666

61. dadabe ( 27/01/2006 14:10)


jentilisa > =D mercii , miezaka ihany aho ny manazava teny gasy satria dia maro ireo site @ teny anglisy ka omeko ianao raha toa ka vonona ny hamaky :D

dia mba mangataka an'i jentilisa ihany koa hanome ny daty mazava nisian'ireo firenena tsy voatanisako ireo (azafady )satria ianao ihany anie dia efa nilaza hoe 1000 AD e :D ! efa voavaly sahady izany
62. dadabe ( 27/01/2006 14:23)
http://www.whyprophets.com/prophets/40_55.htm

io aloha misy site anakiray ra jentl dia mba andramo jerijerena ao a

ekena fa mormon no nanoratra an'io fa izany hoe mba maka idea fotsiny e, dia ity koa misy

http://www.aboutbibleprophecy.com/weeks.htm

http://www.revelation13.net/ (hummm io injay fijery sabatista )

zay aloha fa sao tsy voavaky eo reo kle , sady zah mbola hanazava ny bokin'i Daniela , dia mba ampio ihany loha @ le fanazavana e:D
63. Veloo ( 27/01/2006 15:51)
marovezo a, tsy misy olana zany isika dia samy manana ny safidy...adidiko ny miteny ny fantatro ary bien sur misy mi-s'opposer fona ..Anjara-tsika tsirairay no mieritreritra an:wink:
64. diamondra27 ( 27/01/2006 17:53)
:-w:-w:-w
65. Veloo ( 27/01/2006 20:08)
8O Diamondra?
66. marozevo ( 27/01/2006 23:55)
Grave be le rohy proposen'i dadabe ka... Mbola tsy nanampotoana handinihina azy akaiky aho fa amin'ny manaraka.
67. lapino ( 28/01/2006 01:03)
Tena lasa lavabe izany resaka izany dia tsy arako intsony. Aleo indray aloha hamaky kely.

jentilisa:
Ny mampalahelo amin\'ity resaka 666 ity manko dia fandresen-dahatra ankolaka ny olona tsy handray ny teknolojia vitan\'olombelona hatrany no asany

Efa misimisy ihany ny zavatra naroso alohan\'ny nitaritana an\'ilay resaka. Mazava ilay ao amin\'ny baiboly hoe \"eo amin\'ny tànany ankavanana na eo amin\'ny handriny avokoa,\"; misaotra an\'i jentilisa aloha nanitrikitrika an\'iny.

Tsy izay no tanjona, fa mba hisokafan\'ny maso fotsiny hoe aiza amin\'ny manodidina no misy ilay isa. Mety ho fifanandrifian-javatra (jereo ireo karazana tambatr\'isa natoron\'i diamondra manome 666), nefa maninona moa raha mahafantatra?

Mety efa renareo ilay resaka puces RFID izay misy mikasa hasolo ny codes barres. Kanefa koa kasaina hatao amin\'ny olona ilay izy hahafahana mi-identifier an\'azy. Zavatra kely toy ny fotsimbary no atsindrona antsoso-koditra, ka asa na ho amin\'ny tanana izay na ho amin\'ny handrina

Ity iray ity koa, fa mbola mijanona ho fiction fotsiny : http://www.futura-sciences.com/news-silence-mon-corps-me-parle-ecran-sous-peau_7373.php

Ahoana ilay 666 amin\'ny ohatra an\'ireo? Misy hevitra tary amin\'ilay hevitra 2099
68. dadabe ( 28/01/2006 03:42)
tara lapino le ! ianao hoaa manokana andro 1 mihitsy dia ivereno jereo daholo le zavtra nosoratana fa ianao anie no tompon'ity size ity e :(

marozevo :°)
69. dadabe ( 28/01/2006 04:25)
ndao aloha tohizana indray ny resaka e!:°) hay teo @ toko faha*7 andininy faha 15 isika no nijanona a, mbola resaka 666 ihany a

daniela toko faha -7 andininy faha :15-28

15 Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan'ny lohako naharaiki-tahotra ahy.

16 Dia nanakaiky ilay anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr'izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.

17 Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany.

18 Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.

19 Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin'ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen'ny tongony;

20 ary ny amin'ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.

21 Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masina ka naharesy azy,

22 ambara-pihavin'ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan'ny olo-masina ny fanjakana.

23 Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin'ny biby dia fanjakana fahefatra et? ambonin'ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.

24 Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin'izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.

25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.

26 Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin'ny farany izy.

27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.

