depuis qd les gasy st homo??pfff

281. prime ( 29/06/2006 10:17)
Santiona> Hazavaiko ny voalazako fa tsy nazava izany, ao aloha ao ianareo miaro ny hevitra, fa mety ary manana ny zony ny homo dia nanipy kosa fa Andriamanitra no nety nanota satria Izy no lazainareo namorona anareo hatrany an-kibon-dreny... Zavatra ohatr'izany kosa aloha efa "blasfemia" mihitsy aminay mpino e... ary izay no nahatonga ahy niteny hoe aza atsipy any amin'Andriamanitra lehiretsy ny filàn'ny nofo rehefa tsy voafehy a!!! ny tiako ambara dia hoe raiso ho anareo fotsiny na mety io na tsy mety ara-piaraha-monina dia ekeo ny vokany fa tsy manery anareo aho hoe ny hevitray tsy maintsy ekenareo... great respect 4U gay!!!
Mikasika an'i sdm sy gmr dia tsara mihitsy ndao hiara-hamaky indray mandeha isika vao miresaka...
Ny famakiana baiboly tsy fahalemena velively fa finoana kosa fa mbola misy Andriamanitra ary soa Izy fa mbola afaka hihaino karazan'olona maditra ohatrantsika fa raha Izy no manodina ny tavany tsy hihaino intsony... alors là (cas sdm et gmr)... :cry:
282. prime ( 29/06/2006 10:29)
Soanja> Ireo fanazavàna hoentinao ireo dia manjohy izay voalazan'ny gay rehetra ao ambony ao ka efa mazava... Izaho dia tsy te hiteny betsaka intsony aloha raha mikasika an'ireo satria efa ampy ny voalazan'ny diams sy pissoa ary xxx ao ambony ao... Tsotra ny hevitro, filàn'ny nofo ohatry ny filàna rehetra io fa tsy miavaka... ezahina fotsiny ny milaza azy hoe "naturel"... ny zavatra "naturel" voalazanareo tsy voatery ho tsara avokoa na eo imason'ny fiaraha-monina io indrindra moa na eo imason'Andriamanitra mihitsy aza...
Ny tiako marihina taminao tao ambony tao tsy mi-remettre en cause ny fitiavanao ny zanakao vely2, fa gaga fotsiny @ hoe "safidiny" nefa na ianao aza mahafantatra fa tsy mety izany, ary ianao rahateo mba mpino ihany fa tsy hoe olona tsy mahalala an'Andriamanitra na tsy kristiana... mbola hitohy...
283. diamondra27 ( 29/06/2006 14:06)
vita izany ny ady hevitra an


ze mbola manohy de mandrotsaka vola vao mahazo, any @ ja le izy no aloa
284. pissoa ( 29/06/2006 14:11)
Hihihi, diams tsy mamaky akory :-D:-D:-D Prime efa niteny oe
.. mbola hitohy...
285. ravonjison ( 29/06/2006 14:29)
Asio tonokalo aloha mandritra ny fakan-drivotra e,alohan'ny hanohizanareo ny fifanakalozan-kevitra:

-verivery ny fanahy ,roti-drotika ny fo
-antibavy ankitelo no nanenjika kiso
-ilay kisoa anefa tsy azo
-fa efa lasa nianin-kazo
286. dadabe ( 29/06/2006 14:29)
saika tsy hiditra aho fa sahala @ tsy any intsony ilay resaka

ny fahitako azy dia hoe i Santiona+cutie sy ny tariny dia mankasitraka tanteraka ilay homo...

dia etsy andaniny i prime sy ny tariny tsy mankasitraka
Amiko dia EFA NOTOHERIN'ANDRIAMNITRA IO DONK RAHA MANAIKY IANAO DIA MANOHITRA AN'ANDRIAMNITRA DONK ANTI-JEHOVAH

misaraka eto ny lalana andehanatsika samia mitana ny heviny fa zah hanaraka an'i Jehovah
287. cutie ( 29/06/2006 14:44)
Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 29-06-2006 19:29:31
Lohateny : Re : depuis qd les gasy st homo??pfff
Asio tonokalo aloha mandritra ny fakan-drivotra e,alohan'ny hanohizanareo ny fifanakalozan-kevitra:

