666
41. dadabe
(
25/01/2006 13:37)
36 Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38 ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46 Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
izay le nofy
hay izany iay nofy SARILOLONA lehibe dia manambara ireo fanjakana 4 hifandimby eto ambonin'ny tany hatramin'ny andron'i Daniela ka mandra pahataperan'izao tontolo izao .
hoporofointsika ny fahamarinany ara-tantara satria i Daniela nilaza ny nofy efa maty , fa ny hafatra napetrany kosa mbola iainantsika hatramin'izao
loha volamena =mpanjaka nebokadnezara =fanjakana babylonianina
605-539 talohan'i Jesoa Kristy
-tanana lehibe 20 km ny halavany
-nisy tempoly 53
-fitoeram-pivavahana madinika 955
-nisy lapa niezinezina 3 dia ny iray tamin'ireono nisy ilay tanimboly miantona ( jardin suspendue de babylone =l'un des 7 merveilles du monde)
-faharetan'ilay fanjakana =68 taona
tena volamena marina ilay fanjakana

42. dadabe
(
25/01/2006 13:54)
nandimby ny fanjakana babylonianina dia ny
fanjakana medianina sy persianina539-331 talohan'i Kristy
-faharetany=207 taona
-mpanjaka najaka t@ izany dia i kyrosy-ahasoerosy-antarksersesy
t@ taona 331 dia resin'ny ALEXANDRE LE GRAND tamin'ny ady tao Arbelles ireo mpanjaka ireo ka dia nisy indray izany ny fanjakana vaovao izay miha mikoroso fahana hatrany
fanjakana GRIKA 331 -146 talohan'ny Kristy
-faharetany dia 185 taona
-valo taona taorian'ny najakan'i Alexandre LE GRAND dia maty izy ary nisy jeneraly 4 nifampizara ny taniny.
*general CASSANDRE nanjaka tany makedonia sy gresy
*general LYSIMAQUE nanjaka tany Azia minora sy trace
*general SELEUCUS I NICATOR nanjaka taNY mesopotamia sy Syria
*GENERAL ptolomee lagus nanjaka tany Egypta sy palestine
nandimby ireo fanjakana ireo dia ny fanjakana faha -4 tety ambonin'ny tany dia ny
Fanjakana Romanina 146 talohan'ny Kristy -476 taorianan'ny Kristy
-fanjakana teraka teo amoron'ny ony TIBERIA
i general SELECUS ( 281 talohan'i Kristy )maty ary niova an'i General Pompee (Romanina)
-nihitatra ny fanjakany taorian'ny nandresen'i Roma an' i CARTHAGE rafivaviny
-ny faharetan'ny fanjakany dia 600 taona
OUUFF ALEO ALOHA HAKA AIZA KELY FA LAVA BE LOTRA :miam::miam:

43. Veloo
(
25/01/2006 16:40)
marovezo a inn ny dikan'ny oe apokalipsy aloha e?
i Jaona no naoratra an'io boly io t@ izy tany @ prison t@ taona 90 AD. Ary betsaka mihitsy ny zavatra lazan'io boky symbol fa tsy arabakiteny... Ka diniho tsara ihany e...
ary inn ny dikan'io soratra eo @ satrok'ny Pape???? mbola tsisy mamaly fona???
Ary jereo tsara ny zavatra nosoratan'i dadabe fa ny bokin'ny Daniel dia misy firaisana amin'ny apokalipsy mihitsy...

