Ry Tanindrazanay malala ô !

81. xxx ( 30/03/2006 01:40)
marozevo:
xxx > Afaka sady Malagasy koa anie no Kristianina eh.
fa tsy afaka sady kristianina no mpanompo sampy sy mpakany amin'i dadarabe


marozevo:
Izay fomba Malagasy tsy manohitra ny finoana dia tsy hitako loatra izay olana ny hiainana azy.
ka manohitra izany sa tsia ny fanaovana ody fiarovana amin'ny mpangalatra, ny fampisotroana toaka tomobil, ny fanaovana joro, ny ala faditra, firesahina amin'ny fanahin'ny maty? ianao ihany ange dia mahita ilay izy fa minia tsy mijery e!


82. Fiffi ( 30/03/2006 04:46)
Ny Batisa dia asan’Andriamanitra fa tsy asan’olombelona. Tsy azo sarahina amin’ny Batisa ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy amin’ny halalany .
Atao indray mandeha ihany ny Batisa nefa ny soa raisina avy aminy dia maharitra ho an’ny fiainana sy ny fahafatesana. Ny Adama ela sy ny ota momba azy dia tsy maintsy vonoina amin’ny neniny isan’andro fa mba hitsangana isan’andro kosa ny olombaovao (Lotera). Sakramentan’ny finoana sy ny fibebahana ny Batisa ary ny Fanahy eo amin’ny Batisa dia manavao ny mino sy mitarika azy amin’ny fianam-baovao (CR).
Ny Fanahy Masina dia miasa mandritra ny Batisa sy manaraka ny Batisa ho amin’ny fiainam-baovao. Azo atao koa ny manao fa ny Fanahy dia miasa mialoha ny Batisa miaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra miteraka finoana ao amin’ny olona handraisana ny fanomezan’ny Batisa.
83. Fiffi ( 30/03/2006 04:49)
Atao batisa ihany koa zaza araka ny didin’i Kristy. Ny finoana eo amin’ny batisa dia tsy fahalalana sady tsy asa na fahaizana andraisana tambiny avy amin’Andriamanitra fa fatokiana sy fiankinana tanteraka, mandray ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ny batisa dia ilaina amin’ny famonjena ; amin’ny alalany no anolorana fahasoavan’ Andriamanitra.
84. Fiffi ( 30/03/2006 04:51)
Ny Batisa dia sakramentan’ny firaisana ; firaisana amin’i Kristy, firaisan’ny mino ary firaisan’ny Fiangonana.
* Ny fampiraisana ny mino amin’i Kristy, dia fampiraisana amin’ny tantarany : ny fiainany, ny ministerany, ny fahafatesany, ny fitsanganany, ny fipetrahany eo ankavan’ny Ray, ny misionany ankehitriny ary ny fiverenany.
85. Achia ( 30/03/2006 09:34)
ka ny zaza ve mahay mino sy mahalala an'iKristy ?
86. Fiffi ( 30/03/2006 09:44)
ka ny zaza ve mahay mino sy mahalala an'iKristy ?
fa nahoana izy no tsy hino ? hoy Jesoa " Avelao hanantony ahy ny zaza " raha mino ianao dia marina io , ataovy aloha izay hinohanao dia fantatrao ny valiny! :) Andriamanitra no nanome aina ny rehetra , ny zaza koa , dia amiko mino ary mahalala an'izany izy , eny na dia mbola tsy afaka miteny na mamakivaky izany.
87. bichette ( 30/03/2006 10:07)
eny wa retsy :-*
88. Fiffi ( 30/03/2006 11:40)
bichette: :) :-*:-*:-*
89. Achia ( 30/03/2006 19:22)
:-D:-D toa terena hino fotsiny izy zany e ? hoy JK AVELAO NY ZAZA HANANTONA AHY FA HO AN'NY TOA AZY NY FANJAKAN'ATRA .De midika ve zany fa ataovy batisa ny zaza :lol: izay ve no tian'i JK lazaina sa hoe ianareo olondehibe ireo miverena ho zaza ra te hahazo ny fanjakan'ATRA ,satria ny zaza dia mora hatoro sy anarina fa tsy be fandavana toy ny lehibe izay mitady fanamarinantena lalandava :°)
90. marozevo ( 30/03/2006 22:25)
Io resaka batisa/batemin-jaza io efa nahavitàna resaka lava be tao aloha tao kooo... Rehefa hitan'ny ray aman-dreniny fa hahasoa ilay zaza ny Batemy dia angatahiny ho an'ny zanany, ary tsy mila ny "avis"n'ilay zaza izy, satria tsy hanolo-batomafana ny zanany velively.
Taiza no nisy dada sy mama nanontany ny zaza vao teraka hoe hinono ve ianao anaka ?
xxx > Ekeko tokoa fa mety manohitra ny fivavahana ny SASANY amin'ireo ohatra arosonao, saingy angaha moa ireo ihany no fomba Malagasy ? Sao dia pessimiste loatra ny havako !
91. xxx ( 31/03/2006 04:09)
xxx:
ny fanaovana ody fiarovana amin'ny mpangalatra, ny fampisotroana toaka tomobil, ny fanaovana joro, ny ala faditra, firesahina amin'ny fanahin'ny maty?

