666

81. lapino ( 28/01/2006 11:05)
jentilisa:
Ny mampalahelo amin'ity resaka 666 ity manko dia fandresen-dahatra ankolaka ny olona tsy handray ny teknolojia vitan'olombelona hatrany no asany.

Tsy izany mihitsy. Fa inona moa no antony na ny mety ho tombontsoa amin'ny fandàvana ny teknolojia? Fitia te hahalala (curiosité) fotsiny io.

Efa nahiako hatrany am-boalohany ihany io no nahatonga hoe:
"- tsy natao hanova ny fototry ny finoana ity resaka ity,
- tsy natao hifampitahorana, tsy natao hampisy mépris sns, ...
"

Azafady aloha tsy manapaka an'ilay fanazavana fa tsy naharaka kely e!
82. jentilisa ( 28/01/2006 12:03)
Vakio tsara ho'aho izay nosoratako! ny petit larousse 2005 no nisy io fanazavana hoe ny Hérules io no nandrava ny ampira andrefana. Vakio tsara ilay nosoratako momba ny Hérules teo. Makà ange petit larousse e!

Dia averiko indray hoe raha amin'ny andron'ny ratsa-tongotra ange ho'aho raha ilay lôjikanareo no jerena dia amin'ny andron'ny fanjakan'ny zermanika no tonga ny Mesia e! satria any amin'ny ratsa-tongotra no niantefa ny vato. Izany hoe any ho any amin'ny taona 400 mahery amin'izao vaninandro izay fa tsy hoe talohan'i Kristy tsy akory.

Dia vakio ho'aho raha vao manomboka ny Daniela, toa hoe taona faharoa (601 BC)nanjakan'i Nebokadnezara dia efa tao an-dapan'ny Babylona ry Daniela sy ireo namany telolahy nefa anie ho'aho nefa 583 BC vao babo tanteraka i Jerosalema e! misy zavatra tsy nôrmal izany ao anaty boky Daniel ao...
83. jentilisa ( 28/01/2006 12:12)
lapino> jereo fotsiny fa any amerika misy sekta kristiana mandà sady tsy mety handeha fiara, izany tele sy radio izany dia tsy mahazo miditra ny trano fa asan-devoly ireny aminy. Ary mariho fa be ny zava-bita ankehitriny no tsy azoazon'ny "mpivavaka" loatra. Na dia ny Aterineto aza...tena be mihitsy ary ny tena antony lazainy dia hoe mampiely haingana ny fahavetavetana...sainy rehefa miditra ato ve dia hihazakazaka ho any hatrany? mba lasa ihany ny saiko. Na ny fanatanjahantena aza anie e! nefa zavatra efa nisy hatry ny ela io.
84. diamondra27 ( 28/01/2006 13:08)
dadabe: tsy olana io fa mba ho fantan'ny namana hoe: misy an'ireo e!sady raisonnement ny olombelona ireo fa raha te-ho kristiana ny olona de ze lazain'ny baiboly no arahiny.OK :wink:

De tohizo hatr@ farany ny fanazavana fa aza tapahana antenantenany fa ze te hanaraka de manaraka ze tsy tia de tsy tia. Dinika no atao eto fa tsy fanerena ny olona hifindra finoana na koa hoe: disadisa.

:-*:-*:-*
85. lapino ( 28/01/2006 18:12)
jentilisa : Ny tsy tia televiziona no efa nahita aho. Fa dia gravy ihany izany sekta any zamerika izany. Kanefa raha izay no finoany, dia aleo izay no hiainany fa tsy afaka hanakiana azy amin'izany isika. Tsy handresy lahatra ho amin'izany mihitsy anefa aloha no anton'ilay resaka.
86. dadabe ( 28/01/2006 19:43)
hoy i jentilisa
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 28-01-2006 16:03:35
Lohateny : Re : 666
Vakio tsara ho'aho izay nosoratako! ny petit larousse 2005 no nisy io fanazavana hoe ny Hérules io no nandrava ny ampira andrefana. Vakio tsara ilay nosoratako momba ny Hérules teo. Makà ange petit larousse e!

