Ry Tanindrazanay malala ô !

21. Fiffi ( 17/03/2006 07:02)
Tsy loza izany kah! Ny zava-dehibe dia hoe efa mahafantatra sy mahay azy izy. Mariky ny fitiavan-tanindrazana izany
zah aloha dia tsy mbola nahare na naheno hoe misy tsy mahafantatra an'io hira io an!
22. marozevo ( 18/03/2006 00:29)
fa inona no tsy mahamety iantsoana an'Andriamanitra hoe Zanahary, raha eo amin'ny finoana Kristianina no jerena eh? fa tsy maintsy hoe SAMPY ve raha vao teny Malagasy iringiriny no ampiasaina ?
23. Achia ( 18/03/2006 07:01)
sao de hoe izay nahary fa tsy hoe zanahary e
24. Fiffi ( 18/03/2006 09:19)
marozevo: eny tokoa wa an! tena tsy hitako mihintsy fa dia misy tokoa tsy manaiky an'io an! nefa anie raha mino ianao fa ny Tompo dia iray hiany ka na Nanahary , na Zanahary na inona , dia tsy hampiova azy.
Achia: an3 tena Zanahary io an!
25. Fiffi ( 18/03/2006 09:24)
jereo koa anie ity hira ity eh!
Ry Tompo Zanaharinay
Manati-tsaotra izahay
Fa efa novelominao
Ka tratr'izao maraina izao.
26. booboo ( 18/03/2006 10:16)
xxx > f'inona hôa !lé misionera taloha kou klou fetsy ratsy e ! politika fitoriana filazantsara aby zany.
27. Fiffi ( 18/03/2006 12:11)
ny Zanahary (=razam-be mpitaky tantely sy taoka) nafangaro tamin'ilay Andriamanitra Nahary.
:roll::roll:
28. booboo ( 18/03/2006 17:32)
Fiffi > :?:
29. marozevo ( 19/03/2006 00:10)
Tsy mbola nisy zanahary nitaky toaka sy tantely izany fa ny olombelona no milaza fa mitaky izany izy. Tena marina ny hoe "Izay Nahary", ary dia tsy avy aiza fa avy amin'io (elysion) no nahatonga ny hoe ZANAHARY, fa tsy avy amin'ny hoe ZAH'AVANAY akory.
Ny inoako kosa, satria ao amin'ny Baiboly, dia ny tenantsika mihitsy no takiany "Atolory ny Tompo ny tenanareo, ho Sorona Velona Masina ankasitrahany", hoy ny Baiboly ao amin'ny Md Paoly ao io.
30. Fiffi ( 19/03/2006 16:31)
booboo: ka tsy azoko ilay hoe - ny Zanahary (=razam-be mpitaky tantely sy taoka) nafangaro tamin'ilay Andriamanitra Nahary.koh!
marozevo: ka izay indrindra manko no tsy azoko arak'io voalaza etsy ambony io!
31. Rainikarabo ( 19/03/2006 17:02)
raha kristianina mahalala ny finoany tsy hitako izay olana na Zanahary na Andriananahary na Andriamanitra, resaka dikanteny koa ve dia atao ho olana.

Ho anareo mpanakiana ny teny hoe Zanahary ireo, hainareo ve ny nihavian'ny teny hoe Andriamanitra?
Andriamanitra= Andriana manitra, rehefa miamboho ny andriana dia tsy lazaina hoe maimbo rehefa misy fofona fa atao hoe manitra. Dia iny teny iny no noraisin'ny mpitory vazaha fahiny.
Ka raha ny fiarahamonina fahiny no resahina, dia samy hafa ny hoe Andriamanitra, Andriananahary, Zanahary.

