666

161. jimna ( 15/02/2006 03:46)
fantatsika hoe inona marina ilay bibidia,ary ahoana no fiheveran\\\\\\\'Andriamanaitra azy io.Koa azontsika atao ary ny mandinika ny tapany farany amin\\\\\\\'ilay ankamantatra, dia ilay isa enina, sy ny anttony namerenana azy in-3, izany hoe 666,na 600 apiana 60 apiana 6.

NAHOANA NO NAVERINA IN-3 NY ISA ENINA?

Misy heviny an\\\\\\\'ohatra ny isa sasany @ soratra masina.OHATRA;matetika ny isa fito ohtra dia milaza zavatra feno,na tanteraka na tonga lafatra eo imason\\\\\\\'Andriamanitra.Misy maharitra ela be, ilayherinandro hamitan\\\\\\\'Andriamanitra tanteraka an\\\\\\\'izay nokasainy momba ny tany.(GENESISY 1:3-2:3)Toy ny volafotsy voadio impito ny tenin\\\\\\\'Andriamanitra, izany hoe voadio t@ fomba tonga lafatra.(SALAMO 12:6;OHABOLANA 30:5,6)nasaina nandro impito tao amin\\\\\\\'my Reniranon\\\\\\\'ny Jordana i Namana boka,ka nadio tanteraka-2Mpanjaka 5;10,14.

Fito latsaka iray ny enina .Tena mety izany mba hilazana zavatra tsy tonga lafatra sy misy tsininy eo imason\\\\\\\'Andriamanitra.(1TANTARA 20;6,7)Efa tsy tonga lafatra ilay izy nefa vao maika misongadina izany rehafa averina in-3 ilay isa 6.Marina izany satria resahina ho isa misy ifandraisany @ olombelona ilay 666, araka ny efa nodinihintsika.Koa na ny tantaran\\\\\\\'ilay bibidia, na ilay isa misy ifandraisany @ olombelona , dia samy milaza mazava fa misy lesoka lehibe izy io eo imason\\\\\\\'ANDIAMANITRA ARY TSY MAHOMBY TANTERAKA.

MANAPOROFO IZANY NY TANTARA,Ezaka tsy nahitambokatra sy faniriana tsy tanteraka no nanamarika ny tantara,OHATRA ; NY ADY MBOLA MISY HATRAMIN\\\\\\\'IZAO NY ARETINA TSY FOANA NA DIA MISY AZA NY FITSABOANA ATAON\\\\\\\'IREO OLOMBELONA. Manamafy izao fahamarinana ao ny baiboly ;tsy an\\\\\\\'ny olombelona ny lalankalehany ,na an\\\\\\\'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.JEREMIA 10:23
MBOLA HITOHY)
162. jimna ( 15/02/2006 03:51)
arakin'ny tantara ary dia tsy nahomby ny fitondram-pajakan'olombelona,(mbola hitohy)
163. jimna ( 15/02/2006 04:04)
AVERENO VAKIANA ILAY FANAZAVANA DIA ARAKIN'NAREO NY TANTARA,(AZAFADY)
164. dadabe ( 15/02/2006 04:56)
hoy i jentilisa
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 13-02-2006 15:51:55
Lohateny : Re : 666
1- Izany hoe tandroka faha-11 izany?

ie marina saingy raha vao nipoitra izy dia nandrava tandroka 3 t@ teo aloha

2- Fa ny zava-manan'aina koa tsinona tsy misy lehibe miha-kely afa-tsy ny zavatra antitra na miha-maina angaha!

kely izy fa nihalehibe , io dia entina milaza ilay fanjakan'lay bibidia kely (tena kely ) fa nihitatra ary nanjary lasa fanjakana lehibe manerantany
3- Nahazo fahefana avy tamin'ny romana tamin'izany fotoana izany ary nanjakazaka tany Palestina nandritra ny 3 taona sy tapany mazava tsara.

humm tsy arako indray io ra jentilisa a
4- nanjakazaka tokoa izy tany palestina fa tsy izy no kaisara, fahefana avy amin'ny kaisara ihany ny azy. Ny kaisara no nahazoany fahefana be!
5- norarany tokoa ny fivavahana tamin'i Jehovah sy ny fisoronana tao an-tempoly. nandritra ny taona 167 ka hatramin'ny taona 164. norara...

ilay fanjakana romanina ve aloha no tenenin'i jentilisa sa....???tsy azoko

zah tsy mbola nilaza hoe iza ilay isa na bibidia
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 14-02-2006 16:02:37
Lohateny : Re : 666
tonga dia mandingana valo aho: angaha nisy soratra hoe ny isan'ny anarany dia 666?


