Fitsanganana @ maty

181. rush ( 03/07/2007 21:14)
zava-dehibe eo @ kristiana koa zany ny filazana oul refa tsy mitovy hevitra aminy de we misy devoly sy marary saina:-D:-D:-D:-D
tsia!!!tsy niteny an'io kosa aho ry cutie a!@ fomba ahoana moa no ilazako an'izany e?
de aiza @ io ny resaka fandeferana e:-D
ny fandeferana sy ny famelana @ ankapobehiny no nolazaiko fa tsy hoe @ io voalaza io fotsiny a!
Tsy misy....
marina fa tsy misy,saingy ny famelana sy ny fandeferana amiko dia tafaraka foana e!
hatraty no gaga
gaga ianao satria inona moa no nidiran'ny fandeferana @ ny voalaza?dia io nolazaiko io hoe ny fandeferana sy ny famelana dia miaraka,raha tsy misy ny fandeferana,tsy hisy velively ny famelana!sa ve raha ohatra ka nisy fahadisoana nataon'ny olona iray dia tsy hasiana fandeferana mihintsy fa samy hiziriziry @ azy eo foana?raha misy ny fandeferana dia manaraka ny famelana!amiko aloha io fa ny anareo indray no tsy aiko e!
182. cutie ( 03/07/2007 21:19)
rush
vakio hatrany am-boalahny mitsy le size, hatramin'le nataon'i fanambinana, fa mifampitohy daholo reo .
:lol:
De ho azonao ny nidirako t@ le fifandeferana:lol:
183. Fanambinana ( 03/07/2007 21:28)
aza afangaro ny resaka fa izay no tsy mety. Tsy noho ianao tsy mitovy hevitra amin'ny hafa no ilazana fa misy demony ianao fa noho ianao voagejan'ny fankahalana tafahoatra, ka tsy afa-mandinika intsony.
Toy izany koa i marozevo: tsy nanana raison tena marina ilazana an'i gasynamana ho secte fa dia entim-pahakalana fotsiny, ary mbola nisisika hatramin'ny farany te hanamarin-tena foana.
184. rush ( 03/07/2007 21:30)
cutie:
De ho azonao ny nidirako t@ le fifandeferana:lol:
tena azoko tsara ny antony nidiranao t@ ilay fandeferana ka!fa raha novakianao tsara koa ilay nolazaiko hoe raha tsy misy ny fandeferana tsy hisy ny famelana e!@ fomba ahoana moa ny hamelana olona raha tsy misy ny fandeferana?
"marozevo":
Ampy ho anao izay. Aza manketo fa olona efa voan'ny demony daholo ny eto. Olona tsy maty voalavo an-kibo no eto. Olona mifampitsikera no eto. Olona tsy mitovy toe-tsaina aminao no eto. Raha mahita tsaratsra kokoa noho izahay ianao dia mandehana any... Tsara tso-drano.
io nolazain'i marozevo io no namaliako hoe
"rush":
aza manao an'izany kosa marozevo a!aiza ho aiza ary ny toeran'ny fandeferana sy ny famelana @ isika kristiana?mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay izay meloka aminay e!
na dia tsy misy hidiran'ny fandeferana @ ilay voalaza aza dia mbola averiko indray fa amiko aloha dia raha tsy misy ny fandeferana tsy hisy izany famelana izany a!


185. cutie ( 03/07/2007 21:32)
Tsy noho ianao tsy mitovy hevitra amin'ny hafa no ilazana fa misy demony ianao fa noho ianao voagejan'ny fankahalana tafahoatra, ka tsy afa-mandinika intsony.

fankahalana taiza moa zany:roll::roll::roll:
porofoy raha mahita, sa nitsara tety ivelany njay :-D:-D:-D:-D
186. Fanambinana ( 03/07/2007 21:37)
cutie:
Misy ny soratra mipetraka fa tsy hoe teny mandalo akory ny eto e.

De sahinao ve no milaza fa tsy nankahala ireo olona notanisaiko anarana ireo ianao? Raha sahinao ny milaza fa tsy nisy an'izany dia izay izany koa.

187. cutie ( 03/07/2007 22:12)
Fa manin moa za no hankahala an'i fiffi na i rush?:roll:
enao milaza anahy we mankahalan'reo manin tsy omena ny porofo, zay nge no tsy azoko :roll::roll::roll:
za manko tsy mahita porofo ary tsy mahita ny antony .
hay ny azy avy any no entiny hanaovana oso-potaka oul we marary saina sy misy devoly ,nefa izy aza tsy mahalala ny antony akory fa mandray zay tsy tokony ho raisina sy mandray an-tendrony.
Hita @ zay zao we iza no marary saina sy misy devoly :-D:-D:-D:-D:-D
188. gasynamana ( 03/07/2007 22:21)

Hoy ny soratra masina: "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"

"Izay tsy tianao atao amin'ny tenanao aza tao amin'ny hafa"

Anjaranareo ny mandinika ireo fa tsy te hiditra amin'ity resaka ity aho.
189. ikaretsaka ( 03/07/2007 22:21)
Mahasondriana ahy ity:
tsy nanana raison tena marina ilazana an'i gasynamana ho secte fa dia entim-pahakalana fotsiny, ary mbola nisisika hatramin'ny farany te hanamarin-tena foana.


eny ary, ny raison hono mivaly reaison:

-efa tsy ananana izany ilay raison maha secte azy
-inona ary ny raison tena marina hahafahana miteny an'i gasynamana ho tsy secte e?

