Ny mivavaka sy mino @ gasy

1. ikaretsaka ( 24/11/2006 20:58)
ny gasy toko hoa rehefa hoe resa-pivavahana sy finoana dia lasa mirona be any @ Kristianisma e!
nefa hoe Fivavahana sy finoana no tena main topic fa tsy voatery hoe kristianisme
Sa ko @ gasy rehefa hoe "mivavaka sy mino" dia =kristianina izany?
nefa dradradradraina hoe mivelatra @ hafa ny kristianina
novalian'i soanja ny 17/12/2006 00:10
2. Fiffi ( 24/11/2006 21:26)
ikaretsaka:
nefa dradradradraina hoe mivelatra @ hafa ny kristianina
@ hafa ahoana zany ? na @ iza ?


3. ikaretsaka ( 24/11/2006 22:04)
@ finoana hafa e
4. dailynews ( 24/11/2006 22:38)
satria raha mijery ianao dia ny malagasy kristiana sy silamo no betsaka na tsy mpino raha oharina @ finoana hafa...vitsy izany hoe malagasy boudhist na hindou na ....izany......tsy milaza aho hoe tsy misy fa kosa vitsy.
ary ihany koa tsy afaka hiteny ianao hoe ny malagasy fa angamba ny olona eto amin ny tahiry serasera. midika izany fa ny olona eto amin ny tahiry serasera dia bettsaka kokoa ny mandray anjara eto @ fivavahana sy finoana no kristiana sy tsy mpino noho ny fivavahana hafa.
5. dailynews ( 24/11/2006 23:15)

nefa dradradradraina hoe mivelatra @ hafa ny kristianina
[/quote]
koa raha kristianina no betsaka mandray anjara eto, maninona izy no hiresaka boudhisme na fivavahana hafa...???

