Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra

121. niryna ( 10/12/2006 21:51)
Ny famantarako azy dia toy izao: kristianina dia teny avy amin'ny hoe Kristy,koa izay mino an'i kristy sy manaraka ny teny voalazany dia atao hoe kristianina Mpivavaka fontsiny no filaza ny olona manana fivavahana samihafa ary tsy voatery nanaraka ny tenin'i kristy na mino ny kristy izy.Misy anefa ny fivavahana mino fa zanak''Andriamanitra i kristy kanefa tsy mino izy fa Andriamanitra dia telo izay iray.Na efa niteny aza Kristy hoe izaho ao aminy, Izy ao amiko.Tsy tokony ho tenenina hoe kristiana izany izay tsy mino Azy saingy tsy safidin'ny tena io.Ny tenin 'Andriamanitra dia izay rehetra voasoratra tao anaty baiboly hebreo na ny bokin'ny King James.Saingy sarotra be ilay fianarana ilay izy dia novaina nadika ho mora hohain'ny olona.Izany akory tsy midika hoe analana rehefa tsy tiana koa misy fivavahana maromaro izany izay tiany ihany no teneniny sy toriany ny olona ka tafiditra amin'izany ny katolika, ny vavolombelon'i Jehovah, ary ny advantista.Ny katolika dia ny didy folo notazominy ny isany ho folo saingy tsy nampidiriny ny aza manana andriamanitra hafa fa izaho ihany, aza mivavaka amin'ny sampy na sarivongana mety hiankohonana na sary vitan'ny olona.Satria ry zareo mivavaka sy miankohoka ny sarivongan'i Maria,sy ireo olona efa maty rehetra dia any amin'ny farany vao mizara ny didy folo.Aza mitsiriritra ny vadin'olona sns.Toy izany ihany koa ny temoin de Jehovah izay nataony andriamanitra kely ny teny ao amin'ny Jaona 1:1.Taminy voalohany ny Teny ,,,Andriamanitra/Jesosy/fanahy dia iray ihany saingy ny azy dia samihafa ka na ny fahatsiarovana ny nahaterahan'i jesosy aza dia tsy ataony.Izao izy dia mitoriteny fa ny azy ihany no tena fivavahana marina Ny tenin'Atra izany dia ny baiboly iray manontolo,tsy anasorana, tsy ampiana ary tsy analana,izay fiangonana manala na manampy ny teny ao dia tsy manaraka ny tenin'Andriamanitra.Raha TT ihany no lazainao hoe tenin'Andriamanitra dia tsy nisy dikany izany ny ran'i Jesosy nalatsany ho antsika.Tsy misy olona afaka mankany amin'ny ray hoy Jesosy raha tsy avy amin'ny alalako.Koa raha tsy mino an'i Jesosy izy izay telo izay iray,izany dia zava-poana ny fikasan 'ny fanjakan'ATra .Misy aza fiangonana lasy lahy/lahy na vavy/vavy no mpitondra ao aminy.Ahoana izany ny tenin'Atra ao amin'ny deotoronomia 18-19-20 milaza fa tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra ny olona izay manotafady mivady amin'ny lahy tahaka azy na vavy tahaka azy na biby? sy ny fahotana maro izay tsy sahin'ny mpitondra fiangonana ho tenenina?
122. Rasiligaoma ( 11/12/2006 16:20)
saifidin'ny tena io e.. tsy ny baiboly no hitsarana anao fa ny toetranao sy ny fanahinao
123. Zina ( 11/12/2006 17:10)
Izany akory tsy midika hoe analana rehefa tsy tiana koa misy fivavahana maromaro izany izay tiany ihany no teneniny sy toriany ny olona ka tafiditra amin'izany ny katolika, ny vavolombelon'i Jehovah, ary ny advantista
.

