Arahaba ry Maria!

61. cutie ( 17/09/2007 23:47)
2)Andriamanitra i Andriamanitra (ok, aleo atao heo Jehovah God, Yahveh,...) ? dia ny Zanak'Andriamanitra ve tsy Andriamanitra

non
efa we tsy Atra:-D
olona i Ika, de refa miteraka ve wa de le zanak'i Ika iny no lasa Ika njay avy eo :-D
62. cutie ( 17/09/2007 23:55)
Voalaza teo :
2)Andriamanitra i Andriamanitra (ok, aleo atao heo Jehovah God, Yahveh,...) ? dia ny Zanak'Andriamanitra ve tsy Andriamanitra

fetsy koa ty Ika ty
Navadiny njay le fanontaniana:-D
jesoa#Atra
63. ikaretsaka ( 18/09/2007 00:08)
de ahoana ho'zy jesoa @ le hoe izy sy ny Ray dia iray ihany?:wink:

olona i Ika, de refa miteraka ve wa de le zanak'i Ika iny no lasa Ika njay avy eo


ie.. lasa ny last name an'i Ika ny anarany!:wink:
na full name dia asiana heo Junior:P
ohatra hoe Andriamanitra ny anaran'i lery dia Jesoa Andriamanitra ny anaran'ny zanak'i leiry
ohay
64. cutie ( 18/09/2007 00:10)
ie.. lasa ny last name an'i Ika ny anarany!
na full name dia asiana heo Junior
ohatra hoe Andriamanitra ny anaran'i lery dia Jesoa Andriamanitra ny anaran'ny zanak'i leiry
ohay

=))=))=))=))=))=))=))
65. cutie ( 18/09/2007 00:11)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 18-09-2007 02:08:42
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
de ahoana ho'zy jesoa @ le hoe izy sy ny Ray dia iray ihany?

taiza izy no nilaza an'io :lol:
tety an-tany ngamba fa tsy tany an-danitra
dikan'zany de solon-tenan'Atra izy :lol: ho an'ny olombelona
66. piste ( 18/09/2007 08:39)
Aza afangaro kosa ny Personne sy Nature é,
Raha nature dia samy Andriamanitra na ny Ray na ny Zanaka. Io ilay ohatra omen'Ika. Raha zanak'olona dia olona fa tsy alika. Ary zanaka bitro dia bitro fa tsy akoho. Izay ny natiora.
Ny Personne dia samy hafa io fa tsy mitovy. Ny Ray tsy ho Zanaka mihitsy fa olona roa samy hafa ireo. Toy ny hoe : ianao sy ny reninao dia olona roa samy hafa.
Ka raha ny nature no resahina dia samy Andrimanitra na I Jesoa na ny Ray : satria tsy zava-boaary izy ireo fa Mpahary ary mandrakizay fa tsy voafetra.
Raha Personne kosa dia olona roa samy hafa ny Ray sy ny Zanaka.

Fanontaniana ho an'i Cutie raha tsy renin'Andriamanitra dia inona no ilazanao ny fifandraisan'izy sy Maria?
Ary ahoana ary no niantsoan'i Jesoa an'i Maria.Nantsoina t@ anarany ve ?
Raha izay dia tsy hitako ny maha-olombelona an'i Jesoa satria tsy manana reny akory, no sady tsy mi-accepté ny maha-olombelona Azy.
67. Fiffi ( 18/09/2007 08:51)
ikaretsaka:

Misy manko any @ Credo any hoe Andriamanitra avy amin'Andriamanitra, fahazavana avy @ fahazavana...
Andriamanitra Tokoa , avy amin'Andriamanitra tokoa .....nateraka fa tsy natao....


68. Mandefitra ( 18/09/2007 09:00)
Ampiako kely Cutie hamaly ny fanontaniana.
Ary ahoana ary no niantsoan'i Jesoa an'i Maria.Nantsoina t@ anarany ve ?

