666

101. jentilisa ( 31/01/2006 05:10)
Aza matahotra ianao fa novakiako tokoa izay nolazainao, izany hoe ny foto-kevitra baha\'i izany no raisinao. ireo zavatra voalaza ireo dia entin\'ny Baha\'i manamarina ny finoany sy entiny manaporofo amin\'ny kristiana fa ao amin\'izy ireo no hipoiran\'i Kristy indray. Avy aminy indray no ipoiran\'ny fanjakan\'Andriamanitra. Koa andao ry zareo ho any amin\'ny Baha\'i?

Milaza rahateo i dadabe fa teolojiana sasany no milaza izany. Mahafinaritra be ilay teny hoe sasany. Dia aleo izany aho mba milaza ny sasany hafa indray e!

Raha hijery isika ny amin\'ilay tandroka. Ny tandroka voalohany dia Babylona iny izany. Fa izao, eo amin\'ny Mediana sy Persiana dia fahefana roa miaraka ireo, ny olana izany dia hoe tandroka iray ihany ve ny an\'ny Mediana sy ny Persiana satria tsy hoe tafatambatra ho iray tanteraka ny Fanjakana fa fikendrena firaisana kosa! Tamin\'ny voalohany manko i Kyrosy dia mbola teo ambany fahefana mpanjaka Mediana, fa avy eo no nanongana ilay mpanjaka Mediana ka nandray ny fahefana ho azy. Afaka jerena tsara ny tantara, amiko izany fia afaka mampiaraka ny tandroka faharoa sy fahatelo tsara aho ho an\'ny Mediana sy ny Persiana. Vokatr\'izay ny tandroka fahaefatra dia fahefana Grika, Avy tao amin\'ny fanjakana Grika no nipôiran\'ilay tandroka kely dia Antiokisy Epifana izany izay nanenjika ny Zanak\'Israely tamin\'ny fivavahany nandritra ny telo taona sy tapany tsara!

Hiverina eo amin\'ny 1260 andro indray aho, indrindra izay voasoratra ao amin\'ny Apokalypsy. Nahoana ny 1260 andro no terena ho 1260 taona? izay anie no mahavariana e? izay no milaza amin\'ny fomba hafa ilay 3 taona sy tapany, andro nandrarana ny jiosy tsy hahazo mitondra fanatitra ho an\'i Jehovah tao an-tempoly. Ary mitovy amin\'izany rahateo ilay teny hoe 42 volana. Ny filazana taona andro sy volana mifanandrify no mametraka tsara hoe ity 1260 andro ity anie ka tena izay fa tsy iray andro ampitomboina ho taona iray indray e!

Manaraka izany raha hanondro ihany aza aho hoe ny taona iray dia 365 andro, kajio tsara fa 365*3= 1095 ary ny 365 misy ambiny raha zaraina roa hilazana tapa-taona fa atao hoe 182 andro izany. 1095+182=1277, noho izany mbola tsy azo idrikinana hoe tena tapany anie io taona io fa andeha holazaina hoe tapatapaky ny taona e! :°)

Raha mamaky ny baiboly Diem ianao, na bayard, na bible de jerusalem na version semeur dia hahita ny fanazavana maro mikasika ity bokin\'i Daniela ity.

Nosoloin\'i Eoropa i Rôma? izao efa nilaza hoe nahoana ho\'aho no Zermanika daholo ireo barbara rehetra nolazainao ireo? Fanajakana Allemand anie izany fa tsy Eoropena raha ny lôjikanao no arahina e!
Raha nandresyizao ny nazi ka izy no nifehy manontolo an\'i Eoropa no tena mety ho tanteraka ny faminaniana an! :°)
102. dadabe ( 31/01/2006 15:00)
jentilisa a> io boky baiboly jerosalem io ihany koa dia misy zavamiafina be , ka zah aloha tsy mbola hiditra an'io.
hay dia iazo indray no valin'ilay ery ambony

jereo ny baiboly vakio fa ny iray andro ara-paminaniana dia 1 taona ara-piainana ( sa arabakiteny , tsy haiko izay filazana azy)miala tsiny aho fa tsy tsaroako ilay versee e

mikasika ilay tandroka 2 dia izao no hamaliko azy satria tsy mbola tonga tany @ danielea toko faha -8 aho manko

[b]daniela tokofaha-8 manao hoe

19 Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany.

20 Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia.

21 Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.

22 Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy.