Izay tiany ihany no teneniny sy toriany ny olona ka tafiditra amin'izany ny adventista. Inona no aky no nataony? mba lazao kely hoe zany?
124. Zina ( 11/12/2006 17:12)

dia ny vavolombelon'i Jehovah? koa...

satria ny katolika ihany no nilazain-njy ato....
125. xxx ( 12/12/2006 16:51)
Niryna : aleo fehezina amin'ny hoe miresaka zavatra tsy fantatrao ianao miresaka ny finoan'ny hafa. In other words, miteniteny foana :lol:
126. Achia ( 12/12/2006 17:39)
fa nga kosa moa izy niresaka finoana hafa ry xxx a ! finoana Kristiana ne no resahana eto e !
127. kallakelly ( 12/12/2006 17:40)
Marina ny an'i XXX satria miresaka momba ny finoan'ny hafa i Niryna mitsikera nefa tsy hita izay tena hanomezany tsiny izany. Ny advantista araka ny fahafantarako azy dia protestants niverina hatramin'ny farany hanaraka ny tena voalazan'ny Baiboly. Ny protestants mantsy arak'izany anarany izany dia tsy nanaiky intsony ireo fahadisoana nisy t@ izany fotoana izany teo @ fiangonana ohatra ny fividianana ny famelan-keloka (sy tsy tadidiko daholo ireo zavatra notoheriny fa resaka histoire izany ary izaho tsy tena mahay histoire). Dia niala izy ireo nisintaka ka nohenjehin'ny fiangonana na ny Egilizy ary dia nantsoina hoe protestants.Ny advantista izany dia protestants ihany koa saingy raha nijanona teny anelanelany ny protestants ankehitriny, ny advantista niverina t@ Baiboly hatramin'ny farany.
128. Rasiligaoma ( 12/12/2006 17:50)
niryna> ny tsaratsara angamba dia aleo samy mijoro @ finoany.
tsy hainao 100% ny finoany, ny anao koa mbola tsy hainao matoa ianao mbola mianatra sy liana @ finoanao fa tsy mijanona fotsiny amin'izao .
sao manao tahaka amin'ny tantaran'ilay mpanjono sy mpanankarena ary ianao ary.
129. Rasiligaoma ( 12/12/2006 19:14)
izay no fototra e.. fantaro sy hadihadio aloha ny anao, de hadihadio tsara ny an'ny hafa .

izao foana ry niryna no tokony ho ao andoha rehefa resaka ohatran'io:

-Ahoana ny momba ilay fivavahako, ny fivavahany? Aiza no mitovy? aiza no tsy mitovy

-Maninona izy no manao an'izany? ary maninona aho no tsy manao izany?

-Inona no tokony tsoahina vokatr'izany!

De foano ao an-tsaina ko ilay hoe nena ny tsara na hoe tsy mamely ny anazy, fa andriamanitra ihany no mitsara ohatran'izay fa samy manana ny inoany sy ny fomba finoany io. fa teneno fotsiny izy hoe "ary raha atao an'izao ilay zavatra ohatran'izao ..mety ho tsaratsara kokoa"
Izay

^:^=D
130. Achia ( 13/12/2006 12:38)
ka tsy afaka mifanitsy izany ny samy Kristiana fa tonga de hoe samy mandeha samy mitady
131. soanja ( 13/12/2006 13:31)
Achia:

ka tsy afaka mifanitsy izany ny samy Kristiana fa tonga de hoe samy mandeha samy mitady


Ie izay no tsy mahaAndriamanitra ny baiboly ary raha tena teniny tanteraka ny ao dia tsy tokony hisarantsaraka isika mianakavy. Saingy olona ihany no nanoratra an'io ary asasoratra filozofika no nataon'ireo (ny fikatsahana an'Andriamanitra) ka ao ny mitombina ary ao ny efa nilaozan'ny teotrandro efa ela.


132. xxx ( 13/12/2006 15:19)
Achia:
ka tsy afaka mifanitsy izany ny samy Kristiana fa tonga de hoe samy mandeha samy mitady

Angaha moa misy mandrara azy tsy hanitsy. Tsy hitanao hoe manitsy an'i niryna ve izao i Rasiligaoma fa miteniteny foana izy :roll: Tsy mahafantatra ny inoana sy ataon'ny olona akory fa be resaka eo fotsiny :lol:
133. ikaretsaka ( 13/12/2006 15:39)

soanja:
Ie izay no tsy mahaAndriamanitra ny baiboly ary raha tena teniny tanteraka ny ao dia tsy tokony hisarantsaraka isika mianakavy. Saingy olona ihany no nanoratra an'io ary asasoratra filozofika no nataon'ireo (ny fikatsahana an'Andriamanitra) ka ao ny mitombina ary ao ny efa nilaozan'ny teotrandro efa ela.


izay mantsy

io ilay itenenako foana oe hadihadio sy lanjalanjao daholo aloha fa aza raisina hoe satria ao de zay zany ...
miverina ary @ hevitro ary ambony be aryyyyy e
134. Zina ( 14/12/2006 00:48)
oy i Soanja oe:
raha tena teniny tanteraka ny ao dia tsy tokony hisarantsaraka isika mianakavy.