Dia averiko indray hoe raha amin'ny andron'ny ratsa-tongotra ange ho'aho raha ilay lôjikanareo no jerena dia amin'ny andron'ny fanjakan'ny zermanika no tonga ny Mesia e! satria any amin'ny ratsa-tongotra no niantefa ny vato. Izany hoe any ho any amin'ny taona 400 mahery amin'izao vaninandro izay fa tsy hoe talohan'i Kristy tsy akory.

Dia vakio ho'aho raha vao manomboka ny Daniela, toa hoe taona faharoa (601 BC)nanjakan'i Nebokadnezara dia efa tao an-dapan'ny Babylona ry Daniela sy ireo namany telolahy nefa anie ho'aho nefa 583 BC vao babo tanteraka i Jerosalema e! misy zavatra tsy nôrmal izany ao anaty boky Daniel ao...


o ry jentilisa tena mazava be hoe mihinana ambolony ianao fa aminao ve dia ho lojika fa hoe ilay ratsatongotra izay nanomboka t@ taonjato faha 5 dia ho tonga sahay i Kristy , ny fisian'ny ratsa-tongotra no nanomboka t@ taonjato fahadimy fa ny fahatanterahan'ny faminaniana dia tsy mbola vita donk ny ratsa-tongotra eoropeanina dia mbola eo ihany fa saingy ny faminanina tsy maintsy tanteraka .

Ny zavatra tsikaritra aloha dia manaiky izay lazain'ny soratra masina ny rehetra ( fa tsy zah a! NGAH IREO MISY TENIKO ), dia mangataka anao zah haraho tsara , dia mivavaha fa ho sarotra ny fandraisanao ity fanazavana ny fepetra 11 izay ananan'ilay tandroka kely ity , donk raha misy olona milaza aminao fa iry na zaroa no 666 dia jereo raha manaraka ireo fepetra voalazan'ny soratra masina ireo, fa raha tsy manaraka ireo dia aleo trsy tononina satria manjary , manaratsy olona fotsiny na manasoketa olona fotsiny , fa raha toa kosa ka voamarina aao @ ilay olona ireo fepetra ireo dia tsy hisalasalana avy haytrany fa izy izany ilay 666 dia alaeo mitandrina , na aleo miala lavittra azy e

ohatra : raha mody ataontsika hoe dadabe no 666 de zao ary
fepetra voalohany takiana
1-dadabe ve tandroka kely nivoaka teo anelanelan'ny tandroka 10?? voalaza anefa fa ny tandroka 10 dia ireo firenena eoropeanina voatanisa etsy ambony ? donk tsy zah aloha izany :D:D:D afaka aho dia tsy miloa jerena intsony ny ambiny satria efa diso ny voalohany dia tsy mety

ohatra faharoa
misy milaza fa hoe marika @ ordinatera fanamarihana ara tsoratra masina
fepetra voalohany
1-ny marika ordinatera ve dia tandroka kely nivoaka avy teo anelanelan'ny tandroka 10 ??? valiny TSIA donk fandrebirebena izany , dia tsy mila atao intsony ny famelabelarana


ohatra fahatelo

misy milaza fa i Jules cesar no tandroka kely de adao aza andramana verifier-na indray e

fepetra voalohany
1-jules cesar ve nipoitra teo anelanelan'ny tandroka 10
valiny eny
dia mitohy izany
fepetra faharoa