44. lapino
(
25/01/2006 18:09)
Misaotra an'i dadabe amin'ireo fanazavana ireo aloha. Ilay interpretation aloha mbola sarotra raisina ho anay tsy mahay tantara, fa ireo izany.
Ny hitanisa fotsiny mihitsy aloha no nandrasako tamin'ity dinika ity, fa tsy ny hiady hevitra. Saingy mahery loatra ilay fitia te hiady hevitra amin'ilay izy dia tsy tana.
Ilay an'i diamondra indray betsaka no tsy azoko, ohatra ny misy raisonnement tsy hitako ny fototra ijoroany. Ilay rohy koa dia tsy haiko mijery. Fa misaotra an'i diamondra na izany aza, fa ohatrohatra an'io fotsiny no tiako noresahina
Veloo:
Vicarius filii dei: "vicaire"-n'ny Zanak'Andriamanitra
Vicarius christi: "vicaire"-n'i Kristy
Ny dikan'ny vicaire dia: mpisolo, "remplaçant". http://fr.wikipedia.org/wiki/Vicaire
Jentilisa:
Marina fa rehefa mipetraka amin'ny tanana sy ny handrina io vao miantraika. Kanefa na izany aza mahadiso ve ny mba liana, curieux, hahita izay karazana soritr'io miparitaka eran'ny natiora sy ny artifisy, na izay fifanandrifian-javatra na izay tena misy ifandraisany amin'ilay marika?
Dia misaotra koa amin'ilay fanazavana fa mazava tsara ilay izy. Ilay teny faha-666 sisa no tsy voalaza :wink:

45. Veloo
(
25/01/2006 19:47)
lapino a fantatro tsara ka... ahona oy ny didy folo:
Aza mananan-andriamanikafa afa tsy izaho ihany??? tsy marina io? De ahona ko zany mitomany ho pisolo an'i Jesosy? tsy manao tsinn tsinn ny tenin"andriamanitra ve zany? ?????

46. marozevo
(
26/01/2006 00:14)
Ny boky daniela dia tena apokalipsa mihitsy fa tsy hoe mitovy. izany hoe izy no apokalipsa ao amin'ny TT, ary ny an'i Jaona no ao amin'ny TV.
Dia ampitahao fa na tamin'ny contexte Daniel, na contexte Jean, dia eo ny FANENJEHANA. Io no contexte lehibe misy ny lettres apocalyptiques rehetra. Ny genre litteraire apocalyptique dia mila analyse semiologique sy semantique lalina, ary mila critique textuel lehibe. Ireo anefa indrisy dia samy tsy haiko, ka tsy ho vitako eto. Ny hany itompoako kosa dia ity... Tsy misy satana hilaza fa ratsy i satana... tsy misy satana hilaza fa tsara Andriamanitra, na tsara ny mifankatia, na tsara ny mivavaka.
Noho izany dia mino aho fa tsy BIBY akory ny Papa, araka ny ankolan-teny lazain zalahy ao ambony ao na dia tsy lazainy mivantana aza. Izaho amin'ny maha Katolika ahy dia vonona hiaro ny Papa, hatramin'ny fara fofon'aiko raha ilaina izany. Izany no mahatonga ahy hilaza fa ny filazana zavatra toy io dia ADY FIADY.

47. Veloo
(
26/01/2006 01:27)
marovezo a tsy misy olana ny fiharovanao an'i Papa.. Ianao dia mahafantatra ny baiboly, ny instution efa hatram'ny Dark Ages no nitombohin'io zavatra io...ampidirin'i Satana ao @ sain'olombelona otran'ny nataony tao edena izy io... oy izy oe tsy ho faty anie ianareo raha mihinana an'io vohazako io ... eny tokoa tsy maty teo ny eo izy mivady fa ny olana dia tafiditra teto an-tany ny OTA dia zao nihafarany... mbolambolainy isika fahamarinana afangarony @ zavatra paganism...satria itany fa ho betsaka ny olona hanaraka an'Antra...ka mila mijery tsara ny fiainan-tsika isika na hivavaka amin'Andriamanitra isika na hivavaka an'i Satana sous d'autre formes...jereo ao @ lioka 16: 13.."Tsy misy mpanompo mahay mitompo roa, fa ny anankiray ho halany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, na ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'andriamanitra sy mamona hianareo...
Jereo fotsiny anie ry marovezo e... inn no ataon'ny olona rehefa mahita an'i Papa? mandoalika eo anatrehany - Andriamanitra ihany no azo handoalian-tsika satria izy dia Masina sy Ray tsika..
Ka eritrereto ihany izaho dia milaza ny fahamarinana anao.. anao sisa no miheritreritra.. Olombelona otran-tsika i Papa manana ny fahotany ko...
Zay eeeeee