Ravehivavy, indrindra rehefa imasom-bahoaka.
Ary efa imbetsaka Jesosy no nanitsy hoe "Iza no reniko sy rahalahiko? hoy Jesoa. Ireo mihaino sy manantateraka ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra" ... rehefa nisy niteny taminy hoe ao ny reninao sy ny ralahinao, na koa hoe sambatra ny nono ninonoanao ... etc ...
Ny tena mahafahafa le fiantsoanareo azy hoe Renin'Andriamanitra anie de izao : Vo miresaka hoe Andriamanitra dia Mpahary zany, Masina, Tsitoha, efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay ...
"Mpahary ary mandrakizay fa tsy voafetra." hoy Piste teo.

Ka soso-kevitra ny anay hoe maninona ra antsoina hoe :Masin'i Maria renin'i Jesoa? :wink:


69. xxx ( 18/09/2007 09:04)
Mandefitra> ka i Jesoa dia Andriamanitra => Masina Maria renin'Andriamanitra :wink:
70. tywa68 ( 18/09/2007 09:12)
Raha ny fijeriko eto d maro aminareo tsy katolika no mandà hoe i jesoa dia andriamanitra, ary izay no maha-olana an'ilay hoe renin'Atra.
Nateraka izy fa tsy natao, Jesoa zany dia hafa mihitsy ary manana fahefàna tsy takatry ny saintsika satria Andriamanitra tokana olona 3 (Ray, Zanaka ary Fanahy Masina). Sa tsy izany ny anareo ? :lol:
71. Mandefitra ( 18/09/2007 09:24)
Jesosy dia Andriamanitra ka.Iny aloha tsy hiadian-kevitra.
Fa raha tianareo mo ny hiantso ny voahary ho renin'ny Mpahary atao ahoana ...

Ny hevitra mivoaka ho anareo Katolika, na de heverinareo ho tsikera aza, de fitaomana anareo mba handinin-tena hoe : mbola mitoetra @ fampianaran'i Kristy ve sa ny fampianaran'i Vatican.
Fitiavana zany fa tsy fankahalana ...
Ho aminareo ny fiadanan'ny Tompo.
72. niryna ( 18/09/2007 11:02)
1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4 Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:

5 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Sal 115:1-8

Dia io farany io no hafatry ny Tompo ho tahaka azy izay manao azy sy izay rehetra matoky azy.
Hafany io an.
73. tywa68 ( 18/09/2007 11:08)
Mandefitra : antenaiko fa samy manao izany isika vao manoratra eto, mba miangavy esory anaty loha ny raiki-tapisaka aminareo momban'ny katolika satria io no manetsina ny sofinareo sy ny masonareo ka tsy handraisanareo mihitsy ny fanazavàna entinay eto !
Samia manao ny tiany izany e fa fitiavana ihany koa no mbola hamaliana eto na dia averina in-100 aza :-*
74. piste ( 18/09/2007 11:21)
Ravehivavy, indrindra rehefa imasom-bahoaka.
Ary efa imbetsaka Jesosy no nanitsy hoe "Iza no reniko sy rahalahiko? hoy Jesoa. Ireo mihaino sy manantateraka ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra" ... rehefa nisy niteny taminy hoe ao ny reninao sy ny ralahinao, na koa hoe sambatra ny nono ninonoanao ... etc ...
Ny tena mahafahafa le fiantsoanareo azy hoe Renin'Andriamanitra anie de izao : Vo miresaka hoe Andriamanitra dia Mpahary zany, Masina, Tsitoha, efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay ...
"Mpahary ary mandrakizay fa tsy voafetra." hoy Piste teo.

Ka soso-kevitra ny anay hoe maninona ra antsoina hoe :Masin'i Maria renin'i Jesoa?


Jesosy dia Andriamanitra ka.Iny aloha tsy hiadian-kevitra.
Fa raha tianareo mo ny hiantso ny voahary ho renin'ny Mpahary atao ahoana ...


Au fond, ilay incarnation divine mihitsy no tsy azon'ny ankamaroan'ny sasany eto. Ny fahitako azy dia tsy mino ny fahatongavan'i Kristy ho Nofo izany ianareo. Satria lavinareo ny maha-zanak'olombelona azy. Ary tsy humain mihitsy izany hoe : olona niteraka anao tsy antsoinao hoe : reny fa fitaovana nivoahana fotsiny.
Raha antsoina hoe : Masina Maria renin'i Jesoa : dia inona i Jesoa io aminao ? Olombelona sa Andriamanitra ?