2- jules cesar ve manana vava miteny miompampana ? valiny eny

3- jules cesar ve manana maso tahaka ny mason'olona??
valiny eny

4-jules cesar ve dia niaina tao anatin'ny fetr'andro 1 , fetrandro 2 , ary antsasaky ny fetrandro ?? valiny TSIA

mila hazavaina indray izany ilay hoe fetrandro 1, fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro

zao no fanazavana omen'ny baiboly
andro 1 + andro 2 + 1/2 andro =3 andro sy tapany

ny 1 andro ara paminaniana anefa dia 1 taona ara bakiteny , ny 1 taona arapaminaniana izany dia 365 taona ara bakiteny

donk 3 taona sy tapany ara paminaniana izany dia mitovy @ hoe 1260 taona na 42 volana mitovy avokoa ireo

noho izany ny fetra niainan'ilay tandroka kely izany dia 1260 taona , nanomboka oviana ary dia nifarana oviana ?? mila valina , i jules cesar aloha dia tsy nahatratra 1260 taona donk tsy izy izany ilay 666

ohatra faha 5 raha milaza ny sasany hoe i ratsiraka io dia i ratsiraka ihany koa anie tsy mahatratra 1206 taona e, tsy izy ihany koa izany izy

ohatra faha 6
i hery milaza fa hoe i ellen Gold white , dia i ellen gold white ihany koa dia tsy mahatrtra 1260 taona ny faharetan'ny androny donk atsahatra ny fanenjehana azy satria tsy izy mihitsy izany ilay 666, izy rahateo tsy nivoaka teo anelanelan'ny tandroka 10

ohatra faha 7

Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 25-01-2006 16:58:59
Lohateny : Re : 666
666 Ésotérisme NOMBRE de la BÊTE

666


NOMBRE DE LA BÊTE

jereo io voalazan'i diamondra io dia andramo verifier-na raha toa ka manatanteraka ireo fepetra voalazan'ny soratra masina .

IZA ARY ILAY TANDROKA KELY ??? IZA ILAY 666?? DE JEREO ARY NY TANTARA DIA HAMARINO HOE IZA ILAY 666 NAHAFENO FEPETRA ARA-TSORATRA MASINA ? :-w:-w
87. Veloo ( 29/01/2006 00:05)
IZa?
88. marozevo ( 29/01/2006 01:18)
dadabe > Compleksa be ilay fanazavanao. Tena mamaky aho, fa ny mahavoa ahy dia tsy vitako ilay mi-raisonne rehefa asainao manao an'izany...
ka tokony mba hojerenao ihany hoe afaka miditra aamin'io kompleksiten'ny fanazavanao io daholo ve isika eto.
Io izao ianao farany io mbola manontany indray rehefa azy manazava. Maninona kay raha tonga dia ianao no manome ny Konklizion eh?
89. dadabe ( 29/01/2006 03:22)
marozevo > hanome konklizio mihitsy aho fa saingy manazava aloha vao manome ,io anie efa miezaka aho ny manazava , nefa mbola misy tsy mahazo , koa maika fa raha hoe omena ny konkizioo tsy ho raharaha be .

averina indray ireo fepetra takian'ny soratra masina ny @ tandroka kely

and 19-25dia mikasika ilay tandroka kely
1-nipoitra teo anelanelan'ny tandroka 10,
2- manana vava miteny zavatra miompampana ,
3- sy maso tahaka ny mason'olona ,
4-ny faharetan'ny fanjakany dia fetrandro 1 , fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro
5-hanova fotoana sy lalana
6-hamono ny olomasin'ny avo indrindra
7-raha vao tonga ilay tandroka kely dia nanapaka tandroka 3 t@ ilay teo aloha
8-masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina
9-ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany
(io ilay hoe ho be ny heriny nefa tsy avy @ herin'ny tenany io dia hazavain'i apokalypsa 13:2manao hoe "...ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe..."
ilay dragona na devoly na satana no nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrihanany )
10-hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy

noho izany raha toa ka manondro olona iray izany ianao dia ireo fepetra nomen'ny soratra masina ireo no jereo ka raha manatanteraka an'io ilay olona voalaza dia izy izany ilay 666 lazain'ny apokalypsa satria hoe isa milaza olona izany , ary ny hevitra dia mila fahendrena , fahalalana , dia izay manatsina no aoka hanisa hoy ny anjely .


dia manomeza hoe ianareo anarana olona malaza dia andramatsika ho verifier-na sady hanazava ihany aho ny miksika ny teny tsirairay
90. dadabe ( 29/01/2006 04:01)
rarny lotra angamba raha hofintinina izay voalaza rehetra teo aloha :D

