Fitsanganana @ maty

1. xxx ( 30/06/2007 11:26)
Mino an'izany fitsanganana @ maty izany ve ianareo? Maro no zavatra voalazta ao SM fa ny finoana @ fitsanganana @ maty dia mampimpoitra fifanakalozan-kevitra mahery ka mba omeo valiny raha mba mety? Ary miala tsiny raha mampiditra ity soso-kevitra ity fa vao avy nahare loza isika saingy raha misy milaza hoe misy marina ny fitsanganana @ maty indray andro dia mbola manana fanantenana izany fa hihaona indray? Ka isika rehetra afaka milaza ny tokony sy andiny fa SM aho tsy manana eto an-tanako.
novalian'i marozevo ny 13/07/2007 22:21
2. rush ( 30/06/2007 12:57)
xxx:
raha misy milaza hoe misy marina ny fitsanganana @ maty indray andro dia mbola manana fanantenana izany fa hihaona indray?
fa nahoana io no tsy marina?Jesoa koa nitsangana t@ maty!mbola hihaona avokoa ny olombelona rehetra rahatrizay!io ny fanantenana satria misy ny finoana!raha tsy misy ny finoana tsy ilaina akory ny hiadian-kevitra @ izany!


3. ikaretsaka ( 30/06/2007 12:59)
anisan'ny voasoratra mibaribary sy voalaza ao @ fiekem-pinoana ny hoe
..."izaho mino ny fitsanganana @ maty , sy ny fiainan-ko avy'
4. rush ( 30/06/2007 13:00)
izaho mino ny fitsanganan'ny tena @ maty,ary ny fiainana mandrakizay!io koa dia anisany!
5. marozevo ( 30/06/2007 18:25)
Ary miala tsiny raha mampiditra ity soso-kevitra ity fa vao avy nahare loza isika

Inona ilay loza ? Izaho tsy nandre...

"Raha miara-maty amin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa".

"Raha tsy misy, hoy i Paoly, ny fitsanganana amin'ny maty, dia ho foana ny Vaovao Mahafaly, ary ho foana koa ny fitoriana ataonay".

Noho izany, izaho koa mino fa misy ny fitsanganana amin'ny maty.
6. cutie ( 30/06/2007 19:00)
ary ahona ny oul lasa any @ afobe :-D
7. rush ( 30/06/2007 19:07)
cutie:

ary ahona ny oul lasa any @ afobe :-D
may kila firehitra!


8. cutie ( 30/06/2007 19:08)
efa tafantsangana @ maty ve le oul vo may kila firehitra:roll:
9. rush ( 30/06/2007 19:13)
cutie:

efa tafantsangana @ maty ve le oul vo may kila firehitra:roll:
amiko aloha dia tafatsangana @ maty ilay olona dia notsaraina izay tandrify azy izy e!ary raha mpanota tsy misy ohatran'izany tsy mba nahay nibebaka fa dia nanota hatrany dia any @ afo be ny sahazy azy!izay no mba heritreritro e!


10. cutie ( 30/06/2007 19:14)
de aiza io afobe io :roll:
11. rush ( 30/06/2007 19:16)
satria raha maharaka tsara i cutie dia izao no voasoratra>>>>>ary avy any no hiaviany indray hitsara ny velona sy ny maty>>>>>>ka io maty io,raha heritreretina dia @ fomba ahoana moa ny hitsarana azy raha tsy tafatsangana t@ maty aloha izy izay vao tsaraina?dia ahazo ny tandrify azy avy eo e!
12. rush ( 30/06/2007 19:18)
cutie:

de aiza io afobe io :roll:
mino aho fa any ankoatra any io e!


13. cutie ( 30/06/2007 19:21)
afobe= fasana zany fa tsy afo akory :roll:
14. rush ( 30/06/2007 19:26)
cutie:

afobe= fasana zany fa tsy afo akory :roll:
ahoana hoe ry cutie a?@ nao ny fasana=afobe?dia ho any @ afobe avokoa izany ny olona rehetra rehefa miala ety?dia ahoana ary?halevina aiza ny olona ry Mlle cutie rehefa maty?tsy any am-pasana?any am-pasana afobe?tsia!diso ianao!ny afobe dia toerana natokana ho an'ny olon-dratsy izay voatsara t@ andro farany!ny vatana no halevina any am-pasana fa ny fanahy kosa dia any @ afobe na any @ fiainana mandrakizay!


15. cutie ( 30/06/2007 19:27)
ka we ankoatra koa :roll:
16. cutie ( 30/06/2007 19:32)
ahoana hoe ry cutie a?@ nao ny fasana=afobe?dia ho any @ afobe avokoa izany ny olona rehetra rehefa miala ety?dia ahoana ary?halevina aiza ny olona ry Mlle cutie rehefa maty?tsy any am-pasana?any am-pasana afobe?tsia!diso ianao!ny afobe dia toerana natokana ho an'ny olon-dratsy izay voatsara t@ andro farany!ny vatana no halevina any am-pasana fa ny fanahy kosa dia any @ afobe na any @ fiainana mandrakizay!

fa nga moa tsy we atsangana @maty njay :roll:
17. rush ( 30/06/2007 19:32)
cutie:

ka we ankoatra koa :roll:
fantatrao ve aloha ny dikan'io hoe any ankoatra io?io no hilazako azy fa tsy hoe any an-danitra!


18. cutie ( 30/06/2007 19:33)
ankoatra zany amiko fasana:lol:
19. rush ( 30/06/2007 19:34)
cutie:

fa nga moa tsy we atsangana @maty njay :roll:
natsangana t@ maty aloha mba hitsarana azy @ andro farany!dia avy eo vao mahazo izay tandrify azy!


20. rush ( 30/06/2007 19:36)
cutie:

ankoatra zany amiko fasana:lol:
tsy maninona ry cutie a!izay izany no fandraisanao azy fa ny ahy indray dia any an-danitra!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2068