6. xxx ( 25/11/2006 06:13)
Tsy dia mazava loatra ny fanazavanao anay ka ny zavatra fantatro aloha no resahiko.Mivavaka amin'iza io? ny mino an'iza io? Ny atao hoe tena Kristiana dia izay olona manaraka an'i Kristy, Mino azy fa zanak'Atra izy, manaiky azy fa maty teo ambony hazo fijaliana izy noho ny fahotantsika rehetra. Mino azy koa fa telo izay iray izy,Atra,zanaka ary fanahy Masina.Tsy mivavaka amin'ny sampy,na mandohalika amin'ny tsangambato.Eksodosy 20:3
Na mandoro zava-manitra satria efa vita hoy izy teo ambon'ny hazo fijaliana koa tsy miverina amin'ny fanatitra dorana tao amin'ny testameta taloha intsony isika.Izaho hoy Jesosy ao amin'y ray ary izy ato amiko, tsy misy hafaka makany amin'ny ray hoy izy raha tsy avy amin'ny alalako,Koa raha misy izany fivavahana tsy mifanaraka ny baiboly izay voalaza ao amin'io Eksodosy 20:3 io dia tsy fivavahana Kristiana izy fa sarisary ihany.Misy fivavahana mihoatra ny telo eto amin-tsika izay mifanohitra an'io ka aoka isika no ahalala azy satria tsy anjarako ny mitsara fa ny marina no teneniko. Tsy afaka manala na manampy ny baiboly isika, misy izay tiany tenenina ihany no torony, tsy afaka mifona any amin'ny olona mitovy antsika isika ka hilaza izy fa voavela ny helokao, tsy afaka hiankohoka amin'ny sarin'olona izay vitan'ny olona isika na mandoro zavatra manitra, ary misy ny fivavahana tsy mankalaza ny nahaterahan'i jesosy. Tsy misy izay tsy mahalala isika fa tsy 25/12
izy no teraka fa nakamban'ny tsy mpihino ho an'ny mpihino io ka lasa iraisam-pirenena. Misy ny tsy mahazo manao izao e , tsy mahazo manao pantaloha, lokomena, tsy mahazo manome ra. Raha zanakao izao ve no marary,tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
7. xxx ( 25/11/2006 06:27)
Misy ny mivavaka amin'ny razana, ny sampy, ny olona efa maty, ny mpisikidy, amin'ny zanahary sy ny razana, ny mivavaka amin'Atra. Fa isika rehetra dia mino fa misy Atra izay nahary izao tontolo izao. Io no misampana maro ka ny sasany dia mamorona atra kely izay hifikirany amin'ny andavan'andro sy amin'ny fotoana ilainy azy. Misy ny mivavaka amin'ny lava-bazimba, mivavaka amin'ny sampy, mivavaka amin'ny volana sy ny kintana,misy ny fiangonana izay variana isika fa mivavaka amin'Atra izy no mivavaka amin'ny kintana.Misy lavaka ery ambony tilikambo hidiran'ny jiron'ny masoandro makeo amin'ny pilipitra.Naka tahaka ny celtika ry zareo,tsy hanonina fiangonana aho. Misy ny minoa sy mivavaka amin'ny sampakazo ka mahatonga ireo tanora marobe mitady vady mivoaka alina, misy ny mivavaka amin'ny hazo ka manisy tantely, misy ny manao asaramanitra, ny andriana mamono omby dia manao fati-dra,misotro sy milomano ilay rano maloto eny amin'ny tany masina, mivavaka amin'ny omby, bibilava, elefanta,sns. Misy ny mivavaka amin'ny mpaminany izay tsy hiverina intsony ary misy ny mivavaka amin'ny vehivavy maro rantsana. Ireo rehetra voatonona ireo dia tsy azo atao hoe kristiana na dia miditra am-piangonana aza ny olona satria hoy jesosy hoe tsy afaka manompo roa ianareo, fa ny iray halanareo ary ny iray tianareo.Mialatsiny e raha miteny ny marina fa ny ho voavonjy isika rehetra no tena tadiavina koa diniho ny tenantsika , ny finoan-tsika , ny tori-teny raha mivoana any amin'ny hafa fa tsy mitory ny ao anaty baiboly dia tsy mivavaka amin'ny Atra sy jesosy izany fa gasy mino sy mivavaka amin'ny hafa
8. booboo ( 25/11/2006 07:41)
Ikaretsaka > eka ouz ! hihihihi, hiresaka boudhisme ny tena ohatra, mivadika tori-teny beeee sy versets bibliques booooooobaka beeee no azo. Fahitako azy, sahala @ hoe rehfa tsy manana fofona kristianina ny raha dia tena manota fady ny mandalina an'iny (na resaka hoe curiosité fotsiny aza)...mety samy manana ny fomba fahazoany lé hoe mivelatra @ hafa angamba...tsy haiko
9. Achia ( 25/11/2006 08:00)
Raha amiko manokana indray aloha ny hoe fandalinana na ho famantarana ny hafa tsy dia misy olana loatra ary tsy ampiova ny finoako an'i Jesosy kristy izany satria fantatro ny ATRA ivavahako , fa ny fahalalana ny an'ny hafa dia ilaina tokoa satria ataonao ahoana no ho fampianatra na handresy lahatra azy raha tsy fantatrao izay ao eny fa na dia fantatrao mialoha aza fa ny anao ny Andriamanitry ny Andriamanitra rehetra
10. mpanota ( 25/11/2006 08:10)
Eny eh raha amin'ny renivohi_paritany sy ny toerana avo rehetra aloha dia saika Kristianina no maro tisa eh , nefa raha mamadika dictionnaire kosa enao dia tsy mihotra ny 50%-ny Malagasy HONO no mivavaka amin'ireny finoana fata-daza ireny (kristianina , musulman .....) Marina mihitsy aloha izany eh satria raha mandeha any ambanivohitra ianao dia saika vao hita any rehetra nany ilay hoe tany masina na toerana masina , ny fivavahana samy hafa sy ny fisian'ny dadarabe....... fa ato amin'ny serasera ihany angaha no betsaka kristianina ohatra
ka io samy manana ny fivavahany io ary samy manana ny marinany io ary ny tenako manokana aloha dia mandiso mihitsy ny fanaovana ireny fivavahana hafa ireny (eto dago ) hoe FANOMPOANTSAMPY eny samy mlanana ny famaritany ny sampy koa angamba io :twisted:
11. ikaretsaka ( 25/11/2006 08:47)
hitanareo ny tiako lazaina de hoe
... efa ela ihany izay nandehanako tato izay an fa taha misy theme na topic ananiray dia hita foana hoe mirona be any @ kristianisma ny ato..
fa raha vao manao resa pivavahana na olana ara-pivavahana ato dia miala any ny hoe .."tadiavo jeso" de hoe satria "ho'zy ny baiboly" matetika.... ataoko anefa fa samy efa mahaihay ny ao anaty baiboly aby sy samy manana ny fomba famoaboasany izay ao aby. de eo de mifampitory samy kristianona eo
za kristianina hiringiriny a ary mino an'i jesoa za fa ohatran'ny mba liana za @ ioe ahoana hozy ny sanskrit @ na situation na theme anankiray.. na hoy ny coran, na hoy i dadarabe... sns..

