666

141. marozevo ( 09/02/2006 01:07)
Aza miandry an-draj.. tsy hivolana, fa tairo eh... Nefa aza atao ela ilay konklizion fa mitaintaina mila ho latsa-... latsak'aina ny mpijery.
142. jentilisa ( 09/02/2006 05:09)
dadabe:

humm ny nahafinaritra t@ ity dinika iray ity dia ny fahatsapan'ny namana fa ilay 666 voalazan'ny bvaiboly dia tsy zavatra apetaka , fa milaza anaran'olona iray, ary tsy maintsy hisy hifandraisany @ ireo fanjakana hitan'ny daniela t@ fotoanandrony , tsy ho eto gasikara mihitsy aloha ,
ndeha isika hitsambikina any @ apokalypsy 13 amizay ary fa efa liana ny olona :°)


Hono kosa ho'aho, sao dia manampy resaka kosa izany? raha misy boky roa samihafa samy milaza leoparda sy orsa ( bera hoy ny baiboly) ve dia tsy maintsy hisy hifandraisany nefa mpanoratra samy hafa no manoratra azy sady amin'ny vaim-potoana samihafa sady ao amin'ny finoana samihafa? Daniela azo lazaina hoe jodaisma moa i Jaona ao amin'ny kristianisma? tsy tena mifandaka ireo saingy tsy tena mitovy tsinona!

Amiko manko ny bibidia dia milaza ny hoe biby tsy fiompy na biby tsy manantompo.

143. dadabe ( 09/02/2006 14:03)
jentilisa >:°):°):°) raha zah ise dia aleo aloha mangataka ny Fanahin'Andriamanitra hanazava amin'ise satria tsy ho azonao mihitsy ity raha izao fahitako azy izao ,

NB : zah tsy handresy lahatra ny namana a! tsy hitarika anao ho aiza ,fa zah kosa hanambara ny marina izay voasoratra ao @ baiboly ,
144. jimna ( 10/02/2006 04:33)
Omen'Andriamanitra ao amn teninyizay ilaintsika mba hamantarana ny dikan'ilay isa 666 sy ilay mariky ny bibidia, ao amn (apok13).Inona no dikan'ilay isa 6 ary nahoana izy io no naverina in-3, izany hoe 600 apiana 60 apiana 6?
(1)ny toetra mampiavaka ilay bibidia aloha no nahatonga an'andriamanitra hanome azy ilay anarana hoe 666.Mba hahafantarana ny toetran'ilay bibidia nefa dia dia hoe inona marina aloha ilay bibidia, ary ary inona no ataony.ambarany boki'i Daniela mazava tsara hoe inona no aseho an'ohatra @ alalany biby.Misy biby efatra lehibe resahiny toko faha-7 dia ny liona,bera,leoparda,ary biby mahatsiravina manana nify lehibe,(DANIELA 7:2-7)lazainy daniela amintsika fa panjaka ireo biby ireo, izany hoe fanjakana nifandimby tamn firenena maro.DANIELA 7: 17,23,(HITOHY
145. dadabe ( 10/02/2006 05:02)
jimna somary manaova tapody fohy @ izay zavatra voasoratr'i dadabe hoe ianao ery ambony azafady a
Mpandefa : dadabe [ Valio ] 25-01-2006 17:00:19
Lohateny : Re : 666
ahan !! izany a
andao amizay hoaa hamaky baiboly

io ny ray de
Mpandefa : dadabe [ Valio ] 25-01-2006 17:54:28
Lohateny : Re : 666

io ny faharoa

de aveo
Mpandefa : dadabe [ Valio ] 28-01-2006 08:25:08
Lohateny : Re : 666
ndao aloha tohizana indray ny resaka e! hay teo @ toko faha*7 andininy faha 15 isika no nijanona a, mbola resaka 666 ihany a

daniela toko faha -7 andininy faha :15-28


dia miverena amin'izay eto fa io angamba ny zavatra saika ho hazavainao e
146. Veloo ( 10/02/2006 19:40)
oy i dadabe:
zah tsy handresy lahatra ny namana a! tsy hitarika anao ho aiza ,fa zah kosa hanambara ny marina izay voasoratra ao @ baiboly ,


marina mihitsy izany ry ledada:-*
147. jentilisa ( 11/02/2006 07:19)
tahaka ireny hoe tsy manana ny Fanahy Masina ireny aho izany!
148. dadabe ( 11/02/2006 15:55)
jentilisa aiza kosa e:°)
149. Veloo ( 12/02/2006 01:20)
jentilisa a enao no mahalala:wink:
150. dadabe ( 12/02/2006 13:42)
humm hotohizako amizay ve e?
151. jimna ( 13/02/2006 03:25)
voalaza tery aloha fa hoe ,milaza ny fitondran'olombelona ireo biby ireo ,nahoana tokoa moa no oharina @ biby ny fitondran'olombelona?Misy antony roa,fara faha keliny.(1)tsy nitsahatra nandatsa-dra toy ny biby ny fitondrampnjakana nandritra ny tantara; anisan'ny nanamarikaq ny tantaqra foana ny ady, sady tsy nihena mihitsy na teo aza ny sivilizasiona sy ny demokrasia.Marina tokoa fa ny andro anapahan'ny olona ny namany dia ampidirany loza aminy!(2)dia ilay dragona (SATANA)no manome hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe an'ilay bibidia.(APOK 12:9; 13:2).Ny Devoly, arak'izany, no nampisy ny fitondran'olombelona.Tsy mahagaga ary izy ireny raha manana toetra toy ny an'ny biby satria izany no toetran'ny Devoly.(JAONA 8:44).