48. diamondra27
(
26/01/2006 06:20)
lapino: tableau io raha ny tokony ho izy e! fa tsy mivoaka eto @ sera² fa tsy haiko ny manao azy ka raha tianao de omeko eto le site manazava io de raha tsy mipoitra de anoraty manokana za de alefao eto le izy fa mety ny matos-ko no misy tsy mety na tsy haiko ny mamoka azy
jereo http:/perso.wanadoo.fr/yoda.guillaume/N5001000/N650699.htm#N666
ary koa www.av1611.org/666/

49. diamondra27
(
26/01/2006 06:26)
azafady fa miso diso fa ity no tena iz, de mazotoa mitia chiffres hafa e!:
http://perso.wanadoo.fr/yoda.guillaume/N5001000/N650699.htm#N666

50. hery
(
26/01/2006 07:11)
Ohatry ny mivoana ilay resaka (sa iniana avoana)? Ohatry ny mivily :-) sa iniana avily?
Sa misy tohina noho ny voamarina fa tsisy 666 ny satrok'i Papa?
Sa misy tohina noho ny voamarina fa ny anaran'i Ellen Gould White mpamorina ny advantista?
Raha resaka isa ao amin'ny baiboly dia be dia be ny resaka azo lazaina (ohatra ny 12, 666, 144.000 sns...) angamba hanokafana resaka hafa mihitsy. Ny resaka teto dia hoe tanisao avy ny toerana ahitanao 666.

51. jentilisa
(
26/01/2006 07:40)
Ny mampalahelo amin'ity resaka 666 ity manko dia fandresen-dahatra ankolaka ny olona tsy handray ny teknolojia vitan'olombelona hatrany no asany. Tsy tiana hampiasa ny aterineto na ny tranokalam-pifandraisana ny olona? ny www anie ka 666 amin'ny teny hebreo e! nefa indreto isika eto ihany mampiasa ny tranokalam-pifandraisana!
ny Visa, ny mastercard sy ny karazany no manamora sy manolo ny vola raha hiantsena? lazaina indray fa misy 666 iny code barre iny. Misy dia tsy mahatsikaritra fa efa BOA (Bank Of Africa) izao ny anaran'ny banky dia mbola miditra ao ihany! indrisy ao no misy ny kaontiko! Misy 666 ve ny handriko sa ny tanako ankavanana? ny an'ny Francis Turbo nataony teo amin'ny kibo na ny tratrany no marina kokoa! manana ny mariky ny bibidia ve izany izy?
manaraka izany tsy boky tantara tsy akory ny apokalypsa fa fanehoana ny asan'Andriamanitra.

52. dadabe
(
26/01/2006 10:38)
ary niova le resaka , lasa resaka papa indray nefa zah manazava daniela :-w:-w ??
zao kosa aloha e, zah amin'ny maha dadabe ahy dia tsy mba tia mmiteny olona fa kosa ny soratra masina no ezahiko hazavaina , araka ny nolazain'ny marozevo hoe " arovako hatramin'ny fara-fofon'aiko ....(ny tenin'i Kristy sy ny baiboly an )
hotohizana ve ilay fanazavana sa ajanona oo??

