Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra

81. ikaretsaka ( 04/12/2006 03:31)
ka izay ange hoe e
82. ikaretsaka ( 04/12/2006 04:03)
dailynews:

Raha resaka finoana anefa no resahina ary raha mbola milaza fa io Atra Jehovah io ihany no hivavahana sy hinoana dia tokony hino fa Ny tenin Atra ihany no fahamarinana ary tsy misy hafa.


ary ianao tsy mamaky an.... ka ilay hoe avy aiza ny teniny?? ao ange no tsy mampitovy hevitra ny Baibolista sy zahay tsy izy e.. ny anay dia hoe tsy voatery izay ao anaty baiboly iIHANY ny tenin'andriamanitra



Fa ny amiko ny atao hoe finoana dia ny finoana izay zavatra lazain ny Tenin Atra. Ny finoana izay lazain io baiboly io, ny finoana izay lazain i Jesoa.


ekena anie iznay tompoko o! fa ny ady hevitra de hoe
Fa angaha i jesoa ao anaty baiboly IHANY no miteny??


Raha misy ihany koa izany milaza fa mino an Atra. dia mino ny zavatra izay lazainy anaty baiboly.
Raha hilaza aho fa mino an Atra anefa tsy mino ny lazainy hoe Izy irery ihany no fahamarinana..


dia averina ihany :
ekena izany ... fa angaha izay lazainy ao anaty baiboly IHANY no teniny?


araka ilay resakao teo de izao ary
:
Raha mino fa omenao vola dimanjato i soa... ka nosoratanao tao anaty carnet izanny resakao sy i soa izany
de iny carnet iny IHANY ve no antony inoan'i soa fa hanome vola dimanjato azy ianao??


83. dailynews ( 04/12/2006 04:28)
Raha tena mijery ny baiboly rehetra h@ voalohany ka h@ farany dia i Jesoa Kristy no toriana ao.

Raha tsotsorina @ izao fa tsy hidira na @ details ny testamenta taloha dia:

Tandindon ny fiaianan kristiana iray izay niala t@ fahotana ka nandalo fiaianana marso isan karazany teny andalana ho any an danitra. I Mosesy dia mpitarika izay symbole an i Jesoa ao @ testamenta taloha.

Niala tany egypta(fahotana), nandalo tany ay ela be( niady t@ fahalavoana, nandalo famaizan Atra ary farany tonga tany @ tany kanana.

Nisy ny ady karazany maro ao anaty testamenta taloha. Ireny ady ireny dia tadindon ny ady eo @ fiainana kristiana isankarazany, ady @ fanahy ratsy, ny olana eo @ fiaianan isankarazany sns....ary rehefa niarak t@ Atra dia nandresy ary raha tsy niaraka taminy dia nisy ny betsaka ny maty an ady...

Ny ao @ testamenta taloha ihany koa dia misy ny faminaniana ny @ fahatongavan i Jesoa sns...

Raha bangoina @ teny iray izany dia I jesoa no fototra rehetra ao.

Ny testamenta vaovao ihany koa dia mitory an i Jesoa izy rehetra.

raha mijery ny Jaona 1:1=> dia nilaza hoe T@ voalohany ny Teny, ary ny teny dia tao @ Atra, ary Izy dia tao @ Atra h@ volaohany... ...raha mamaky ny bokin i Jaona dia mahafanatra fa io teny io dia tsy iza fa i Jesoa.


Ny Teny izany dia I Jesoa ary ny Teny dia ny tenin Atra.

Ny tantara tantarain i baiboly dia na dia tsy teny hoe mivantana araka ny filazan ikaretsaka aza dia kosa kosa izay nampetraka Atra tao ampo na tsindrimandry ho an n mpanoratra ny baiboly.

Raha secretaire ny asako ohatra. na dia izaho aza no nitendry ny machine, tsy izaho no mpanoratra fa ny chef ko izay nampanoratra ahy ny teny. rehefa atoa ny sonia, tsy i DN no manao sonia fa i sefo.

tahaka izany ihany koa ny baiboly. secretaires daholo ny mpanoratra tao, ry lioka ry paoly, ry daniela sns... fa ny chef tompo ny Teny dia Atra. nony vita ny baiboly..tsy ireo olona ireo no tompon ny teny fa mbola Atra.
=> 2 Tim 3: 16=> Izay soratra rehetra nomen ny tsindrimandrin Atra dia mahasoa koa ho fampianarana, fandresendahatra, ....

Ny soratra rehetra ao @ baiboly dia avy @ Atra.





