don't know me. John 8:41-44

I am not distant and angry, but am the complete expression of love. 1 John 4:16

And it is my desire to lavish my love on you. 1 John 3:1

Simply because you are my child and I am your Father. 1 John 3:1

I offer you more than your earthly father ever could. Matthew 7:11

For I am the perfect father. Matthew 5:48

Every good gift that you receive comes from my hand. James 1:17

For I am your provider and I meet all your needs. Matthew 6:31-33

My plan for your future has always been filled with hope. Jeremiah 29:11

Because I love you with an everlasting love. Jeremiah 31:3

My thoughts toward you are countless as the sand on the seashore. Psalms 139:17-18

And I rejoice over you with singing. Zephaniah 3:17

I will never stop doing good to you. Jeremiah 32:40

For you are my treasured possession. Exodus 19:5

I desire to establish you with all my heart and all my soul. Jeremiah 32:41

And I want to show you great and marvelous things. Jeremiah 33:3

If you seek me with all your heart, you will find me. Deuteronomy 4:29

Delight in me and I will give you the desires of your heart. Psalm 37:4

For it is I who gave you those desires. Philippians 2:13

I am able to do more for you than you could possibly imagine. Ephesians 3:20

For I am your greatest encourager. 2 Thessalonians 2:16-17

I am also the Father who comforts you in all your troubles. 2 Corinthians 1:3-4

When you are brokenhearted, I am close to you. Psalm 34:18

As a shepherd carries a lamb, I have carried you close to my heart. Isaiah 40:11

One day I will wipe away every tear from your eyes. Revelation 21:3-4

And I'll take away all the pain you have suffered on this earth. Revelation 21:3-4

I am your Father, and I love you even as I love my son, Jesus. John 17:23

For in Jesus, my love for you is revealed. John 17:26

He is the exact representation of my being. Hebrews 1:3

He came to demonstrate that I am for you, not against you. Romans 8:31

And to tell you that I am not counting your sins. 2 Corinthians 5:18-19

Jesus died so that you and I could be reconciled. 2 Corinthians 5:18-19

His death was the ultimate expression of my love for you. 1 John 4:10

I gave up everything I loved that I might gain your love. Romans 8:31-32

If you receive the gift of my son Jesus, you receive me. 1 John 2:23

And nothing will ever separate you from my love again. Romans 8:38-39

Come home and I'll throw the biggest party heaven has ever seen. Luke 15:7

I have always been Father, and will always be Father. Ephesians 3:14-15

My question is…Will you be my child? John 1:12-13

I am waiting for you. Luke 15:11-32

Love, Your Dad.
18. ikaretsaka ( 17/09/2007 02:09)
niryna. ataoko fa tsy adinonao aloha ny zavatra nafaran'ilay mpamorona ity sujet ity:


gasynamana:
Hafatra am-pitiavana:
Ho an'ny tsy katolika: "Tsy maniry no sady tsy manery anao hifindra katoliaka aho, fa mba te hisarika anao kosa hahalala ny marina mba tsy hitsaratsaranao foana ny hafa".

Ho an'ny katolika: Tsy ny hanamarina na ny hiaro ny Fiangonantsika no aoka hanentana antsika amin'ity dinika ity fa ny Fitiavana an'i Kristy sy Masina Maria

dia efa resaka be teto koa io rahalahin'i jesoa io ka tsy tiako iverenana (ary tianao mihitsy ity manao diska goaka ity an:wink::-D)
19. cutie ( 17/09/2007 02:15)
Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay Mpanota io no hitako fa karazan'ny tsy hitan'ny olona na fahangarony na ..tsy vakiany na henoiny tsara

tsy renin'Atra mitsy alou masina maria amiko e :lol:
fa zay moa le izy @nareo katolika , tsy hifandirana iny :lol:
20. ikaretsaka ( 17/09/2007 02:56)
cutie. dia ahoana io lojikako io ary?
ikaretsaka:
Tsotra fotsiny ny theorie ko amin'io

1)Jesoa dia sady Zanak'Andriamanitra no tonga olombelona:
Dia raha lazaina hoe Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, dia mazava ho azy fa mba hahatanteraka sy hampitombina ilay fornule dia mazava fa azo lazaina koa hoe olombelona avy amin'olombelona

2) dia raha avadika io, atao hoe Andriamanitra Rain'ny Olombelona, dia i Maria izany Renin'Andriamanitra...

hafahafa fa izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5806