Fitsanganana @ maty

221. marozevo ( 05/07/2007 21:16)
Tsara izany.... mba ho toa anao avokoa anie izahay rehetra....
222. cutie ( 05/07/2007 21:18)
:lol::lol::lol::lol::lol:
223. diamondra27 ( 06/07/2007 09:28)
ary ahoana ndray aza le olona efa elabe tsy hita de lazaina we : aaaaaaaah nitsangana t@ maty, arabaina?
224. cutie ( 06/07/2007 16:25)
sao de fomba fiteny fotsiny zany :D
225. marozevo ( 06/07/2007 18:45)
Nisy olona roalahy (i A sy B) tafahaona teo am-bavahadin'ny Hopitaly. I A sendra nandalo moa i B nivoaka avy ao amin'ny Hopitaly. Dia hoy i A : Marary angaha ialahy no mivoaka avy ao amin'ny Hopitaly ? Dia hoy i B : "Ialahy tamin'ny 1 novembra hitako nivoaka ny cimetière, fa angaha maty ialahy tamin'iny ?".
226. Bita ( 07/07/2007 08:15)
Lanitra mangamanga o,
Saronan'itony Rahona
Fonenan'ny olo-masina
Ka iza no tsy mba ho any ry anona.

Na izaho na ianao é
Mandalo fa mpivahiny
Tsy hisy honina eto
Ka aoka mba hifamela ry anona.

Raha sendra ka velon-tsento
Ilaozan'ny havantiana
Tombon-dalana re ny azy
F'isika aza mbola ho any ry anona.

Adiady natao fahiny é
Aza mba atao intsony
Ravinkazo nanintsana
Ny sisa no ampaniriana ry anona.

Lanitra mangamanga é,
Saronan'irony Rahona
Fonenan'ny olo-masina
Ka iza no tsy mba ho any ry anona


Dia avie atsangana amin'izay rehefa aoriana any
227. ikaretsaka ( 07/07/2007 20:33)
ary ahoana indray ilay voalaza ao @ joany 6: 25, 26,29,32,35 angamba izy izay)
Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra
Raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako ianareo dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay... ary izaho hanangana anareo amin'ny andro farany



Tena fihinana ny nofoko ary tena fisotro ny Rako...

dia "any izany" ve no dikany?! ho an'ireo "tsy mihinana ny vatany sy tsy misotro ny Ra-ny"? (Joany 6,47-59)

"ny teny tonga nofo... ny nofo tonga mofo!"
tsy azo tokoa izany, ahoana no maha possible an'izany? hozy ny Jiosy sy izay nanaraka azy teo! dia betsaka ny niala!

dia handeha koa ve nareo? hoy izy, ho aiza moa Zahay hoy i Piera! (Joany 6:60-70)
228. cutie ( 07/07/2007 23:24)
"ny teny tonga nofo... ny nofo tonga mofo!"

ny teny ve tsy baiboly
ary ny nofo tsy sakafo:roll:
229. ikaretsaka ( 08/07/2007 11:46)
ka i jesoa anie no niteny an'io e
ny teny tonga nofo dia izy niara nonina tamintsika
avy eo izy nalainy ny mofo dia nataony hoe vatako ity atolotra ho anareo
ny ahy tsy baiboly fotsiny fa ao koa ny sakafom-panahy hahafahako mandray hafatra...
230. cutie ( 08/07/2007 15:17)
sakafom-panahy no tiako ahatongavana ka :lol:
231. Fanambinana ( 08/07/2007 15:33)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 21:00:06
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Refa lasa fanahy njay izy de Atra zay

Refa niakatra any an-danitra izy de lasa fanahy ka satria Atra Fanahy.


Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 19-06-2007 21:00:12
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Bonsoir cutie:
Avy hatrany aloha dia zavatra diso no hitako ary miala tsiny fa izay nosoratanao daholo ry cutie. Tsy hoe ianao no tiako kianina na ilana vaniny fa ilay zavatra lazainao mihitsy no diso.

Voalaza teo :
nony nidina tety an-tany izy de lasa Zanak'Atra
Refa lasa fanahy njay izy de Atra zay

I Jesoa de tena Andriamanitra no sady tena olombelona. Tsy hoe rehefa tonga olombelona izy de tsy Andriamanitra intsony. Fa na tao amin'ny Voninahiny izy na teto an-tany dia Andriamanitra foana


Voalaza teo :
Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 20:32:06
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.
de sady Ray koa

Tsy Ray kosa i Jesoa fa Zanaka. Samy Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary iary ireo, nefa tsy midika izany fa ny Ray dia Zanaka, na ny Ray dia Fanahy Masina.

Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-06-2007 21:04:35
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Voalaza teo :
Refa niakatra any an-danitra izy de lasa fanahy ka satria Atra Fanahy

Vao mainka fanina aho. Ary mitovy ve izany Ny Fanahy Masina sy Jesoa, satria samy fanahy ? Ary tsy olombelona intsony izany Jesoa rehefa lasa any an-danitra ?

Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 21:07:04
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Voalaza teo :
Vao mainka fanina aho. Ary mitovy ve izany Ny Fanahy Masina sy Jesoa

jesoa=Atra
Fanahy MAsina =Atra

Voalaza teo :
Ary tsy olombelona intsony izany Jesoa rehefa lasa any an-danitra ?

tsy misy jesoa tsony any e, efa lasa Atra le jesoa

Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 19-06-2007 21:07:25
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

xxx: efa voavaly io ambony io nefa ampiko kely. Samy manana ny maha izy azy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 21:08:21
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

gasynamana
za nga mo mahay ohtranao e

Mpandefa : marozevo [ Valio ] 19-06-2007 21:08:58
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Le an'i cutie tokoa aloha resaka ny resaka fa ohatran'ny vinany kely le hevitra eto eh...

