Fitsanganana @ maty

41. cutie ( 30/06/2007 21:01)
tsy misy iraharahiako ze lazain'i xxx nge e
izy ihany no reraka @adalany eo :-D
rush , ho hitantsika eo zany e :-D
42. cutie ( 30/06/2007 21:04)
sady na miovaova ps impolo aman-jato aza , fantatra foan ny IP:-D
43. rush ( 30/06/2007 21:12)
iza no miovaova ps ry cutie?izaho ve?
44. cutie ( 30/06/2007 21:14)
tsy miteny we iza za fa ze miovaova ps fotsiny ka :-D
45. marozevo ( 30/06/2007 21:15)
Io ndray reto fa hifandramatra am tsisy fotony eo. Tsy misy onenan'ny devoly zany eo eh... Tsy misy mararay saina koa fa hevitra tsy mitovy na hevitra tsy azo.

Raha heverin'i cutie fa afobe ny fasana dia izay izany no heviny. Aoka hajaina amin'izay izy, dia ampy izay, fa aza tsaraina hoe misy demony zany izy. Afobe izany ny fasany. Fa ny anay kosa aloha ny fasana tsy afobe izany eh...

Jereo tsara izay voalaza ao amin'ny Matio : 25, 1-13 sy 25, 31-46, dia ho azonao ny atao hoe afobe sy fiainan-danitra.

46. cutie ( 30/06/2007 21:16)
Raha heverin'i cutie fa afobe ny fasana dia izay izany no heviny. Aoka hajaina amin'izay izy, dia ampy izay, fa aza tsaraina hoe misy demony zany izy. Afobe izany ny fasany. Fa ny anay kosa aloha ny fasana tsy afobe izany eh...

ka mbola tsy haiko le dikan'le atao we afobe hatramizao :-D
47. marozevo ( 30/06/2007 21:25)
Ny dikany dia hoe : Sazy mandrakizay ho an'izay tsy nanao ny tsara teto an-tany. Izay no dikany, fa ny hoe aiza no misy azy, tsy misy mahita an'izany.

Ny lanitra kosa, dia tsy io habakabaka hitantsika io, fa fahasoavana mandrakizay ho an'izay nanao ny tsara teto an-tany.

Tsarovy, ry cutie, fa mora ny manao ratsy noho ny manao tsara. Mila ezaka be ny fanaovana ny tsara. Jereo ilay Matio 25, 31... voalaza ao ambony. Ka raha hitovy ihany ny fiafaran'ny tsara sy ny ratsy, tsy aleo ve manao ny ratsy. Nefa ianao tsy manao ratsy. ka inona ary no tanjonao tsy anaovanao ny ratsy ?
48. cutie ( 30/06/2007 21:30)
ka le resaka fitsanganana @maty nge no resahian eto e .
Ka refa avy voatsara , de ze manao ny tsara , mankany an-danitra , de ze manao ratsy mankany @ afobe
ka le afobe io no tsy haiko we aiza, sy in no dikany. Sazy hoy i marozevo.:lol:
49. marozevo ( 30/06/2007 21:33)
ie... izay no resaka ka... ary izany mihitsy no lazaiko eo raha novakianao tsara.

Azafady mba vakio indray mandeha sao dia novakianao maika loatra.
50. cutie ( 30/06/2007 21:35)
mbola tsy nojereko le matio :oops:
51. marozevo ( 30/06/2007 21:37)
Tsy ilay Matio io asaiko iverenana vakiana io, fa ity voalaza ity :

Ny dikany dia hoe : Sazy mandrakizay ho an'izay tsy nanao ny tsara teto an-tany. Izay no dikany, fa ny hoe aiza no misy azy, tsy misy mahita an'izany.

Ny lanitra kosa, dia tsy io habakabaka hitantsika io, fa fahasoavana mandrakizay ho an'izay nanao ny tsara teto an-tany.

Tsarovy, ry cutie, fa mora ny manao ratsy noho ny manao tsara. Mila ezaka be ny fanaovana ny tsara. Jereo ilay Matio 25, 31... voalaza ao ambony. Ka raha hitovy ihany ny fiafaran'ny tsara sy ny ratsy, tsy aleo ve manao ny ratsy. Nefa ianao tsy manao ratsy. ka inona ary no tanjonao tsy anaovanao ny ratsy ?


Vakio tsara indray mandeha, dia ho azonao.
52. cutie ( 30/06/2007 21:40)
Azoko ka
afobe=sazy mandrakizay
lanitra=fahasoavana mandrakizay :lol:
53. marozevo ( 30/06/2007 21:43)
ie... izay...
Ndàna aloha jereo ilay loha-hevitra momba ny Salamo fa misy zavatra natolotro ho anao any.
54. cutie ( 30/06/2007 21:44)
ok:lol:
55. marozevo ( 30/06/2007 21:55)
Raha atao amin'ny teny fohy ilay voalaza ao amin'ny Matio 25,31 dia izao :

Tsy ny mpanao ratsy ihany no mankany amin'ny afobe (sazy mandrakizay), fa izay tsy manao ny tsara koa. "Tany am-ponja aho tsy novangianareo... narary aho tsy notsaboinareo... tsy nitafy aho tsy nomenareo hotafiana...."

Ilay Mt 25, 1.... kosa dia izao : "Miomàna fa ho avy amin'ny fotoana tsy fantatra ny mpampakatra (Kristy)". Izay vonona ihany (Zazavavy dimy hendry) no miaraka aminy miditra ao amin'ny fampakarana, fa izay tsy vonona satria tsy niomana (zazavavy dimy adala), dia hijanona any ivelany....
56. cutie ( 30/06/2007 21:59)
marozevo
de aiza no iafarantsika ty :-D:-D:-D:-D
vazivazy iny :lol::-*Italic text
57. marozevo ( 30/06/2007 22:02)
Ny entim-belona no enti-maty ka...

Raha nanao ny tsara isika dia siora fa ataony eo an-kavanany, ka handova ny fiainana feno fahasoavana mandrakizay.

Raha miandry amim-pahamalinana toy ireo zazavavy dimy hendry isika, dia hiditra miaraka aminy ao amin'ny fampakarana.

"Toy ny ampakarina ny Fiangonana, miantso an'i Kristy ilay Mpampakatra".
58. cutie ( 30/06/2007 22:04)
Raha miandry amim-pahamalinana toy ireo zazavavy dimy hendry isika, dia hiditra miaraka aminy ao amin'ny fampakarana

iz anajy le zazavavay dimy
59. marozevo ( 30/06/2007 22:06)
Tsy azoko ny fanontaniana io....
60. cutie ( 30/06/2007 22:08)
Raha miandry amim-pahamalinana toy ireo zazavavy dimy hendry isika, dia hiditra miaraka aminy ao amin'ny fampakarana.

io no tsy azoko :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2084