-verivery ny fanahy ,roti-drotika ny fo
-antibavy ankitelo no nanenjika kiso
-ilay kisoa anefa tsy azo
-fa efa lasa nianin-kazo

:-D:-D:-D:-D
288. ravonjison ( 29/06/2006 15:15)
dadabe:

saika tsy hiditra aho fa sahala @ tsy any intsony ilay resaka

ny fahitako azy dia hoe i Santiona+cutie sy ny tariny dia mankasitraka tanteraka ilay homo...

dia etsy andaniny i prime sy ny tariny tsy mankasitraka
Amiko dia EFA NOTOHERIN'ANDRIAMNITRA IO DONK RAHA MANAIKY IANAO DIA MANOHITRA AN'ANDRIAMNITRA DONK ANTI-JEHOVAH

misaraka eto ny lalana andehanatsika samia mitana ny heviny fa zah hanaraka an'i Jehovah


Ry dadabe a,ry Prime sy ny tariny a,ilay olana anie tsy hoe nanohitra anˇAtra na hoe notoherin'Atra e,fa misy ireo homo izay tsy nahafantatra mihitsy fa homo izy,nanambady izy ,nanan-janaka izy, fa dia nipoitra fotsiny ilay homosexualité,ka dia izy tenany aza dia choqué tsy fantany izay tokony hatao (avahako tsy ao anatin'izany ny cas hafa toy ny nanadrana sns...satria tsy homo ireny fa pseudohomo,homo saritsariny ary tsy maharitra.Io cas io no tiako ho lazaina,homo prouvé(efa nojerena daholo ireo facteur mety nahatonga ilay fa tsy nisy).Dia inona no tokony hatao an'io olona io? Ho avahana ve izy? Ho lazaina fa fahotana ve izany? Izy homo koa aza mba sadaikatra ary te hila @ ilay izy fa tsy misy azony atao.Tiako ho marihina eto fa ny fivavahana sy finoana tsy manala ilay homosexualité.
Tsy misy azontsika atao fa tsy maintsy acceptér tsika fotsiny ny fisian'io.
Averiko fa tsy izy homo akory no nahatonga ilay izy.
289. xxx ( 29/06/2006 16:29)
misy ireo homo izay tsy nahafantatra mihitsy fa homo izy,nanambady izy ,nanan-janaka izy, fa dia nipoitra fotsiny ilay homosexualité,ka dia izy tenany aza dia choqué tsy fantany izay tokony hatao

Tsy io ve ny filàn'ny nofo tsy voafehy misy miteny ery ambony :idea:

Izy homo koa aza mba sadaikatra ary te hila @ ilay izy fa tsy misy azony atao. Tiako ho marihina eto fa ny fivavahana sy finoana tsy manala ilay homosexualité.

Mampanontany tena :?: Toa sady tiana ialana no tsy foy ilay maha-homo.
Ilay hoe tiana hialana, ianao ihany no milaza azy.
Ilay ho tsy foy kosa dia izao. Finoana tsy arahin'asa ony zava-poana. Eto dia ilay finoana mihitsy no tsy ao angamba. Tsy mitsara io fa mahita ilay voasoratra fotsiny. Tsy mino akory fa mety ho afaka io noho ny fivavahana sy ny fanampian'Andriamanitra. Avy eo indray tsy miasa fa mionona amin'ny hoe tsy misy azony atao.
290. cutie ( 29/06/2006 16:31)
Mampanontany tena Toa sady tiana ialana no tsy foy ilay maha-homo.
Ilay hoe tiana hialana, ianao ihany no milaza azy.
Ilay ho tsy foy kosa dia izao. Finoana tsy arahin'asa ony zava-poana. Eto dia ilay finoana mihitsy no tsy ao angamba. Tsy mitsara io fa mahita ilay voasoratra fotsiny. Tsy mino akory fa mety ho afaka io noho ny fivavahana sy ny fanampian'Andriamanitra. Avy eo indray tsy miasa fa mionona amin'ny hoe tsy misy azony atao.

