Arahaba ry Maria!

21. tywa68 ( 17/09/2007 04:55)
Ika : nahoana no nisy betsaka no niova ?? satria tojo olona tia manome toko sy andininy, dia ilay hoe jesosy no averina foana, fa ny ambiny tsy mikaonty :lol: ary sendran'olona mahay miresaka sy mandambolambo (na mikiakiaka manao théâtre, manala devoly sns...)

Izay miala ao @ katolika dia olona efa tsy nahalala ny naha-katolika azy h@ voalohany. Diniho kely fa raha mahavaly sy mahalala ny antony hinoanao enao, dia tsy voarebireby @ sekta isankarazany.

Cutie : Mba teneno ary hoe iza i Maria ? iza lay tao an-kibony sy notezainy ka maty, nitsangana dia niakatra any an-danitra ?
22. Mandefitra ( 17/09/2007 06:00)
Za klo tsy katolika :)
1/Maria renin'Andriamanitra : tsy mety amiko io satria Andriamanitra efa nisy Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. renin'i Jesosy fony izy tety an-tany dia ampy sady nahalaza ny asany.
(nisy nanao vazivazy hoe ny maman'i Maria ve zany bebe an'Andriamanitra lol).
2/Mivavaha ho anay mpanota : ny fibebahana dia ianao no nahatsiaro diso meloka ka mifona @ an'Andriamanitra @ anaran'i Jesosy Kristy, de azo antoka ny famelan-keloka satria zay no nanoloran'i Jesosy ny Tenany sy Rany ho famelana ny helontsika.
Ary mbola mifona ho antsika Izy .
Romana 8:34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Ampy ho ahy ny fahasoavany.
Ka io samy manana zay heveriny ho fanantonana an'Andriamanitra, zay le ataoko hoe finoana io fa tsy iraisana
23. tywa68 ( 17/09/2007 07:05)
Mandefitra sy cutie : tsy hifandirana hoy nareo fa iza i Maria aminareo ? :lol:

24. piste ( 17/09/2007 07:29)
1
/Maria renin'Andriamanitra : tsy mety amiko io satria Andriamanitra efa nisy Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. renin'i Jesosy fony izy tety an-tany dia ampy sady nahalaza ny asany.
(nisy nanao vazivazy hoe ny maman'i Maria ve zany bebe an'Andriamanitra lol).


Raha tsy manaiky an'i MAria renin'i Jesoa ianao dia tsy manaiky ny maha-olombelona azy.
Ary inconsciemment betsaka ny mpino no tsy manaiky fa tonga olombelona natera-behivavy mitovy amintsika ilay Zanak'Andriamanitra.
Noho izany dia Renin'i Jesoa @ maha-olombelona i Maria. Ary tsy misy mahadiso fa bebeny koa i Mb Anne renin'i MAria. Izay no maha-olombelona azy. Ary raha tsy diso aho dia @ tokony voalohany ao @ Matio dia milaza mazava tsara ny tetiaran'ny razan'i Jesoa.
Fa tsy azo lavina kosa fa i Jesoa dia efa nisy hatrany @ mandrakizay satria teraky ny RAy koa izy.
Antsoina hoe Renin'Andriamanitra i Maria satria tsy afaka misaraka ny maha-Andriamanitra sy maha-olombelona an'i Jesoa. Antony dia tsy olombelona fotsiny izy na dia tonga nofo aza fa sady Andriamanitra koa.
25. gasynamana ( 17/09/2007 07:38)
Ny filazana fa Renin'Andriamanitra i Maria dia fiekena fa tena Andriamanitra sady tena olombelona i Jesoa.
I Jesoa zanak'i Masina Maria dia tsy iza fa ilay Zanak'Andriamanitra ihany, ilay olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina.

Raha mamaky ny tetiharan'i Jesoa isika dia mahita tsara ao ny hoe: Josefa vadin'i Masina Maria izay niteraka an'i Jesoa. Raha i Josefa dia azo lazaina hoe: Ray nitaiza an'i Jesoa, fa raha i Maria kosa dia tsy mety raha atao hoe ilay nitaiza azy fotsiny satria tena reny niteraka izy.

Iza no reniko sy rahalahiko? hoy Jesoa. Ireo mihaino sy manantateraka ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra, hoy ihany izy namaly azy. Ho anao moa tsy nihaino sy tsy nanatanteraka sy sitrapon'ny Ray ve Masina Maria? Moa afaka tonga nofo tao an-kibony ve ny Teny raha tsy nandray izany tamim-pitiavana sy fanajana izy? Toa odinao tsy hita ny hoe: "inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao".
26. Mandefitra ( 17/09/2007 07:41)
hoy i Piste :
Raha tsy manaiky an'i MAria renin'i Jesoa ianao dia tsy manaiky ny maha-olombelona azy.
Ary inconsciemment betsaka ny mpino no tsy manaiky fa tonga olombelona natera-behivavy mitovy amintsika ilay Zanak'Andriamanitra.

