666

121. jentilisa ( 03/02/2006 07:37)
Manaraka izany! momba ny Ezek 28: 2, 14 izay milaza hoe olona ihany ianao na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao. ary ampifanohiziko amin'ny hoe ianao dia kerobima voahosotra izay manaloka; dia manambara fa voarin'Andriamanitra ilay te-haka ny toeran'Andriamanitra fa tsy hoe nihary tena tamin'izao izy na hoe niforona tsy mba tamin'ny alalan'Andriamanitra, na hoe ihany koa efa nisy hatrizay hatrizay ka adiverseran'Andriamanitra hatramin'ny mandrakizay!

Ny finoana no manambara fa Andriamanitra nahary izao rehetra izao na ny hita maso na ny tsy hita maso, saingy tamin'ilay voary no nisy nivadika satria natao parfait izy dia nieritreritra ny hanongana an'Andriamanitra. Kanjo navarina ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy...ka moa tsy izay mihitsy ve ilay resaka? tezitra ilay io ka nitarika ny olona hanohitra an'Andriamanitra ihany koa!
122. dadabe ( 03/02/2006 08:52)
hono oa ra jentl..tsy azoko mihitsy hoe inona daholo no hidiran'ireo @ le resaka eto , satria resaka 666 no eto dia lasa tonga any , sao dia tokony hatao size iray ity resaka resahanao ity

zao manko ao @ soratra masina araka io jerenao io dia indraindray asehon'ny soaratra masina a@ alalan'ny mpanjakan'i tyro na ny mpanjakan'ny babylona ilay devoly satana ,
ka izay no mahatonga ahy hilaza hoe inona no tian'i jentilisa ambara? fa zah mbola hanohy ny fanazavako aloha :wink:
123. jentilisa ( 03/02/2006 08:54)
:°) ela ny ela marina!
124. Veloo ( 03/02/2006 16:37)
:°):°)
125. dadabe ( 04/02/2006 05:05)
:°):°):°)
126. dadabe ( 05/02/2006 03:07)
humm ny nahafinaritra t@ ity dinika iray ity dia ny fahatsapan'ny namana fa ilay 666 voalazan'ny bvaiboly dia tsy zavatra apetaka , fa milaza anaran'olona iray, ary tsy maintsy hisy hifandraisany @ ireo fanjakana hitan'ny daniela t@ fotoanandrony , tsy ho eto gasikara mihitsy aloha ,
ndeha isika hitsambikina any @ apokalypsy 13 amizay ary fa efa liana ny olona :°)
127. dadabe ( 05/02/2006 06:26)
apokalypsy toko faha 13 :andininy 1-4
1 Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Ary hitako fa, indro, nisy bibidia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.

2 Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona, ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.

3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibidia.

4 Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibidia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy?


dia jereo tsara fa ilay bibidia hitan'i Jaona eto dia ilay bibidia hitan'i daniela ihany fa saingy efa niitambatra ho iray,
bibidia= fankakana
tandroka=mpanjaka
ranomasina=vahoaka na firenena

noho izany rehefa vahana ilay codes hoe bibidia nanana tandroka 10 sy loha fito nivoa avy tany anaty ranomasina dia izao ,
nisy fanjakana nanana mpanjaka 10 izay nivoaka avy tamin'ny vahoka (firenena)


ilay hoe bibidia =leoparda-liona-bera dia ireo ihany ilay biby hitan'i daniela t@ taonjato faha 7 talohan'i Jesosy Kristy

dragona=satana =devoly

ilay bibidia dia nahazo hery avy tamin'ny dragona=nahazop hery avy t@ devoly satana

ilay bibida dia niankohoka teo anolohan'ny dragona=manaiky ny fahefan'ilay dragona (satana ), ary ny rehetra miankohoka manoloana ilay bibidia donk misy fiankohofana in-telo miantoana ao

humm mbola hitohy:°)
128. diamondra27 ( 06/02/2006 07:28)
de iza 'zany olona iray 'zany ry ledada? hum, andraso aloha hieritreritra kely:-w:-w:@:@
129. jentilisa ( 06/02/2006 09:34)
dadabe:

jereo tsara fa ilay bibidia hitan'i Jaona eto dia ilay bibidia hitan'i daniela ihany fa saingy efa nitambatra ho iray,
bibidia= fanjakana
tandroka=mpanjaka
ranomasina=vahoaka na firenena

eny nitambatra ho iray fa nitombo ny isan'ny lohany. Sa lasa loha ilay ratsa-tongotra?
Sao dia tonga amin'ilay fitenenana gasy rehefa tezitra manao hoe: Ity angaha mivadika ati-doha? Mety ho masiaka izany teniko izany fa mba manontan aho hoe iza ary no firenena nitambatra izany? Persia sy Roma izany angaha tafatambatra? SA misy firaisana ve eo amin'ny Eoropa sy Azia amin'izao fotoana izao?
Ny olona iray afa-miaina roaarivo taona mahery izan mety hoforonina va vaorin'Andriamanitra iray no ambarany an!
Fitenenan-dratsy satria milaza azy ho Mpahary nefa nohariana.
Eny e Tohizo aloha!

ny ranomasina manko milaza ny hoe faritra fahavalon'ny taranak'israely ihany koa raha tsy diso aho.