ka efa nampiasa an'io ve zany xxx de afaka le homo refa veo:-D:-D:-D:-D:-D
omeo porofo e
291. ravonjison ( 29/06/2006 17:03)
xxx:

misy ireo homo izay tsy nahafantatra mihitsy fa homo izy,nanambady izy ,nanan-janaka izy, fa dia nipoitra fotsiny ilay homosexualité,ka dia izy tenany aza dia choqué tsy fantany izay tokony hatao

Tsy io ve ny filàn'ny nofo tsy voafehy misy miteny ery ambony :idea:

Izy homo koa aza mba sadaikatra ary te hila @ ilay izy fa tsy misy azony atao. Tiako ho marihina eto fa ny fivavahana sy finoana tsy manala ilay homosexualité.

Mampanontany tena :?: Toa sady tiana ialana no tsy foy ilay maha-homo.
Ilay hoe tiana hialana, ianao ihany no milaza azy.
Ilay ho tsy foy kosa dia izao. Finoana tsy arahin'asa ony zava-poana. Eto dia ilay finoana mihitsy no tsy ao angamba. Tsy mitsara io fa mahita ilay voasoratra fotsiny. Tsy mino akory fa mety ho afaka io noho ny fivavahana sy ny fanampian'Andriamanitra. Avy eo indray tsy miasa fa mionona amin'ny hoe tsy misy azony atao.



Raha toa ka manana porofo ianareo fa @zavatra nahaafaka homosexualité (fiavavahana,fanafody sns )dia soraty ny thése,hoento any @ sexuologue mba ho jeren'izy ireo,ahafahan'izy ireo mamaha ny olana, ny ankamaroanˇny homo manko dia te hivadika ho hetéro(mandehana mijery document any @psycholpgue raha tianareo hohamarinina izany).
Resaka fotsiny izany leiry e,hatramin'izao mbola tsy nisy nahita ny fahafodin'io.Ireo mpikaroka mahay aza tsy mbola hahita vahaolana dia ianao indray ve no miseo mahery.
292. xxx ( 29/06/2006 17:54)
Raha toa ka manana porofo ianareo fa @zavatra nahaafaka homosexualité (fiavavahana,

Izaho mino an'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra. Mila porofoina aminao Kristianina ve fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra?

Resaka fotsiny izany leiry e,hatramin'izao mbola tsy nisy nahita ny fahafodin'io.

Ny fiekena fa ratsy ny lainga dia manampy ny olona tsy haindainga. Ny fiekena fa fahotana ny mangalatra dia manampy ny Kristianina tsy hangalatra.

Ireo mpikaroka mahay aza tsy mbola hahita vahaolana dia ianao indray ve no miseo mahery.

:-D:-D:-D Tokony hiandrasako ho vitako ve ny PhD-ko vao mahazo maneho hevitra eto amin'ny forum aho? :snif::snif::snif:
293. cutie ( 29/06/2006 18:07)
tsy mahita porofo i xxx de avadiny ny resaka:-D:-D:-D:-D
294. cutie ( 29/06/2006 18:18)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 29-06-2006 22:54:26
Lohateny : Re : depuis qd les gasy st homo??pfff
Voalaza teo :
Raha toa ka manana porofo ianareo fa @zavatra nahaafaka homosexualité (fiavavahana,

Izaho mino an'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra. Mila porofoina aminao Kristianina ve fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra?

