DIDY FOLO

121. Veloo ( 14/02/2006 00:40)
marovezo a tsy oe tsy mino ny fisina aho fa tiko ho hita aiza @ baiboly ilay izy....
marovezo sy hery betsaka mihitsy ny zavatra lazain'i Jesosy ao @ baiboly nataon'ny parabole mba ahafantaran'ny rehetra ny dikany, tadidio fa ny disciple'jesosy dia pamjono etc... i jodasy no mba nahay mitantana ny vola karazana tresorier ny fahaizany...raha mijery ny marka faha 7 nareo dia tsy ara-bakiteny mihitsy io lazainy io...ary asiko relation io sy ilay nolazain;i petera... Jesosy dia tonga teto an-trany hamonjy ny panota rehetra, tadidio tsara fa teo aloha ny jiosy dia olona voafidin'Antra kanefa nony tonga i Jesosy dia rava doly izany. ary ireo jiosy dia mbola tetu tsy mety manaiky oe tsy ry zareo irery anie no nahatongava'i Jesosy teto an-tany...ny nofin';i Petera dia mazava tsara ary nampisehona fa ny fitoriana ny filazan-tsara dia tsy limitena teo @ jiosy intsony fa ny jentilisa koa... Isika rehetra izay tsy jiosy dia no-representena ho jentilisa... fitoriana ny filazan-tsara dia lasa lavitra any ivelany....
izany no dikan'io vision io sy ilay nolazain'i jesosy eo @ marka faha 7 jereo anie ny andininy faha17 e... jereo ko ny toko faha 7 manontolo....
122. Veloo ( 14/02/2006 00:49)
ity fotsiny no tokony ho tadidi-tsika e.
teo anatrehan'ny jiosy ny jentilisa dia maloto, sy tsy mi-circonsizer. fady an=dry zareo izany ka raha sendra nifankahita t@ jentilisa ry zareo dia tsy maintsy manasa tanana. Ilay tantaran'ilay Samaritana tsara fanahy no example iray..
123. marozevo ( 14/02/2006 01:13)
Misaotra an'i Hery fa io mihitsy ilay referansy tiako ho vakian'i veloo sy i dadabe, ary isaorana azy iireo fa novakiany tokoa ilay izy, saingy hita fa mbola tsy tena azony.

Amin'i veloo ary, raha lazainao fa parabole ilay Marka 7 io, dia inona no zavatra ambarany. Ny parabole manko dia misy ny mpanambara (Signifiant) sy ny ambara (Signifié), ka aiza avy ireo ?

dadabe > tsy nanohitra izay voalaza taloha hoìaho i Kristy, raha nanome didy vaovao, fa NANDAVORARY, satria ho an'i Kristy dia saro-bidy lavitra noho ny lalàna ny olona.

Ndana ndray ary hoe tadiavo ilay toko sy andininy misy apostoly mihinana amin'ny tànana tsy voasasa iny... dia jereo ny valin-tenin'i Jesoa amin'iny.

Loza ho anareo ry.... fa ny ivelan'ny lovia diovinareo.
Loza ho anareo .... fa toy ny fasana ianareo...
Loza ho anareo....
Satria sao dia lalàna mpanandevo no omen-daharana alohan'ny ZO AMAN-KASIN'NY OLOMBELONA.
124. Veloo ( 14/02/2006 01:48)
marovezo a efa novakinao tsara ve izay nolazaiko e?
io @ marka faha 7 io dia milaza momban'ny jentilisa, tsy misy idiran;ny sakafo mihitsy io parabole io - aleo azavaiko tsara fa la section des sakafo eto se rapporte a l'admission des paiens a la table du Christ...
ary ilay vision'i petera dia ny fitoriana ny filazan-tsara any @ jentilisa
125. Ralay ( 14/02/2006 01:52)
:-w:-w tsy misy hambara fa :lol: dia ampy
126. jentilisa ( 14/02/2006 12:08)
Tsy resaka fanoharana momba ny jentilisa kosa io marka io fa mazava be tsy tokony aolakolaka intsony e! izay mivoaka any antakonana no mahaloto ny olona! izany hoe izay mivoaka any angabone...aleo atao seka ohatr'izay rehefa tadiavina aodina hatrany ity resaka ity!
aza fady amin'ny fitenenana!

