Ny mivavaka sy mino @ gasy

121. cutie ( 04/12/2006 19:34)
Voalaza teo :
"ny baiboly ihany no maha-kristiana"

boky ny baiboly fa tsy Andriamanitra akory.
122. Rasiligaoma ( 04/12/2006 20:20)
Mba aiza ao anaty baiboly no misy hoe ny baiboly ihany no maha kristianina?
mihaiky aho raha misy manome ny andininy sy ny toko!
123. Zina ( 04/12/2006 22:29)
Zina [ Valio ] 01-12-2006 18:29:45
Lohateny : Re : Ny mivavaka sy mino @ gasy
Ahoana moa ny fomba arahin-tsika @ Kristy raha tsy manaraka ny Teniny isika (Baiboly)

Voalaza teo :
"ny baiboly ihany no maha-kristiana"

ny baiboly no mitondra antsika ho Kristina

rasiligoma a ny baiboly no mitondra antsika ho Kristiana.. manampy antsika betsaka mihitsy ho Kristiana.

ahona ary ianareo no afaka manaja sy tian'andriamanitra raha tsy nisy ny baiboly? taiza no nahenonareo an'izany andriamanitra izany raha tsy avy @ baiboly????
124. soanja ( 05/12/2006 00:26)
Ny Ntaolo dia nilaza betsaka momba an'Andriamanitra tao anatin'ny fahendrena napetrany, izay nantsoiny hoe Zanahary ambon'ny loha ao.
125. ikaretsaka ( 05/12/2006 00:43)
Zina:

ahona ary ianareo no afaka manaja sy tian'andriamanitra raha tsy nisy ny baiboly? taiza no nahenonareo an'izany andriamanitra izany raha tsy avy @ baiboly????

tsy voatery ho tao anaty baiboly no nahenoana an'andriamanitra an
Betsaka ny olona naheno an'andriamanitra tsy tao anaty baiboly, ary bedebe ny olona tsy mahay mamaky teny akory fa mahalala an'andriamanitra misimisy sy bebe kokoa nohon'ny mamaky ...
bedebe ny ankizy kely tsy mbola mahay mamaky teny fa mahalala an'andriamanitra
Za nahalala an'andriamanitra sy nanaja azy aloha, izay vao namaky baiboly

---->afaka manaja sy tia an'andriamanitra @ alalan'ny vavaka (tsisy baiboly) sy ny fo ny olona

126. cutie ( 05/12/2006 14:43)
:lol::lol::lol::lol:
127. prime ( 07/12/2006 10:00)
zina> Marina izany, ny Malagasy efa nino an\'Andriamanitra fony efa fahagola aza ary efa nandray an\'Andriamanitra teo @ fiainany ho zava-dehibe ary fototry ny fisiana sy ny fiainana mihitsy... hoy mantsy ny ntaolo izay : \"Aza manao an\'Andriamanitra ho tsy misy...\", \"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon\'ny loha...\"

soanja, ikaretsaka> Marina tanteraka ny voalazanareo satria ny fototra mahaAndriamanitra an\'Andriamanitra no ambaranareo, fa saingy ilay Andriamanitra voalaza ho tokana sy fitiavana io misy Anarany... ary ny baiboly ihany no mahalaza feno ny mahaIzy Azy...

ikaretsaka>
128. soanja ( 07/12/2006 20:58)
Hoy I prime>
soanja, ikaretsaka> Marina tanteraka ny voalazanareo satria ny fototra mahaAndriamanitra an'Andriamanitra no ambaranareo, fa saingy ilay Andriamanitra voalaza ho tokana sy fitiavana io misy Anarany... ary ny baiboly ihany no mahalaza feno ny mahaIzy Azy...

Tsia tsy mahafeno momba an'Andriamanitra ny baiboly satria boky iray ary efa ela ny mpanao asasoratra tao na ny mpaminany no niaina, ka ny tamin'ny androny no nosoratany. Andriamanitra dia tsy manam-petra ary tsy voazavan'ny sain'olombelona ny momba azy. Tsy mahavoafehy azy tanteraka ny baiboly fa hita taratra eny rehetra eny izy ary amin'ny asasoratra isan-karazany sy eo amin'ny fiainana andavanadro. Efa Fanahy izy izao raha eto anivontsika no resahina fa tsy i Kristy izay efa lasana efa ela akory.

