Ry Tanindrazanay malala ô !

41. xxx ( 21/03/2006 05:19)
jentilisa:

Dia mazava izany ny paik'ady nataon'ny misionera mba hahatafiditra tsara ny fivavahana izay nentiny.

nahomby sy sitraky ny Tompo ve izay paik'ady maizina izay? aiza ny finoan'ny malagasy ankehitriny? toa sady tsy foy ny fanompoan-tsampy no isalorana sy ireharehana ny anarana kristianina? firy amin'ireo trano fiangonana mijoro ireo no tsy nangalana mpanandro sy nanaovana joro tamin'ny nanorenana azy? sns...

42. Fiffi ( 21/03/2006 05:41)
:roll::roll:
43. Mifenty ( 21/03/2006 09:39)
fiffi kosa rangah tsy manaraka a.

za aza miteny oe le teny gasy no tokony tena ampiasaina fa tsy aodina am le teny vazah kou aita teny inn aiza ndray ary aho kle.

zay kosa rangah tsy anao am fiffi le. Nareo kosa rangah tsy mamaky tsara ah

:-D:-D:-D
44. marozevo ( 21/03/2006 10:27)
Nahomby ve ilay paik'ady maizina ? hoy i xxx.
Nahoana moa no atao hoe paik'ady maizina ?
Mbola tsy feno 200 ans ny christianisme any Madagasikara, nefa efa mihoatra ny 50% no Kristianina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro na mahomby izany na tsia.
Samihafa ny hoe FOMBA MALAGASY sy ny hoe FANOMPOAN-TSAMPY. Tsy fanompoan-tsampy daholo akory ny fomba Malagasy rehetra.
45. Fiffi ( 21/03/2006 11:36)
Mifenty: azafady akia an! ndryyyyy :-*:*:-* io ary an
46. Achia ( 21/03/2006 19:27)
ye marina zany zevo a ohatra hoe la refa mmangy faho riana iny de mbo manome sosy kely de mody manjonitra be :cry:
47. xxx ( 21/03/2006 21:23)
marozevo:

Nahomby ve ilay paik'ady maizina ? hoy i xxx.
Nahoana moa no atao hoe paik'ady maizina ?
maizina satria mampitovy lanja ny tsara sy ratsy.
marozevo:
Mbola tsy feno 200 ans ny christianisme any Madagasikara, nefa efa mihoatra ny 50% no Kristianina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro na mahomby izany na tsia.
izaho kosa indray milaza fa latsaky ny 10% ny tena kristianina fa ny ambiny mpisandoka anarana.
marozevo:
Tsy fanompoan-tsampy daholo akory ny fomba Malagasy rehetra.
ny fanaovana joro ve tsy izy? ny fandrarahana toaka amin'ny pneus rehefa hitondra faty mankany am-piangonana handevina? manao an'io daholo anefa ny ankamaroan'ireo 50% lazainao fa kristianina ireo:^)


48. Fiffi ( 22/03/2006 07:24)
izaho kosa indray milaza fa latsaky ny 10% ny tena kristianina fa ny ambiny mpisandoka anarana
andrayyyyy kosa ry xxx an! :twisted::roll:
49. Achia ( 22/03/2006 19:17)
tena mitombona kosa io fifi a .Efa nahita aho mantsy fa ny ankabiazany de zany dooly ohatra fotsiny le fandrarahana toaka mbola maro io ,mamo mitsy le vamm
50. marozevo ( 23/03/2006 00:09)
Mampitovy lanja ny ratsy sy ny tsara ....
Inona no ratsy ? Ny fomba Malagasy ve ? Dia io fa lasa omby hatsika isika, ka manaratsy tena.


10% sa mihoatra ny 50%. Ny Statistika aloha dia milaza fa plus de 50%, izay fitsrana ivelany indray tsy sahy mitsara aho satria mbola ho tsaraina. I xxx izany sahy milaza fa ny 80%n'ny Kristianina dia mihatsara ivelatsihy. Misaotra.

Averiko ilay frazy farany, satria hitako fa tsy azon'i xxx : Tsy fanompoan-tsampy AVOKOA akory ny FOMBA MALAGASY rehetra. Raha hazavaina dia hoe misy tokoa angamba ny fanompoan-tsampy, fa tsy izy rehetra. Ny ohatra noraisinao dia mety ho izany, nefa koa tsy voatery ho izany.
51. xxx ( 23/03/2006 01:01)
marozevo:
10% sa mihoatra ny 50%. Ny Statistika aloha dia milaza fa plus de 50% , izay fitsrana ivelany indray tsy sahy mitsara aho satria mbola ho tsaraina.
ny fitenenana plus de 50% aloha amiko dia efa fitsarana e. dia inona koa ny critere ampiasain'ny statistique ahafahany mitsara fa kristianina ny olona iray?

marozevo:
I xxx izany sahy milaza fa ny 80%n'ny Kristianina dia mihatsara ivelatsihy. Misaotra.
tsy ny 80%n'ny Kristianina dia mihatsara ivelatsihy fa ny 80%n'ireo mitonona ho kristianina. tsy misy fisaorana :)

marozevo:
Ny ohatra noraisinao dia mety ho izany, nefa koa tsy voatery ho izany.
kanefa ireo aloha dia zava-misy hita maso mibaribary, ary tsy ireo ihany fa ohatra fotsiny ireo :-D


52. marozevo ( 23/03/2006 02:14)
Hafa ny hoe mitsara "à partir d'une donnée", dia hafa koa ny mitsara miainga amin'ny "intuition". Olona manana ny maha izy anao ianao ka mahafantatra an'ireo.