Ny ahy manko ny fivavahana sy ny kristianisme tsy erotreretiko hoe "borne" na arofanina dia hoe vao mivoaka an io dia any fa tsara kokoa ny ahalalana ny an'ny hafa alohan'ny hanajana na hi-tsikerana ireo, sy hahafahana mandinoka izay finoan'ny tena manokana
12. Rainikarabo ( 25/11/2006 11:02)
mpanota:

ary ny tenako manokana aloha dia mandiso mihitsy ny fanaovana ireny fivavahana hafa ireny (eto dago ) hoe FANOMPOANTSAMPY eny samy manana ny famaritany ny sampy koa angamba io :twisted:



miombon-kevitra aminao
13. kitjo ( 25/11/2006 15:19)
normale be io oe raha mjery sakafo zao @resaka sakafo d ingredients tsisy aty no resahin'ny maro fa any europe no betsaka

ka satria ny ankamaroan Gasy dia kristiana ka ra vao miresaka fivavahana dia fomba fisainana araka izay maha kristiana zay no fomba fihevitra metetika

fa ra misy sujet eo ohatra "mba ahoana kay reny bodista reny"
dia samy amaly dol ze te hamaly fa tsy hisy hilaza akory oe zay kristiana fa tsy hamaly an'io resaka io..
ny fomba entiny maneho ny heviny no mety mbola ahitana fa kristiana izy. zany akory tsy midika oe ts hihresaka momba fivavahana ankoatra ny kristiana.

14. Fiffi ( 25/11/2006 15:55)
ikaretsaka:
... efa ela ihany izay nandehanako tato izay an fa taha misy theme na topic ananiray dia hita foana hoe mirona be any @ kristianisma ny ato..
ka miankina @ le sujet io koh ! nefa ange betsaka hiany ny dinika mivoaka at ohatra ny boudisme , T.Jehovah , ny silamo sns....fa de mamaly zay te hamaly !
Tsy normale ve ozy enao raha zany no hita ? ka raha kristiana firy % ny mpamaly ato ?


15. kitjo ( 25/11/2006 16:45)
tsy haiko aloha fa raha za ve no vegetarienne tsy hilaza foana ny maharatsy ny hena aho raha izay no mandresy lahatra ahy?

izany nefa ts hisakana ahy hiresaka momba sakafo sy momba charcuterie ohatra...

kay, malahelo masikita any Dago a..haha
16. cutie ( 25/11/2006 21:41)
miombon-kevitra @ ikaretsaka sy booboo:lol::lol::lol:
17. ikaretsaka ( 25/11/2006 23:37)
booboo:

Ikaretsaka > eka ouz ! hihihihi, hiresaka boudhisme ny tena ohatra, mivadika tori-teny beeee sy versets bibliques booooooobaka beeee no azo. Fahitako azy, sahala @ hoe rehfa tsy manana fofona kristianina ny raha dia tena manota fady ny mandalina an'iny (na resaka hoe curiosité fotsiny aza)...mety samy manana ny fomba fahazoany lé hoe mivelatra @ hafa angamba...tsy haiko

izay mihitsy de izay foana matetika ny an'ny gasy ko... io ono mahagaga ahy hoe maninona


18. cutie ( 26/11/2006 02:38)
izay mihitsy de izay foana matetika ny an'ny gasy ko... io ono mahagaga ahy hoe maninona

tsy ny gasy ihany fa ny vaza koa aza :lol:
19. kitjo ( 26/11/2006 05:11)
zay manko : tsy ny gasy ihany!

efa extremisme be raha izany lazain' i booboo zany le!

20. ikaretsaka ( 26/11/2006 07:49)
"matetika" hozizy za
ary marina io an;i booobooo io fa tsika no manao jamba mahiratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.132