Marihina fa : tsy misy momba na mankahala an'iza na iza eo fa mba sondriana amin'ilay raison fotsiny!
Miala tsiny be dia be amin'i gasynamana raha izy no lasa natao reference :oops:
190. cutie ( 03/07/2007 22:40)
misy adinoko
hay tokoa moa za mbola lazain'i Fanambinana we mankahala an'i gasynamana koa, de mbola in koa hono ny antony ,na izy aza oul tsy fantatro akory :-D:-D:-D
191. diamondra27 ( 03/07/2007 22:56)
tsy naharaka ndray za teto fa lavabe ny resakareo.

De ahoana le fitsanganana @ maty?
Le toko sy andininy tsy misy manome fa ahona? lasa
resaka ps resaka fanambinana resaka demony le izy de fanina diams
de naninona raha nitohizana xxx ihany mba suspens...
________________________


hery: hay ve azo avoaka tahaka izao le xxx e!
Ze rehetra mangataka hoe: avoahy ry hery ny ps zany de valianao daholo ve? sa mba manatombo kely le eto.
be de be le mpanao xxx any @ dinika hafa sy manaraka ahy tany @ dinika hafa fa bofff ze tiany ihany io satria mila besoin izy mba hi-apaiser azy sinon mety hi-peter le plomb izy. Refa faly izy de mangina.

tokony asiana dinika fanalàna refa libre ato @ serasera fa toa misy olona manana besoin an'zay.
Resaka vavaka no atao lasa mi-itatra zavatra hafa foana
zao lasa tsy hita tsony pasitera prime:(:(
192. cutie ( 03/07/2007 22:59)
DM:-D:-D:-D:-D:-D
193. ikaretsaka ( 03/07/2007 23:46)
arakaraky ny afitsok'ilay xxx koa no hamoahana hoe iza ilay xxx ka
194. cutie ( 04/07/2007 00:17)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 04-07-2007 01:46:13
Lohateny : Re : Fitsanganana @ maty
arakaraky ny afitsok'ilay xxx koa no hamoahana hoe iza ilay xxx ka

ekena :lol:
195. diamondra27 ( 04/07/2007 00:27)
cutie:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 04-07-2007 01:46:13
Lohateny : Re : Fitsanganana @ maty
arakaraky ny afitsok'ilay xxx koa no hamoahana hoe iza ilay xxx ka

ekena :lol:


_______________________

:-D:-D

sao de manaiky mba tsy hifandirana?
196. cutie ( 04/07/2007 00:43)
sao de manaiky mba tsy hifandirana?

:roll::roll::roll::roll::roll:
hita fa marina io koa
sa in njay no tokony holazaiko hoy DM :-D:-D:-D:-D
197. diamondra27 ( 04/07/2007 01:37)
ity aloha le verset e!


I korintiana 15
milaza momban'ny fitsanganana @ maty
mazotoa mamaky sy mandinika



1 Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,

2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana hianareo.

3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,

4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;


5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.

6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ny anakamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.

7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.

8 Ary faran'izy rehetra, izaho izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.

9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan' Andriamanitra aho.

10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.


11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.

12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?

13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;


14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.

15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty dia tsy mba natsangany Izy.

16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;

17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany hianareo;

18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.


19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.

20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.

21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.

22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.

23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.

24 Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.

25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal 110:1) .

26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.


27 Fa "ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony" (Sal 8:6) . Fa na dia hataony hoe aza: ''Ny zavatra rehetra no nampanekena," dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.

28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.

29 Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin' ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?


30 Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?

31 Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan-andro aho.

32 Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia "aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty" (Isaia 22:13) .

33 Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.

34 Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.

35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?


36 Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;

37 ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary, na voa hafa;


38 fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.

39 Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.

40 Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny ety an-tany.

41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana, fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.

42 Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalovana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalovana;

43 afafy amn'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;

44 afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.

45 Ary araka izany koa no voasoratra hoe: "Adama voalohan-dahy natao manan-aina" (Gen 2:7) ; Adama farany natao fanahy mahavelona.

46 Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan-aina, dia vao izay amin'ny fanahy.

47 Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.

48 Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.


49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'Ilay any an-danitra koa.

50 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.

51 Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,

52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.

53 Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.

54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:"Ny fahafatesana noresena ka levona" (Isaia 25:8) .

55 "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14) .

56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

57 Fa isaorana anie Andriamanitra Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

58 Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.

dia inona ny fanontaniana?
198. diamondra27 ( 04/07/2007 01:39)

54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:"Ny fahafatesana noresena ka levona" Isaia 25: 8
199. cutie ( 04/07/2007 01:41)
DM
lava be izy zany 8O
200. cutie ( 04/07/2007 01:46)
dia inona ny fanontaniana?

de ahoana le oul maty talohan'ny jesosy :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0093