28 Hatramin'izao no faran'izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany



famintinana:ilay biby hitan'i daniela tao @ fahitana izany dia manambara fanjakana 4 lehibe , tsy midika akory izany fa hoe tsy nisy ny fanjakana hafa , fa ireo fanjakana lehibe (dirigeant )no lazaina eto , ary nanapahefana .tahaka ny hoe @ izao fotoana izao dia misy ny firenena 7 tonta matanjaka indrindra erantany , ary zah mino fa tsy hiova mihitsy io ary ireo no mibaiko ny toekarena eran'izao tontolo izao , fa izany akory tsy manakana ny fisian'i madagasikara sy sierra leone , gambi , bangladesh ....:°)
70. dadabe ( 28/01/2006 04:31)
andininy faha18: dia manambara fa i Kristy no hanjaka mandrakizay

and 19-25dia mikasika ilay tandroka kely
1-nipoitra teo anelanelan'ny tandroka 10,
2- manana vava miteny zavatra miompampana ,
3- sy maso tahaka ny mason'olona ,
4-ny faharetan'ny fanjakany dia fetrandro 1 , fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro
5-hanova fotoana sy lalana
6-hamono ny olomasin'ny avo indrindra
7-raha vao tonga ilay tandroka kely dia nanapaka tandroka 3 t@ ilay teo aloha

dia inona daholo ary no dikan'izany rehetra izany , satria na i Daniela ihany koa aza dia naharary ny lohany nieritreritra hoe inona no dikan'izany rehetra izany .Dia izao ary no zavatra nolazain'ny anjely raha ny soratra masina no jerena
71. dadabe ( 28/01/2006 04:51)
tonga dia miditra @ toko faha 8

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian'ilay niseho tamiko tamin'ny voalohany.

2 Ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka izay ao amin'ny tany Elama aho; ary nahita tamin'ny fahitana aho, ka teo amoron'ny ony Olay aho.

3 Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.

4 Hitako ny ondrilahy manoto miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo; ary tsy nisy biby nahajanona teo anoloany, ary tsy nisy naharombaka izay mby teny an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy ka tonga lehibe*.[Na: niavonavona]

5 Ary raha mbola nandinika aho, dia, indro, nisy osilahy nivoaka avy tany andrefana ka nitety ny tany rehetra, nefa tsy nikasika ny tany; ary ilay osilahy dia nanana tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony.

6 Ary izy nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa, dia ilay efa hitako nitsangana eo amoron'ny ony, ka nanazakazaka azy tamin'ny fahatezeran'ny heriny.

7 Ary hitako nanatona ho eo anilan'ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin'ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.

8 Ary dia nihahery indrindra ilay osilahy; nefa nony nahery izy, dia tapaka ilay tandrony lehibe; ary nisy efatra lehibe nipoitra nisolo iny nifanandrify tamin'ny rivotra efatry ny lanitra


najary lasa nivadika ondrilahy sy osilahy ilay biby samihafa tary aloha fa saingy izao , nanjaray no -presiser-na teto ny toerana sy ny lalana alehany ( miantsinana sy miakandrefana )aryvoalaza ihany koa fa hoe misy osilahy lava volo, manana tandroka 2

maba hanampiana ano dia ity , ny baiboly ihany nop afaka manazava ny baiboly , ka raha t@ endrika miafina tahaka izany no sary an'ohatra hitan;i daniela dia hazavain'ny Fanahy aminy hoe inona daholo ny dikan'ireo indro ary ny fanazavana omen'ny baiboly miksaika ireo heviteny sasany ara-paminaniana

1- ny ranomasina ara paminaniana dia = vahoaka na firenena vakio apokalypsa 17:15

2-ny biby na bibidia =fanjakana vakio daniela 7:23
3-ny tandroka dia maneho mpanjaka vakio apokalypsa 17:12,daniela 7:24

de ny fanazavana ny mikasika ilay ondrilahy sy osilahy dia ity

19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.

20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.

21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

22 Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.

23 Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.

24 Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina.

25 Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.

