Fitsanganana @ maty

201. ikaretsaka ( 04/07/2007 01:59)
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny tori-teninay, ary foana koa ny finoanareo.



Nitsangana angamba no mahalaza azy kokoa fa tsy natsangana...
satria i Kristy amiko dia Andriamanitra ka mahay manangana ny tenany fa tsy mila zavatra hafa hanangana azy!
202. cutie ( 04/07/2007 02:00)
nga tsy avy ao @ baiboly io teny io ry Ika:roll:
203. ikaretsaka ( 04/07/2007 02:06)
mety baiboly diso dika na diso ny nandikana ilay tena tiana holazaina
204. diamondra27 ( 04/07/2007 09:02)
ika: anaty baiboly gasy ananako io
omeo ndray aza ny version ny baiboly hananao hoe: handinihina azy?

I Cor 15:17
15:17 And if Christ has not been raised, your faith is useless; you are still in your sins. 15:18 Furthermore, those who have fallen asleep10 in Christ have also perished.


15:16
Car si les morts ne ressuscitent point, Christ non plus n'est pas ressuscité.
15:17
Et si Christ n'est pas ressuscité, votre foi est vaine, vous êtes encore dans vos péchés,

15:18
et par conséquent aussi ceux qui sont morts en Christ sont perdus.

cutie: ye lavabe satria zay no mahalaza le fitsanganana @ maty , tsy azo tapatapahana araka ze mahafaly ny fo.
Io zany zao de azo hanaovana étude biblika isaky ny andininy koa. Se referer @ verset hafa etc...

205. ondinion ( 04/07/2007 13:01)
Ondinio :
Marihin'ny baiboly aloha fa ny maha kristiana dia tsy hoe: fanekena fa misy Kristy, fidirana am-piangonana, fanaovana asa soa,fifadiana ny ratsy isan-karazany...,fa Izay olona nateraka indray (Jao 1:12-13) sy (Jao 3 : 3) I.e MILA HATERAKA INDRAY NY OLONA NA HOE HATERAK'A/TRA.
-Zanaky ny devoly izay hivelan'io (Jao 8 : 44) Tsy misy ny eo anelanelany @ A/tra, vao mainka ratsy aza( fa satria matimaty ianao...dia efa HALOAN'NY VAVAKO;Apo 3 : 16 )
-VALINY : Matio 10: 42 Ary na zovyna zovy manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza...
-Ary raha famonjena ny fanahy indray dia tsy maintsy dia tsy misy lalana hafa afa tsy i JESOSY KRISTY (Jao 14 : 6) sy ny ( Asa 4 : 12 ). Mahereza e !
206. ikaretsaka ( 04/07/2007 13:10)
ilay teny (version ) hafa nomenao ireo dia mety sy mahalaza tsara ny tiana ambara...

ilay baiboly gasy anananao tokoa angamba no hafa ny nandikana azy ka lasa nampivoana kely ilay tena hevitra.

ny baiboly ananako dia hoe :
"Raha tsy nitsangana t@ maty i Kristy dia tsy misy antony ny finoanareo, ary mbola tavela ao anatin'ny fahotana ianareo"

ilay Frantsay angamba efa mazava tsara toy izany koa ny Latinina
quod si Christus non resurrexit vana est fides vestra adhuc enim estis in peccatis vestris

ny ahy ny baiboly Angalisiko dia manao hoe And if Christ did not raise himself from the dead


Raha tena mino ianao fa zanak'andriamanitra i Jesoa dia
diniho tsara fotsiny anie le contexte maha Andriamanitra an'i Jesoa e..
Raha Andriamanitra izy.. ary mahay manangana amin'ny maty, dia amin'ny fomba ahoana no hoe mbola atsangana izy? ilaina olona na force na intervention hafa ve ?
207. ondinion ( 04/07/2007 13:18)
Misy ny fitsanganana @ maty:
-ITes 4 : 13- 18. Mistery nolazain'i Paoly apostoly izy io momba ny olona izay efa nody mandry. Misy resaka betsaka fa ny tena misongadina ao ny fahasamihafan'ny MATY AO AMIN'NY TOMPO amin'izay ankoatra izany.
-Ity koa misy iray: Apo 20 : 4-6 (Miresaka ny fitsanganana @ maty izy io ary mizara ny olona ho antoko roa. Miisy ny fitanganana voalohany lazanby ao, ao koa izany hoe fahafatesana faharoa izany. Io ilay atao hoe "afobe"