jentilisa angaha mivoaka any antakonana?
teny katolika amin'ny baiboly vao nivoaka tamin'ny herintaona io an!
127. Veloo ( 14/02/2006 17:34)
Ralay :wink:
128. marozevo ( 15/02/2006 00:43)
Manamafy izay lazain'i Jentilisa aho, ka mamaly an'i veloo fa TSY PARABOLE mihitsy io Mk 7 io fa "discours". Jereo tsara ny karazan-dahatsoratra eh.. (na genre litteraire). Tena sakafo io lazainy io fa tsy sary hafa indray... ary niainga indrindra tamin'ireo fadifady nohajaina tamin'izany i Jesoa no nanome io hafatra io.
129. Veloo ( 15/02/2006 02:17)
dia aleo izany eo rehefa izay no fijerinareo azy
130. dadabe ( 15/02/2006 05:26)
hery sy marozevo > zah tsy handresy lahatra anareo fa izao fotsiny e, raha toa ka efa nodiovina marina tokoa ny zavatra rehetra , dia zah maniraka anao ," hano avokoa aza ny zavatra rehetra (araka ireo hita tao anatin'ilay lamba )"
MENU
1-ALAHADY: henakisoa sy voanjombory
2-alatsinainy: alika sy tsaramaso
3-talata :saobakaka sy petsay
4-alarobia:henakisoa sy bibilava
5-alakamisy: rameva sy bitro dia somary asina vorondolo roti
6-zoma:kadradraka sy famakiloha ,de saosisy sy rajako @ hariva
7-maka souffle kely de manao aperitif

sur ve ianao fa telinao avokoa ireo zavatra noteneniko ireo ??

zah mino fa tsy telinao ireo fa ilay kisoa ihany no tenatianareo harovana , de izao aza no hamaranako azy mikasika ilay kisoa indray e
isaia :66:15-17
15 Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.

16 Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.

17 Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.

zavatra mbola ho avy io
ka dia asakasak'isika re rey olona na mbola ihinana ihany ianao na :{tsia e
131. jentilisa ( 15/02/2006 06:26)
Tsy hitako izay olana rehefa telin'ny olona ilay izy. Dadabe mipetraka any Shina ihany. Ahoana ny fijerinao ireo sinoa mihinana kadradraka sy ny karazany ireo? Ahoana no nahatonga azy hihinana ireo zavatra ireo? misy tantarany ihany manko ireny zavatra ireny.
ny zavatra rehetra anie ny saina avokoa no mitondra azy e! ary voalaza avokoa izany na ao amin'ny testamenta vaovao aza. Izay mihinana aoka hihinana amin'ny saina madio ary izay tsy mihinana kosa sady mifady no misaotra!
132. Veloo ( 15/02/2006 14:39)
jentilisa dia mazoto ary e:wink:
133. dadabe ( 16/02/2006 02:20)
izay marina mazotoa e, efa nitory aho fa ianareo tsy nandray dia vita ny ahy :°)
134. jentilisa ( 16/02/2006 05:59)
ndry! inona ny heloko raha mihinana tsy amin'ahiahy aho. Impiry impiry no efa nisy olona nihinankanina tany aman'olona, nahita ny tsirony niosanosana ery fa vao nilazana ilay karazan-kena te-handoa ho azy...beurk indray hoy izy! :^)
mbola tsy nandalovanareo marina ny antsoina hoe mosary!
135. dadabe ( 16/02/2006 15:14)
jentilisa a> mbola averiko indray " mazotoa hoaa "efa vita ny ahy:°)
136. Veloo ( 16/02/2006 16:18)
dadabe:wink:
137. marozevo ( 16/02/2006 23:31)
dadabe > Averiko aminao eto ny voalazako tary ambony tary. Izaho dia manaiky fa misy ny zavatra tsy azo hanina, fa ny antony dia tsy voatery ho ara-pivavahana ihany. Raha ny ara-pivavahana na ara-pinoana kristianina dia efa mazava : Nodiovin'i Kristy ny zavatra rehetra.
fa misy antony hafa mahatonga ny FADY ihany koa... Fahasalamana, Ara-lovan-dRazana na antony hafa. Ohatra iza no tsy mihinana akoho, nefa amin'izao fotoana izao izao dia FADY ny akoho ho an'ny olona sasany satria misy grippe aviaire (Fahasalamana), Ohatra misy tsy mihinana sorohitra (Voronkely nanavotra ny mpiafina taloha, hono). Misy ny tsy mihinana alika, ny antony dia samy manana ny azy, fa ny ahy dia hafatra avy amin'ny dadanay no tsy ihinanako azy.
Misy koa ny tsy mihinana zavatra iray noho ny antony azy irery, satria tsy tiany. Za mahita olona fady trondro... fa tsy noho ny finoany fa noho ny tsy fitiavany fotsiny izao.
Ny bibilava ohaniko raha mahita ilay matavy tsara iny aho; Ny saobakaka haniko ny Cuisse de nymphe, bitro c'est mon plat preferé, Rameva mbola tsy nahita aho ka tsy fantatro na ho tiako na tsia. kadradraka sy famakyloha ohaniko rehefa mamangy any Chine aho, voangory, voanosy, valala haniko rehefa tsara endy. fa ny voangaly tsy tiako satria maty an-kazo tokana.
138. dadabe ( 17/02/2006 03:58)
:{:{:{mazotoa e
139. jentilisa ( 17/02/2006 05:21)
ny ahy indray miam miam misaotra ary mba teneno moa hoe mazotoa homana e! :-P
140. dadabe ( 17/02/2006 15:51)
mazotoa homana e:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2946