Fitsanganana @ maty

241. cutie ( 08/07/2007 22:13)
hay
fa nisy in tany am-piangonana:lol:
242. marozevo ( 08/07/2007 22:38)
Tam Sabotsy nisy "récital de chansons" nanomboka tamin'ny efatra hariva, ary omaly Alahady (efa lundi aty izao) nivavaka tany am-piangonana, avy eo nanao picnic izahay mpiara-mivavaka rehetra.
243. cutie ( 08/07/2007 23:02)
milay zany :)
miverina forum njay zany
ahona i marozevo @iolazain'i Ika io :lol:
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 07-07-2007 22:33:07
Lohateny : Re : Fitsanganana @ maty
ary ahoana indray ilay voalaza ao @ joany 6: 25, 26,29,32,35 angamba izy izay)
Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra
Raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako ianareo dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay... ary izaho hanangana anareo amin'ny andro farany


Tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny Rako...

dia "any izany" ve no dikany?! ho an'ireo "tsy mihinana ny vatany sy tsy misotro ny Ra-ny"? (Joany 6,47-59)

"ny teny tonga nofo... ny nofo tonga mofo!"
tsy azo tokoa izany, ahoana no maha possible an'izany? hozy ny Jiosy sy izay nanaraka azy teo! dia betsaka ny niala!

dia handeha koa ve nareo? hoy izy, ho aiza moa Zahay hoy i Piera! (Joany 6:60-70)
244. marozevo ( 09/07/2007 23:00)
Voalohany aloha dia ndao fenoina tsara io phrase farany io : "Ho aiza moa izahay, hoy i Piera, ianao no manana ny Tenin'ny Fiainana mandrakizay".
raha tsy mihinana... Io aloha no nolazain'i Kristy, tsy afaka hanova an'io isika, nefa kosa mba afaka mandinika ihany.... Mety hoe misy endrika samihafa no andraisana ny TENY sy ny TENA, fa tsy voatery hoe ilay fombantsika mandray ihany. Ny tiako holazaina dia ity : "Amin'izay ato anatiny, dia misy ny any ivelany; ary amin'ireo any ivelany, dia misy ny ato anatiny". Efa voaresaka tany ho any io.

Samihafa anefa ny hoe minia tsy mandray, nefa mahafantatra, sy ny hoe tsy mandray satria tsy mahafantatra na tsy nahafantatra.
245. cutie ( 09/07/2007 23:47)
"Amin'izay ato anatiny, dia misy ny any ivelany; ary amin'ireo any ivelany, dia misy ny ato anatiny". Efa voaresaka tany ho any io.

tsy mazava :roll:
in no ifandraisan'zany @ teny , tena , nofo , mofo :roll:
246. ikaretsaka ( 10/07/2007 16:48)
ny teny tonga nofo.. ny nofo tonga mofo, ..ary izy niara nonina tamintsika.. ary izy mbola miara monina amintsika(ao anatintsika) isaky ny mihinana izao mofo izao isika sy misotro amin'izao kalisy izao
247. cutie ( 10/07/2007 16:50)
ok:)
248. marozevo ( 13/07/2007 18:04)
Ny ifandraisan'io ve amin'ny nofo... mofo ... sns ve no tsy azon'i Cutie. Izao ary : Nilaza i Jesoa hoe "Izay mihinana ny nofoko dia mitoetra ao amiko ary izaho ao aminy".

Dia lasa amin'izay ny zohin-kevitra : Misy ny mihinana nefa tsy mitoetra ao amin'i Kristy... iza io ? Tsy haiko, sady tsy natao hitsara izany aho. Misy ny tsy mihinana, nefa tena miaina araka ny fiainana Kristianina.

NB : Amin'izay ato anatiny.... Tsy tenin'i Marozevo akory io fa citation.
249. ikaretsaka ( 13/07/2007 21:09)
mitovy fijery @ marozevo. fa ny famaliana an'io amiko dia ny fandinihin-tena ataon'ny tsirairay
250. cutie ( 13/07/2007 21:44)
efa mazava o :P
251. marozevo ( 13/07/2007 22:21)
tsara....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4802