84. dailynews ( 04/12/2006 04:40)
ikaretsaka> izaho ihany koa dia mino fa i Jesoa dia tsy ao anaty baiboly ihany no miteny, afaka miresaka @ alalan ny Fanahy Masina ihany koa Izy.

Inona indray izany?

- misy ny voix tena audible mihitsy fomba hiresahan ny Fanahy Masina @ olona iray.
- Misy Izy miresaka @ alalan ny tsindrimandry ( mila mitandrina eto hoe mifanaraka @ tenin Atra ve aloha ilay tsindimadry, sao dia hoe nanofy hoe iny Jesoa niseho t@ nofy dia hoe vonoy i koto...mazava be fa tsy avy Aminy izany.
-miresaka ihany koa izy @ alalan ny fandresen dahatra lalina. ny olona eto dia mila olona tena miaraka akaiky @ Atra mihitsy vao afaka manavaka izany hoe avy @ Fanahy Masina marina ve sa mba eritreriny fotsiny
- Miresaka ihany koa Izy @ alalan ny mpanompon Atra manodidina izay manana ireny fanomezampahasoavana @ alala ny faminaniana ireny... mila jerevana foana hoe: mpanompon Atra tena mandeha araka ny Fanahy marina ve sa... ary mila jerena ihany koa hoe sao dia mifanohitra @ tenin Atra sns....ny kristiana mandeha araka ny fanahy no mahalala manavaka io raha tsy izany dia tahaka ny hoe resabe fotsiny ihany.
- mety ihany koa ny Tompo miresaka @ alalan ny situation eo @ fiaina ny olona iray...

asa raha mahampy io aloha.... :D
85. soanja ( 04/12/2006 04:48)
dailynews:

Raha tena mijery ny baiboly rehetra h@ voalohany ka h@ farany dia i Jesoa Kristy no toriana ao.

Raha tsotsorina @ izao fa tsy hidira na @ details ny testamenta taloha dia:

Tandindon ny fiaianan kristiana iray izay niala t@ fahotana ka nandalo fiaianana marso isan karazany teny andalana ho any an danitra. I Mosesy dia mpitarika izay symbole an i Jesoa ao @ testamenta taloha.

Niala tany egypta(fahotana), nandalo tany ay ela be( niady t@ fahalavoana, nandalo famaizan Atra ary farany tonga tany @ tany kanana.

Nisy ny ady karazany maro ao anaty testamenta taloha. Ireny ady ireny dia tadindon ny ady eo @ fiainana kristiana isankarazany, ady @ fanahy ratsy, ny olana eo @ fiaianan isankarazany sns....ary rehefa niarak t@ Atra dia nandresy ary raha tsy niaraka taminy dia nisy ny betsaka ny maty an ady...

Ny ao @ testamenta taloha ihany koa dia misy ny faminaniana ny @ fahatongavan i Jesoa sns...

Raha bangoina @ teny iray izany dia I jesoa no fototra rehetra ao.

Ny testamenta vaovao ihany koa dia mitory an i Jesoa izy rehetra.

raha mijery ny Jaona 1:1=> dia nilaza hoe T@ voalohany ny Teny, ary ny teny dia tao @ Atra, ary Izy dia tao @ Atra h@ volaohany... ...raha mamaky ny bokin i Jaona dia mahafanatra fa io teny io dia tsy iza fa i Jesoa.


Ny Teny izany dia I Jesoa ary ny Teny dia ny tenin Atra.

Ny tantara tantarain i baiboly dia na dia tsy teny hoe mivantana araka ny filazan ikaretsaka aza dia kosa kosa izay nampetraka Atra tao ampo na tsindrimandry ho an n mpanoratra ny baiboly.

Raha secretaire ny asako ohatra. na dia izaho aza no nitendry ny machine, tsy izaho no mpanoratra fa ny chef ko izay nampanoratra ahy ny teny. rehefa atoa ny sonia, tsy i DN no manao sonia fa i sefo.

tahaka izany ihany koa ny baiboly. secretaires daholo ny mpanoratra tao, ry lioka ry paoly, ry daniela sns... fa ny chef tompo ny Teny dia Atra. nony vita ny baiboly..tsy ireo olona ireo no tompon ny teny fa mbola Atra.
=> 2 Tim 3: 16=> Izay soratra rehetra nomen ny tsindrimandrin Atra dia mahasoa koa ho fampianarana, fandresendahatra, ....

Ny soratra rehetra ao @ baiboly dia avy @ Atra.