koa tsy handana mandeha fohano daholo ny homo eran-tany fa tsy laozana mimenomenona eto:-D:-D:-D:-D
de refa afaka daholo de miverina eto manao tatitra:-D:-D:-D:-D
295. soanja ( 29/06/2006 18:25)
Diamondra a, na lahy na vavy dia avy any an-kibondreniny rehefa mahatsapa an'izany raha vao mbola kely izy dia efa mahatsapa an'izany.
Prime a, ny fitiavana ho aho tsy misy fepetra. Tianao ny zanakao sy izay momba azy fa tsy ariana. Ny zanaka no manary RAD fa ny RAD hono tsy mba manary zanaka hoy ny fiteny.
Amiko safidy ny hanaraka ny baiboly na tsia. Safidy hanarahana ny finoana iray. Saingy tsy safidintsika ny hiditra ny fanjakan'Atra fa Atra irery ihany no mahafantatra hoe iza no ho any na tsia. Ny formule kosa hatramin'izao dia hoe "izay manaraka azy tompo, tsy mandeha amin'ny aizina." Mazava ny lalana nefa tery.
296. cutie ( 29/06/2006 18:51)
De hoy koa ny tompo we "mifankatiava ianareo tahaka ny itiavako anareo."
Toa ho lasa mpitoriteny eto koa za ny farany :-D:-D:-D:-D
297. ravonjison ( 29/06/2006 19:12)
xxx:

Raha toa ka manana porofo ianareo fa @zavatra nahaafaka homosexualité (fiavavahana,

Izaho mino an\'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra. Mila porofoina aminao Kristianina ve fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra?

Resaka fotsiny izany leiry e,hatramin\'izao mbola tsy nisy nahita ny fahafodin\'io.

Ny fiekena fa ratsy ny lainga dia manampy ny olona tsy haindainga. Ny fiekena fa fahotana ny mangalatra dia manampy ny Kristianina tsy hangalatra.

Ireo mpikaroka mahay aza tsy mbola hahita vahaolana dia ianao indray ve no miseo mahery.

:-D:-D:-D Tokony hiandrasako ho vitako ve ny PhD-ko vao mahazo maneho hevitra eto amin\'ny forum aho? :snif::snif::snif:



Mitohy ny resaka e!

1-Eny,mila porofoina @ kristianina fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra.Io porofo io dia nitakian\'i Tomasy koa (par exemple)raha toa ka i Jesosy marina no hitany taorian\'ny nahafatesan\'i Jesosy.Noho izany dia nasehon\'i jesosy azy ny holatra ta@ tanany.
Izaho dia mitsabo biby no asako(véterinaire).Rehefa misy olona tonga ato amiko mitondra biby marary dia omeko fanafody izy ireo.Tsy manontany izy ireo na mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra na tsia,ny tian\'izy ireo fotsiny dia mba ho sitrana ilay biby.Rehefa sitrana ilay biby dia izay no porofo ho an\'ireo olona ireo fa tsara ny fitsaboana nataoko.N\'inon\'inona teneniko(azoko atao ny miteny fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra),rehefa tsy sitrana ilay biby dia tsy misy dikany @izy ireo izay taneniko.
Manarak\'izany, misy koa ireo olona manana biby homosexuel.Dia ahoana ary no hi-persuader-nao na hilazanao @ biby mba hivavahan\'ireo biby ireo na hinoan\'ireo biby ireo mba hanafaka ilay homosexualité?
2-Ny fiekena fa ratsy ny lainga dia manampy ny olona tsy handainga: ny fiekena fotsiny dia tsy ampy fa ilaina koa ny fahafantarana ny voka-dratsin\'ny lainga(porofo fa ratsy tokoa ny lainga).Ireo voka-dratsy ireo dia fantatsika avy @ manodidina, olon-kafa, experience personelle sns...
3-Tsy miandry ny PhD izany nareo e.Afaka maneo ny heviny daholo ny tsirairay e, fa ny olana fotsiny dia izao:izaho afaka maneo ny hevitro @ ireo tompon\'ny biby marary,ohatra hoe izao no fitsaboana tsara ho an\'io biby(ohatra:fivavahana).Izay hevitro izay anefa tsy misy dikany @ireo olona ireo raha toa ka tsy sitrana ilay biby ny ampitson\'iny.Ny tiako ho lazaina dia izao: rehefa miresaka fotsiny , tsy mamaha olana dia afaka maneo hevitra be dia be.Fa rehefa mamaha olana concret dia tsy maintsy prouver nao ilay hevitrao, tsy maintsy voavahanao ilay olana.Rehefa tsy voavahanao ilay olana dia tsy misy dikany ilay hevitrao sy izay lazainao.
298. prime ( 30/06/2006 11:28)
soanja> marina ny anao fa ny rad tsy hivadika mihitsy... ny tsy tiako idirana lalina @ ity sujet soulever'nao ity dia resaka "éducation" no fototra... amiko ny zaza tsara taiza (de bonne éducation, de bonne instruction, de bon enseignement, de bon encadrement, qui craint Dieu de par son éducation, de bonne culture, de bonne relation...) rehefa mihalehibe na lasa lehibe dia tsy mivadika mihitsy izany fa afaka manana an'ilay fanahin'ny fahalalàna ka manana "esprit de discernement", mahay mandinika... Ka tsy tokony ianao rad no hamela azy mandrapahazoany mizaka ny zony feno hanao safidy mivilana toy izany... Izay no tiako ambara...:wink:
299. prime ( 30/06/2006 11:39)
ravonjison> fanamarihana ihany no lazaiko, ny vavaka no fitaovana mahery indrindra mihoatra noho izay fantatry ny olombelona mahavaha ny olana eny fa na izay eritreretina ho "quasi-impossible" aza... betsaka ny porofo @ izany ao @ baiboly sy @ fiainana andavanandron'ny mpino, ary tsy tomasy velively no modely @ izany fa jereo ny fiainan'i jaona, petera, paoly, afatsy ny an'ireo mpaminany lehibe (mosesy, elia, samoela, ezekiela...)Fa izao fotsiny, ny olona mankamamy ny filàny sy ny fahadalàny tsy azon'iza n'iza terena hiala amin'izany indrindra moa izy tsy manana akory na dia faniriana kely aza hiala @ izany... raha mifoka sigara ianao ka te hiala @ izany hafa izay, fa raha sady tianao ihany ilay izy nefa mody hoe izaho mba te hiala, fa milaza aminao aho fa tsy afaka mora eo ianao...
300. soanja ( 30/06/2006 11:50)
prime:

