666

21. marozevo ( 25/01/2006 01:21)
Mba nojereko ilay site kely voalaza fa misy ny 666 eo amin'ny satroky ny papa, dia hita be izao fa zavatra amboamboarina fotsiny ho tonga 666 na dia hita aza fa tsy ho izany mihitsy. Misy litera firy izany aloha no manana valera 0, toa be dia be. Sa dinganina ireny mba ho tafiditra an-terivay manta ilay 666.
Imbecile no filazako izay nanao an'io rohy kely io. Tsy misalasala aho milaza izany ary tsy matahotra kely akory.
22. dadabe ( 25/01/2006 01:41)
marina izany !! aza matahotra mihitsy mamoka hevitra :°)
23. lapino ( 25/01/2006 04:01)
dadabe: tsy hoe manampim-bava aho, fa hisorohana izay mety ho fahatafintohinana no nangatahako an\'ireo. Ary mba tsy ho raisina vilana koa ilay resaka. Hitako mantsy fa misy tafintohina sahady amin\'ilay resaka satroky ny Papa, fa tsy misy taitra anefa amin\'ny resaka codes barres na mazda 6.

marozevo: amin\'ny fanisana romana dia ny M,D,C,L,X,V,I ihany no litera misy sandany, fa ny ankoatra an\'ireo dia tsy misy dia atao 0.

Averiko ihany, fa ny tanjon\'ny resaka tamin\'ny voalohany dia tsy hilazana hoe ranona na ranona ohatra an\'itsy na iroa, fa ny hitanisa fotsiny izay ahitana soritra ny 666. I diamondra27 izao milaza mahita betsaka, fa mbola tsy nolazainy foana. Ary mbola averiko koa fa mety ho fifanandrifian-javatra koa ireny, ka tsy tokony horaisina ho tena izy avy hatrany.

Nisalasala aho ny hametraka an\'io satroky ny Papa io na tsia satria tsy te hanafintohina aho, fa napetrako ihany satria efa im-betsaka tamin\'ny toerana maro samihafa no nahenoako an\'io, ary io satroka lazain\'i Veloo io koa aza izao dia inoako fa ilay satroka nolazaiko ihany. Sady hitanisa fotsiny koa no notadiaviko tamin\'izany. Raha diso dia ahitsio fotsiny.

dadabe: ento ilay fanazavana hoe?!
24. jentilisa ( 25/01/2006 07:52)
Aleo ary aho hiditra e!
Misy soratra milaza koa aho fa marika eo amin'ny handrina sy ny tanana ilay izy. Noho izany sarotra be raha hoe satroka ilay zavatra! satria tsy handrina ny satroka fa ny ipetrahan'ny handrina ny satroka!
Ny tanana dia tanana havanana! izany hoe ny tanana mahery! ny mifanandrina amin'izay koa anefa dia misy koa ny mariky ny Zanak'Ondry! izany hoe tokony hifanehatra izany ny mariky ny Zanak'ondry sy ny mariky ny Bibidia! Iza ary no efa nahita mivantana ny mariky ny Zanak'Ondry? Satria aoka homarihina fa ny mariky ny Zank'ondry aloha no nipetaka voalohany vao nolazaina ny mariky ny bibidia! filaharany ao amin'ny Apokalypsy io an!

Eto indray aho dia mamerina fa raha teny Grika no teny nakana ny bokin'ny Apokalypsy dia manontany hatrany aho hoe inona ny teny faha-666 ao? Efa mahafantatra aho fa minia tsy milaza izany mivantana mba hisainana tsara izay zavatra tena nambaran'ilay boky!

