Ny mivavaka sy mino @ gasy

61. Rasiligaoma ( 28/11/2006 00:47)
i paolyUnderlined text no nilaza an'io fa tsy ianao...miapanga lainga koa kay ianao ity
62. LazaDaddy ( 28/11/2006 00:51)
Rasiligaoma> tsy hitanao angaha io hoe Galatiana 2:20 io? Sady tsy lainga io fa fahamarinana fa mahagaga ianao irery ihany no mahita lainga ao anatin'ny Baiboly ka asa iza no miampanga lainga? Sa mba nosoratsoratanao fotsiny ilay fialan-tsiny etsy ambony etsy? Tena faly hanitatra siligaoma marina ianao ity ka!

Tsy mahamenatra ahy koa ny miteny fa: "Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko"

63. Rasiligaoma ( 28/11/2006 00:54)
ka i paoly hoa no nilaza an'io ho an'ny galatianina fa tsy ianao nilaza tamiko..
sa aiza @ izany no tsy azonao?
sa taratasy nosoratanao ho ahy ny ao @ galatianina?? hmm?
64. LazaDaddy ( 28/11/2006 00:58)
Ka raha i Paoly no nilaza an'io ho an'ny Galatiana izay naveriko nosoratako tsara teto, inona no lainga amin'izany? Fadio ihany ny fanitarana sy fiampangana lainga ary ataovy @ fo ny fialan-tsiny fa aza mihatsara velatsihy.

Dia averiko eto ary tsy mahamenatra ahy koa ny milaza aminao fa tahaka an'i Paoly dia: Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko. Na hiampanga lainga sy hitady fika hiampangana lainga mandrakizay aza ianao dia anjaranao izany fa ny ran'i Jesoa no efa nanamarina ahy :)
65. Rasiligaoma ( 28/11/2006 01:22)
ka ianao lazadaddy miresaka amiko..
ny 1 paoly milaza amin'ny galatianina..

sa mitovy zany aminao? hmmm?
66. LazaDaddy ( 28/11/2006 02:18)
Rasiligaoma> Tsy hiady hevitra aminao aho fa efa hita taratra hatrery ambony ny fanitaranao sy ny fiampanganao lainga.
67. xxx ( 28/11/2006 02:41)
Rasiligaoma sy tsimiandravola ve iray ihany e?:roll::roll:
68. jaguar ( 28/11/2006 09:04)
zao ry zareo an! mba hiteny kely za fa za dia kristianina, fa misokatra ary mifanakalo hevitra @ rehetra.
Raisiko ny hevitra mety amiko ary tsy ataokok fotsiny ra tsy mety.Tsotra be izany, ary tsy tokony hampisy resa-be satria fantantsika fa Andriamanitra dia 1 ihany, ka raha misy mahita hafa dia azy ny azy, fa ny lalanao no zory.
69. Rasiligaoma ( 28/11/2006 10:42)
zay mihitsy
70. prime ( 28/11/2006 13:51)
Tsy fahadisoan'ny kristiana vely2 ny manambara ny finoany fa raha misy hafa dia ambarao koa mba ho fantatry ny besinimaro...
71. ikaretsaka ( 28/11/2006 15:06)
ny manambara ange tsy misy maninona e..
fa ilay karazana kristianina sasany exclusif be no mahakamo
raha vao manao ilay hoe nenay ihany nomarina na nenareo ihany dia tafahoatra kosa e
72. soanja ( 28/11/2006 15:34)
ikaretsaka:

ny manambara ange tsy misy maninona e..
fa ilay karazana kristianina sasany exclusif be no mahakamo
raha vao manao ilay hoe nenay ihany nomarina na nenareo ihany dia tafahoatra kosa e

Marina ny anao ry Ikaretsaka. Amiko ireny olona somary mbola tery saina ihany. Tsy fantany mantsy fa ny finoana dia anjaran'ny tsirairay no mitady izany fahamarinana par rapport aminy sy izay ataony . Tsy hahazo valiy koa anefa raha tsy efa mihoana amin'Andramanitra ho na;uzay mino azy na tsy hihoana akory vao ahita hoe neniza no marina. Ny zavadehibe dia "ny fitoniana ao anaty" ka ahafahanao mifandray amin'izay eritreritinao fa Andriamanitra na Fanahy na tsy misy aoi anatinao ary hainao koa mampita izany amin'ny mpiarabelona aminao.


