Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra

61. cutie ( 01/12/2006 23:56)
fijo reny no atao we freako kristiana:lol: mampatahotra:lol:
62. LazaDaddy ( 02/12/2006 00:02)
fijo> satria hono tsy avy amin'Andriamanitra ny tantara ao amin'ny Baiboly :). ooops!
63. ikaretsaka ( 02/12/2006 04:31)
laza.. efa Naverina in 13 izay... mbola tsy azonao ihany.... fa ny mason'inonao aza no mijery!

aleo fa tsy maninona fa averiko faha 14 ary de isao tsara de diniho tsara fa tsy maninona... (marina raha tsy ny manao toko saple aza 10 fotsiny de vita fa ity hafa mihitsy)

"karazana fehezana voafantina " t@ ireo Firaiketana an-tsoratra ny TANTARAN'nY NATAON'ANDRIAMANITRA tamin'ny olona ny baiboly.


"Takelaka notsongaina"..... azo?

Avy amin'andriamanitra daholo ny zavatra rehetra ...Fehiny fotsiny io amiko... fa IZY mbola tsy mitsahatra miresaka aminao @ fiainanao andavanandro @ alalan'ny zavatra rehetra manodidina anao!
ny tataram-piainanao sy Andriamanitra fotsiny dia betsaka lavitra nohon'ny voasoratra ao raha notanana an-tsoratra..
Visavisao ange e!

azo @ zay?
64. ikaretsaka ( 02/12/2006 04:40)
ENY.. andriamanitra ano nahary an'i Satana an
ary ny vavaka aminy Andriamanitra ihany no hanoherana azy fa tsy Famankiana ny teniny!
Deum de Deo, lumen de lumine, ny principen'io
65. niryna ( 02/12/2006 05:31)
Tsy angano fa tena fahitana no hita ao anaty baiboly ry ikaretsaka.Tsy voatery hino anie ianao fa mandoto rano fotsiny e.Avy amin'ny alalan'ny nofy sy fahitana no hitenenan'Atra antsika.Efa im-betsaka ihany ny namana no manazava anao saingy mody hodianao tsy fantatra.Tsy fantatrao fa ianao no atao hoe mpaminany sandoka, manompa ny fanahy masina na false prophet, blasphemy, ary fornicator.Mbola misy hatramin'izao izay rehetra ao anaty baiboly ary mino ny teninao aho fa voafitakin'ny fiangonana izay tsy nisy ny fanahy masina ianao.Raha niangona ianao na izahay ka tsy misy fanahy masina tao amin'ny fiangonana, ny mitady fiangonana vaovao no atao, saingy tsy mba nanao izany ianao ary mbola manaranka ny regime taloha hoe ao ny razam-bena no mivavaka dia ao koa izahay no mandeha.EFa nahita olona manala devoly ianao? Ny anao aza mitombo, efa nahita olona nositranina na novavahana dia sitrana, ny anao sady ao ivelany no feno ao anatiny, efa nahita olona miteny amin'ny fiten'ny tsy fantatra na speaking tongue? mety naheno ianao fa ilay feo hafakely no mandrebireby anao ao
66. ikaretsaka ( 02/12/2006 06:20)
Vakio aloha hoa ny zavatra lazaiko izay ianao vao miteny fa aza mora entompo

niryna:

Tsy angano fa tena fahitana no hita ao anaty baiboly ry ikaretsaka.



Za tsy niteny mihitsy hoe angano ny ao anaty baiboly... TSY AMPY hoa raha io FOTSINY no hivavahana sy hiresahana amin'andriamanitra




niryna:
.Avy amin'ny alalan'ny nofy sy fahitana no hitenenan'Atra antsika.Efa im-betsaka ihany ny namana no manazava anao saingy mody hodianao tsy fantatra.