Manaraka izany! amin'ny maha-loterana ahy no ilazako ity satria tantara izany ary tsy natao hiadiana intsony. Lotera tamin'izy nifanandrina tamin'ny katolika sy ny Papa no namoaka io Vicarius Filii Dei io voalohany. Namaly koa ny katolika avy teo ka rehefa natao teny latina ny anaran'i Lotera dia nataony 666 ihany koa...nalaky nijanona io adi-hevitra io satria adi-hevitra mivilana sy mandrisika fifankahalana. Izay notarihin'ny fankahalana taty aoriana indray no nandray io filazana efa nilaozan'ny Katolika sy ny Loterana io. Ka asanareo izay mbola hiady hevitra amin'io zavatra TSY MISY DIKANY io.
25. jentilisa ( 25/01/2006 07:53)
ipetrahan'ny satroka ny handrina! diso fanoratra aho!
26. dadabe ( 25/01/2006 11:22)
jentilisa > araha toa ka resaka tsy misy dikany araka ny nolazainao dia izao :GOMIO AO ANATY BAIBOLINAO NY ZAVATRA TSY MISY DIKANY AZA EE :Dtsotra anie izany ra jentl e, fa zao aloha maro ireo namana no miandry ny fanazavana ka dia zah hiezaka ny hanazava ,fantako manko fa ny tena fahavalon;ity hafatra ity dia i Satana , tsy ho avelany @ fomba rehetra ho fantatry ny zanak'olombelona ny zava*-miafin'io isa 666 io, zao anefa no valazan'ny soratra masina
I-kor-I:26
20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?

21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;

22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,

23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa,

24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra .

25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;

27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,

dia tsindriko mafy ilay hoe ny ADALA amizao tontolo izao ( tahaka ahy ) sy fanivaiva ary fanevateva , no nofidin'Andriamanitra mba hampahamenatra ny hendry (ireo Mopera sy pasitera, ary ny olona nandalo teolojia maro ary manaan doctorat @ izany )

raha misy teny sy andalateny sarotra hazavaina indrindra ato anaty baiboly dia io ISA 666 io ,tsy ny olona rehetra no afaka manazava io isa io , fa mila hery hafa dia ny herin'ny Fanahy Masin'Andriamananitra

dia mirary soa ho anao hatrany aho ry rahalahy
27. diamondra27 ( 25/01/2006 11:24)
lapino: mbola ho avy fa sahirana kely

Tsy de ho ahy loatra le fanazavana nangatahako etsy ambany fa nataoko ho fantan'ny be sy ny maro

'zao aloha ny fantako de hoe: ho avy tsy ho ela io 666 @ 'zao teknologie 'zao, de le voalaza etsy ambony "CODE BARRE" na ihany koa efa mitady teknika hafa ny manampahaizana 'zao manao reny puce 'reny atsofoka @ sandry na @ tenanao: maso fanondro, de @ zay hono de mande oazy doly ny fiainana. Marina zany fa mandroso ny fiainana, de miroborobo ny olona mividy sy manaraka fa tsy manana choix, de tandremo anefa sao de anisan'ilay 666ianao na izaho. Ny tiako ambara de zao: efa misy ohatra any @ tany mandroso puce na otran'izany ahafantarana ny momba anao rehetra= carte d'identité= securité social+.... de tsy mila taratasy intsony refa miditra ny birao na mividy sakafo any @ supermarché ... de ny maso koa tahaka izany, de fanondro sy feo: ohatra refa hanokatra voiture tsy mila lakle itsony etc etc....
28. dadabe ( 25/01/2006 11:29)
hay ve e!

andraso aloha fa misy tsy arako

hoy i lapino

: lapino [ Valio ] 24-01-2006 20:32:19
Lohateny : 666
Ireo karazan-javatra/olona/institutions/entreprises/sns ... ahitana soritra ny isa 666. Ho fampidirana ny resaka dia izao no voalazan'ny baiboly momba azy io: Jereo eto


Hoy i Apokalypsy.13:18:
18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.


