Ny mivavaka sy mino @ gasy

81. cutie ( 29/11/2006 00:05)
LD manin tsy valian ny fanontaniako e :roll:
82. Zina ( 29/11/2006 03:54)
Izaho tsy hiteny hoe ny ahy ihany no marina fa io nambarako io ambony io no averiko: "Andriamanitra Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina ihany no marina".

hummm no doubt about it
83. majesty ( 29/11/2006 05:19)
Hoy prime:

Ny zavatra tsapako hatr@ izay fotoana fohy mba nidirako teto @ sera2 izay dia tsy betsaka velively kristiana izany eto fa saingy mandray anjara mavitrika izy ireo ato dia toy ny hoe tsy misy finoana sy fivavahana afatsy ny an'ny kristiana...


Tsy betsaka ny kristiana fa betsaka ny te ho kristiana aki prime a,fa saingy mbola voasakan'ny toe-javatra miseho amin'ny fiainana an-davan'andro fotsiny angamba dia mbola misalasala.

cutie: za koa ve anisan'le close minded :-*
84. tywa68 ( 29/11/2006 09:10)
Ka afa-po ve i Ikaretsaka aloha no tsy hita intsony ê ? Miresaka anie no atao eto fa tsy hifanenjika hoe enao diso na ny an'itsy no marina ! toa samy manao ny tiany atao dhl avy eo !:lol:
85. prime ( 29/11/2006 11:56)
majesty> misaotra fa mazava ilay fanamarihana... fa misy tsy te-ho kristiana koa no maro fa mamazivazy sy mananihany ary maniratsira mihitsy ny tenin\'Andriamanitra aza no ataony...
86. xxx ( 29/11/2006 12:23)
Izaho tsy hiteny hoe ny ahy ihany no marina fa io nambarako io ambony io no averiko: "Andriamanitra Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina ihany no marina". Disoy io raha hitanao fa diso


Tsy handiso an'io za fa manampy sy manao fanamarihana kely fotsiny

Ny fivavahana rehetra samy manao daholo hoe ny azy ihany no marina:

Misy manao hoe i "allah" ihany no marina

Misy manao fa i "andriamanitra ray" ihany no marina

misy manao hoe "jehovah" ihany fa tsy misy izany trinity masina izany
misy manao fa i "Adenai" ihany no marina
misy manao fa ilay andriamanitra voalazan'i Mormon, Baha Ullah ihany no marina..

ary sao anatin'ny Boky (baibolin') ireoa misy manao daholo hoe 'izaho, na ilay fivavahana toriako (ilay andriamanitra inoany) no lalana sy fahamarinana'....
87. prime ( 29/11/2006 14:16)
xxx> (ianao ve aloha mba afaka miteny amin'ny ps tena izy raha tsy mahadiso?...) eny tokoa samy milaza ny azy ho marina fa amin'izy rehetra tokana ihany no sahy manao "affirmation avec autorité" manao hoe "...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana..." Jaona 14:6
88. LazaDaddy ( 29/11/2006 15:21)
prime> somary ahitsiko kely azafady.

Ny hafa rehetra miteny hoe ampianariko sy atoroko anareo ny fahamarinana.

I Kristy kosa manambara fa Izy no Fahamarinana :)
89. LazaDaddy ( 29/11/2006 15:27)
xxx:
Tsy handiso an'io za fa manampy sy manao fanamarihana kely fotsiny
ka raha fantatrao ny marina dia ijoroy! Ankoatr'izay tsy hitako mihitsy izay antony mampiasa saina anao @ TSY MARINA ambaran'ny hafa.
90. cutie ( 29/11/2006 22:33)
cutie: za koa ve anisan'le close minded

le ary @ resaka homo ihany toi no close minded :lol:
91. ikaretsaka ( 30/11/2006 04:46)
kristy nanambara fa izy no fahamarinana, de neniza no mankany aminy?
nen'i pastera sa ny an'i mopera sa neniza?
92. LazaDaddy ( 30/11/2006 05:10)
ikaretsaka:
kristy nanambara fa izy no fahamarinana, de neniza no mankany aminy?
Avy hatrany dia azo antoka fa izay manara-dia azy, izany hoe Kristianina.

Voavaly izany izay ilay ahiahy manorisory anao hoe "mirona be amin'ny kristianisma" :)




93. ikaretsaka ( 30/11/2006 05:17)
tsy mbola fa vao mainka tsy mazava.. ahoana ny tena fanarahana ny diany .... raha ny hevitrao?

94. LazaDaddy ( 30/11/2006 05:22)
1) efa voavaly aloha ny momba ilay hoe "mirona @ Kristianisma" ny Gasy satria i Kristy no fahamarinana :)

2) Ny fanarahana ny diany indray dia azontsika anaovana dinika hafa.:) Na izany aza anefa dia tsy sarotra io fa tsotra be: mankatoa sy miaina ny Teniny:).
95. ikaretsaka ( 30/11/2006 05:33)
k aamin'ny fomba ahoana ny fankatoavana sy fanarahana ny teniny?
teniny avy aiza? sns??