aza mba manody ny otran\'ity:
Amos
8.11
Voici, les jours viennent, dit le Seigneur, l\'Éternel, Où j\'enverrai la famine dans le pays, Non pas la disette du pain et la soif de l\'eau, Mais la faim et la soif d\'entendre les paroles de l\'Éternel.
8.12
Ils seront alors errants d\'une mer à l\'autre, Du septentrion à l\'orient, Ils iront çà et là pour chercher la parole de l\'Éternel, Et ils ne la trouveront pas.
135. Zina ( 14/12/2006 00:55)
oy ko i soanjo oe:

Ie izay no tsy mahaAndriamanitra ny baiboly

Jean: 1: 1
1.1
Au commencement était la Parole, et la Parole était avec Dieu, et la Parole était Dieu.
ary io Parole io lasa
1:14
Et la Parole a été faite chair, et elle a habité parmi nous, pleine de grâce et de vérité; et nous avons contemplé sa gloire, une gloire comme la gloire du Fils unique venu du Père

Tsy maintsy milaza ny izay fantatro aho mba tsy ho diso eo anatrehan'Andriamanitra, mahafantatra nareo izao anareo sisa no mieritreritra
136. Zina ( 14/12/2006 00:59)
ary ny tenin'andriamanitra dia ho mandrakizay na tinareo na tsy tianareo:
Isaia:40.8
L'herbe sèche, la fleur tombe; Mais la parole de notre Dieu subsiste éternellement

Ary ny tenin'Andriamanitra dia ho:
Ps119:105
Ta parole est une lampe à mes pieds, Et une lumière sur mon sentier.
137. Zina ( 14/12/2006 01:05)
oy i soanja oe:

Saingy olona ihany no nanoratra an'io ary asasoratra filozofika no nataon'ireo (ny fikatsahana an'Andriamanitra

Marina fa olona no nanoratra azy mpanota otran-tsika kanefa kosa
2 Tim:3.16
Toute Écriture est inspirée de Dieu, et utile pour enseigner, pour convaincre, pour corriger, pour instruire dans la justice,
3.17
afin que l'homme de Dieu soit accompli et propre à toute bonne oeuvre.

Na inona na inona lazainareo dia ny maha Kristiana an'ny Kristiana dia manaraka ny tenin'Andriamanitra.
138. cutie ( 14/12/2006 01:54)
hummmmm
139. pissoa ( 14/12/2006 06:45)
Hihihi, Zina - mbola tsy azonao ihany ny resaka angamba hatramizao :lol:

Na inona na inona lazainareo dia ny maha Kristiana an'ny Kristiana dia manaraka ny tenin'Andriamanitra.

Ka ngah io ny iadiana hevitra eto e ... avereno vakiana le size voalohany be :roll:
Voalaza teo :
Kristianina = manara-dia an'i Kristy sy mankatoa ny Teniny


Avy aiza ary ilay teniny??? ireo izay voalaza ao anaty baiboly ihany ve??


Efa nisy niteny tery ambony tery dia averiko njay

la Parole était avec Dieu
fa tsy la BIBLE etait Dieu :) Tsy nisy "bible" akory tamin'izany raha tsy diso zah, sa nanomboka tamin'ny taona firy vao nisy ny Dieu ? :roll:

Tsy maintsy milaza ny izay fantatro aho mba tsy ho diso eo anatrehan'Andriamanitra, mahafantatra nareo izao anareo sisa no mieritreritra

Toy izany daholo tsika rehetra. Milaza izay fantany ny olona, ka rehefa mahafantatra njy dia anjy ny sisa :roll:
140. ikaretsaka ( 14/12/2006 12:07)
Zina:
2 Tim:3.16
Toute Écriture est inspirée de Dieu, et utile pour enseigner, pour convaincre, pour corriger, pour instruire dans la justice,



Toute ecriture hozizy io an.. fa tsy izay ao anaty baiboly ihany,
mety ecrituren'i Papa io, Apocryphe, ecrituren'olomasina, ny anao, ny ahy, ny an'i Satana...sns sns.....


zahay ange manaiky hoe manaraka tenin'andriamanitra ny maha kristianina e... fa zahay miteny hoe tsy izay ao amin'ny baiboly ihany ny tenin'andriamanitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2516