tsy midika anefa izany fa hoe ataon'ny Devoly fitaovana ny fitondran'olombelona rehetra.Azo lazaina ho mpanompon'andriamanitra nyfitondran'olombelona satria raha tsy mampilamina ny fiarahamonina mba tsy hisian'ny fanjakan'ny BAROA.Misy koa mpitondra miaro ny zon'olombelona, anisan'izany ny zo hanaraka fivavahana MANOHANA NY FITONDRAN'ANDRIAMANITRA, na dia tsy tian'i SATANA aza izany.(ROMANINA 13:3,4).Tsy hisy olona na fitondrana anefa afaka hitondra fandriampalemana sy filaminana maharitra, satria manankery amin'izy ireny ny DEVOLY.(JAONA 12:31).(mbola hitohy hatrany)
152. jentilisa ( 13/02/2006 07:17)
tsara avahana tokoa ny hoe devoly sy hoe satana an! ny iray lehibeny moa ny maro kosa dia anjelin'ilay nanohitra! izany hoe izay anjely niara-nivadika tamin'i satana!
153. jimna ( 13/02/2006 08:15)
NY DIKAN'NY HOE SATANA DIA (PANOHITRA)NY DEVOLY=PANENDRIKENDRIKA,ANJELY IRAY NIVADIKA IANY NEFA IO ARY NY ATAO HOE DEMONIA= IREO ANJELY NIARAKA NIVADIKA TAMINY.
154. dadabe ( 13/02/2006 10:55)
mazava !ekena izany hatreto fa ilay bibidia aloha dia maneho firenena e:°) donk ilay 666 anie izany dia sady maka endrika biby (fanjakana ) no naka endrika tandroka ( mpanjaka )
1- nivoka teo anelanelan'ny tandroka 10
2-kely fa niha lehibe
3-nanjaka sy nahazo fahefana be tao anatin'ny fetr'andro 1, fetr'andro 2, ary antsasaky ny fetr'andro
4-be ny heriny fa tsy avy @ herin'ny tenany
5-hanova fotoana sylalana , mazava ho azy fa tsy maintsy ny lalan'Andriamnitra no hovany
6-nazerany @ tany ny fahamarinana
7-namono mpanjaka 3 izy raha vao nahazo fanjakana
8-ny isan'ny anarany dia 666

fanotaniana: iza teo @ tantaran'ny zanak'olombelona teto @ ity planeta tany ity no nahatanteraka ireo fepetra takian'ny 666 voalazan'ny baiboly ireo??

anjarako sy anjaranao ny mandinika fa io efa nomeko io aloha ny lakile , ahafahanao mandalina , mba ahatonga anao tsy ho voafitaka hoe iza marina ilay 666, fa raha tsy fantatrao io dia tsy maintsy ho eo ambany ziogany ianao , fa raha fantatrao io dia isaory ny Tompo fa fantatrao ny fahavalonao dieny mbola ety an-tany

mahereza ary ry namana isany fa ho sarotra ny lalana manomboka eto
:lol: de ampy a
155. jimna ( 13/02/2006 11:18)
mbola ilay isa 666 aloha no ifantohatsika,avy eo isika hamakafaka ireo biby efatra mahatsiravina,
156. jentilisa ( 13/02/2006 11:51)
1- Izany hoe tandroka faha-11 izany?
2- Fa ny zava-manan'aina koa tsinona tsy misy lehibe miha-kely afa-tsy ny zavatra antitra na miha-maina angaha!
3- Nahazo fahefana avy tamin'ny romana tamin'izany fotoana izany ary nanjakazaka tany Palestina nandritra ny 3 taona sy tapany mazava tsara.
4- nanjakazaka tokoa izy tany palestina fa tsy izy no kaisara, fahefana avy amin'ny kaisara ihany ny azy. Ny kaisara no nahazoany fahefana be!
5- norarany tokoa ny fivavahana tamin'i Jehovah sy ny fisoronana tao an-tempoly. nandritra ny taona 167 ka hatramin'ny taona 164. norara...
157. eprom ( 14/02/2006 06:05)
isaory ny Tompo fa fantatrao ny fahavalonao dieny mbola ety an-tany

euuhh...tsy ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra ve?
158. jimna ( 14/02/2006 09:30)
ITY KOSA NO FOMBA HAMANTARANA FAHA-3NY DIKAN'ILAY MARIKA NA ISA 666,izy io dia isa misy ifandraisany @olombelona, izany hoe ny toetrany,inona ilay toetra?
HOY NY BAIBOLY;samy efa nanota ny (olombelona) rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr'Andriamanitra(ROMANINA 3:23)koa satria manana isa misy ifandraisany @ olombelona ilay bibidia, dia midika izany fa tsy lavorary ary misy ota toy ny olombelona koa ireo fitondrampanjakana. mbola hitohy)
159. jentilisa ( 14/02/2006 12:02)
tonga dia mandingana valo aho: angaha nisy soratra hoe ny isan'ny anarany dia 666?

apok13/18:

18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.

ny isan'ny bibidia io hitako io! ny isany io ve dia milaza ny anarany na ny isan'ny anarany avy hatrany?
160. marozevo ( 15/02/2006 00:39)
Tsy te hivoaka ny ady hevitra aho, fa toa lasa mathematiques be ilay izy ka tsy araky ny serie A. Ny tiako ho marihina fotsiny dia hoe mba tsapantsika ve fa symbolique anie ireny isa ireny ao amin'ny baiboly eh... Ohatra, ahoana ary ilay hoe "144.000"? Ireo ihany ve no ho voavonjy ? Raha ireo ihany tsy anisany aho, ka lany andro mivavaka fotsiny izany. Fa tsy raisiko ara-bakiteny le izy, dia mivavaka ihany aho.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862