marozevo:
Ekeko tokoa fa mety manohitra ny fivavahana ny SASANY amin'ireo ohatra arosonao,
iza amin'ireo no tsy manohitra?
marozevo:
saingy angaha moa ireo ihany no fomba Malagasy ?
ireo aloha hita fa tsy mety dia tokony esorina.
92. Achia ( 31/03/2006 07:55)
ka le zaza ne zany tsy atao batisa fa atolotra e mba tezaina @ fomba Kristiana e .Fa alohan'ny hanaovana batisa ve aloha tsy misy fiekenkeloka nefa ny zaza ve afaka manao anzay sa ny zaza efa manana ota ,ary omeko ohatra ianao moa ve Kristy t@ mbola zaza no natao batisa sa efa lehibe
93. sonwin ( 31/03/2006 08:44)
Dia tezitra ve Andriamanitra raha misy zaza atao batisa satria tsy izay no voasoratra? dia tsy faly koa ve Izy raha hoy ny RR hoe indro ny zanakay atolotray ho zanakao ry Andriamanitra?..dia ho tezitra koa ve ilay zaza rehefa lehibe hoe fa naninona za no natao zanak'Andriamanitra ry Dada sy Neny? mhhh

Fa ho an'ny katolika aloha dia misy ny atao hoe Fanavaozana ny toky nomena tamin'ny batemy, eo ilay olona vory saina dia manamafy tokoa ilay fiekena ho isan'ny zanak'Andriamanitra , tsy soloin'i RR vava intsony.
94. Achia ( 31/03/2006 14:17)
ka fanolorana sy ny batisa anie tsy mitovy e
95. sonwin ( 31/03/2006 17:24)
ka valio ny fanontaniako ho anao aloha e
96. Achia ( 31/03/2006 17:43)
Ka izay voasoratra dia voasoratra , efa fantatrao zany fa tsisy zaza natao batisa ko nahoana ianao no mandika izay voasoratra sa ny fanompoana an'ATRA atao @ zay tiana hatao de lasa hoe ataonay anie ny sitraponay ety an-tany sy atrany andanitra :-D:-D De vinavinao @ zay ra tokony ho faly aminao ATRA na tsia
97. sonwin ( 31/03/2006 17:51)
Fa voasoratra ao amin'ny baiboly angaha hoe tsy azo atao batisa ny zaza? omeo toko sy andininy aza hoe. Mba mora tezitra koa zany Andriamanitrareo izany raha zaza atao batisa avy ka hahatezitra. Noheveriko fa hoe Tsy tiany hisy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay, kay moa zany raha vita batisa mbola zazah ka hiaran'ny fahatezerany? :-D:-D mampimé ny fieritreretanao ilay Andriamanitra...nefa zahay sy izy tena mpiakama bonne mihitsy :-*
98. Achia ( 31/03/2006 18:09)
tsy ho @ le zaza mitsy ne ny fahatezerana no ho avy fa aminao ze mahalala nefa minia mikipy , de mba omeo toko sy andininy koa aza aho milaza fa nisy zaza natao batisa de inona no antony hanaovana batisa aminao ra mba tena mpiakama bonne nareo sy ATRAO
99. sonwin ( 31/03/2006 18:25)
amin'ilay RR mampanao batisa ny zanany ve izany no mianjera ilay fahatezerana? dia ahona ny fisehony? dia inona ny fiatrakany? dia inona no porofo fa tezitra Izy?

Za tsy mahay toko sy andininy :°)
100. Achia ( 31/03/2006 18:48)
ka na ny ol mahalala nefa tsy manambara @ namany aza voaheloka ko maika fa ze RR tsy m
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875