130. dadabe ( 06/02/2006 14:11)
:D hhahahahaha:-D:-D mampihomehy be le fanotanian'i jentilisa , nefa ihany koa mampalahelo satria hita mihitsy hoe tsy azonao ilay faminaniana hihih efa nandalo t@ izany toeranao izany ihany koa zah ka , sady tsy mbola vita anie ny fanazavana e,.

Zah aza te hampiditra resaka hoe asaovy mba tohizin'i mopera na pasitera na mpiandry hoe io fanazavana izay nataoko io raha toa ka tafavoakany ??:-w:-w hummmhihih :D de ampy e
131. marozevo ( 07/02/2006 00:41)
dadabe ah.. tsy tafavoakan zalahy io mba e:idea:
132. dadabe ( 07/02/2006 04:44)
:{:{:{kozy ve ??
133. jimna ( 07/02/2006 04:59)
tsy izaho no hanambara ny hevitra fa Andriamanitra,raha mamaky anio ianareo ao @ bokin'ny daniela dia ho hitanareo fa avy amin'Andriamanitra no tokony hankatsika hevitra 1 indrindra,mangataka amin'ny alalany vavaka ataontsika mba ho azo ny hevitra tian'ilay isa 666 io.2 ao @ BAIBOLY koa no tokony handinika isika, tamin'ny androny i josefa zanak'i JAKOBA izay lasa ISIRAELY, DIA NANONOFY I FARAO PANJAKAN'NY EGYPTA, NILAZA IZY FA AVY @ ANDRIAMANITRA NY NOFY, DIA NILAZA KOA IZY FA ANDRIAMANITRA NO HILAZA NY NOFIN'I FARAO,MITOVY @ZANY NY ANDRONTSIKA IZAO KA NOHO IZANY ANDRIAMANITRA IANY NO HANOME NY FANAHINY HAHAFANTARANY NY OLONA NY HEVITRY NY ISA (666)
134. jentilisa ( 07/02/2006 10:11)
isika eto no miresaka fa inona indray no itadiavana izay tsy hita any e! isika eto no miresaka.
ny eo an-tokonana tsy afaka koa hoe...hoe :roll:
135. dadabe ( 08/02/2006 05:08)
jentilisa > marina izany

jimna> ary aza mivazavaza kosa moa e


de hotohizana ve ??
136. jimna ( 08/02/2006 08:51)
fanazavana tsotsotra io ry zalahy fa tsy mivazavaza a
ny tiako tenenina dia izao; afaka mahazo ny hevitrio anie isika rehefa mangataka ny fanahin'Andriamanitra e
raha mandinika ny tantaran'ireo panjaka nifandimby ao amn baiboly isika dia hita fa samy tsy nahatratra isa feno (7) ny @ fitondrana teto antany ireo panjaka nifandimby,tsy nahafoana ny ady,aretina,sy ny ratsy izay pahazo ny olombelona,ny isa fito manko dia isa feno @'Andriamanitra nanomboka hatraminy famoronana io ,hita ao @ baiboly fa nitsahatra andriamanitra t@ andro fahafito,ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny zavatra noforoniny,ny mahatonga ny isa 6 miverina intelo dia tsy fahafenona, rehefa miteny ka hanamafy teny isika dia mamerina in-3,ka noho izany tsy tonga t@ fahafenoany ny isa 6 miverina intelo.(mbola hitohy)
137. lapino ( 08/02/2006 10:10)
jimna: ilay manoratra majuscule no "mivazavaza" :-@

dadabe: tohizo e! Mbola tsy mahazo firy zay zao, fa sao dia rehefa mitohy ny fanazavana dia misy ho azo ihany.
138. jentilisa ( 08/02/2006 12:38)
miandry kôfirmasiô an! :-P
139. lapino ( 08/02/2006 13:41)
Ilay fanontaniana faharoa koa mbola iandrasana konkliziôn ka! :)
140. dadabe ( 08/02/2006 14:10)
hiandry kely an'i jimna ve aloha ??
sa tonga dia tairina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4166