Ary Jesoa aza adino fa manana natiora anankiroa : dia olombelona no Andriamanitra. Amin'ny maha-olombelona azy izay no niterahan'i Maria Azy. T@ i Maria no nitorotoronana Azy. Ary mbola t@ Maria no nakany endrika sy nianarany ny maha-olombelona Azy.


Ary momba ilay hoe : Ravehivavy dia aza raisina ara-bakiteny fa hianaro aloha ny culture t@ izany fotoana izany.
Ary raha hanao référence biblique ihany dia mba aza odian-tsy hita ilay tenin'i Elizabeta raha nihaona t@ i Maria : fa iza moa aho no dia vangian'ny Renin'ny Tompoko,


Bon tsy handresy lahatra no tanjona eto fa dia fiezahana hanome fahazavana . Fa rehefa tsy mety aminareo moa dia izay izany.
75. niryna ( 18/09/2007 11:29)
[i]13 Ary tsy nisy niakatra hoa any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra.

14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona,

15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.[/I]
(l)(l) I LOVE YOU J E S U S (l)(l)
:*
76. gasynamana ( 18/09/2007 12:43)
Misaotra an'i piste sy tywa68 amin'ny fanazavana teolojika
Ka soso-kevitra ny anay hoe maninona ra antsoina hoe :Masin'i Maria renin'i Jesoa?

Hamafisiko koa ny fanontaniana hoe ho anao ry Mandefitra: Iza i Jesoa? Andriamanitra ve sa tsia? Moa mba fantatrao ve ny dikan'ny teny hoe: ravvehivavy amin'ny amin'ny Jody? teny famingavingana ve io sa fanajana?

Inona koa ny dikan'ny teny hoe: ny zanak'olona?

Farany: tsy fampianaran'i vatikana velively ny fiantsoana an'i Masina Maria hoe Renin'Andriamanitra i Maria fa diso tanteraka ianao, izao no antony:
1 - Misy fiangonana tsy mifandray amin'ny vatikana milaza fa i Maria dia Renin'Andriamanitra.
2 - Efa tamin'ny taona elabe talohan'ny vatikana no niantsona an'i Masina Maria hoe Renin'Andriamanitra.
3 - Ny Anjelin'Andriamanitra tonga nilaza ny vaovao mahafaly tamin'i Masina Maria no nilaza voalohany fa ho Renin'Andriamanitra Izy satria voafidin'Izy Ray ho renin'ny Zanany.

Farany: ahoana ramandefitra no tsy dinihina sy tsy vakina izay voalazako ery ambony ery eee! sa diso io? Raha misy diso dia lazao, fa averiko eto:
Marina fa mpahary Andriamanitra, ary isika dia zava-boaary ihany. Raha ny fandinihana amin'ny mahaolona fotsiny dia tsy mety raha ny mpahary no ateraky ny zavatra nohariany. Tsy logique mihitsy izany. Izao anefa, ny fiheveran'Andriamanitra dia tsy mba mitovy amin'ny fiheveran'ny olombelona, ka na tsy logique amintsika aza dia izay no marina aminy: natera-behivavy i Jesoa, ilay Andriamanitra Zanaka. Ary izay niteraka dia mendrika ny antsoina hoe: Reny. Ka na tsy fiteny na fiteny ny hoe renin'ny mpahary, tsy isika no nametraka azy ho renin'ny mpahary fa izy mpahary no nandray azy ho Reniny.
77. patrick2002 ( 18/09/2007 13:14)
Oh ry havana ao amin'ny Tompo ,ho aminareo anie ny fiadanana.
Tsy haiko na ny saiko no miezaka ny tsy hatakatra na ianareo no manao bontolo :-D:-D .
- zanak'Andriamanitra jesoa fa tsy Andriamanitra
mba homeo fanazavana kely izaho amin'io ,fa raha ohatra ny fanazavanao miteny hoe :zanak'Andriamanitra = Andriamanitra dia mazava no tianao hazavaina fa misaotra
marina fa zanak'alika alika ihany ,fa ny alika dia misy karazany maro misy berger allemand ,danois ,bulle dog, dalmatien, fa Andriamanitra kosa dia tokana ,ka tsy fanoharana io amiko fa ny marina dia ilay fanazavana tery ambony manao hoe papan'i Ikaretsaka ve IKaretsaka ihany? Ikaretsaka tokana :D tsy mitovy amin'iza na iza.
- Raha mino fa Andriamanitra dia Trinité Masina ianao dia tokony hino koa fa i Jesoa dia Andriamanitra. Izy no Olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina. Izy ilay Zanaka, na Andriamanitra Zanaka.