IO foana ny hevitra Voiziko teo ary za aza no nanazava an'io . de za indray no hoe mody tsy mahafantatra ??

niryna:
Mbola misy hatramin'izao izay rehetra ao anaty baiboly

Za tsy niteny hoe tsy misy intsony.. fa misy koa zavatra azo anampiana azy.. miverina @ ilay hevitrao io ambony ihany io
---->@ alalan'ny nofy, fahitana sy fivavahana noo mbola itenenan'andriamanitra

,
niryna:
ny mitady fiangonana vaovao no atao, saingy tsy mba nanao izany ianao ary mbola manaranka ny regime taloha hoe ao ny razam-bena no mivavaka dia ao koa izahay no mandeha


ko raha tsy pataloha sanatria ny fiangonana ko hoe rovitra na tonta de solosoloina!! amboarina rehefa tsy mety
SANATRIA


niryna:
EFa nahita olona manala devoly ianao? Ny anao aza mitombo, efa nahita olona nositranina na novavahana dia sitrana, ny anao sady ao ivelany no feno ao anatiny, efa nahita olona miteny amin'ny fiten'ny tsy fantatra na speaking tongue? mety naheno ianao fa ilay feo hafakely no mandrebireby anao ao


tsy aleo ny tenanao aloha jerena izay vao miteny ny hafa?


67. Achia ( 02/12/2006 06:42)
ye mety misy ihany ny firesahan'ATRA @ ol ankoatry ny ao anaty baiboly fa saingy ao anty baiboly kosa no hanamarinana azy hoe tena ATRA tokoa ve sa fanahy ratsy no niresaka t@ nao
68. booboo ( 02/12/2006 10:20)
Tsy angano fa tena fahitana no hita ao anaty baiboly ry ikaretsaka.Tsy voatery hino anie ianao fa mandoto rano fotsiny e.Avy amin'ny alalan'ny nofy sy fahitana no hitenenan'Atra antsika.Efa im-betsaka ihany ny namana no manazava anao saingy mody hodianao tsy fantatra.Tsy fantatrao fa ianao no atao hoe mpaminany sandoka, manompa ny fanahy masina na false prophet, blasphemy, ary fornicator.Mbola misy hatramin'izao izay rehetra ao anaty baiboly ary mino ny teninao aho fa voafitakin'ny fiangonana izay tsy nisy ny fanahy masina ianao.Raha niangona ianao na izahay ka tsy misy fanahy masina tao amin'ny fiangonana, ny mitady fiangonana vaovao no atao, saingy tsy mba nanao izany ianao ary mbola manaranka ny regime taloha hoe ao ny razam-bena no mivavaka dia ao koa izahay no mandeha.EFa nahita olona manala devoly ianao? Ny anao aza mitombo, efa nahita olona nositranina na novavahana dia sitrana, ny anao sady ao ivelany no feno ao anatiny, efa nahita olona miteny amin'ny fiten'ny tsy fantatra na speaking tongue? mety naheno ianao fa ilay feo hafakely no mandrebireby anao ao


:roll:...na zà no tsy mahazo n'inona n'inona mihitsy fa reo raha mahagaga reo ve tsy efa isan'ny fomba hiresahan'Atra @ mino Azy ?
69. LazaDaddy ( 02/12/2006 11:44)
Achia:
ye mety misy ihany ny firesahan'ATRA @ ol ankoatry ny ao anaty baiboly fa saingy ao anty baiboly kosa no hanamarinana azy hoe tena ATRA tokoa ve sa fanahy ratsy no niresaka t@ nao
Izay no nahatonga ahy nanontany hoe "mino ve izy fa avy amin'Andriamanitra ny tantara ao @ Baiboly" saingy tsia ny navaliny, ka tsy misy arofanina mihitsy izy izany fa izay miresaka aminy rehetra andavanandro dia "andriamanitra" avokoa :)


70. booboo ( 02/12/2006 12:13)
ié hôa dia rehefa tsy mamaky baiboly nareo dia mangiana ve Izy sa mijerijery fotsiny sa maninn ?
71. LazaDaddy ( 02/12/2006 12:19)
booboo:
ié hôa dia rehefa tsy mamaky baiboly nareo dia mangiana ve Izy sa mijerijery fotsiny sa maninn ?
Ny zavatra tsapako tokotrany aloha an! Isaky ny misy resaka Baiboly dia tsimaintsy misy karazan'olona misendoatra sy mampiseho ny hadalany :)foana manohitra ilay Baiboly. Toy ny sabatra roa lela tokoa ny Tenin'Andriamanitra :)
72. booboo ( 02/12/2006 13:42)
fanontanina valiana fa tsy ny fahatsapanao no tiako ho fantatra
73. xxx ( 02/12/2006 16:59)
Za aloha efa zatra an'i LazaDaddy eto e. Miseho mankahala politika izy :lol: nefa isaky ny anontaniana dia manao reponse politique foana : tsy mamaly fa mamilivily saim-bahoaka :)