2) hafahafa be zany lozikan'ny namana izany an...ary raha miteny koa izany aho hoe izaho no fahamarinana de hirona aty amiko ve ny gasy?:roll:
96. LazaDaddy ( 30/11/2006 05:42)
Hoy i Kristy: "Izaho no fahamarinana". Marina ve io sa diso hoy ikaretsaka? :) Izay ihany angamba dia ampy.

ikaretsaka:
...ary raha miteny koa izany aho hoe izaho no fahamarinana de hirona aty amiko ve ny gasy?
Ianao aza toa tsy sahy miteny akory fa misalasala :). Sa sahy hijoro hifaninana @ i Kristy ho lasa "antikristy"? :lol:
97. LazaDaddy ( 30/11/2006 05:49)
ikaretsaka:
k aamin'ny fomba ahoana ny fankatoavana sy fanarahana ny teniny?

Ny fototra iainganao dia tiavo Izy fa aza tonga dia feno fahakamoana na fahasorenana vao mandre ny Anarany na ny Teniny :)
98. prime ( 30/11/2006 11:08)
Raha mikasika ny fanarahana an\'i Kristy dia mila fibebahana mialoha ny zavatra rehetra... mila mihaino ny feon\'i Jesosy fa fitiavana no nanolorany ny tenany ho ahy sy ho anao... ilay tsy nanana ota no nanolotra ny ainy mba tsy ho faty amin\'ny ota ataony ny olona rehetra...

Raha tsorina dia izao, Andriamanitra nanolotra ny zanany ho faty hamonjena ny fahavalony... asa re fa ny olombelona tsirairay mihitsy no mendrika homboana amin\'ny hazofijaliana sy voakapoka noho ny ota vitany, nefa dia Jesosy no nanaiky handray izany sazy sy kapoka mafy izany ka nanolotra ny ainy mihitsy aza mba tsy hahafaty ahy sy ianao ary ny olona rehetra amin\'ny fanamelohana... Tia ahy sy ianao Andriamanitra ka foiny na ny Zanany malalany aza ho faty hamonjena ahy sy anao izay mendrika ny ho faizina amin\'ny farany mafy indrindra satria nandika ny tenin\'Andriamanitra sy ny didin\'Andriamanitra ary ny fitiavan\'Andriamanitra nandritra ny fotoana maro... araka ny voasoratra hoe \"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan\'Andriamanitra ao aminy kosa isika.\" II Korintiana 5:21

Fantatrao ve fa tia anao Andriamanitra? ary tena tia fa tsy hoe tiatia na mitsapatsapa? fa raha izay fiainana andavanandro, harena, vola, fitiavana, asa aman-draharaha, vady, taranaka, fahasalamàna, fahendrena, fahaizana, fahalalàna... moa ve tsy foiny maimaimpoana izany? ny Zanany aza foiny... hoy mantsy Izy hoe \"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.\" Matio 6:33

Koa raha ny fanjakàny aza foiny hampandrosoana ahy sy ianao... olona mpanohitra Azy sy mpiteny ratsy Azy no antsoiny hoe avia aty ry zanako malalako... moa va tsy tsara amintsika ny miverina Aminy? ka mikatsaka mandrakariva ny ho eo Aminy?... araka ny voasoratra hoe : \"Mitadiava an\'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.\" I Tantara 16:11

Fa dieny mbola azo antsoina Andriamanitra ary manokatra mibanabana ny varavarany dia aza misalasala miverina Aminy fa tsara sy sitrany indrindra izany, fa mbola ho avy ny tsy hihainon\'Andriamanitra intsony, anodinany ny tavany amiko sy aminao... aza misy anie izany fa izany no loza indrindra... fa Izy ankehitriny no mbola miantso... araka ny voasoratra hoe : \"Mitadiava an\'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.\" Isaia 55:6, \"Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.\" Matio 7:7

Iza lehiretsy no Andriamanitra miangavy olombelona mpanota toa ahy sy ianao toy izany? asa aloha fa raha izaho dia tsy hihambahamba intsony...
99. kitjo ( 30/11/2006 16:19)
ikaretsaka



Jereo ny Baiboly fa ao dol ny torolalana...
rehefa iainanao zay dia ianao ihany koa no mahalala na mety na tsy mety ny ataonao araka ny Soratra masina avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra!

Haiko fa hanohy indray izao ianao hoe fa taiza no Baiboly no inoana sns...dia hoy ihany aho hoe vakio aloha dia ao ny valiny!

HIfaninana aminy enao zany? tsy aleonao izy mitsy no anontanianao?

Ny fihevitr'olombelona manko tsy mba fihevitr'olombelona!
100. Zina ( 30/11/2006 19:51)
Kitjo.
Jereo ny Baiboly fa ao dol ny torolalana...
rehefa iainanao zay dia ianao ihany koa no mahalala na mety na tsy mety ny ataonao araka ny Soratra masina avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra!

marina io ho an;izay tena vonona ny hanara-dia an'i Kristy,
Mila devotion sy foi be mihitsy ny atao hoe KRISTIANA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087