Ry Tanindrazanay malala ô !

1. Fiffi ( 14/03/2006 19:51)
tena tsy hitako ry zareo fa be loatra ny halahelo raha mahita an'izao zavatra rehetra mitranga any @ tanindrazantsika izao , ao ny haretina isan-karazany , ny dengue ,ny lèpre , ny chikungunya , ny valala mandripaka ny tanana , ny mpanao politika tsy fantatra ben'hiany izay hataony , ny fahantrana , ny falotoana , sns....... tsy voalaza eto avokoa . Ka dia te hivavaka mafy aho ho an'ny Tanindrazantsika malalantsika ity .

1 Zanahary Ô,tahio ny
tanindrazanay
Hardroso lalandava,
handry fahizay.
Enga anie hanjaka ao
ny saina mahay miray,
Dia ho tany sambatra,
I lay Madagasikaranay

2 I Reo mpitondra anay
arovy lalandava koa
Tolory saina hendry,
kinga sy mahay
Ka ny marina anie no
mba hanjaka ao tokoa,
Dia ho tany sambatra
I lay Madagasikaranay

3 Ny taranakay tahio ho
vanona tokoa;
Ireo no solofo,dimby,
rahatrizay
Mba ho tena mahatoky,
feno fahendrena koa
Dia ho tany sambatra
Ilay Madagasikaranay
Amen.

novalian'i marozevo ny 10/05/2006 19:35
2. Fiffi ( 14/03/2006 19:53)
Mino aho fa samy efa mahafantatra an'ity hira ity isika rehetra ary efa ela tokoa no tsy nahenoko azy nefa tena fivavahana tena mendrika ny nosintsika io .
Misaotra antsika rehetra.:(
3. Achia ( 14/03/2006 19:55)
diantongotra ankavia io ka
4. Vaika ( 14/03/2006 21:09)
Sacré coup de blues Fiffi !
:-*
5. Veloo ( 15/03/2006 01:40)
mbola ho avy e:wink:
6. Lejim ( 15/03/2006 02:10)
kanefa zah tsy nahay an'io raha tsy efa taty, maheno namana mivazovazo ireny!
7. Veloo ( 15/03/2006 02:57)
o ry lejim a de loza mihtsy zany:roll:
8. jentilisa ( 15/03/2006 06:42)
Ilazana isika fa io no hira nifaninana tamin'ny ry tanindrazanay malala tamin'ny fifidianana izay ho hiram-pirenena. Ny tsy nanekena azy ity moa dia hoe manitra hiram-pivavahana kristiana loatra ilay izy nefa mbola vitsy an'isa kokoa ny kristiana.
9. Fiffi ( 15/03/2006 06:52)
Vitsy anisa tokoa raha eo anolohan'ny hiram-pivavahana nefa kosa efa tena mihezaka mafy ny olona hivavaka fa mila famonjena ity firenantsika ity.
10. Mifenty ( 15/03/2006 07:11)
le izy aza vavaka am Zanahary kou, nefa io Zanahary io iany no tsy anekenareo kristiana ny vavaka ataonay refa alahamady ny andro.

tsy azoko nareo reto ka.
11. dadabe ( 15/03/2006 07:38)
:-D io indray i mifenty sy le zanahary ,hummm


ngah moa tsy hoe "zanahary oo tahio " no titrte an'io hira io ?
12. diamondra27 ( 15/03/2006 08:13)
fiffi: déprime be njy zany an! momba ny firenentsika

torohevitra: mba tanisao koa aloha ze mba nahasoa ny firenena e!na de anankiray monja aza tsy maninona

fiffi a! ataovy ze mety e!: vavaka ho an'ny firenena , de minoa, mahareta fa Andriamanitra ihany no tompon' ny fiainantsika

Fa inona moa ny soa ho azo raha manana izao tontolo izao nefa very ny aina?
Fa katsaho aloha ny fanjakàny sy ny fahamarinany de han ampy anao zany rehetra 'zany

Mahereza
13. Fiffi ( 15/03/2006 08:20)
diamondra: ny tena marina akia an ! dia ny zavatra rehetra mitranga any @ izao fotoana izany no mahatonga ahy malahelo mafy tahak'izao an! tadidiko tsara zanyt@ vao naheno io haretina tao La Réunion io aho dia lasa mihintsy aloha nandeha nivavaka ka nangataka an'Andriamanitra mba tsy ho tonga any io haretina io noho'ny fahantran'ny olona nefa moa iny fa tonga any hiany ka lasa :(:( be aho.
14. Fiffi ( 15/03/2006 08:22)
diamondra: misaotra akia an! :-*:-*:-*:-*:-*
15. Mifenty ( 15/03/2006 19:24)
dadabe lol

Zanahary oh marina ny titre n'io ngamba le

fa io iraina any am pengonana na refa misy anle vavaka o an'ny tanindrana ireny a


d aveo nefa lazaina fa tsy mety ramalagasy fa mivavaka am Zanahary. ça mérite réflexion ozy ny anglisy zay le
16. Fiffi ( 15/03/2006 20:07)
Dia ny Tompo anie Homba sy Hitahy ny firenentsika mandrakizay doria . Amen
17. dadabe ( 16/03/2006 14:01)
Amen saingy indrisy fa ....fa...mahantra e:(
18. Nickovy ( 16/03/2006 14:26)
Veloo:

o ry lejim a de loza mihtsy zany:roll:


Tsy loza izany kah! Ny zava-dehibe dia hoe efa mahafantatra sy mahay azy izy. Mariky ny fitiavan-tanindrazana izany
19. marozevo ( 17/03/2006 00:28)
Mivavaka amin'ny Zanahary... inona no tsy mety amin'izany ry mifenty ? Mbola tsy nisy kosa Kristianina niteny hoe tsy mety ny mivavaka amin'ny Zanahary eh... na Kristianina tsy mahazo ny zavatra inoany koa angamba izany. Fa raha ny "mivavaka amin'Andriamani-kafa" kosa aloha dia tsy izy aho.

Zanahary o tahio ny Tanindrazanay...
Ireo Mpitondra anay...
Reo taranakay ...
Ny toe-tsainay ....
Ampio hifankatia izahay ....
20. xxx ( 17/03/2006 02:24)
Mifenty:

dadabe lol
Zanahary oh marina ny titre n'io ngamba le
fa io iraina any am pengonana na refa misy anle vavaka o an'ny tanindrana ireny a
d aveo nefa lazaina fa tsy mety ramalagasy fa mivavaka am Zanahary. ça mérite réflexion ozy ny anglisy zay le

io akia tsy mahagaga fa efa fomba fiadin'i Babylona renin'ny fijangajangana a. Dia voafitany izay tsy mamaky ny Tenin'Andriamanitra, "eny fa na ny olom-boafidy aza" :
- ny Sabbath novainy ho Sunday (veneration of the 'god' sun)
- ny Krismasy natao 25 Decembre, (birthday of the sun at winter solstice)
- ny Zanahary (=razam-be mpitaky tantely sy taoka) nafangaro tamin'ilay Andriamanitra Nahary.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3601