54. dadabe
(
26/01/2006 12:52)
eto indray aza dia tsy ny mpanjaka Nebokadnezara intsony no nanonofy fa i Daniela mihitsy no nahita fahitana efa mazava aloha fa ilay nofin'i Nebokadnezara dia milaza ireo fanjakana hifandimby, mboola ho avy ( future ) izy t@ andron'i daniela , fa @ andro hiainantsika dia misy zavatra efa lasa ,ny hany sisa tsy mbola nazavaintsika dia hoe : ilay ranjo vy=fanjakana Romanina dia mbola hita ihany teo @ ilay ratsa-tongotra 10 , izany hoe ilay vy mbola hita teo ihany fa saingy nisy tanimanga .
raha toa ka maharaka ilay tantara izany isika dia toa milaza hoe ilay fanjakana Romanina teo ihany ary nisy fanjakana 10 hafa niseho , fa miaraka ao ihany ireo ary samy miandry ilay fiavian'i Kristy, dia ilay sary niparitaka dia manehi ilay fanjakana eran'izao tontolo izao ho rava tanteraka ,fa ny fanjakan'i Kristy no hanjaka .
iza avy ary ireo fanjakana 10 taorian'ny fanjakana Romanina ? satria t@ izany andro izany dia nolazaina ihany koa fa hoe ampira bizantika
no nisy
1-les alamans (allemagne)
2-les francs (france )
3-les anglo saxon (angleterre)
4-les burgondes (la suisse)
5-les visigoths (l'Espagne)
6-les sueves (le portugal)
7-les lombardes (l'Italie)
8-les herules
9- les vandales
10-les Ostrogoths
ireo ilay fanjakana 10=ratsa-tongotra 10 hitan'i nebokadnezara
mangataka ny namana aho raha sanatria ka misy zavatra diso soratako dia ahitsio zah fa ity fanazavana ny isa 666 ity dia tsy vitan'olotokana fa mila fiaraha miasa mba ahatonga atsika tsy h voafitaka :D
( mbola hitohy )

55. dadabe
(
26/01/2006 13:01)
araka ny voalaza tetsy ambony fa lasa aloha lotra aho dia i daniela amizay no nahita fahita
daniela toko faha 7: and 1-
1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsazara, mpanjakan'i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana* tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.[Ar. fahitan'ny lohany]
2 Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin'ny ranomasina lehibe.
3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin'ny ranomasina.
4 Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin'ny tany izy ka najoro tamin'ny tongony roa toy ny fijoron'ny olona, sady natao manana fon'olombelona izy.
5 Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan'ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
7 Nony afaka izany, dia nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8 Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan'io ny tandroka telo tamin'ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason'olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
nahita biby 4 nivoka avy tao @ ranomasina i daniela , liona, bera(ours), leoparda , ary biby mahatsiravina manana tandroka 10 , dia rehefa nodinihiny ilay tandroka 10 dia nisy tandroka kely niposaka teo anelanelan'ny tandroka 10, dia nefa raha vao nivoaka io tandroka kely io dia nanapaka tandroka 3 t@ ireo efa nisy teo aloha , donk lasa hoe tandroka 11 + 1 (tanrdoka kely )-3 (tanrdoka teo aloha ) =8 izany sia iay tandroka , dia ilay tandroka kely indray dia tahaka izao no nahitan'i daniela azy
1-manana maso tahaka ny mason'olna
2-manana vava miteny zavatra miompampana
de mbola hotohizantsika ihany ny fanazavana fa aleo indray aloha hisotro rano kely

56. dadabe
(
26/01/2006 13:23)
9 Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon'ny teny mihoapampana notenenin'ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin'ny afo mirehitra izy.
12 Ary ny amin'ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin'ny andro sy ny fotoana.
13 Ary mbola nahita tamin'ny fahitana tamin'ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak'olona avy tamin'ny rahon'ny lanitra, ary nankeo amin'ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
14 Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
eto indray dia nahita ilay fahagola (efa taloha ) i daniela , ary nipetraka nitsara ireo biby fa ireo biby kosa dia nesorina taminy ny fanap[ahany rehetra ary tsy nana fahefana intsony ireo biby ireo fa ny fahagola no nomena ny fanapahana rehetra ary ny fanjakany dia tsy ho rava mandrakizay.
raikitahotra i daniela ary nitady ny ahafantatra ny hevitry ny zava-miafina (tahaka ahy sy ianao te hahalala ny zava-miafina ), satria @ izao vanimpotoana iainantsika izao mihitsy no hisehoan'io tantara io