23 Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.[/
b]
103. jentilisa ( 01/02/2006 04:55)
Rehefa misy ny tsaho tiana haely dia mody atao resaka mangina ilay zavatra. Efa henoko natao tsahotsaho tamin'ny alalan'ny bitsibitsika fa hoe esorina ao amin'ny bible de jerusalem hoe ny apokalypsy. Dia tonga aho tamin'izay fotoana izay dia nanitsy hoe aza mandainga ho'aho fa izaho mifankazatra tsara amin'ny oloana ao amin'ny mampiely baiboly, tsy misy resaka na eritreritra hanalana izany apokalypsy izany mhitsy. Fanaratsiana mivantana no atao raha izany no atao bitsibitsika.
Ahatsiarovana ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary io resaka io. Hafa ny resaka aely ny atoandro, ary hafa ny resaka aely ao amin'ny maizina (alina) tsiparifary.
KOa miangavy re aho mba ajanony io tsaho ilazana fa nesorina tao ny apokalypsy: ny mety ho tena antony dia satria mazavazava ao kokoa ny apokalypsy hany ka misy ny tsy mahazaka izany dia aely hoe tsy misy apokalypsy hoe io.
Izaho indray dia hampivoitra tsara ny momba io bible de jerusalem io.
104. jentilisa ( 01/02/2006 08:46)
Raha ilay ao amin'ny daniela manko no lazaina ka te-hahafantatra ilay fepetra rehetra voasoratra dia manana fahabangana ny baiboly prôtestanta. Ny antony dia tsotra ihany: ao amin'ny 1Makabeo2 sy 3 mihitsy no misy milaza ireo fepetra rehetra ireo ary mametraka mazava fa Antiokisy IV Epifana mihitsy ilay bibidia toy ny manotahota olona...voatantara mazava ao fa toy ny namono moka mihitsy ny namonoany ny zanak'Israely tao Jerosalema. Najanony sy novainy ny lalàna nihatra t@ Joda sy Israely. Ary vokatr'izay no nisiana olona maromaro nitsangana nanohitra ireo zava-betaveta toy ny nananganana sarivongan'i Zeosy tao an-tempoly. Koa miangavy aho hamaky izay voasoratra ao amin'ny Makabeo io raha te-hahalala bebe kokoa.
105. dadabe ( 01/02/2006 12:33)
marina tanteraka izany , fa hay ve ny apokalyspy no esorian ao @ baiboly jerosalema e?? humm vaovao mahafaly ny fihainona izany , fa hafa mihitsy ny zavatra fantako ka.
Dia ahoana aloha hotohizana ve ilay fanazavana e, 666 manko no hazavaina , dia avy mandinika ny bokin'i daniela isika ra jentl dia aleo miditra ao 2 apokalypsy rehefa avy eo e:D
106. jentilisa ( 01/02/2006 12:37)
asanao ihany e! izaho koa anie faly miresaka e!
107. lapino ( 01/02/2006 14:26)
Efa tsy araka intsony ny fandehan'ilay resaka na dia mahaliana aza, fa sady mijery tantara ihany izany. Fa manana fanontaniana vitsivitsy aloha aho iandrasana kônklizion e:
- Inona ilay teny faha-666 ao amin'ny apokalypsy?
- Aiza ho aiza amin'ny faminaniana ny fotoana misy antsika izao?
108. marozevo ( 02/02/2006 01:21)
Azon'i dadabe ve ilay atao hoe "Bible de Jerusalem" aloha eh?
109. jentilisa ( 02/02/2006 05:09)
Voaray tokoa ny fanontanian'i lapino. Ary tsy ianao ihany no maika hahafantatra. Efa nisy ny resaka tahatahaka ity raha efa elaela ianao no tato. Efa nosoratako izy ity tamin'ny herintaona fa tsy mbola tsapan'ny olona loatra ny lanjany. Mbola sahirana amin'ny teny hoe tokony ho olona hatrany no ambaran'io resaka io ny maro ka aleo aloha andeha tsikelikely amin'ny fanazavana dia hazava ho azy eo ihany. Aoka ary holazaiko fa ao amin'ny Apo 2:10 ilay fanisana no nijanona...
110. eprom ( 02/02/2006 05:49)
jentl>devoly sa fahafatesana?
111. jentilisa ( 02/02/2006 07:46)
iza moa no mitady ny hiankohofana sy te-ho andriamanitra ihany koa amin'ny alalan'ny fanoherana an'Andriamanitra? Iza moa no nihevitra ny hitovy amin'Andriamnitra?
112. eprom ( 02/02/2006 07:50)
lapino> kôpy @ zay ve nareo eh...mba lava koa ity ankamantatry jentl ity ah
113. lapino ( 02/02/2006 09:50)
Ok, azoko am'zay! :)
Fa mahery marina aloha ra-jentilisa raha hanao ankamantatra kle! Manjary voavakivaky daholo ireo soratra lavabe :wink:
Fa mbola tsy tapitra ny tantara ...
114. dadabe ( 02/02/2006 11:41)
hoy i jentilisa
Aoka ary holazaiko fa ao amin'ny Apo 2:10 ilay fanisana no nijanona...

Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana. io le izy de zah indray no tsy mahazo , mba azavao kely hoe fa zah tsy maharake nefa ny namana sasany efa misy milaza hoe mazava :-w

Mpandefa : marozevo [ Valio ] 02-02-2006 05:21:55
Lohateny : Re : 666
Azon'i dadabe ve ilay atao hoe "Bible de Jerusalem" aloha eh?


tsy haiko aloha na zah mihitsy no efa antitra fa aleoko tonga dia milaza hoe tsy kopy e:roll:
Mpandefa : lapino [ Valio ] 02-02-2006 13:50:11
Lohateny : Re : 666
Ok, azoko am'zay!
Fa mahery marina aloha ra-jentilisa raha hanao ankamantatra kle! Manjary voavakivaky daholo ireo soratra lavabe
Fa mbola tsy tapitra ny tantara ...


tena mbola hitohy fa aleo aloha hazava kely ity resaka ity e
115. jentilisa ( 02/02/2006 12:07)
=)) tahatahaky ny nahafinaritra ahy fotsiny ny namoaka azy tamin'ny alalan'ny ankamantatra!

ny bible de jerusalem dia baiboly tahaka ny baiboly rehetra ihany fa manazava ny teny mety tsy hazava amin'ny olona ihany koa ilay boky. Ny bayard aza no manoatra fa noho ny halafony angaha dia tsy takatry ny olona ny hahazo azy.

izaho koa aloha mbola tsy mieritreritra hoe hiakatra vetivety ny soratr'anaran'olona amin'ny film e!

ny mahavariana amin'ny filazana misy ny 666 ity manko dia misy ny trinité du mal izay mifanohitra amin'ny "trinité" mahazatra antsika izay!

iza avy moa no voatondro ao amin'ny apo 2: 10 io? dia tokony ho iza amin'ireo mpandray anjara eo amin'ny sehatra no teny faha666.

efa nosoratako taloha tany ange ho'aho fa tsy tadidinareo angamba!
116. dadabe ( 02/02/2006 12:50)
aza manao soa tapany fa avy de lazao ra jentl atssss inn ary ity :roll:
117. jentilisa ( 02/02/2006 13:36)
k'efa ao koa inona indray ary moa?

any inao ry ilay kintana fitarikandro, nihevitra hanatratra ny farany avaratra ianao nefa adaboka! tahaka ny ahoana tokoa moa no filaza amin'izay teny izay fa tsy tadidiko?
118. jentilisa ( 02/02/2006 13:51)
ity ilay izy ao amin'ny Isaia 14 ao:

Isaia 14:

9 Taitra ny fiainan-tsi-hita* any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy** rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[*Heb. Sheola][**Heb. osilahy]

10 Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!

11 Efa navarina ho et? amin'ny fiainan-tsi-hita* ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]

12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.

13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;

14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;

15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]

16 Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana

17 Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?

18 Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany* avy;[Heb. tranony]


Io koa milaza an'ohatra ilay voatondro ao amin'ny Apo2:10 ihany koa. Saiky hanakatra ny seza avoavo kokoa izy kanjo navarin'Andriamanitra fa mpanongam-piandrianana.
119. dadabe ( 02/02/2006 17:17)
ahan de ampiko ezekiela toko faha :28 :1-19

1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe;

2 Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,

3 Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

4 Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin'ny rakitrao

5 Ny haben'ny fahendrenao tamin'ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;

6 Koa, indro, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon'Andriamanitra ny fonao,

7 Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin'ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao

8 Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan'izay voatrabaka ao amin'ny ranomasina.

9 Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason'izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan'izay manatrabaka anao

10 Tahaka ny fahafatesan'ny tsy voafora no hahafatesan'ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.

11 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

12 Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'ny mpanjakan'i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]

13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]

14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.

16 Noho ny habetsahan'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr'Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra.

17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,

18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.

19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
120. jentilisa ( 03/02/2006 07:23)


2 Ry zanak'olona, lazao amin'ny mpanjakan'i Tyro hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao. ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin'ny anankiray amin'ny fipetrahan'Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan'ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon'Andriamanitra aza ny fonao,

3 Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!

13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao* dia tao aminao, tamin'ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.[Na: vehivavy]

14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.



Ary dia tohizako amin'ity raha iray mahafinaritra ity! mahafinaritra be ka!
ezekiela 14:

12 Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

13 Ry zanak'olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan'ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,

14 na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.

15 Raha mampandeha biby masiaka eo amin'ny tany Aho, ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon'olona aleha noho ny biby,

16 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy izy; fa ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.

17 Ary raha mitondra sabatra mamely izany tany izany Aho ka manao hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany, ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,

18 na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo; fa ny tenany ihany no ho voavonjy.

19 Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin'ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,

20 na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.

21 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Koa mainka raha alefako hamely an'i Jerosalema izao fitsarako efatra mandoza izao, dia ny sabatra sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!

22 Kanefa, indro, hisy sisa afaka ihany izy ho entina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy; indro, hivoaka ho any aminareo ireo, ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin'ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin'i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.

23 Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony; ka dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy Jehovah Tompo

ny mahavariana manko dia izao: I Joba dia niaina talohaben'ny nisian'ny Zanak'Israely; I Noa koa torak'izany Ary tamin'ny androny rahateo no nisian'ny safo-drano...novonjena ny ankohonany tamin'izay fotoana izay.
Fa i Abrahama kosa tsy hita amin'ireo nanao ny marina na dia talohan'ny nisian'ny zanak'Israely koa aza ny fisiany. I Daniela izay voalaza eto amin'ity Ezekiela ity izany dia olona tokony ho niaina talohabe noho ny fisian'ny Zanak'Israely.
Asa! azon'i dadabe ve ny tiako lazaina?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2478