Tsaroako efa niady hevitra taman'olona momba io aho indray andro izay. Dia io analogie io no nataoko, satria ilay olona dia nilaza fa tsy Andriamanitra i Jesoa.

Dia izao re no navaliny ahy rey olona a : "Ny zanak'i Ratsiraka tsy voatery ho Presidà"... dia nampalahelo ahy ny hafoizan-tsainy. Kay ny fandraisany ny maha Andriamanitra dia "rôle" fa tsy "nature". Raha izay tokoa manko dia marina ny azy.

Saingy tsy "rôle" sanatria no maha Andriamanitra an'Andriamanitra. Tsy zava-mandalo izy, na sanatria mpikarama na mpanao isan'andro, ka rehefa vita ny asa (fahariana) dia mody any amin'izay misy azy any. Tsia ! Tsy izany...

Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 21:11:06
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Voalaza teo :
Tsy Ray kosa i Jesoa fa Zanaka. Samy Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ary iray ireo, nefa tsy midika izany fa ny Ray dia Zanaka, na ny Ray dia Fanahy Masina.

Atra Ray zanaka Fanahy Masina
Atra=Ray =zanaka=FM
Atra=jesoa
jesoa= Ray zanaka Fanahy Masina

Dia jereo fa tsy misy fahavononana handray ny zavatra marina voalaza mihitsy ao aminao fa manao botolo fotsiny. Ny teny fanesona sy ny hehy nanginy fotsiny. Nefa ery ambany ery misy hevitra nolazain'i xxx tsy misy valaka amin'io ekenao satria tsy i gasynamana no nilaza azy. Na mety izy ihany fa mody nanao xxx izy hitsapany anao. Iza no mahalala. Maninona no naveriny foana le izy nasainy nataonao fampitahana avy eo.
Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 19-06-2007 21:12:05
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

cutie: ka rehefa tsy mahay ny tsara dia mangina no sady mamaky izay lazain'ny olona fa tsy miteniteny foana. Izay no fahendrena.
Tsy voatery hamaly. Nefa moa izay tianao no ataovy fa vevavy lehibe ianao. Zokiko 1taona be zao.

Io tenin'i gasynamana io de nampiakatra ny tambavinao nefa dia tena marina. Izy tsy nanery hoe mangina ianao fa izaho no mahay no avelao hiteny, fa hoy izy: rehefa tsy mahay tsy voatery mamaly fa mamaky izay lazain'ny olona. Izay dia tena fahendrena tokoa. Na izany aza anefa dia mbola nampiany hoe: nefa izay tianao no ataovy. Tsy misy fisakanana ao na fanam-penam-bava na kely aza. Nefa mba jereo ity navalinao azy.
Mpandefa : cutie [ Valio ] 19-06-2007 21:14:09
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.

Voalaza teo :
Mpandefa : gasynamana [ Valio ] 19-06-2007 21:12:05
Lohateny : Re : Jesoa dia tsy Andriamanitra fa zanak'Andriamanitra.
cutie: ka rehefa tsy mahay ny tsara dia mangina no sady mamaky izay lazain'ny olona fa tsy miteniteny foana. Izay no fahendrena.
Tsy voatery hamaly. Nefa moa izay tianao no ataovy fa vevavy lehibe ianao. Zokiko 1taona be zao.

za tsy maintsy miteny , za akory tsy feranao hiteny , ary tsy we tsy maintsy ny anao foan koa ny marina eto
Zokinao 1 taoan we iny njay no tsy hitako lol

De jereo fa na dia nandiso azy sahala amin'inona aza i marozevo avy eo dia fanakianana botolo fotsiny ny azy fa tsy misy mari-pototra na kely aza.

Sarotra ho an'ny olona no manaiky ny hadisoany, mitady fomba hanamarinan-tena foana izy. Ny eto anefa dia soratra mipetraka fa tsy hoe: teny mandalo ka azo ovana.
Fitsanganan-ko velona ny fanekena ny hadisoana ary ny fialana amin'izany.
232. cutie ( 08/07/2007 15:37)
niverina njay i xxx marina :-D:-D:-D:-D
233. Fanambinana ( 08/07/2007 15:41)
Tsy zakanao an!
234. ikaretsaka ( 08/07/2007 16:26)
cutie:

sakafom-panahy no tiako ahatongavana ka :lol:


nga fihinana ny baiboly!
235. cutie ( 08/07/2007 19:21)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 08-07-2007 18:26:19
Lohateny : Re : Fitsanganana @ maty
Hoy i cutie:

sakafom-panahy no tiako ahatongavana ka



nga fihinana ny baiboly!

le teny tonga nofo, moa le nofo tonga mofo ka :-D
236. marozevo ( 08/07/2007 20:26)
Fanamabinana > Rehefa vita ary io lazainao io, dia lazao ny hevitrao eh.... Raha ny momba anay sy i gasynamana indray, anay iny. Aleo izy no hilaza raha misy zavatra mbola tokony holazainy momba iny resakay tany aloha iny.

Mila lazaina aminao ve fa "efa nitsangana tamin'ny maty izahay sy i gasynamana, satria efa noresenay ny fifankahalana"?.
237. cutie ( 08/07/2007 21:24)
marozevo :D:wink:
238. marozevo ( 08/07/2007 21:26)
Salut cutie !
239. cutie ( 08/07/2007 21:27)
nasesin'i marozevo daholo le famaliana forum :-D
240. marozevo ( 08/07/2007 21:59)
Zao indray vao tonga eto manko, fa omaly sy tamin'ny maraina aho sahirana be tany am-piangonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2546