Tsy idirana lalina nefa izany fa izao, ny kristianina mahafantatra ny finoany, raha miteny izy hoe Andriamanitra na Zanahary, fantany ny hiresahany, ary iray ihany ireo aminy.Ka averiko ny teniko. Resaka fiantsoana anarana sy dikanteny aza asiana olana fa efa fantatrao ilay "Antsoinao".
32. Fiffi ( 19/03/2006 17:58)
Andriamanitra= Andriana manitra, rehefa miamboho ny andriana dia tsy lazaina hoe maimbo rehefa misy fofona fa atao hoe manitra. Dia iny teny iny no noraisin'ny mpitory vazaha fahiny.
mahagaga ahy indray izany an! fa na izany na tsy izany aloha dia ny Andriamanitra dia iray hiany , izy no Tompo Mahery.
33. Rainikarabo ( 19/03/2006 21:12)
Ny fiavian'ilay teny no lazaiko fa tsy misy idiran'ny resaka finoana akory. Ny hevitry ny hoe Zanahary ohatra fahagola dia : Zanaky ny Nahary, any anaty angano ireny mametraka tsara ny hevitr'io teny io.
Fa amin'izao fotoana izao dia marina io lazainao io hoe Iray ihany Andriamanitra (Andriananahary, Zanahary)
34. Fiffi ( 19/03/2006 21:29)
ka izay no tsy nazava tamiko satria ny angano mbola toa tsy nahare mihintsy aho nisy an'io manko ka!
35. xxx ( 20/03/2006 01:35)
fa aiza ary ianareo izany? ny zanahary dia razam-be (dadan'i dadan'i dadan'i dadan'i ... dadabe). zanahary (razam-be) no nivavahan'ny ntaolo ary hita soritra tamin'ny fiainany sy ny kolontsainy. (raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga).
36. Fiffi ( 20/03/2006 06:17)
(raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga).
misy ny olona mino ary mangataka fitahiana @ razana ka aleo hajaina izany finohany izany.
37. Mifenty ( 20/03/2006 06:51)
ozy marozevo
fa inona no tsy mahamety iantsoana an'Andriamanitra hoe Zanahary, raha eo amin'ny finoana Kristianina no jerena eh? fa tsy maintsy hoe SAMPY ve raha vao teny Malagasy iringiriny no ampiasaina ?



Za kou né gaga mbola misy ry marozevo eh.


Misy ra vao lazaina am teny gasy ilay izy de otrany mivadika orera zany ny faitany azy.


io sahala amin'ilay oe.

mora kokoa ny miteny hoe je vais faire caca fa sarotra ny miteny gasy ho e andeha hangery aho.


tssss


sa ahoana ry booboo?
f'inona hôa !lé misionera taloha kou klou fetsy ratsy e ! politika fitoriana filazantsara aby zany.

38. Fiffi ( 20/03/2006 07:12)
mora kokoa ny miteny hoe je vais faire caca fa sarotra ny miteny gasy ho e andeha hangery aho.
tsy hitako koa izay mahasarotra ny filazana an'io an! ka io ary no filazana azy ka nahoana kay no sarotra ? io hiany anie no mahatonga ny fandraisana ratsy ny fiteny zavatra @ teny gasy eh! sa i Mifenty mahafantatra teny hafahafa kokoa filazana an'io ? mba lazao hoe eh! :)
39. marozevo ( 20/03/2006 20:46)
Miarina ny an'i Mifenty ka... Isika Malagasy indraindray mihevitra fa ny teny Malagasy dia ohatran'ny hafahafa izany, angamba, ka tsy maintsy mampiasa teny hafa vao heverina ho mahalaza ny tiana hambara. Io ohatra raisin'i Mifenty io iray, fa mbola maro koa no azo raisina.
Zanahary : Na razan'iza io na razan'iza, araka ny filazan'i xxx dia tsy olana izany, satria angamba tamin'ny mbola tsy nahalala ny finoana Kristianina isika, dia izay aloha, fa nony tonga kosa ny finoana, ka nampiasa teny Malagasy izay mba hainy tamin'izany ny Misionera, tsy hitako izay olana.
Io ohatra sy fanazavana entin'i Rainikarabo io, dia tena marina tokoa, ary tsy tamin'ny taloha ihany, fa hatramin'izao dia mbola misy mampiasa azy io. Manitra ny Andriana (Efa mivoaka fofona ilay maty, izay Andriana). Ny Andriana tsy azo atao hoe alevina fa atao hoe afenina, tsy maty fa miamboho.
Marina fa tantara sy fomba fiaina taloha izany, nefa Malagasy, ka tsy mora esorina velively ny toe-tsaina mipetraka, sady raha tsy ratsy koa moa nahoana no hesorina?
40. jentilisa ( 21/03/2006 05:09)
Dia mazava izany ny paik'ady nataon'ny misionera mba hahatafiditra tsara ny fivavahana izay nentiny. Naninona tokoa moa tsy ny Andriananahary no noraisiny fa ny hoe Andriamanitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3695