I nebokadnezara mpanjakan'ny babylona dia nanonofy sariolona lehibe , fa i daniela dia nahita fahitana BIBY 4,
1-ny lohan'ilay sary dia nifanandrify t@biby LIONA
2-tratra sy ny sandrin'ilay sary dia nifanadrify t@biby BERA
3-ny kibo sy ny fen'ilay sary dia nifanadrify t@biby LEOPARDA
4-Ilay ranjo vy teo @ ilay sary dia nifanandrify t@biby Fahaefatra MAHATSIRAVINA
5-iay ratsatongotra 10 teo @ ilay sary dia nifanandrify t@tandroka 10

ny CODES:


1-Ny ranomasina dia maneho vahoaka na firenena
2-ny biby dia maneho fanjakana
3-ny tandroka dia maneho mpanjaka

ohatra1:
ny biby faha 4 dia nivoaka avy tao @ ranomasina , nanana tandroka 10 dia = nisy firenena faha 4 nivoaka avy tao @ vahoaka ary nanana mpanjaka 10
ohatra2:
nisy tandroka kely nivoka teo anelanelan'ny tandroka 10 ary raha vao nivoaka izy dia nanapaka tandroka 3 t@ teo aloha .Ny mitovy @ io raha vahana ny codes dia nisy mpajaka kely nivoaka avy teo afovoan'ireo mpanjaka 10 efa nisy teo aloha , ary raha vao nivoaka izy dia namono mpanjaka 3 t@ ireo efa nisy teo aloha

ohatra faha3:
ilay tandroka kely dia hanova fotoana sy lalana ny heviny dia hoe ilay mpanjaka kely dia hanova fotoana sy lalana (mazava ho azy fa tsy maintsy lalanan'Andriamanitra sy fotona namboarin'Andriamintra no hovany satria izy no antichrist)

ohatra faha 4:
ilay tandroka kely dia niaina tao anatin'ny fetrandro 1 fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro dia = @ hoe ilay mpanjaka kely dia nana hery tao anatin'ny 1260 taona .

ohatra faha5:
ho be ny herin'ilay tandroka kely nefa tsy avy @ herin'ny tenany , ary ny dragona no nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany diA MITOVY @ hoe ho be ny herin'ilay mpanjaka kely nefa tsy avy @ herin'ny tenany, ary ny devoly (=Satana =dragona ) no nanome azy ny seza fiandrianany.

ohatra faha6:
ilay tandroka kely dia: kely fa nihalehibe ary niatra t@ ireo maro be any andanitra ny fahefany dia mira @ hoe ilay mpanjaka kely dia tena kely fa saingy manana fahefana lehibe, ary ary manana fahefana @ ireo ponin'ny lanitra (anjely )

sns ...
91. jentilisa ( 29/01/2006 10:54)
dadabe:

o ry jentilisa tena mazava be hoe mihinana ambolony ianao fa aminao ve dia ho lojika fa hoe ilay ratsatongotra izay nanomboka t@ taonjato faha 5 dia ho tonga sahay i Kristy , ny fisian'ny ratsa-tongotra no nanomboka t@ taonjato fahadimy fa ny fahatanterahan'ny faminaniana dia tsy mbola vita donk ny ratsa-tongotra eoropeanina dia mbola eo ihany fa saingy ny faminanina tsy maintsy tanteraka .

NY faminaniana tahaka ny ahoana moa? Tsarovy tsara fa ny lazain'ilay vato dia fanjakan'Andriamanitra, izany hoe ny fahatongavan'ny mesia ety an-tany!

Koa raha mbola tsy tonga ny faminaniana tamin'ny taonjato fahadimy: ny dikan'izany dia tsy ny mesia izany izay tonga tamin'ny taonjato voalohany ka nanoratana ny testamenta vaovao!
izany hoe tsy ny mesia no narahin'ny kristiana katolika sy protestanta ary ôrtôdôksa ankehitriny!