Ekena anie ny tenin-dry ry DN hoe tsindrimandrin'Andriamanitra ny teny ao amin'ny baiboly fa ny tiako hotsipihana sy hanontaniana hoe dia tsy nanindrimandry n'iza n'iza intsony ve izy nandritra ireo fotoana nisian'ireo mpaminany ireo afa tsy ny apostoly Jiosy ihany ary tsy nanindrimandry n'iza n'iza koa tokoa ve izy tafaran'i Apostoly Jaona. Zany hoe voafetra ve zany ny tenin'Andriamanitra?
Tonga matetika eo amintsika Andriamanitra satria ao anatintsika ao izy RAHA HAINTSIKA ny mikatsaka azy. Miresaka matetika Izy ary anjarantsika ny mandray noty hoe inona no tiany ampitaina. Izay no nantony mbola hisian'i Fahagagana isanandro vaky eo amin'ny fiainan'olombelona.


86. ikaretsaka ( 04/12/2006 04:58)
izay manko!!
ity Soanja ity tena mahay manazava mihitsy! =)
87. cutie ( 04/12/2006 18:55)
soanja , zay manko le lazaiko we aza de variana loatra ao @ baiboly ao :-D:-D:-D:-D
88. Rasiligaoma ( 04/12/2006 20:24)
de ahoana ny hamalianao azy ry DN fa tsindrian-daona izahay e
Aiza ao @ baiboly tokoa no misy hoe ny baiboly ihany no teninĂ¡ndriamanitra e?
89. ikaretsaka ( 05/12/2006 00:47)
Rasiligaoma:

Aiza ao @ baiboly tokoa no misy hoe ny baiboly ihany no teninĂ¡ndriamanitra e?


tsy haiko fa za tsy mpitsimpona isan'andalana

fa mino aho fa tsy misy milaza an'izany ao!


90. cutie ( 05/12/2006 14:42)
Nankaiza aza i LD hamaly an'io :-D:-D:-D
91. dailynews ( 05/12/2006 15:08)
dia mialatsiny ary aloha fa hamaly an ity aho saingy ny soratra masina hampiasaiko dia teny anglisy. ny antony dia mazava koakoa fotsiny ilay izy.
dia mialatsiny @ simplex koa fa izaho tsy mahay manazava raha tsy lava, manjary tsy mivoaka ny hevitro. izay no maha izaho ahy.
rehefa avy eo ary ry rasiligaoma sy soanja o.
92. dailynews ( 05/12/2006 15:12)
ary ikaretsaka sy cutie...:D
93. cutie ( 05/12/2006 15:13)
DN, manin:roll::roll::roll:
94. dailynews ( 05/12/2006 15:19)
cutie>fa inona aky no tsy mazava? rehefa avy eo hoa na rahariva aho mamaly an io fanontaniana eo ambony anontanian i soanja sy rasiligaoma io fa tsy manana fotoana aho loatra aho zao..
95. cutie ( 05/12/2006 15:20)
ok:lol::lol::lol:
96. dailynews ( 05/12/2006 20:56)
Ity ary ilay izy, saingy lava loatra dia nataoko tany @ blaogiko ny valiny dia any jerena ao @ ilay hoe ny maha TA ny baiboly.
@ fotoana mahamety azy dia alako ao ny ps- n'i soanja sy rasiligaoma satria tsy noheveriko hoe alefa any ilay resaka raha tsy efa vitako ary hitako hoe lava loatra raha alefa eto.

azafady raha tsy tonga dia afaka mamaly anareo eto ary aloha aho raha mametraka fanontaniana ianareo fa mbola be atao aho ato ho ato izay.:D
http://dailynews.blaogy.com
97. xxx ( 05/12/2006 21:31)
Rehefa avy namaky in-2 ny blaogy aho, dia mahita hevitra (maromaro) toa mifamototra na mifanohitra ao amin'ny nosoratanao :) Aleo angamba mbola ho averina vakiana fanintelony na faninefany ... fa sao izaho no tsy nahazo tsara.
98. simplex ( 05/12/2006 22:11)
xxx,

mba hazavao kely aloha, asiana debat fa tena marary be ny andohan'ny kiboko nahita ny halavan'le tantara :°)


99. ikaretsaka ( 06/12/2006 00:40)
mifamotopototra be tokoa ilay izy ry XXX
Andraso vakiako faninefany!:roll:
100. cutie ( 06/12/2006 00:48)
za alou de tsy namaky e
aleoko ny ahy fohy tsotra nefa mazava:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2739