Fangatahana/Fiangaviana:
- 666 ihany resahina fa aza asiana resaka isa hafa izay mety hisy ifandraisany
- aza asiana interprétation ny zavatra lazainao. Ny interprétations manko misy "parti pris" foana, ka sao dia ifanafintohinana ny farany.


ilay izy ve hitanisa fotsiny sa ilay 666 mihitsy aloha no tokony hazavaina e? io isa io manko raha tsy diso zah dia ao @ soratra masina noho izany dia aleo ny soratra masina ihany no manazava azy
29. diamondra27 ( 25/01/2006 11:41)
zay mitsy e! samy milaza ze hainy e!
fa ny tena izy aoha de ny soratra masina e! @ mahakristiana fa tsy silamo tahaka ahy
30. dadabe ( 25/01/2006 12:08)
FANAZAVANA raha ny sortra masina no jerena dia hita fa isa milaza olonailay 666 , olona iza?? aiza?? ahona ny toetrany ?? ahoana ny fisehony ?? de raha voavalitsika ireo dia hita ilay izy hoe i ranona io ??? asa mety ho i dadabe ve???:{:{

31. jentilisa ( 25/01/2006 12:10)
niprôvôky mihitsy aho tamin\'iny soratra iny!
ny antony nilazako hoe tsy misy dikany dia any amin\'ny zavatra hafa isika no mandika na mamantatra izay heviny. Tsy ho reraka aho ny hamerimberina fa tsy misy dikany na dia 666 aza ny code barre anananao satria tsy eo amin\'ny handrinao ilay izy na eo amin\'ny tanananao ankavanana. Inona moa ny hidiran\'ny code barre amin\'io resaka io satria tsy nisy code barre anie tamin\'ny andro nanoratana an\'io fehezanteny io e!
manaraka izany ilaina ny mahafantatra ny fomba jiosy ahalalana ny anton\'io soratra io. Ny zavatra asisika amintsika hatrany dia hoe manambatra isa isika, saingy moa izay ve no natao? na nolazaina atao, tsy hoe mijery anarana dia satria misy sifra romana dia lazaina hoe atambaro io ka raha manome 666 dia izay ilay izy. inona ny fomba jiosy?
rehefa manoratra ny Soratra Masina izy dia sora-tanana no atao (ankehitriny na dia amin\'izao andron\'ny printy izao aza dia tsy tafiditra amin\'ny synagoga ny baiboly jiosy vita printy sa ny sora-tanana ihany no ekeny). Mba ahalalan\'izay manoratra fa tsy nandatsaka izy na nanoratra mihoatra dia efa tsy miova ny azy ny teny isaky ny pejy. Ohatra manoratra aho hoe:
\" Tamin\'ny voalohany ny Teny, ny Teny dia tao amin\'Andriamanitra ary ny Teny dia Andriamanitra\"

Tamin\'ny= 2
voalohany ny teny=3, hatreo izany dia 5 ny isan\'ny teny.
ny teny dia tao amin\'Andriamanitra=6
izany hoe: ny(1) teny(1) dia (1) tao(1) amin\'Andriamanitra (2) ka ny fitambaran\'ireo no manome isa 6
hatreo izany dia 5+6=11 izay ny isan\'ny teny.
ary ny teny dia Andriamnitra= 5 izay. ka 11+5=16.
Io fehezanteny io izany dia misy teny 16. ka raha io ihany no ao amin\'ny pejy iray dia 16 izany no isan\'ny teny eo, raha 15 ny isa hitan\'ny nanoratra dia nandatsaka teny iray izy izay. Raha 17 kosa dia nanampy teny iray izy izay. Ny teny ao amin\'ny baiboly izany no fanisan\'olona, tsarovy fa ny jiosy no natao hoe Olona ary ny tsy jiosy (jentilisa) dia noheveria ho tahaka ny biby. Marihina tokoa fa ny jiosy ihany no manisa ny isan\'ny teny tamin\'izany fotoana izany mba hanamarihana hoe tsy misy teny adino ka hampahadiso ny Tenin\'Andriamnitra!
Ary izay no amerenako indray hoe satria teny grika ny teny fototra nanoratana ny Apokalypsy ka raha hanao ny fanisan\'ny olona (jiosy)isika dia fantarina hoe inona ny teny faha_666 amin\'io teny grika io? Tsy ny teny gasy na ny teny frantsay na teny jiosy aza fa ny teny grika ihany. manisa no nolazaina fa tsy hoe manao asa marika.