Tsy misy olona MITONONA ho kristianina izany, fa na izy Kristianina na tsia. Ny critère voalohany sy tokana maha Kristianina dia ny Batisa/Batemy. Ny fitondran-tena tsy manova ny Batisa/Batemy. Ka anisan'ireo vita Batemy/Batisa ve ireo 80% lazainao. Raha anisany dia tsy MITONONA HO KRISTIANINA IZY fa TENA KRISTIANINA. Raha tsy anisany kosa dia mpandainga.
Amiko manko ny hoe MITONONA HO KRISTIANINA dia "manambara tena". Ao amin'ny Fiangonana tsy misy manambara tena fa ambaran'ny Fiangonana.
53. xxx ( 23/03/2006 02:55)
marozevo:
Hafa ny hoe mitsara "à partir d'une donnée"
ahoana ny nangalana an'ilay donnée ry marozevo? tsimaintsy nisy fitsarana tao :)
marozevo:
Tsy misy olona MITONONA ho kristianina izany,
tsarovy lalandava fa mpamitaka hatrany am-boalohany ny "fahavalo"
marozevo:
Ny critère voalohany sy tokana maha Kristianina dia ny Batisa/Batemy.

ny critere voalohany dia ny fanarahana an'i Kristy, consequence an'izay ny fanoloran-tena amin'ny batisa/batemy. indrisy anefa fa lasa symbole fotsiny toy ny fihevitrao ny fandraisan'ny besinimaro azy.
marozevo:
Ny fitondran-tena tsy manova ny Batisa/Batemy.
ivereno dinihina kely ny fampitandreman'i Jesoa ho an'ireo fiangonana enina any Azia (Apokalipsy).
marozevo:
Ka anisan'ireo vita Batemy/Batisa ve ireo 80% lazainao.
vita batemy/batisa tokoa ireo mpanondraka toaka ny fiarakodia sns...ary ny fomba amam-panaony dia manasongadina fa symbolique no nanaovana batemy/batisa azy.
marozevo:
Raha tsy anisany kosa dia mpandainga.
mpandainga tokoa izy ireo, mitonona ho kristianina vita batemy/batisa kanefa tsy ny fanahin'Andriamanitra no nanaovany izany :-D



54. jentilisa ( 23/03/2006 05:37)
Azavao ary ny tena atao kristiana ho hita hoe!
55. Fiffi ( 23/03/2006 06:09)
Achia: na izany aza an! dia midika ve fa 10% fotsiny?
56. Achia ( 23/03/2006 19:58)
mety ho latsaka aza satria ny antony de zao firy2 @ reo misoratena ho Kristiana moa no efa namela tanteraka ny fomba mifanohita @ sitrapon'ATRA ohatra ny famadihana ny fandehanana mpanao sikidy .... ?
57. Fiffi ( 24/03/2006 05:52)
fa nahoana ny famadihana no ao koa ?
58. Mifenty ( 24/03/2006 12:24)
1- Posons x = 6, implique xxx=666

apokalyptika ndray le resaka kle.

MIOMBONA HEVITRA am Zevokely mitsy aho amin'ilay hoe


TSY ny fomba malagasy rehetra no misy FANOMPOANA SAMPY




Rahateo mila faritana koa ny antsoina hoe fanompoan-tsampy, na ny hoe sampy.

Satria ho an'ny extremista dia tafiditra ao anatin'ny fanompoan-tsampy oatra ny asa, fianarana, sns rehefa atao mihoatra ny fitiavana an'Andriamanitra.

Izay rehetra tsy mifanaraka amin'ny fijerin'olombelona ve de fanompoan-tsampy kosa le. tssss.
Sao ndray eto dia hisy hilaza avy eo hoe "aza mandevina fa ny baiboly aza milaza hoe avelao ny maty ho an'ny maty" tsssss.



Ny resaka fampisotroana toaka ny vam refa andevina de resa-pinoana io fa tsy hoe resaka finoan-tsampy. Ny famaritako ny finoana dia ny fanekena ny zavatra tsy hita.

Ny fanompoana sampy tsinona dia ny fiankohofana amin'ny zavatra hita maso, Miankohoka am ikelimalaza oatra.

> xxx

efa akaiky tokoa angamba ny farany satria efa voalaza fa "... any am-parany any dia hisy hilaza hoe aty aminay i Kristy..." (Baiboly toko sy andininy)
59. jentilisa ( 24/03/2006 12:28)
misy mihitsy ny tsy mety mandevina ka!
60. Mifenty ( 24/03/2006 12:57)
zany v ry jentilisa?? io ara le nolazaiko oz le oul zay le
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925