Hors sujet :oops:
74. Imahaka ( 02/12/2006 17:31)
:-D
75. soanja ( 02/12/2006 18:36)
ikaretsaka:

Mba hangala tahaka za de mba manome laza adina koa e::-D

Kristianina = manara-dia an'i Kristy sy mankatoa ny Teniny


Avy aiza ary ilay teniny??? ireo izay voalaza ao anaty baiboly ihany ve??

Ny hevitro:

za mamaky baiboly an... fa tsy be LOATRA sady tsy zatra ilay mandika na mandray isan'andalany de mampirindra n'iny @ fiainako toy ny ataon'ny SASANY ato na mitanisa sy mitsipona isan'andalana hanamarinana ny heviny

fa za koa mino fa tsy avy amin'ny baiboly irery ihany i Andriamanitra no miteny amiko sy @ izao tontolo izao .. fa @ zavatra rehetra ataoko andavanandro syy @ alalan'ny zavatra rehetra homeny ahy hamitako ny andavanandroko... sy ny zavatra rehetra miseho

raha sendra mila azy za zao ohatra na ao anaty fisalasalana na fiadanam-po na hivavaka de tsy voatery hipetraka aloha de hitady ny baiboliko fa tonga de izy mihitsy no anontaniako.. de mamaly ahy tsy mila baiboly koa izy ao anatin'ny meditation ko sy ny vavako lalina ao
tsy mila soratra masina aho @ zany tsy mila mamaky teny fa tonga de ao!

ary inoako fa bedebe ny manao toa ahy rehefa mivavaka

olana be ve ny @ izany?? Voalaza tato manko ny hoe fa misy hoe tsy kristianina aho satria tsy mamaky baiboly LOATRA?
Ny ahy manko tsy ao anaty Boky loatra ny Andriamanitro sy ny Jesoako no miteny amiko sy iresahako fa ao anaty Foko


Tsy za ilay hoe "efa ho faty ko mbola hoe "nankaiza ny baiboliko teo""? (Tenin'olomasina io dicton io an)

Ny hevitrareo??


Zah dia mitovy aminao.Isandro dia manodidina antsika eo AndriamANItra ary miresaka amintsika satria ao anatintsika raha toa mahatsapa azy ianao ary mahafantatra fa tsy manao ratsy ny hafa ary mahatsapa fa izy no Fiandohana sy Fiafarana, mandrakizay, Faratampony ary TOKANA.
Tsy ao main'ny baiboly irery ihany ny Fahamarinana fa amin'ny zavatra iainanao dia azonao hakana tsoaka hoe inona no fahamarinana tian'Andriamaniatra haseho amiko eto. Mivavaka aminy mangina na mikaroka amin'izay mety ahitanao ny valiny , ohatra baiboly na torah na hafa tsy voatanisako eto.
miresaka amintsika lalandava Andriamanitra fa anjarantsika ny mahalala izay tiany hampitaina.
Tsy misy olona afaka mitsara anao na Kristianina ianao na tsia. Ianao sy Jesoa ihany no mahalala izany. Izy Andriamanitra no mpanolontsaina ka raha manaiky an'i Kristy ho Mpamonjy ianao ary mahalala ireo zavatra hitanao andavanandro ka isaoranao sy anarahanao ny diany dia mino fa Kritianina ianao. Ny hafa mantsy olOmbelona toa anao ihany.
Izay ny anarana sy ilana ny FITONIANA ao anaty. Afaka mandalina sy mihaino ny hafa fa tsy voatery handray ny zavatra rehetra izay hitanao fa mety hanimba izany fifandraisanao amin'Andriamanitra izany, matetika io dia amin'ny fomba ankolaka toy ny fanapepoana sy ny maro hafa tsy voatanisa kilemantsika olombelona.
Manana lesoka isika ary tsy misy tonga lafatra. Fantatr'Andriamanitra ny momba antsika tsirairay avy ka ny fihoarana manokana na ezaka no takiany.