Hoy i apok13/18:

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

marina io jentilisa , fa saingy izao a, jereo ny version hafa
louis second :18 C`est ici la sagesse. Que celui qui a de l`intelligence calcule le nombre de la bête. Car c`est un nombre d`homme, et son nombre est six cent soixante-six.

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany


18 Here is wisdom. Let him that hath understanding count the number of the beast: for it is the number of a man; and his number [is] Six hundred threescore [and] six.
izany hoe isa milaza olona izany
165. jentilisa ( 15/02/2006 06:36)
ilay hoe fahefana tsy avy taminy dia fahefan'ilay nanjaka tao palestina. Palestina kosa dia efa eo ambany fiarovan'i Roma. Tsy tena baikon'ny tany Roma anefa no notanterahiny fa izy no te-hanjakazaka sahala ireny hoe izy mihitsy no mifehy an'i Palestina. Solontenam-panjakana ihany anefa izy. Tokony ho tamin'ny taona 167 - 164 talohan'i Kristy izany resaka izany.

Hatramin'izao na dia ny version louis segond aza dia tsy miteny mihitsy io hoe ilay anarana dia mitambatambatra avy amina anaran'olona. Na dia ilay teny anglisy aza. Ataovy teny frantsay na anglisy hoe aza fady ny teny hoe laharana aza fady! tsy mahita afa-tsy numero aho manko, saingy teny niforona tamin'ny taona firy moa izany teny hoe numero izany ary avy ami'ny teny inona ihany koa?

hatramin'izao izany no hitako dia hevitra telo no hitako miresaka eto fa tsy hevitra roa!
166. jimna ( 15/02/2006 08:03)
dadabe:

hoy i jentilisa
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 13-02-2006 15:51:55
Lohateny : Re : 666
1- Izany hoe tandroka faha-11 izany?

ie marina saingy raha vao nipoitra izy dia nandrava tandroka 3 t@ teo aloha

2- Fa ny zava-manan'aina koa tsinona tsy misy lehibe miha-kely afa-tsy ny zavatra antitra na miha-maina angaha!

kely izy fa nihalehibe , io dia entina milaza ilay fanjakan'lay bibidia kely (tena kely ) fa nihitatra ary nanjary lasa fanjakana lehibe manerantany
3- Nahazo fahefana avy tamin'ny romana tamin'izany fotoana izany ary nanjakazaka tany Palestina nandritra ny 3 taona sy tapany mazava tsara.

humm tsy arako indray io ra jentilisa a
4- nanjakazaka tokoa izy tany palestina fa tsy izy no kaisara, fahefana avy amin'ny kaisara ihany ny azy. Ny kaisara no nahazoany fahefana be!
5- norarany tokoa ny fivavahana tamin'i Jehovah sy ny fisoronana tao an-tempoly. nandritra ny taona 167 ka hatramin'ny taona 164. norara...

ilay fanjakana romanina ve aloha no tenenin'i jentilisa sa....???tsy azoko

zah tsy mbola nilaza hoe iza ilay isa na bibidia
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 14-02-2006 16:02:37
Lohateny : Re : 666
tonga dia mandingana valo aho: angaha nisy soratra hoe ny isan'ny anarany dia 666?


Hoy i apok13/18:

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

marina io jentilisa , fa saingy izao a, jereo ny version hafa
louis second :18 C`est ici la sagesse. Que celui qui a de l`intelligence calcule le nombre de la bête. Car c`est un nombre d`homme, et son nombre est six cent soixante-six.

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany


18 Here is wisdom. Let him that hath understanding count the number of the beast: for it is the number of a man; and his number [is] Six hundred threescore [and] six.
izany hoe isa milaza olona izany


nga tsy arakareo ilay fanazavana nomena?,mbola hazavaintsika koa manko ny momba ireo biby efatra lehibe voalaza ao @ DANIELA FA AZA DIA MAIKA LOATRA RE A
167. jentilisa ( 15/02/2006 09:53)
efa nisy nametraka fanazavana anie ery ambony ery e!
168. dadabe ( 16/02/2006 02:37)
jimna >efa vita ery ambony io e

jentilisa > jereo anie ny baibolinao fa misy ao manao hoe ny fahefany dia tsy avy @ herin'ny tenany , fa ilay dragona no nanome azy hery sy seza fiandrianana