Efa manampy be dia be aho hampahazava anareo tsy hotakonan\'i Satana intsony ny masom-panahinareo hitoditodika any amin\'ny code barre izay tsy misy idirany amin\'izay nosoratan\'i Jaona nahita ny fahitana.

Averiko indray fa tsy izay resaka zavatra atsofoka io fa misoratra mivandravandra! hita maso tsy ilana lopy na skanera!

Fahadalana sy fanaovana sainjaza raha hatahotra izay rehetra mety hahitana marika 666 izany. Ny boky masina no fanisan\'Olona ISAINA fa tsy manao asa marika fifanampiana.
ny atao hoe manisa dia manao hoe iray roa telo efatra dimy enina... fa tsy hoe iray ampiana iray mira roa, manambatra io farany io. Ny teny grika dia milaza hevitra roa fa ny teny tandrefana no nanisika ny hoe calculer ary ninia nanadino ny hoe compter
32. dadabe ( 25/01/2006 12:24)
ahan ! hay ve e ! :(

jentilisa hanazava aho dia mba mangataka anao aza zah ampio aho eny antenatenany sao misy tsy haiko na tsy tadidiko e, de toy izany koa i marozevo , mba ampio aho fa tsy vitako irery ity raha mandeha irery aho
33. cheboman ( 25/01/2006 12:28)
jentilisa> misaotra, mazava be otran'ny vay an-tampokandrina
34. diamondra27 ( 25/01/2006 12:31)
lapino: jereo ity
http://gematrie.online.fr fa lavabe

lucifer= 666
LA guerre= 666
lapino= ?
diamondra= ?
35. diamondra27 ( 25/01/2006 12:41)
ka ahoana tsy hihinana tomate, viandess, LAITIER? , laitages,fruit,cocktail,huiles, prunes ...intsony zany satria mitondra ny marika 666 ireo?
36. diamondra27 ( 25/01/2006 12:47)
jereo:www.prolognet.qc.ca/clyde/666.htm
37. diamondra27 ( 25/01/2006 12:58)
666 Ésotérisme NOMBRE de la BÊTE

666


NOMBRE DE LA BÊTE

= 1 + 2 + 3 +...+36

= 1/2 x 36 x 37


§ Triangulaire

§ Palindrome

= 500 + 100

+ 50 + 10

+ 5 + 1




DCLXVI


§ En romain, tous les symboles successifs.

= 123 + 231 + 312







= (123 + 132 +

231 + 213 +

312 + 321)

/2


§ Trois chiffres successifs ; 6 combinaisons possibles ; addition : 1332.

§ Cette somme, divisée par le nombre moyen de la série - ici 2 => 1332 / 2 = 666

§ Il en serait de même avec les séries: 2, 3, 4.

= 16 - 26 + 36


§ 6, 6, 6 en puissance

= 6 + 6 + 6 + 63 + 63 + 63




= (6 + 6 + 6) (6² + 1²)




= 6! · (6² + 1²) / (6² + 2²)




= 22 + 32 + 52 + 72 + 112 + 132 + 172


§ Carré des nombres premiers successifs

= 703 - 037




666 =


= 15 + 21 + 630


§ Nombre triangulaire, formé de la somme de trois autres nombres triangulaires

= 500 + 100 +

50 + 10 +

5 + 1


§ Somme des six différentes pièces de monnaies utilisées au Japon.