57. marozevo
(
27/01/2006 01:00)
veloo > Tena tsy misalasala aho miaro ny Papa marina eh... Na misy mandohalika na tsy misy mandohalika eo anoloany... Tsy haiko izay fahamarinan'izany... Tsy haiko na avy aiza ianareo no mijery an'izany.. Za mahita ny Papa isan-kerinandro fa tsy misy mandohalika eo anoloany izany. Raha geste takian'ny Litorjia resaka hafa, ohatra hoe Diakra hamaky Evanjely.
fantatro fa olombelona ny Papa.. fantatro fa mpanota toa ahy koa izy. fa tsy mahasakana ahy tsy hiaro azy izany. Ny an'ny sasany aza leitsy ilay Rangahy jamba izay, efa namono olona firy na ankolaka na mivantana mbola arovany ihany kooo... Dia ho melohina ve ireo niaro azy tamin'izay ?

58. jentilisa
(
27/01/2006 08:40)
ny olana amiko dia ny tantara mihamivoatra ho amin'ny tsaratsra kokoa moa ny filazana lazaina ho avy amin'ny Daniela dia miharatsy ny fandehan'ny tantara! Raha raisina ho fototra ilay sarivongana dia mivadika ny zava-misy. Ny zava-mitranga ankehitriny dia mifototra na miainga tamin'ny zava-nisy efa lasa koa ny lôjika izany dia fanjakana nitaingitaingina avy amin'ny tsy mbola nisy akory ny fanjakan'i Nebokadnezara! blem be izany amiko!
59. dadabe
(
27/01/2006 10:00)
jentilisa > ka na hino ianao na tsy hino ianao dia tantara marina efa lasa ireo , azonao atao ny tsy mino , azonao atao koa anefa ny min , fa ireo tantara ireo dia efa lasa , ary marina avokoa ny zavatra rehetra hitan'i daniela , mbola ho avy @ daniela toko faha 7,8 isika izay vao any @ apokalypsa e:D
fanamarihana ho an'ny namana : ny document rehetra nakako ireo raha tianareo ho fantatra dia document KATOLIKA avokoa , ka raha handalina soratra massina ianao dia zah manoro hevitra anao miaingah @ tahirinkevitra katolika sy ny baiboly katolika fa tena ampy ny fanazavana , mba jereo anie ny fomba fanazavan'ny baiboly katoika an'io sariolona io ry jentilisa raha tsy mitovy tanteraka @ zavatra nolazaiko e, na ny daty aza, satri tao avokoa no nangalako ireo daty sy teny ary fanazavana ireo , :D

60. jentilisa
(
27/01/2006 13:48)
dadabe:
iza avy ary ireo fanjakana 10 taorian'ny fanjakana Romanina ? satria t@ izany andro izany dia nolazaina ihany koa fa hoe ampira bizantika
no nisy
Nizara roa ny ampira romana dia atsinanana sy andrefana. Ny andrefana dia hoe romana ihany fa ny atsinanana kosa no natsoina hoe Bizantika!
Ny Ampira tany andrefana dia foana tanteraka rehefa resin'ny barbara ry zareo. Ny Atsinanana kosa tsy foana raha tsy efa resy tanteraka i Konstatinopla ka lasa tiorka ny fanjakana! izany hoe mbola arivo taona mahery AD aza izany!
1-les alamans (allemagne)
2-les francs (france )
3-les anglo saxon (angleterre)
4-les burgondes (la suisse)
5-les visigoths (l'Espagne)
6-les sueves (le portugal)
7-les lombardes (l'Italie)
8-les herules
9- les vandales
10-les Ostrogoths
ireo ilay fanjakana 10=ratsa-tongotra 10 hitan'i nebokadnezara
Aiza ny Normands, ny Celtes, ny Vikings?
ireo toe-javatra ireo dia maneho fa tsy tany mihitsy ny firenena hafa, fanajakan nahery koa anie ny Azteques sy ny Mayas e! efa nalaza ihany koa ny Yaroubas...sa tsy olona mihitsy ireny?