Arahaba ry Maria!

201. niryna ( 22/09/2007 02:11)
Tsy afaka mijery na mandray anjara indray aho fa tsy avelan'ny mpitantana e.=))=))
niryna:
Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho Izy?
Fa iray no Andriamanitra ,ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona,dia KRISTY JESOSY,Izay olona no sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra,dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. I Timoty 2:5-6
For there is one God and one mediator between God and men,thee man CHRIST JESUS,who gave himself us ransom for all men -the testimony given in its proper time. I Tim 2:5-6

Jesosy irery ihany no manelanelana ny olona amin'Atra,Izy no mitalaho amin'Atra rehefa misy ratsy atao raha mifona sy mibebaka aminy ny olona satria efa voavidin'ny ran'i Jesosy Kristy isika.

Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay[u] manatona an'Atra amin'ny alalany Izy(Jesosy) satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy Hebreo 7:25


...hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika ,dia Jesosy. Hebreo 3:1


Manana an'i Jesosy velona , Mpitsara sy Mpanelanelana ny olona,izay manelana azy amin'Atra.

Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?

Maria renin'Atra noho Izy tonga tety an-tany mba ahita ny fahoriantsika.Nomena fahasoavana izy kanefa tsy midika izany hoe hivavahana izy.Aiza ao amin'ny baiboly izany? Na iray aza tsy misy ao.Manaja azy isika fa tsy tokony hampitovy azy amin'i Kristy mihitsy.Efa voalaza fa manana rahalahy i Jesosy ary efa voalaza koa io.Ataovy izay ahazahoana famonjena fa reraka eto isika hifamaly sy samy hitazona izay fantany.Vakio ny baiboly,tsy misy tombotsoa ho azon'izay miady lava eo fa ny devoly koa mahazo vahana.Raha maty isika rahampitso,sanatria izany moa ve ba efa nibebaka,nanatona an'Atra sa dia avelan'ny satana hiady sy tsy hifamela eto? Ambava homana am-po mieritreritra.Tsy afaka mamaly aho fa tsy misy ho hitako intsony izay lazainareo(fahadimy ity izao no tsy avelan'ny tompon'andraikitra)Ny antony:azy ho azy io.
Ny toko LIOKA 6:26-27
[u]
26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.

27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihainy: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo;

202. Fiffi ( 22/09/2007 07:48)
"niryna":
Tsy afaka mijery na mandray anjara indray aho fa tsy avelan'ny mpitantana e.
"niryna":
Maria renin'Atra noho Izy tonga tety an-tany mba ahita ny fahoriantsika.Nomena fahasoavana izy kanefa tsy midika izany hoe hivavahana izy.Aiza ao amin'ny baiboly izany? Na iray aza tsy misy ao.Manaja azy isika fa tsy tokony hampitovy azy amin'i Kristy mihitsy.Efa voalaza fa manana rahalahy i Jesosy ary efa voalaza koa io.Ataovy izay ahazahoana famonjena fa reraka eto isika hifamaly sy samy hitazona izay fantany.Vakio ny baiboly,tsy misy tombotsoa ho azon'izay miady lava eo fa ny devoly koa mahazo vahana.Raha maty isika rahampitso,sanatria izany moa ve ba efa nibebaka,nanatona an'Atra sa dia avelan'ny satana hiady sy tsy hifamela eto? Ambava homana am-po mieritreritra.Tsy afaka mamaly aho fa tsy misy ho hitako intsony izay lazainareo(fahadimy ity izao no tsy avelan'ny tompon'andraikitra)Ny antony:azy ho azy io.
Ny toko LIOKA 6:26-27
[u]
26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.

27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihainy: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo
nga tsy niryna no nilaza anio ?
203. tywa68 ( 22/09/2007 08:16)
Maria renin'Atra noho Izy tonga tety an-tany mba ahita ny fahoriantsika.Nomena fahasoavana izy kanefa tsy midika izany hoe hivavahana izy.Aiza ao amin'ny baiboly izany?