= 6x6x6) + 6 + (6x6x6) + 6 + (6x6x6) + 6

= 216 + 6 + 216 + 6 + 216 + 6 = 648 + 18




= 1 3 + 2 3 + 3 3 + 4 3 + 5 3 + 6 3 + 5 3 + 4 3 + 3 3 + 2 3 + 1 3

= (1x1x1)+(2x2x2)+(3x3x3)+(4x4x4)+(5x5x5)+(6x6x6)+

(5x5x5)+(4x4x4)+(3x3x3)+(2x2x2)+ (1x1x1)

= 1 + 8 + 27 + 64 + 125 + 216 + 25 + 64 + 27 + 8 + 1


§ Construction palindrome

= 2 2 + 3 2 + 5 2 + 7 2 + 11 2 + 13 2 + 17 2


§ Somme des 7 premiers nombres premiers

Somme des premières 144 décimales de p et 144 = (6 + 6) x (6 + 6)


§

= 313 + 353


§ Somme de 2 palindromes consécutifs

= 212 + 222 + 232


§ Somme de 3 palindromes consécutifs




Curiosité

1/66 =


0,0151 515 151 515...


et 151 + 515 =


666





-Ý- Le Louvre

666


666 vitres (selon le Da Vinci Code)

673 vitres (selon autre source)


§ Couvrant la pyramide du Louvre


Ésotérisme

§ Nombre de la Bête



Le Louvre

Musée d’art parisien dont le bâtiment est en forme d’un immense fer à cheval

Chefs d’œuvre : La Joconde, la Vénus de Milo, la Victoire de Samothrace

Esplanade de

Périmètre du musée supérieur à


35 000 m²

4 km

Quantité d’œuvres exposées


65 300

Pyramide de verre conçue par

Quantité de panneaux en losange couvrant la pyramide


I.M. Pei

666

jereo



-Ý- Apple
38. dadabe ( 25/01/2006 13:00)
ahan !! izany a
andao amizay hoaa hamaky baiboly :(

sokafy aza ny baibolinao ao @ bokin'i
Daniela toko faha-2 ILAY NOFIN'I NEBOKADNEZARA(NABOKODNOZORA )

1 Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.

2 Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.

3 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.

4 Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.

5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]

6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.

7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.

8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1

9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro

Nanofy ny Mpanjaka Nebokadnezara dia nataohotra izy satria horera be taminy ilay izy , dia naleony niantso olokendry sy mpisikidy , sy ombiasy , sy mpanandro , mba hanotaniana hoe inona le nofiko eee, de lazao ahy ny heviny .
39. dadabe ( 25/01/2006 13:09)
tsy nisy nahavaly ilay fanontanian'ny mpanjaka anefa ireo olokendrin'i babylonina ka dia tezitra ny mpanjaka ary namoka didy fa hovonoina ireo olokendry ireo ary hatao WC ny tranony , naheno izany i Daniela dia nilaza t@ mpanjaka hoe aleo aloha zah hamaly ny mpanjaka fa aza vonoina ny olokendrinao

10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona et? ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']

11 Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.

12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.

13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.

14 Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;

15 eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.

16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.


rehefa izany dia nambaran'i Daniela an'i mpanjaka ny nofin'i mpanjaka ary nilaza i daniela fa tsy fahendren'olombelona no nahalalany izany nofy izany fa ny Tompo Andriamnitra no nampahafantatra azy ny nofy sy ny hevitry ny nofy

40. dadabe ( 25/01/2006 13:19)
ITY ARY ILAY NOFIN'I NEBOKADNEZARA MPANJAKA

28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:

29 Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.

30 Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.

31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.

32 Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,

33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.

34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.

35 Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]


izany hoe ny nofin'i mpanjaka no naseho an'i daniela ary daniela no manazava @ mpanjaka ny hevitry ny nofy

OLONA NGOZABE sady MKADIRY BE
lohany=volamena
tratrany sy ny sandriny =volafotsy
kibony sy ny feny= varahina
tongony sy ny ranjony =vy
ratsatongony = vy sy tanimanga


tsy azo !tsy araka! tsy hay ! dia inona no hifandraisan'izany @ isa 666???:roll:

de hanazava ny nofy ary i Daniela dia izao no fomba nanazavany azy t@ mpanjaka satria efa fantatra izao ilay nofy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0109