73. kitjo ( 28/11/2006 17:32)
tsy arako tsony le resaka!

ny an'i jaguar io no hitako marina!

ny Finoana an'i Kristy no fototry ny finoana amiko mahavonjy, fa aveo vao hoe "finoana arahina asa"..accessoire fts zany rht izany fa ny Finoana no zava-dehibe..

kanefa moa samy manana ny inoany koa ka eo no tsy ampifanaraka mihitsy!
na izany samy manana ny marina aminy tsy misy mifanome tsiny

@maha Kristiana fts d mahatsiaro tena ho manana anjara mampahalala fa rehefa tsy mandray le ol d zay zavatra hafa!
74. cutie ( 28/11/2006 18:42)
Marina ny anao ry Ikaretsaka. Amiko ireny olona somary mbola tery saina ihany. Tsy fantany mantsy fa ny finoana dia anjaran'ny tsirairay no mitady izany fahamarinana par rapport aminy sy izay ataony . Tsy hahazo valiy koa anefa raha tsy efa mihoana amin'Andramanitra ho na;uzay mino azy na tsy hihoana akory vao ahita hoe neniza no marina. Ny zavadehibe dia "ny fitoniana ao anaty" ka ahafahanao mifandray amin'izay eritreritinao fa Andriamanitra na Fanahy na tsy misy aoi anatinao ary hainao koa mampita izany amin'ny mpiarabelona aminao.

hita koa close minded:-D:-D:-D
75. Zina ( 28/11/2006 18:56)
raha vao manao ilay hoe nenay ihany nomarina na nenareo ihany dia tafahoatra kosa e

ataoko fa tsy hisy olona hiteny an'izany ato satria "ilay oe ny anao ihany no marina" tsy misy Ny an'Andriamanitra ihany no marina...
ary eto anie samy mamoka izay fantany e ka oy i jaguar oe:
zao ry zareo an! mba hiteny kely za fa za dia kristianina, fa misokatra ary mifanakalo hevitra @ rehetra.
Raisiko ny hevitra mety amiko ary tsy ataokok fotsiny ra tsy mety.Tsotra be izany, ary tsy tokony hampisy resa-be satria fantantsika fa Andriamanitra dia 1 ihany, ka raha misy mahita hafa dia azy ny azy, fa ny lalanao no zory.

izay no tokony ho conclusion an'izay rehetra itan-tsika eto...
76. LazaDaddy ( 28/11/2006 23:00)
ikaretsaka:
fa ilay karazana kristianina sasany exclusif be no mahakamo
resaka lava be raha halalinina ny momba ny "exclusif" sy tsia satria mila fandanjalanjana tsara hoe aiza ny fefy? Fantaro aloha fa i "Kristy dia exclusif" raha tsy mandray azy ny olona. Hoy Izy: "Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako"..."raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona"..."Izaho no vavahady, izay tsy miditra amin'ny vavahady dia mpangalatra"..."Raha tia ahy ianareo dia manatanteraka ny didiko"..."Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"

Izay no mahatonga an'i Zina milaza ary hamafisiko hoe "Andriamanitra Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina ihany no marina". Io fanambarana io dia tena "exclusif" mihitsy ary raha mahakamo na mahatohina anao izany dia aza misora-tena ho kristianina fa mamita-tena ianao. Marina Izy ary marina 100% fa tsy ilaina afangaro @ "andriamanitra" sy fivavahama na finoana hafa. Ny ankoatr'izay dia diso fa tsy misy fahamarinana tapatapany izany.
77. cutie ( 28/11/2006 23:03)
Marina Izy ary marina 100% fa tsy ilaina afangaro @ "andriamanitra" sy fivavahama na finoana hafa.

in aza le finoana hafa sy fivavahana hafa:roll:
78. LazaDaddy ( 28/11/2006 23:10)
cutie:
in aza le finoana hafa sy fivavahana hafa
anontanio ireo "mpisolo vava" azy.
79. cutie ( 28/11/2006 23:14)
iza no mpisolo vava azy :roll:
80. LazaDaddy ( 28/11/2006 23:33)
ikaretsaka:
ny gasy toko hoa rehefa hoe resa-pivavahana sy finoana dia lasa mirona be any @ Kristianisma e!


ikaretsaka:
ny manambara ange tsy misy maninona e..
tokony hanambara tapatapany izany izy - araka ny hevitr'ikaretsaka - fa tsy tokony hirona be @ kristianisma? :)


ikaretsaka:
raha vao manao ilay hoe nenay ihany nomarina na nenareo ihany dia tafahoatra kosa e

Izaho tsy hiteny hoe ny ahy ihany no marina fa io nambarako io ambony io no averiko: "Andriamanitra Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina ihany no marina". Disoy io raha hitanao fa diso :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1676