Tsara aloha fa efa nosoratanao hoe renin'Atra i Maria, ny antony dia voafidy izy satria mendrika hitondra zany fahasoavana izany.
Tsy nisy niteny hoe hivavahana izy, fa angatahina hivavaka ho an'ny tena.
Ohatrany hoe hivavaho aho niryna a, ento am-bavaka re ny fahasahiranako a ! sa tsy fanao izany satria tsy misoratra anaty baiboly ?:-*
204. pissoa ( 22/09/2007 09:00)
Fijo : ataovy valiny amin'ny toerana iray raha mety fa manjary averimberina be le izy ! (efa nosoratan'fijo tary am'le kalolika mandozy ito)

fijo:
pisoa an,ka andriamanitra anie no lazaina fa nahary izao tontolo izao e,raha nisy reny izy,de ny tsy nahary izao tontolo izao izany satria mbola nisy nahary azy aloha

1 - Ny hoe reny tsy midika mihitsy hoe mpahary !
2 - Ary Andriamanitra Ray mpahary an'izao tontolo izao raha tsy diso za ... Andriamanitra Zanaka no mamparenin'Andriamanitra an'i Maria.
205. tywa68 ( 22/09/2007 09:11)
:lol:
206. bosista ( 22/09/2007 14:35)
ny reny tsy maintsy ambony foana raha resaka realite no jerena na dia tsy mitovy aza ny asanareo,ohatra menagere izy de ianao docteur,ho anao manokana tsy hahambany ny reninao velively ny tsy fitovianasa eo aminareo roa amboninao izy,fa raha amin'olonkafa de ianao no ambony satria ny olonkafa dia resaka asa no anamboniany anao satria izy tsy misy affaire miaraka amin'ny reninao,ka raha ohatra fa raikitra fa renin'A/TRA I MARIA dia ambony izy par le realite -
-raha ohatra A/TRA zanaka no mampaharenin'A/TRA an'i maria dia ahoana ,aiza ho aiza izy eo anatrehan'ny A/TRA RAY ???? LASA INNN INDRAY?
207. ikaretsaka ( 22/09/2007 14:49)
ho anao manokana tsy hahambany ny reninao velively ny tsy fitovianasa eo aminareo roa amboninao izy,fa raha amin'olonkafa de ianao no ambony

ary raha miteny sy milaza ialahy hoe mpanaraka an'Andriamanitra fa tsy olon-kafa.. dia ahoana?:wink:
208. pissoa ( 22/09/2007 15:11)
bosista:

ny reny tsy maintsy ambony foana raha resaka realite no jerena na dia tsy mitovy aza ny asanareo,ohatra menagere izy de ianao docteur,ho anao manokana tsy hahambany ny reninao velively ny tsy fitovianasa eo aminareo roa amboninao izy,fa raha amin'olonkafa de ianao no ambony satria ny olonkafa dia resaka asa no anamboniany anao satria izy tsy misy affaire miaraka amin'ny reninao,
ka raha ohatra fa raikitra fa renin'A/TRA I MARIA dia ambony izy par le realite -

Mety ho ambany ny reny. Na fitondra-tena na fahaizana amam-pahalalana na fahefana etc mety ahitana izany daholo. Ny ray aman-dreny aza tena maniry ny zanaka ho lasa ambony sy tafita noho izy (enfin, tsy haiko ny anareo fa ny ahy aloha dia manosika sy mankahery ahy hatrany e :lol: ). Amin'ny fiainana kosa dia tena manaja ny reniny ny olon-kendry na inona kilema sy fahalemen'ny reniny.

-raha ohatra A/TRA zanaka no mampaharenin'A/TRA an'i maria dia ahoana ,aiza ho aiza izy eo anatrehan'ny A/TRA RAY ???? LASA INNN INDRAY?

