Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra

161. ikaretsaka ( 21/12/2006 14:27)
sady voafefy tsara an..
hatreto ihany ny borne! ..tsisy rehefa ivelan'ny borne...
162. cutie ( 21/12/2006 14:30)
zay zany :-D
163. Rasiligaoma ( 21/12/2006 21:11)
asaivo mamaky ilay noesorina ary @ afo fandiovana ary izy re reto sao hihitatra ny valan'ny bornage ny
164. soanja ( 21/12/2006 21:46)
Efa nalefako ery ambony ilay nesorina dia aleo ho hita eo izay mety sao mba hisoty vala ihany ny sasany.
Ny tenin'Andrimanitra dia zavadehibe sady manandanja. Eo amintsika izy sady manodidina antsika.
165. ikaretsaka ( 22/12/2006 02:10)
io hevitra io ry zareo no nezahiko nalefa tato foana hoe le tsy ao anaty baiboly ihany ..
ary tsy piece justificative ny baib's
166. soanja ( 22/12/2006 04:19)
=))=))=))

Izao aho vao tena manampotoa na mamaky ny hevitra rehetra naposakantsika rehetra teto fa zah mantsy tonga de njapy train tamin'ity fa kamo tsy nahavita nijery ny an'ny tsiraidray mihitsy.

fa ity namana ity no tena mampime ahy ato sady sambany aho nahita azy nandalo tao.

fijo:

fa maninona ny "kristianina"sasany no be ziriziry e


Mirary soa tanteraka Fijo a. :-*:-*:-*

Ny Kristianina dia natokana hanao izany satria raha tsy manao izany dia lasa mitombo ny fahotany satria tsy nahavita adidy.
Ny Kristianina tsy mandahatra hevitra amin'ny alalan'ny baiboly irery ihany no afaka mbola hifanakalo aminao satria izy mbola manana espace malalaka ao antsainy hasiany Info vaovao. Bizzz.




167. ikaretsaka ( 22/12/2006 05:15)
fijo.. misy kristianina 2
ny 1 ilay mandahatra hevitra ao anaty baiboly (baibolista) ---> io lazain'i soanja io

dia ny 1 ilay tsy baibolista fa ilay mitady an'andriamanitra @ alalan'ny zavatra rehetra
168. prime ( 27/12/2006 11:57)
Ny tena olana tsy voadinika eto dia ny \"finoana\" fa tsy ny maha-\"baibolista\" na tsia...

Rehefa mino ianareo fa maro no fomba ilazàn\'Andriamanitra aminareo ny Tenin\'Andriamanitra dia miambena ihany fa eo no varavarana misokatra idiran\'ilay fanahin\'ny tsy fankatoavana sy ny lainga... fa efa maro no voafitaka ka nampifangaro an\'i bala sy Kristy, mamôna sy Kristy... amin\'ny andro ankehitriny aza dia ny razana sy Kristy fa hoe feo maro no anambaràn\'Andriamanitra ny teniny...

O leiretsy a... miambena hoy aho dia mibebaha fa Jesosy tsy niteny na dia indray mandeha aza hoe rehefa tsy eo intsony aho dia ho avy sy hanambara aminareo amin\'ny endrika maro ny teniko... hummmm...

Ny Mpaminany maro eto amin\'izao tontolo izao dia mbola manambara mandrak\'ity ny androany ny Tenin\'Andriamanitra marina mitory ny fitiavan\'i Kristy maty nisolo heloka ny mpanota ary nitsangana tamin\'ny maty... izay mifototra hatrany amin\'ny baiboly... ny baiboly dia tsy Andriamanitra akory na Kristy fa boky mirakitra ny Tenin\'Andriamanitra sy ny asan\'Andriamanitra ary ny fitiavan\'Andriamanitra...
169. pissoa ( 27/12/2006 15:26)
Rehefa mino ianareo fa maro no fomba ilazàn'Andriamanitra aminareo ny Tenin'Andriamanitra dia miambena ihany fa eo no varavarana misokatra idiran'ilay fanahin'ny tsy fankatoavana sy ny lainga... fa efa maro no voafitaka ka nampifangaro an'i bala sy Kristy, mamôna sy Kristy... amin'ny andro ankehitriny aza dia ny razana sy Kristy fa hoe feo maro no anambaràn'Andriamanitra ny teniny...

Marina izany. Miambena - ary mangataha amin'Andriamanitra mba ho "hainao ny manavaka ny feony" ... fa aza sakanana tsy hiteny Izy ;)

O leiretsy a... miambena hoy aho dia mibebaha fa Jesosy tsy niteny na dia indray mandeha aza hoe rehefa tsy eo intsony aho dia ho avy sy hanambara aminareo amin'ny endrika maro ny teniko... hummmm...

Miambena koa, sao manampim-bava an'i Jesosy ianao noho izay voasoratra na tsia ao amin'ilay ekenao fa "BOKY".

Raha tsy miteny intsony Andriamanitra dia tsy nisy nivavaka intsony. Mivavaka = miresaka amin'Andriamantira + ... Ka misy resaka mandeha ve raha sanatria "Andriamanitra mimoana" no hiresahana ? :-D
170. Rasiligaoma ( 27/12/2006 15:28)
prime:
Rehefa mino ianareo fa maro no fomba ilazàn'Andriamanitra aminareo ny Tenin'Andriamanitra dia miambena ihany fa eo no varavarana misokatra idiran'ilay fanahin'ny tsy fankatoavana sy ny lainga... fa efa maro no voafitaka ka nampifangaro an'i bala sy Kristy, mamôna sy Kristy... amin'ny andro ankehitriny aza dia ny razana sy Kristy fa hoe feo maro no anambaràn'Andriamanitra ny teniny...


izay ny anao ny finoanao sy ny fahitanao azy.. dia ny an-dry zareo koa izay fahitany azy!

tsy misy hitsara hoe ny an'iza ny marina... tsy anjarantsika rahateo no manao izany
... fa rehefa any @ ilay toerana iray dia hita eo
171. prime ( 29/12/2006 13:17)
Ny Tenin\'Andriamanitra ihany no marina ary ny baiboly no mitondra izany ahafahana mizaha sy mitaratra ny fahamarinan\'izay lazaina...

Ary ny Tenin\'Andriamanitra koa no mitsara izay marina sy tsy marina ka izay mifanohitra Aminy nefa iziriziriana dia efa voatsara rahateo amin\'izany Teny izany ihany...
Fa hoy Jesosy :
\"Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany,\" Jaona 12:48

rasiligaoma:
izay ny anao ny finoanao sy ny fahitanao azy.. dia ny an-dry zareo koa izay fahitany azy!
... tsy hoe izay no finoako fa izany no voalazan\'ny soratra masina dia ambara... araka ny voasoratra hoe :

Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin\'ny lanitra ambony, na izay ety amin\'ny tany ambany, na izay any amin\'ny rano ambanin\'ny tany.\" Eksodosy 20:4

\"fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,\" Deotoronomia 4:16
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7233