DIDY FOLO

61. dadabe ( 31/01/2006 01:30)
hummm efa manomboka miha -manga hatrany ny relation an'izy mitsam ireto kle (veloo+zokilahy marozevo ):lol:)

marozevo tsy olana raha izay no tianao (disikety ) fa ny takalony ihany koa dia mety hangataka (doc ) maromaro aminao ihany koa zah :wink:

hummm diamondra :wink:
62. jentilisa ( 31/01/2006 04:34)
Raha raisina indray ilay teny fahatelo dia manamarika izany fa na inona na inona fahasahiranana na fahateren'ny fotoana amin'ny fanaovanao zavatra iray, dia tsy maintsy tapahina izany amin'ny alalan'ny fahatsiarovana ny fanafahana, ny fanafahana manko dia manapaka ilay fanandevozana nanjo ny zanak'Israely tany egypta. Eto kosa indray, ary mihatra mandraka ankehitriny izany dia ny fahasahiranana na ny fironan'ny olona hialany amin'ny olany manokana ka mody misahirana atsy na aroa izy no tena fanandevozana mbola mahazo ny olona.
Impiry impiry isika olombelona rehefa injay mba antsoina hanao zavatra hafa ilàna antsika na hanantanterahantsika ny fanehoana ny fifankatiavana no mamaly hoe aza helingelenina aho fa mbola sahirana...?
Mihevitra isika fa ilay zavatra ataontsika satria mahafinaritra antsika no manafaka antsika amin'izatsy na izaroa, io indrindra anefa no mamatotra antsika tsikelikely ary tena mangeja antsika mihitsy. Ary izay indrindra ilay mahatonga ny fitenenana mahazatra hoe "borné".

Izany hoe raha tena raisina avy amin'izay dia mitarika sy mampianatra antsika tsy ho borné ihany koa Andriamanitra ka ho be drikina hoe "izao ihany ho'aho". Mianatra isika mihaino izay lazain'ny olona satria izay mahay mihaino hoy ny fomba filaza izay no tena mahay mifandray amin'olona. Afaka manambara ny zavatra rehetra manko izay miteny amin'nizay fotoana izay.
63. Veloo ( 31/01/2006 21:37)
dadabe saro-piaro ndray ka mamorona adalana eto:roll::roll:
64. marozevo ( 31/01/2006 21:58)
Tandremo izany ry dadabe ah.... fa nahoana aza ianareo no saro-piaro eh? tsy tenh ianao fa izahay sy i veloo aza tsy mbola nifampiarahaba akory hatramin'izao. Aza manana eritreritra inona akory fa tohizo izay efa tao aminareo eh...
65. diamondra27 ( 01/02/2006 06:50)
aza avadika ny size ry zalah fa DIDY FOLO no lazaina eto fa tsy fahasarotapiaro a!

efa misy size manokana ny @ iny
66. jentilisa ( 01/02/2006 08:38)
Eo amin'ny teny fahavalo indray ohatra, na dia tokony ho efa mazava aza dia holazaina ihany. Io dia milaza hoe tsy atao mahamaika ny manatitra zavatra ho an'Andriamanitra raha mbola misy zavatra tsy mety ao an-trano, raha mbola mifanditra amin'ny rahalahinao (anabavy, rahavavy, ray na reny na zanaka) ianao. Amin'ny kristiana dia efa nandre ny tenin'i Jesoa isika na namaky angaha ny marina kokoa izay nanao hoe tandremo sao azon'ny masirasiran'ny fariseo sy ny sadoseo (farisiana sy sadoseana), na masirasira moa dia ilay mahangeza ny mofo amin'ny ankapobeny...