Ny Trinite masina ,ramose ah! dia tsy azo sarahina ah! izay ilay hoe ny Telo izay Iray, izay no nampianarina ahy :lol:
Ekeko ny teninao milaza hoe ilay zanaka ao @ Trinite dia i Jesoa fa raha vao mandeha ila Jesoa dia efa tsy Andriamanitra izay ,Mba hazahoanao ny teniko dia : Ny atao hoe trano dia rindrina ,varavarana ,tafo , raha rindrina fotsiny ,tsy trano ny anarany fa tamboho .
Mbola ampiko kely ny fanazavana Ny atao hoe automobile dia: carrosserie ,moteur ,pneu ,siege raha manana carosserie fotsiny ianao tsy azo lazaina fa manana tomobila :-D:-D
78. Mandefitra ( 18/09/2007 13:31)
GasyNamana: enao ihany eto de efa manitsy ny filazanao azy :
3 - Ny Anjelin'Andriamanitra tonga nilaza ny vaovao mahafaly tamin'i Masina Maria no nilaza voalohany fa ho Renin'Andriamanitra Izy satria voafidin'Izy Ray ho renin'ny Zanany.

renin'ny Jesosy zany, fony Izy tety an-tany.
@ zao fotoana zao, mbola olona ve Jesosy?
Moa tsy efa niverina naka ny tena Toerany Izy, eo an-tanakavanan'ny Ray?
Sa lasa renin'Jesosy mandrakizay Maria, hatrety an-tany ka hatrany an-danitra?
79. cutie ( 18/09/2007 13:36)
renin'ny Jesosy zany, fony Izy tety an-tany.
@ zao fotoana zao, mbola olona ve Jesosy?
Moa tsy efa niverina naka ny tena Toerany Izy, eo an-tanakavanan'ny Ray?
Sa lasa renin'Jesosy mandrakizay Maria, hatrety an-tany ka hatrany an-danitra

good point :-D:-D:-D:-D
80. cutie ( 18/09/2007 13:41)
Mpandefa : Mandefitra [ Valio ] 18-09-2007 11:00:23
Lohateny : Re : Arahaba ry Maria!
Ampiako kely Cutie hamaly ny fanontaniana.

Voalaza teo :
Ary ahoana ary no niantsoan'i Jesoa an'i Maria.Nantsoina t@ anarany ve ?

Ravehivavy, indrindra rehefa imasom-bahoaka.
Ary efa imbetsaka Jesosy no nanitsy hoe "Iza no reniko sy rahalahiko? hoy Jesoa. Ireo mihaino sy manantateraka ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra" ... rehefa nisy niteny taminy hoe ao ny reninao sy ny ralahinao, na koa hoe sambatra ny nono ninonoanao ... etc ...
Ny tena mahafahafa le fiantsoanareo azy hoe Renin'Andriamanitra anie de izao : Vo miresaka hoe Andriamanitra dia Mpahary zany, Masina, Tsitoha, efa nisy hatrizay ka ho mandrakizay ...
"Mpahary ary mandrakizay fa tsy voafetra." hoy Piste teo.

Ka soso-kevitra ny anay hoe maninona ra antsoina hoe :Masin'i Maria renin'i Jesoa

misaotra alou nisolo ahy .
Za moa tsy de mahay an'reny toko sy andininy ao @baiboly reny toy ny fanaon'ny sasany we tsy maintsy porofoina ao anatin'ny baiboly .
Fa ny tadidiko fotsiny de na t@ i jesoa nofantsihana aza de toa teo koa i Maria ary ravehivavy koa no niantsoin'i jesoa azy fa tsy reny mitsy , tsy tadidiko tsara le tena nolazainy alou fa ohtraohtran'zay le izy :-D we ny Rainy any an-danitra ihany no omeny voninahitra fa tsy i Maria mitsy :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596