76. cutie ( 02/12/2006 20:14)
Mpandefa : booboo [ Valio ] 02-12-2006 13:13:07
Lohateny : Re : Ny maha Kristianina sy nytenin'Andriamanitra
ié hôa dia rehefa tsy mamaky baiboly nareo dia mangiana ve Izy sa mijerijery fotsiny sa maninn ?

:-D:-D:-D:-D
njy azon-jy mitsy ve le lesona e , efa we vakio ny baiboly hono :-D:-D:-D:-D:-D
77. cutie ( 02/12/2006 20:15)
Tsy ao main'ny baiboly irery ihany ny Fahamarinana fa amin'ny zavatra iainanao dia azonao hakana tsoaka hoe inona no fahamarinana tian'Andriamaniatra haseho amiko eto.

=D=D=D=D=D soanja
78. ikaretsaka ( 03/12/2006 04:27)

Tsy ao amin'ny baiboly irery ihany ny Fahamarinana fa amin'ny zavatra iainanao dia azonao hakana tsoaka hoe inona no fahamarinana tian'Andriamaniatra haseho amiko eto.


=D ENFIN!!! tafita ny hafatra

Deo gratias.Laus tibi, Christe.

Fa nila hevira 70 mahery ve nama:-*
Misaotra ny nandray anjara rehetra e


79. dailynews ( 04/12/2006 02:19)
Raha resaka finoana anefa no resahina ary raha mbola milaza fa io Atra Jehovah io ihany no hivavahana sy hinoana dia tokony hino fa Ny tenin Atra ihany no fahamarinana ary tsy misy hafa.

Ny atao hoe mino an Atra mantsy anie dia izao, tsy mino fotsiny fa hoe misy Atra( tsy ilay hoe mino fa mi existe fotsiny Izy) tsara izay saingy tsy ampy. Fa hoy ny soratra masina hoe na ny devoly aza anie hoy izy dia mino an Atra e, izy aza mangovitra.

Fa ny amiko ny atao hoe finoana dia ny finoana izay zavatra lazain ny Tenin Atra. Ny finoana izay lazain io baiboly io, ny finoana izay lazain i Jesoa.

Raha toa aho ka hiteny hoe omeko vola dimanjato I Soa @ faran ny volana. Raha mino ahy i Soa ( fa tsy hoe ny fisiako fotsiny) dia rehefa tonga ny faran ny volana dia manantena izy fa ho azony ny vola dimanjato ary hanatena tsy misy ahiahy izy hoe vao tonga ny faran ny volana dia ho azony ny vola.

Tsy any @ ilay hoe mino na tsy mino ny fisiako intsony no olana eto. izany hoe izaho mino fa mi existe i dailynews. fa any @ ilay hoe mino ny zavatra lazain i dailynews.
Raha mino ahy i soa dia mino ny zavatra izay lazaiko.

Raha misy ihany koa izany milaza fa mino an Atra. dia mino ny zavatra izay lazainy anaty baiboly. Raha miteny ny baiboly fa Jesoa (na ny Teny Jaona 1:1) irery ihany no fahamarinana. Raha mino an Atra dia mino izany fa tsy mino zavatra hafa indray. ohatra hoe..ny fivavahana rehetra dia mitondra hoa ny andanitra, na hoe ny fahamarinana dia tsy ny baiboly ihany. Hoy Jesoa hoe Izy IRERY ihany no lalana.

Raha hilaza aho fa mino an Atra anefa tsy mino ny lazainy hoe Izy irery ihany no fahamarinana.. dia mampangainga an Atra izy izany.


raha milaza i Soa fa mino an i DN anefa tsy nahatoky akory fa omeko azy ilay vola dimanjato @ faran ny volana dia tsy mino ahy izy izany na dia hoe mino fa mi existe aza i DN. mampangainga ahy izy izany.
80. cutie ( 04/12/2006 02:44)
DN
raha atao conclusion zany de:
Jesoa= Atra =baiboly :lol::lol::lol::lol:
Fa za alou mbola tsy miala @le lazain'i soanja e :lol:
Voalaza teo :
Tsy ao main'ny baiboly irery ihany ny Fahamarinana fa amin'ny zavatra iainanao dia azonao hakana tsoaka hoe inona no fahamarinana tian'Andriamaniatra haseho amiko eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0485