Sa tsy misy dikany ny nahatongavan'i Jesoa tety?

manaraka izany efa hatry ny fahakeliko no nahalalako fa raha izay lôjikan'i Daniela izay dia Antiokisy Epifana nitondra tamin'ny taona 167 ka hatramin'ny 164 izay nitondra telo taona sy tapany katroka (fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary atsasaky ny fetr'andro) no lazainy fa tandroka kely...fantaro ny tantara ary araho tsara!

aorian'izay dia averiko indray ity fanontaniana ity fa tsy misy mety mamaly:

Daniela 2:1 dia misy ny hoe nanonofy i nebokadnezara ka nitebiteby noho izany tamin'ny taona fahatelo nanjakany. Tamin'izany fotoana izany dia mbola tsy babo na oviana na oviana i Jerosalema. Ka haninona any Babylona moa ry Daniela sy ny namany nefa lazaina hoe babo izy ireo?
Hamarino ny baibolinareo sao tsy misy izany!
92. routa ( 29/01/2006 16:52)
hihihihi tohizo ry reto
93. diamondra27 ( 29/01/2006 16:55)
de ahoana koa ny manaraka
94. marozevo ( 30/01/2006 01:16)
Dia aiza amin'izay ary ilay Konklizion eh? Efa maika be izahay...
95. jentilisa ( 30/01/2006 05:34)
fa inona sahady ary ity maka tsoakevitra ity!
96. diamondra27 ( 30/01/2006 05:49)
maika hamonjy train ho aiza ary ny sasany izany e!
97. jentilisa ( 30/01/2006 13:09)
dadabe:

raha misy olona milaza aminao fa iry na zaroa no 666 dia jereo raha manaraka ireo fepetra voalazan'ny soratra masina ireo, fa raha tsy manaraka ireo dia aleo tsy tononina satria manjary , manaratsy olona fotsiny na manasoketa olona fotsiny , fa raha toa kosa ka voamarina aao @ ilay olona ireo fepetra ireo dia tsy hisalasalana avy haytrany fa izy izany ilay 666 dia alaeo mitandrina , na aleo miala lavittra azy e

Raha nanoratra ilay nolazaiko tery ambony tery aho momba ny 666 dia fikarohana manokana mihitsy! tsy nisy nahafapo ahy ny valinteny rehetra.
Toy ny andranandrana ary no nanisako ny teny tao amin'ny Apokalypsy teny grika hoe fa inona ny teny faha-666 ato. tena variana tanteraka aho nitontona teo amin'ilay teny.
Niverenako fanindroany sao dia diso fanisa aho fa mbola teo ihany!
Avy teo raha namaky ny boky miotndra ny lohateny hoe arkeolojia biblika nosoratan'i Lars Dahle tamin'ny taona 1905 tany ho any aho no vao maika resy lahatra. Tsy resy lahatra hoe ny teny 666 dia izao fa ny fomba jiosy izay nohazavaiko no nohazavainy. Mahazo manontany ny jiosy izay eo akaikinareo ianareo fa mbola ataony mandraka ankehitriny izany.
Tsy izay tamin'ny taona 1905 izay ihany fa nisy fanazavana momba ny baiboly izay koa, Raby iray no nanazava hoe ankoatra ilay manisa ny isaky ny pejy sy hatramin'izay ry zareo, dia manonona izay soratany koa eo ampanoratana...asa ianareo raha efa nahita izay fandaharana izay. Fandaharana mitohy momba ny baiboly sy ny arkeolojia izy io.
Teto Dago aloha dia tamin'ny MBS no nahitako azy.
Izay ilay teny hoe fa fanisan'olona izany.
Hatreto aho dia tsy nanasoketa olona mihitsy na nanaratsy olona an!

dadabe:

ohatra : raha mody ataontsika hoe dadabe no 666 de zao ary
fepetra voalohany takiana
1-dadabe ve tandroka kely nivoaka teo anelanelan'ny tandroka 10?? voalaza anefa fa ny tandroka 10 dia ireo firenena eoropeanina voatanisa etsy ambony ? donk tsy zah aloha izany :D:D:D afaka aho dia tsy miloa jerena intsony ny ambiny satria efa diso ny voalohany dia tsy mety