129. cutie ( 07/12/2006 21:21)
soanja, ikaretsaka> Marina tanteraka ny voalazanareo satria ny fototra mahaAndriamanitra an'Andriamanitra no ambaranareo, fa saingy ilay Andriamanitra voalaza ho tokana sy fitiavana io misy Anarany... ary ny baiboly ihany no mahalaza feno ny mahaIzy Azy...

:-D:-D:-D:-D:-D
130. ikaretsaka ( 08/12/2006 01:27)
ny ahy aloha ny andriamanitro andriamanitry ny kristianina fa TSY tovoziko isan'andalana ao anaty baiboly e
131. Achia ( 09/12/2006 18:47)
ka iza hono izany ry karatsaka ?
132. ikaretsaka ( 09/12/2006 18:53)
ao am-poko ao ka
133. prime ( 13/12/2006 11:44)
cutie> mampihomehy ve izany?:roll::-D:-D
soanja:
Tsia tsy mahafeno momba an\'Andriamanitra ny baiboly satria boky iray ary efa ela ny mpanao asasoratra tao na ny mpaminany no niaina, ka ny tamin\'ny androny no nosoratany. Andriamanitra dia tsy manam-petra ary tsy voazavan\'ny sain\'olombelona ny momba azy. Tsy mahavoafehy azy tanteraka ny baiboly fa hita taratra eny rehetra eny izy ary amin\'ny asasoratra isan-karazany sy eo amin\'ny fiainana andavanadro. Efa Fanahy izy izao raha eto anivontsika no resahina fa tsy i Kristy izay efa lasana efa ela akory.
... ka na izay lazainao izany aza anie dia voalazan\'ny soratra masina e... jereo ny resak\'i Jesosy sy Nekodemosy... jereo ny fanambaràna ny mikasika an\'Andriamanitra amin\'ny mahaFanahy Azy... jereo ny ny fanambaràn\'i Jesosy ny ihavian\'ny hery sy ny mpananatra aoriany... ka tsy zava-baovao na zavatra azo takarina @ saina no andraisana ny baiboly fa ny fanambaràna voalaza ao anatiny mikasika ny fiainana nanomboka hatr@ namoronana izao tontolo izao ka hatr@ handravàna izao tontolo izao ary koa ny fiainana ho avy sy ny ao ambadik\'izao hita maso sy re izao... ny baiboly irery ihany no mahavita manambara izany... tsy ny fahalalàna voafetran\'ireo nanoratra azy no mahafehy azy fa ny herin\'Andriamanitra ambara ao anatiny...
134. soanja ( 13/12/2006 13:40)
Hoy i Prime> ny baiboly irery ihany no mahavita manambara izany... tsy ny fahalalàna voafetran'ireo nanoratra azy no mahafehy azy fa ny herin'Andriamanitra ambara ao anatiny...

Tsia ry Prime a, tsy ny baiboly irery no milaza an'io fa betsaka ny boky milaza ny herin'Andriamanitra sy ny momba azy ary indrindra ny fahasoavany.
Hazavao amiko ary ny antony nisian'i Apocrypha raha toa samy olona iray ihany no nanoratra ny teniny nefa dia nisy nesorina ary nisy notazomina. Iza no manana fahefana manapakevitra. I Kristy ve no niteny hoe ireto tazomina? Mamitaka antsika ary ve Andriamanitra izany? raha toa ka tsy mifanaraka ny hevitra volazan'ireo mpaminany nefa de hoe tsindrimandrin'Andriamanitra?
Etude filozofika fitadiavana an'i Andriamaniatra ny baiboly ary tsy voatery hitombina foana fa misy koa any ho any manome izany fahamarinana izany.
135. cutie ( 13/12/2006 21:17)
Mpandefa : prime [ Valio ] 13-12-2006 12:44:54
Lohateny : Re : Ny mivavaka sy mino @ gasy
cutie> mampihomehy ve izany?

i prime no mampime
be finoana :lol:
136. cutie ( 13/12/2006 21:18)
tsy hehy maneso io a
so de we ............:-D
137. Rasiligaoma ( 14/12/2006 18:41)
Etude filozofika fitadiavana an'i Andriamaniatra ny baiboly ary tsy voatery hitombina foana fa misy koa any ho any manome izany fahamarinana izany
.