Manaiky aho ka, diso fandray ianao :
renin'i Jesosy fony izy tety an-tany dia ampy sady nahalaza ny asany.

sady io ngamba nahavaly an'i tywa.

Nijery ny tetiarana de zao no farany tao :
ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria ; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

Ny mahaOlona an'i Jesosy dia io tetiarany (Maria no reniny), fa ny maha-Andriamanitra Azy de Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, tsy nisy reniny...
27. Mandefitra ( 17/09/2007 07:59)
Hoy Gasynamana :
Iza no reniko sy rahalahiko? hoy Jesoa. Ireo mihaino sy manantateraka ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra, hoy ihany izy namaly azy. Ho anao moa tsy nihaino sy tsy nanatanteraka sy sitrapon'ny Ray ve Masina Maria? Moa afaka tonga nofo tao an-kibony ve ny Teny raha tsy nandray izany tamim-pitiavana sy fanajana izy? Toa odinao tsy hita ny hoe: "inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao".

Tsy misy manda ny fanetren-tena sy ny fankatoavan'i Maria an'Andriamanitra.
Sahy ve ianao (na ry Petera sy Paoly) raha antsoina hoe rahalahin'Andriamantra?raha io tenin'i Jesosy sy ny lojika niantsoanareo an'i Maria ho renin'Andriamanitra io no ampiharina?
Aleoko atao hoe zanak'Andriamanitra ...
28. gasynamana ( 17/09/2007 09:20)
Mandefitra: Mahagaga ahy ianao, mitonona ho zanak'Andriamanitra nefa tsy sahy mijoro ho rahalahin'ilay tena zanany. tsy avonavona ve izany? Izy Ray no efa manangana anao ho zanany nefa ianao tsy sahy manaiky ho rahalahin'ilay zanany akory???

Manaraka: Moa azo sarahina ve ny maha Andriamanitra an'i Jesoa sy ny maha olombelona azy? Moa samihafa ve ilay Jesoa Andriamanitra sy ilay Jesoa Olombelona?
29. ravatorano ( 17/09/2007 09:43)
amen !
mafinaritra e !
fa ilay teny anglisy b eo ambony io ela vao azoko kanou !
;-)
30. Fiffi ( 17/09/2007 09:58)
fa maninn aza no atao am teny anglisy eh ?
31. hery ( 17/09/2007 10:26)
Mandefitra> Sahy aho (na tsy mendrika aza) ny antsoina hoe rahalahin'Andriamanitra... raha toa ka ekenao ho Andriamanitra i Jesoa.

Saingy ny maha-rahalahin'i Jesoa ahy kosa (par attrubution) tsy mitovy @ maha-zanak'i Maria an'i Jesoa (par affiliation).

Tahaka izay io resaka lavabe nosoratan'i niryna io. Raha ireo Rahalahin'i Jesoa rehetra ao anaty baiboly no lazaina fa rahalahiny iray tam-po dia maro anaka loatra i Maria (satria misy hatrany @ Asan'ny Apostoly sns)

Tsotra ilay lojika

Jesoa = Andriamanitra
Maria = Renin'i Jesoa
=> Maria = Renin'Andriamanitra

32. kalapisokel ( 17/09/2007 11:02)
hery> Jesoa = Andriamanitraolombelona
Maria = olombelona =>renin'i Jesoa olombelona
Renin'Andriamanitra amiko midika hoe Maria no naha-Andriamanitra Azy... nefa au contraire, Maria no naha-olombelona Azy (reny amin'ny nofo fotsiny Maria)

pissoa> olona tsotra iresahana... fa maninona indray no olona efa maty no iresahana?
fa maninona koa moa no olona efa maty no angatahana hivavaka ho ahy fa tsy tonga dia zah no mivavaka amin'Andriamanitra direct?
33. pissoa ( 17/09/2007 11:15)
Kalapisokel : tsy misaraka ny mahaAndriamanitra sy mampaolombelona an'i Jesoa.
Renin'Andriamanitra amiko midika hoe Maria no naha-Andriamanitra Azy... nefa au contraire, Maria no naha-olombelona Azy (reny amin'ny nofo fotsiny Maria)

sao tokony ho lehilahy koa ny renin'ny lehilahy ? Satria izay reniny ihany no mahaizy azy :-D:-D:-D

:-D:-D:-D
pissoa> olona tsotra iresahana... fa maninona indray no olona efa maty no iresahana?
fa maninona koa moa no olona efa maty no angatahana hivavaka ho ahy fa tsy tonga dia zah no mivavaka amin'Andriamanitra direct?