soanja> marina ny anao fa ny rad tsy hivadika mihitsy... ny tsy tiako idirana lalina @ ity sujet soulever'nao ity dia resaka "éducation" no fototra... amiko ny zaza tsara taiza (de bonne éducation, de bonne instruction, de bon enseignement, de bon encadrement, qui craint Dieu de par son éducation, de bonne culture, de bonne relation...) rehefa mihalehibe na lasa lehibe dia tsy mivadika mihitsy izany fa afaka manana an'ilay fanahin'ny fahalalàna ka manana "esprit de discernement", mahay mandinika... Ka tsy tokony ianao rad no hamela azy mandrapahazoany mizaka ny zony feno hanao safidy mivilana toy izany... Izay no tiako ambara...:wink:


Marina dia marina ny teninao ry Prime raha toa ka tsy gay avy any ankibon-dreniny izy. Ny ahy tokoa mantsy ny fihevitro rehefa tena alalininy dia ireo avy any ankibon-dreniny ihany no tohanako satria tsy misy azony atao fa izay ny momba azy. Mino aho fa raha nisy ny fitsaboana dia betsaka no nitsabo tena saingy toa mbola tsy naheno fitsaboana an'izany aho fa ny manova ny fitaovam-pananahana mifanaraka amin'ily hormone ao anatinao no efa hitako be dia be.
Ekeko tanteraka ny resaka hoe tariho amin'ny lalana mahitsy tokony hizorany ny zaza.
Ny nahafantarako hoe avy any ankibon-dreniny ilay izy dia efa nahita pasitera aho ka niady mafy tamin'ny fialana tsy ho gay. Izy no nintantara taty afara. Niezaka nanambady izy sns, nivavaka sns fa ehe tsy afaka nefa izy tamin'izay mbola tsy niaraka tamina lehilahy mitovy aminy fa nifehy tena. Dia hifehy tena mandrakizay kosa ve? tsy vitan'olona iray izany raha tsy hoe ry Mopera angamba saingy ireny ve tsy efa misy fanafody hoanina mba hanamora ny fifehezan-tena?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0202