apokalypsy toko faha 13 de andininy ....*(tsy tsaroako )
169. jentilisa ( 16/02/2006 05:56)
Ilay dragona no nanome fahefana ny leoparda! izay no tianao lazaina?
170. marozevo ( 16/02/2006 23:21)
Aoka dia holazaina ny marina fa tsy arako intsony izay voalaza ato. sarotra loatra.
171. dadabe ( 17/02/2006 03:54)
jentilisa tsy ilay leoparda ihany , fa ilay biby nitambatra ho iray ka
172. jentilisa ( 17/02/2006 05:15)
ka ilay biby nitambatra ho iray anie ka miendrika leoparda e!
173. dadabe ( 17/02/2006 15:48)
fa ny vavany vavana liona dia ny tongony tahaka ny bera , vakio tsara anie e, de manana tandroka 10
174. jentilisa ( 18/02/2006 07:56)
Hainao ve ny manavaka ny vavan'ny leoparda amin'ny vavan'ny liona?
fa na leoparda na liona samy tsy misy tandroka!
175. jimna ( 20/02/2006 10:16)
176. jimna ( 20/02/2006 10:38)
Indro koa ny biby faha-2,hoy DANIELA dia biby hafa tahaka ny bera izay nampisondrotra ny ilan-tenany,sady nisy taolan-tehezana telo teo ambavany;ary izao no voalaza taminy:Mitsangana homana nofo be.(DANIELA7:5)Ny mpanjaka naseon'ilay BERA dia ilay nasehon'ireo tratra sy sandry volafotsin'ilay sariolona lehibe -IREO MPANAPAKA MEDIANA SY PERSANINA NIFANDIMBY(539-331 AL.F.I.)Nanomboka t@ DARIUS MEDIANA
SY I CHYRUS LE GRAND, ARY NIFARANA T@ I DARIUS III.
177. sonwin ( 20/02/2006 17:34)
ary zay vao hitako ity resaka ity..666 hono :-D:-D, ary alaiko ny fika ato dia andeha hampihorohoro vahoaka amin resaka 666 ndray aloha:°), dia avy eo mahazo rakitra bobaka be:°), hanamboarako villa sy hividianako 4x4 :°), iza no mahafantatra, mety ho lasa prezidan repoblika za refa mitambatra eo ny ampahafolo-karenan'ireo "mpanara-dia ahy vs 666" :-D...

Sangisangy zari-tenany io nataoko io fa ny hevitro dia izao,raha samy kristianina dia ady hevitra tsy mitondra any amin'ny fampandrosoana ny Fanjakan'Andriamanitra ny resaka chiffre...ny ahy dia tsotra ihany, ny baiboly tsy entina atao hampihorohoro, tsy entina hanenjehana ny kristianina sahala amin'ny tena, tsy entina hifampitsikerana hoe iza no 666 na aiza...tsy ny 666 no zava-dehibe fa ny 888. Ka hoy aho hoe,ny baiboly dia entina mitory Fitiavana, mitory Fiadanana, manambara Vaovao Mahafaly...fa tsy hoe 666 ah 666!!!Ny zava-dehibe ao amin Baiboly ry zalahy hazavaina sy toriana a, fa tsy boky iray na roa milaza fampihorohoroana..ka raha baiboly no resaka dia hoe "Andriamanitra dia Fitiavana"..."Nitsangana tamin'ny maty Jesoa Kristy"..."Resy ny herin'ny fahafatesana"..dia ho tonga anie ny fanjakan'Andriamanitra.
666 a 666....resaka chiffre zany possible daholo refa mety ho demonstration ary mora ny azahoana io chiffre io refa misy olona tiana cibler-na!
178. pissoa ( 20/02/2006 17:48)
=D=D=D=D=D=D=D
Fa saingy hoe ... ngah mou lah ry papa tsy efa manana Villa sy 4x4 no mbola hanangon-drakitra ihany :roll::-D
179. marozevo ( 21/02/2006 01:38)
Chapeau sonwin...
Io voalazanao io no tena izy eh...
Ry zalahy miady hevitra ireo anie manao rezoneman tenany fotsiny eh... Indraindray mila ho tonga amin'ilay hoe : "Ny moka tantavaninareo, nefa ny Rameva avelanareo hipasy...".
180. jimna ( 21/02/2006 04:27)
Angamba kosa ianareo no tsy mandinika fa tsy hoe mi-cibler olona tokana io ,fa fanjakana naorin'olombelona
izay nataony mba hifehy izao tontolo izao, nefa tsy mahomby na dia eo aza ny ezaka ataon'ireo mpitondra,araka ny efa voalaza tery amboalohany,fa ny fanjakan'Andriamanitra no haharitra mandrakizay.DANIELA2:44)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047