1 - Maty angaha i Masina Maria ho an'ny Katolika ? (Ho an'ny Katolika hoa)
2 - Izahay tsy miavona toa anao ka :-P ... Rehefa izy aza manaiky hivavaka ho anay, misy zavatra tsara noho izany ve ? Ianao koa izao angatahiko hivavaka ho ahy, dia tsy hanao zany fa aleo za ihany no mivavaka direct :cry::cry::cry:
34. xxx ( 17/09/2007 11:35)
hery:

Tsotra ilay lojika

Jesoa = Andriamanitra
Maria = Renin'i Jesoa
=> Maria = Renin'Andriamanitra

Ary mety ve hoe :

Andriamanitra = Rain'i Jesoa
Maria = Renin'i Jesoa
=> Maria = vadin'Andriamanitra

kanefa : Maria = vadin'i Josefa
=> Josefa = ? :-P

Mba fanontaniana koa ny ahy ity :
ny fanontaniana:
Ahoana tsara moa no tena fandehan'ilay izy : embryon efa fécondé ve no napetraka tao amin'i Maria, sa zavatra ni-feconder ovule-n'i Maria ? Izany hoe mère porteuse fotsiny ve i Maria sa mère génétique mihitsy ?


Dia mba manitsy an'i gasynamana aho raha azoko tsara, fa ahitsio raha tsy azoko tsara : tsy vavaka ny 'arahaba ry Maria' fa fanajana !
35. ikaretsaka ( 17/09/2007 11:38)
Andriamanitra tonga olombelona i Jesoa ry zareo an! hatreo samy manaiky aby!

dia izao ary:
Andriamanitra no maha Andriamanitra azy
Maria no naha olombelona azy, sa tsy izany?

dia mba fanontaniana kely:
1) Raha raisintsika fa i Jesoa dia Sady Andriamanitra no olombelona
Raha ekena hoe Andriamanitra dia Rain'ny olombelona
dia maninona i Maria no tsy ekena rehefa atao hoe Renin'Andriamanitra?

2)Maninona no nisafidy olombelona (Maria) Andriamanitra hiteraka ny zanany fa tsy nataony ohatran'i Adama fotsiny? na hoe misia i Jesoa dia iny fa nisy Rangahy nipoitra nitory vaovao mahafaly?
36. Mandefitra ( 17/09/2007 12:03)
Satria Andriamanitra dia Mpahary, ary isika olombelona dia voahariny. Ka tsy tokony ho fiteny mihitsy zany hoe Renin'ny Mpahary ny zavaboariny.

37. tywa68 ( 17/09/2007 12:14)
Ka tsy hitako izay olana : iza no nitondra azy am-bohoka ? afaka natao hoe misia ohatran'ny zavaboahary raha tsy nisy naha-olombelona azy.

Fa na mère porteuse aza izy, dia izy no namoaka sy nijaly taminy aloha, reny izany amiko, ary nitaiza azy rahateo, ary voafidy nanao izany ! Iza no nifidy azy ?

Fa ny katolika indray manaja ny reny niteraka satria h@ mbola kely koa notaizàna t@zany hoe : manajà ny RAD dia ho ela velona ianao.

Masina Maria mivavaha ho anay mpanota ! amena
38. ikaretsaka ( 17/09/2007 12:18)
Mandefitra:

Satria Andriamanitra dia Mpahary, ary isika olombelona dia voahariny. Ka tsy tokony ho fiteny mihitsy zany hoe Renin'ny Mpahary ny zavaboariny.





ka i Jesoa anie ka tsy zavaboahary e!
39. tywa68 ( 17/09/2007 12:21)
Ika : :lol: maninona ny ati-doha efa voasasa ? :-D:-D
40. Mandefitra ( 17/09/2007 12:29)
hoy Ika :
ka i Jesoa anie ka tsy zavaboahary e!

Isika olombelona (Maria anisany) no zavaboahary eto ka .
Hoy tywa:
Fa ny katolika indray manaja ny reny niteraka satria h@ mbola kely koa notaizàna t@zany hoe : manajà ny RAD dia ho ela velona ianao.

Tsy misy tsy manaja ny reny niteraka, fa le fomba fiantsoana an'i Maria no nitarina ngamba ...
Eny e, anareo moa iny, saingy izy hoe natao sujet de maneho hevitra ny mpisera.Mbola anareo ihany ko ra hangata-bavaka aminy nareo (ny hevitray efa mazava).
Ny marina rahateo fisaka, fa Jesosy irery ihany no fahamarinana.
Ho aminareo ny fiadanan'ny Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.117