26 Ary dia marina ny amin'ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.

27 Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka; ary ka aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra
izany.
72. dadabe ( 28/01/2006 05:26)
jentilisa > io zao dia miharihary fa ny mpankan\'ny persianina sy ny medianina no voalaza eto a, fa tsy misy Normands, ny Celtes, ny Vikings,
de manaraka io dia voalaza ihany koa fa hoe andininy faha 22dia manmbara fa ho zaraina 4 ilay fanjakana ireo ilay general 4 voatanisa , humm manaova solomaso tsara i jentilisa sao tsy mahita a:°)
dia mbola niampy indray ilay caracteristiques an\'ilay tandroka kely ato manao hoe

8-nazerany @ tany ny fahamarinana
9-ho be ny heriny nefa tsy avy @ herin\'ny tenany
10 -mahagaga ny fanimbana atony
11-ambinina izy ary hahefa ary haharesy ny olomasin\'ny avo indrindra

ho an\'ny namana rehetra jereo tsara ny baiboly KATOLIKA dia vakio ilay daniela 7:25 teo dia jereo ilay renvoi kely ery ambany fa misy soratra eo manao hoe io ilay antichrist voalazan\'ny apokalypse 13 :18 donk izany raha hanazava ilay isa 666 dia tsy maintsy miainga @ famelabelarana io tandroka kely io

resaka tiana hatavy daholo izany ilay resaka hoe ilay isa 666 dia mipetaka @ andrina e,

Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 25-01-2006 16:58:59

tsy sanatria manambany ny hevtr\'i diamondra fa raha ny soratra masina no jerena dia tsy ireo nolazainao ireo no fanazavana ilay isa 666 fa ireto voalazan\'ny baiboly ireto

and 19-25dia mikasika ilay tandroka kely
1-nipoitra teo anelanelan\'ny tandroka 10,
2- manana vava miteny zavatra miompampana ,
3- sy maso tahaka ny mason\'olona ,
4-ny faharetan\'ny fanjakany dia fetrandro 1 , fetrandro 2 ary antsasaky ny fetrandro
5-hanova fotoana sy lalana
6-hamono ny olomasin\'ny avo indrindra
7-raha vao tonga ilay tandroka kely dia nanapaka tandroka 3 t@ ilay teo aloha
8-masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina
9-ho be ny heriny, nefa tsy amin\'ny herin\'ny tenany
(io ilay hoe ho be ny heriny nefa tsy avy @ herin\'ny tenany io dia hazavain\'i apokalypsa 13:2manao hoe \"...ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe...\"
ilay dragona na devoly na satana no nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrihanany )
10-hitsangana hanohitra ny Andrianan\'ny andriana izy

noho izany raha toa ka manondro olona iray izany ianao dia ireo fepetra nomen\'ny soratra masina ireo no jereo ka raha manatanteraka an\'io ilay olona voalaza dia izy izany ilay 666 lazain\'ny apokalypsa satria hoe isa milaza olona izany , ary ny hevitra dia mila fahendrena , fahalalana , dia izay manatsina no aoka hanisa hoy ny anjely .

ho vahavahantsika tsirairay ireo fepetra takian\'ny soratra maisna ireo dia hivoaka hianjaanja eo ilay 666 ho wainn be eo io e:-P:-P
73. dadabe ( 28/01/2006 05:34)
http://www.awitness.org/lostmess/daniel.html
74. routa ( 28/01/2006 06:31)
tena tara be aho marina vao nahita an\'ity :(
ary misy zavatra vao2 bedabe an!:D
75. jentilisa ( 28/01/2006 07:32)
dadabe:

1-les alamans (allemagne)

2-les francs (france )

3-les anglo saxon (angleterre)

4-les burgondes (la suisse)

5-les visigoths (l'Espagne)

6-les sueves (le portugal)

7-les lombardes (l'Italie)

8-les herules

9- les vandales

10-les Ostrogoths

ireo ilay fanjakana 10=ratsa-tongotra 10 hitan'i nebokadnezara




76. jentilisa ( 28/01/2006 07:34)
Dray dadabe koa mihazakazaka be nefa izaho mbola eto aloha! rehefa mandinika anie tsy mila maika e!
hiverina amin'ireo zavatra na fanjakana folo ireo aho aloha! izany an!
77. jentilisa ( 28/01/2006 07:43)

dadabe:

1-les alamans (allemagne)

2-les francs (france )

3-les anglo saxon (angleterre)

4-les burgondes (la suisse)

5-les visigoths (l'Espagne)

6-les sueves (le portugal)

7-les lombardes (l'Italie)

8-les herules

9- les vandales

10-les Ostrogoths

ireo ilay fanjakana 10=ratsa-tongotra 10 hitan'i nebokadnezara



Izao no zavatra hitako rehefa namadibadika ny Larousse aho:

1 Alamans : tribus germaniques réunies en une confédération établie sur la rive droite du Rhin au III° siecle.

2 Francs :peuple germanique qui donna son nom à la France.

3 Anglo-saxon : heverina hoe mazava be izany saingy izao, ny saxons manko no nandresy ny celtes izay nonina tao Albion izay tononina hoe angleterre ankehitriny. koa ny Saxons izany no teneniko eto: Peuple germanique qui habitait la Frise et [...]l'Elbe.