-NY OLANA DIA TSY HOE MISY VE SA TSIA NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY?;
- FA HOE: MANKAIZA ISIKA REHEFA MITSANGANA? NY AZO ANTOKA ALOHA DIA HITSANGANA NY OLONA MATY REHETRA SATRIA TSY MBA MANDAINGA NY BAIBOLY.
208. xxx ( 04/07/2007 13:30)

Misy dikan-teny diso tokoa io ry diamondra: raha amin'ny dikan-teny grika no jerena dia izao:

Raha miresaka an'i Sezara izy, na ilay tovovavy kely maty natsangan'i Jesoa tamin'ny maty dia manambara fa natsangan'i Jesoa tamin'ny maty ireo.

Raha miresaka an'i Jesoa kosa izy dia lazainy mazava tsara ao amin'ny lioka 24, 7: fa nitsangana tamin'ny maty i Jesoa. Isika no antsangana amin'ny maty, fa i Jesoa kosa amin'ny maha Andriamanitra azy dia nandresy ny fahafatesaka ary nitsangana tamin'ny maty

Ho amintsika hatrany ny fahazavan'i Kristy. Amen!
209. diamondra27 ( 04/07/2007 13:51)
dikanteny baiboly nadika tey hebreo sy grika le anah fa boff mila mi se referer ange e!

210. ikaretsaka ( 04/07/2007 14:08)
ny LMS izay nandika ny baiboly ho amin'ny teny gasy toa baiboly angalisy no nadikany ho amin'ny teny gasy fa tsy baiboly grika ko.

grika aloha dia natika latinina dia nadika teny angalisy dia izay vao teny gasy
211. marozevo ( 04/07/2007 16:44)
Fanambinana oh ! Io eo i gasynamana... anontanio amin'izay izay tena fivahàn'ny fifanolanana nisy taminay.

"Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy"... saingy etsy an-daniny, misy koa ny mpanakobana ny rano efa mandry. Iza no misy demony amin'izany ?
212. ikaretsaka ( 04/07/2007 16:57)
"atsipy ny vilia...vaky
atsipy ny baolina.. misy mitaty
atsipy ny teny!...."
213. marozevo ( 04/07/2007 17:11)
Raha vilia plastika na vilia vy tsy vaky ka...:)

Atsipy avy any ny teny dia "aterin'eto" mba hodinihin'ny mahalala sy ny manam-panahy.
214. cutie ( 04/07/2007 17:54)
Izay tsy miady olom-bodo, fa izay to fo mpamosavy"... saingy etsy an-daniny, misy koa ny mpanakobana ny rano efa mandry. Iza no misy demony amin'izany ?

amen :-D
215. ikaretsaka ( 04/07/2007 18:41)
aleo atao hoe ...atsipy ny atody ary e!
216. cutie ( 04/07/2007 19:02)
:-D:-D:-D:-D:-D
217. marozevo ( 05/07/2007 19:01)
Ny atody indray na tsy atsipy aza, fa mikodiadia kely fotsiny, dia efa vaky, indrindra raha midona amin'ny vato. Atody manko tsy miady amim-bato.
218. cutie ( 05/07/2007 20:55)
vita ve zany ty size ty :lol:
219. marozevo ( 05/07/2007 21:08)
Asa !....

Efa nisy teny natsipy any fa asa iza avy no nandray...
220. cutie ( 05/07/2007 21:10)
za nandray ka :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0447