=D^:^
138. soanja ( 14/12/2006 20:40)
Ampy ve zay Rasiligaoma?:D:D:-*:-*:-*
139. prime ( 15/12/2006 07:15)
soanja:
Etude filozofika fitadiavana an\'i Andriamaniatra ny baiboly ary tsy voatery hitombina foana fa misy koa any ho any manome izany fahamarinana izany.
... ka izay no tsy mampitovy hevitra antsika fa ny baiboly dia tsy karazana filôzôfia fitadiavana an\'Andriamanitra velively ho ahy aloha fa fanambaràn\'Andriamanitra ny tenany... tsy \"réligion\" araka ny ambaranao hoe fitadiavana an\'Andriamanitra fa \"révélation\" ny momba Azy feno... na ekena na tsy ekena dia Izy manambara ny tenany no lazaina ao... mino ny olona tsara izany, tsy mino ny olona, tsara ihany koa izany satria efa voasoratra rahateo fa holavina izay voambara...

Ny amin\'ny apokrifa dia ao anatin\'ny baiboly tanteraka... ny fanalàna azy na tsy fanalàna azy tsy mametraka olana amiko aloha fa ny voambara ao anatiny no zava-dehibe, na ny momba an\'Andriamanitra na ny momba ny mpanompony voalaza ao na ara-tantara na ara-mpaminaniana...

soanja:
Tsia ry Prime a, tsy ny baiboly irery no milaza an\'io fa betsaka ny boky milaza ny herin\'Andriamanitra sy ny momba azy ary indrindra ny fahasoavany.
... betsaka ny boky milaza ho mahafantatra sy manambara ny fahatsaràn\'Andriamanitra sy ny momba Azy fa Andriamanitra manana anarana no voalaza ao amin\'ny baiboly... ary izany no nilazàko taminao, tsy tato akory fa tary @ lahadinika hafa tary fa ny fitiavana, fototra voalaza ao amin\'ny baiboly dia misy aro fenitra fa tsy \"peace & love\" velively... Fitiavana an\'i Jehovah Andriamanitra aloha, izay vao Fitiavana ny namana ao amin\'i Jesosy Kristy sy amin\'ny anaran\'i Jesosy Kristy... ny fitiavana ankoatran\'izay dia ampahany ihany araka izay fahalalàn\'olombelona sy fahendren\'olombelona fotsiny ihany na ara-nofo fotsiny koa aza...
140. soanja ( 16/12/2006 03:20)
prime:

Ry Philo of Alexandria sy ry Spinoza ary ny hafa taty afara dia samy filozofy daholo ary ireo no nanadihady ny voasoratra tamin'izany tamile scroll ka nahatsapa fa miresaky Andriamanitra saigy ao anaty asasoratra isan-karazany. Ireo no notarafin'ny lehiben'ny fiangonana nanapakevitra fa tsara raha atambatra ny asasoratra. Teo no niady hevitra hoe masina ve io asasoratra ireo sa ny teny voalaza ao no masina. Angano ve ity sa tantara. Myth and logos. Nisy fandinihana goavana sy fiovana isan-karazany ary fanapahan-kevitra tsy mitovy ary nizarazara ny taty afara. Farany nanapakevitra nanao ny baiboly. Dia teo ny nihevitra fa ampidirina ry Deutorocanonical sns ireo zay tsy tafiditra amin'ny baiboly protestanta.
Araho ny tantara momba ny fiangonana sy ny niatombohany ary ny fiarafaran'ny baiboly fa ho hitanao fa asasoratra filozofika ny ankamaroan'ny ao amin'ny baiboly. Ahoana ny fomba ifandraisanao amin'ilay Andriamanitra? Iza moa izy? Inona ny lalana napetrany sns? Ka raha miteny ao i Andriamanitra dia mbola olona no nanoratra azy ary mbola iadin-kevitra tsara. Ireo mpanoratra azy dia nantsoin'i Jiosy hoe mpandinika sy mpaminany ary filozofy.
Fa raha toa ka avy any an-danitra nidina toy ny anjely iray ny baiboly dia tsy nisalasala aho nilaza fa io no izy ary tsy misy afatsy Izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085