4 Burgondes : peuple germanique établi au V° siecle en Gaule et en Germanie.






78. jentilisa ( 28/01/2006 08:00)
Aza fady fa lasa tampoka foana ilay izy. Zavatra hafa no tiako tsindrina dia ny alefaso foana no voatsindry. :°)

5 Wisigoths: Branche des Goths, région danubienne.
Goths: Peuple germanique venus de Scandinavie.

6 Sueves : Peuples germaniques detruits par les wisigoths.

7 Lombards :Peuple germanique établis entre l'Elbes et l'Oder.

8 Hérules : Peuple germanique, son roi Odoam envahit l'Italie et met fin à l'Empire d'Occident en 476.

9 Vandales : peuple germanique établi au sud de la Baltique.

10 Ostrogoths : mbola peuple germanique nanorim-ponenana tany Italia ihany koa.

Dia lasa ny fanontaniako hoe fa maninona no peuple germanique daholo izy rehetra?

Ny iray amin'ireo no nandrava ny Fanjakana Romana dia ny Hérules izany. Izany hoe tsy ilay vatobe izany no nandrava ny fanjakana romana raha izay no andraisana azy fa ratsan-tongotra iray.

Manaraka izany ity mba tsy germanika nefa dia tsy hita eo mihitsy:
Huns : ancien peuple nomade originaire des steppes du sud de la Sibérie. Nefa ny mpanjakany nandravarava tany Eoropa fa maty Attila mpanjakany izay saiky efa nahazo an'i Rôma vao nijanona ny heriny tamin'ny 453 izany hoe roapolo taona talohan'ny Hérules. Nahoana io no tsy tafiditra? Sa tsy hitan'i Daniel raha ny fanazavana eto izany an!

fa izaho ho'aho tsy manaiky ilay fanazavana!
79. jentilisa ( 28/01/2006 08:08)
Manaraka izany indray dia izao, raha raisina hatrany ilay fanazavana an! tany amin'ny tongony no niantefa ilay vatobe, izany hoe ny fanjakan'Andriamanitra honina mandrakizay izany. Izany hoe raha raisina hatrany io Dia tokony any amin'ny taona 400 mahery any izany vao tonga i Jesoa ( diso tonga aloha efajato taona i Jesoa? gravy be izany)

Sa kosa hanamarina ny hevitry ry tsimiandravola sy ny tariny hoe noforonina tamin'ny taona efa-jato mahery mihitsy anie io testamenta vaovao io e! aza hitako marina! :roll:

Dia tsy aritra kely, tamin'ny taona firy nanjakan'i Nebokadnezara hoe no efa tao an-dapa ry Daniela? nefa anie efa nanjaka ampolony taona io mpanjaka io vao nambabo tanteraka an'i Jerosalema e!
80. dadabe ( 28/01/2006 10:48)
o ry jentilisa a > nareo ve mamaky sa tsy mamaky baiboly e
Mpandefa : jentilisa [ Valio ] 28-01-2006 12:08:40
Lohateny : Re : 666
Manaraka izany indray dia izao, raha raisina hatrany ilay fanazavana an! tany amin'ny tongony no niantefa ilay vatobe, izany hoe ny fanjakan'Andriamanitra honina mandrakizay izany. Izany hoe raha raisina hatrany io Dia tokony any amin'ny taona 400 mahery any izany vao tonga i Jesoa ( diso tonga aloha efajato taona i Jesoa? gravy be izany)


jereo aloha fa aorianan'ilay fisian'ny ratsatongotra 10 ny fahatongavany fa tsy hoe aoriana kelin'i daniela
tena madray ambolony nareo izany a

Ny iray amin'ireo no nandrava ny Fanjakana Romana dia ny Hérules izany. Izany hoe tsy ilay vatobe izany no nandrava ny fanjakana romana raha izay no andraisana azy fa ratsan-tongotra iray


aiza no misy soaratra an'izany ry jentilisa ?? aza mamorona alojha ianao e, jereo dia vakio tsara ny baiboly fa ilay vato anie ka nadrava ny tenan'ilay sariolona e, fa tsy ny kibo na ny tanana na ny maoja no nasiany fa ny tongotra =ny eny ambony rehetra dia zavatra efa lasa fa ilay tongotra no tsy maintsy asian'ilay vato , midika izany fa @ andron'ireo ratsatongotra ireo izy no ho tonga

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0161