Ie, Andriamanitra Zanaka no mampaRenin'Andriamanitra an'i Masina maria. Tsy mampiova ny fifandraisan'Andriamanitra Ray sy Masina Maria anefa izany. Heverinao fa hiteny angaha izahay hoe vadin'Andriamanitra Ray i Maria ? Tsy dia tsy. Ety an-tany aza dia efa tsy voatery hivady ny ray sy reny :lol: Tsy mampitovy an'i Masina Maria amin'Andriamanitra Ray koa izany raha izay no andrasanao hoteneninay. Tsy mitovy satria efa fantatra fa ny Ray dia Andriamanitra ary i Maria olombelona.

Izany rehetra izany tsy mahafoana ny maharenin'Andriamanitra Azy. :wink:
209. tywa68 ( 22/09/2007 18:32)
pissoa sy Ikaretsaka : :lol:

Bosista : avelao ny réalité sy ny raisonnement-nao : dia aza misafotofoto fa Andriamanitra d hafa mihitsy ary tsy azonao atao ambanin'iza n'iza ! betsaka ny voasoratray teto momban'izany fa dia avereno vakiana moa e ! :-*
210. Rasiligaoma ( 23/09/2007 12:56)
Arahaba ry Maria feno hasoavana. Ny Tompo ao aminao. Nohasoavina noho ny vahivavy rehetra ianao. Ary nohasoavina i Jesoa ilay nateraky ny Kibonao

Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro hafatesanay. Amen.

Io no Ave Maria ( na arahaba ry Maria). Mizara roa izy io. Ny voalohany dia tonom-bavaka nataon'ny Anjely (ao amin'ny Baiboly), ny faharoa kosa dia vavaky ny Fiangonana Katolika.

Fanontaniana:
1 - Aiza ao amin'io vavaka io no milaza fa manompo sampy ny katolika?
2 - Aiza ao amin'io no manohitra izay voalaza ao amin'ny Baiboly?

mbola tsy voavaly ilay fanontaniana...
211. deric ( 26/09/2007 06:23)
Masina Maria Renin'Andriamanitra, mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro hafatesanay. Amen.
Raha i Maria no asaina mivavaka ho atsika mpanota; Aiza i Maria amn'izao fotoana? I JEsoa ihany no lazain'ny soratra masmina fa eo an-kavanan'Andriamanitra ka mifona ho atsika f atsy mismy toeran'i Maria eo. Maria koa maty toy ireo mpino rehetra niaraka taminy fa tsy niaka-belona izany (tsy voamarina amin'ny baoboly mantsy io fiakarany io, ka ialako tsiny raha mivantana be le...
Ka raha izay efa maty no mbola handrandraina hivavaka ho atsika, mitovy amin'ny fiantsona y razana hitahy ihany izany. Eo angamba no mety hilazan'ny sasany fa manompo sampy isika, satria miantahitra amin'ny maty efa lasa-ko razana.
212. fijo ( 26/09/2007 21:37)
fa jesoa ngaha tsy maty?????samy efa tsy misy tazana na maria na jesoa
213. tywa68 ( 28/09/2007 10:28)
aiza moa ny sasany no tsy hamorona secte :-D:-D
214. deric ( 05/10/2007 10:14)
Jesoa Kristy dia maty noho ny fahota-tsika,maty ka dia nalevina, nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny soratra masina ary mipetraka eo an-kavanan' Andriamanitra.
Fa i Maria: niara-nivavaka tamin'ireo apostoly taorian'ny niakaran'i Jesoa any an-danitra dia izay... tsy misy filazana azy intsony.
215. tywa68 ( 05/10/2007 10:58)
deric : tsy misy misoratra mitantara azy, fa nisy nahita azy nolazainy hafatra ... d ahoana ? mino sa tsia ? :lol:
216. Azrael666 ( 15 andro lasa)
Sahirana amin-javatra hafahafa ny olona t@ 2007
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3493