Tao amin'ny Daniela kosa aloha tsy nisy fanondroana mihitsy hoe firenena Eoropeana izy ireo. Ny takila no jereko fa tsy ny interpretation! Ao amin'ny baiboly katolika dia niteny izy hoe angamba, averiny hatrany io angamba io. Ary raha nanondro ihany koa izy dia mbola Antiokisy IV Epifana ilay tandroka kely.
Ny sabatista no naka anarana firenena izay nahavariana ahy fa zermanika avokoa (allemand raha ankehitriny), ny Rômana anefa tsy allemand mihitsy!

dadabe:

mila hazavaina indray izany ilay hoe fetrandro 1, fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro

zao no fanazavana omen'ny baiboly
andro 1 + andro 2 + 1/2 andro =3 andro sy tapany

ny 1 andro ara paminaniana anefa dia 1 taona ara bakiteny , ny 1 taona arapaminaniana izany dia 365 taona ara bakiteny

donk 3 taona sy tapany ara paminaniana izany dia mitovy @ hoe 1260 taona na 42 volana mitovy avokoa ireo


Raha ny fahazoako ny telo andro sy tapany eto dia telo taona sy tapany, raha ny lojikan'i dadabe no raisiko an!

Ary ilay teny hoe 1 taona ara-paminaniana dia 365 dia tafiditra ao amin'ny fandriky ny nanova fotoana, raha mbola lôjika eto ihany. Fanapahan-kevitry ny papa grégoire VII no nahatonga ny taona iray ho 365 fa teo aloha dia 358 satria manara-bolana fa tsy manara-masoandro. noho izany mila dinihina koa ilay lôjika lasa nanaraka ny an'ny Papa Grégoire VII.
Raha mandray ny lôjika izany tokony ho 358 no raisina satria io no fotoana tsy mbola niova! izany hoe 1253 taona fa tsy 1260 taona no izy!
saingy ilay telo andro sy tapany tsy hanondro mihitsy ny 1253 na 1260 taona fa telo taona sy tapany ihany.

Noho izany mandeha lavitra be sy miodina be ny fanazavana nefa ny fahatsilovantsaina tsy manasaro-javatra vao ho azy fa manamora azo ny zavatra ambara.
98. marozevo ( 30/01/2006 23:22)
jentilisa:

fa inona sahady ary ity maka tsoakevitra ity!



ka mampitaintaina be le ady hevitry ry zalahy koa. Ohatran'ilay mijery film eh... Satry hijery eo foana, nefa satry koa hahita ny fivahàn'ny problème. Raha vao mivaha anefa ny problème amin'ilay film dia FIN no hitanao eo na CAST.
99. lapino ( 31/01/2006 00:17)
Jentilisa: Inona ilay teny?
100. dadabe ( 31/01/2006 01:19)
kay kay kay !! maharary mihitsy izany bala alefan'i jentilisa aty amiko izany marina:^).
Zah anie efa nilaza fa tsy izaho mihitsy hoa no nanoratra an'ireo fa zah dia naka ny hevitra rehetra izay voasaratrra ao anatin'ny baiboly sy ny hevitra netin'ireo teolojianina sasany, fa tsy sanatria hoe noforoniko ireo .

mba somary topazo maso anie ireto ry jentilisa e
http://www.whyprophets.com/prophets/1260.htm
dia ity koa
http://www.whyprophets.com/prophets/europe.htm

dia mba lazao ahy hoe izay zavatra hitanao tao??ianao manko milaza fa fomba filan'ny sabatista izany, dia hoy aho hoe MARINA ARY VE SA TSY MARINA ILAY FOMBA FILAZAN'NY SABATISTA?

ny fanazavana dia mbola hotohizako a fda aleo aloha hifanakalo hevitra kely e:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1133