Fa amin'ny lafiny ilany koa ny masirasira mbola mitoetra ao an-trano dia afaka manambara hoe mbola tsy afaka akory ny ao an-trano, mbola tsy mahalala ny fahalalahana akory ny ao an-trano. Somary miverina kely amin'ilay fihinanana mofo tsy misy masirasira izany ny resaka. Atao amin'ny paska ny mofo tsy misy masirasira. Andro fanafahana iny!na ny fahatsiarovana azy no marina kokoa...Tsy misy dikany ny zavatra atao ho an'Andriamanitra raha mbola tsy mahalala akory ny momba an'Andriamanitra ny ao an-trano. Izany hoe izay rehetra ao an-tranonao na vady na zanaka dia irian'Andriamnitra mba ho efa vita fihavanana aminy avokoa...efa nahalala ny asa nataon'Andriamanitra avokoa. Ratsy dia ratsy ny manao fanatitra, izay azo heverina hoe mankany am-piangonana amin'izao fotoana izao) raha mihevi-tena ho efa mihavana amin'Andriamnitra ianao nefa ny olona ao aminao dia heverinao ho olana na sanatria zanaky ny devoly...ny dikan'izany manko dia atao toerana fialofana sy fialana olana, izay ny marina kokoa fialana andraikitra ny fitadiavana an'Andriamanitra amin'izay fotoan izay.
67. jentilisa ( 01/02/2006 11:49)
teny fahaefatra: foinao ho an'Andriamanitra ve ny tianao indrindra?
68. Veloo ( 01/02/2006 20:01)
jentilisa a ie: oy ny ao matio 10:37-39 - aty am-piasana aho ka teny anglisy ny ahy aty...
-he who loves fahter or mother more than Me is not worthy of Me. And he who loves son or daughter more than Me is not worthy of Me......jereo ko ao @ Mark 8:34-38, Lioka 9:23-27:wink::wink:
69. marozevo ( 02/02/2006 01:22)
diamondra27:

aza avadika ny size ry zalah fa DIDY FOLO no lazaina eto fa tsy fahasarotapiaro a!

efa misy size manokana ny @ iny



Ka mety ho tafiditra any amin'ny didy faha sivy na fahafolo anie izany eh.
70. jentilisa ( 02/02/2006 04:58)
Fantapantatro ihany ilay tian'i Veloo lazaina: ilay hoe raha misy tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany ahy, dia mbola tsy mendrika ny atao hoe mpianatro izy.

Amiko manko dia resaka fahaleovantena na fahazakantena io, izany hoe tsy fiakinandava amin'ny olona hafa. Rehefa lehibe dia tsy tsara manao fanahin-jaza intsony. Amin'io andala-tSoratra Masina io dia fampiheverana ny hafa ho toy ny andriamanitra nefa toy ny fananana no olana. MAnakana ilay olona "tiavina" ho tsy afaka mivelatra anefa izay toe-javatra izay.

Eo amin'ilay teny fahavalo ihany dia misy ilay teny hoe aza avela ho tra-maraina...
misy resaka hanina eo, izay tokony ho lany tanteraka fa raha misy ny tra-maraina araka ny voalaza dia dorana amin'ny afo ho levona. Ny fahendrena avy amin'io teny io dia mametraka hoe ny fampianarana rehetra manambara ny fahafahana dia tokony ho telina avokoa fa tsy tokony hisy avela atao sisa izay enti-manambara ankolaka hoe tsy zakako kosa ity zavatra ity. Fanehoana tsy fitiavana manko ilay manao sisa. Jereo tsara fa mbola misy fifandraisany be mihitsy ilay teny namaliako an'i Veloo sy ity voalazako etoana ity.

Asa raha tsikaritrareo fa resaka fahafahana aza no hita eto fa tsy resaka faneriterena na fandrarana. Fa fahafahana manao ahoana moa araka ny fiheveranareo azy?
71. Veloo ( 02/02/2006 20:06)
jentilisa a za mamaly ny teninao fotsiny ka ity:
teny fahaefatra: foinao ho an'Andriamanitra ve ny tianao indrindra?
:roll:
72. jentilisa ( 03/02/2006 06:15)
f'ahoana? tsy azoko!
73. Veloo ( 03/02/2006 16:39)
jentilisa ela ko zany no nanomezako an'iretsy verset etsy ambony iretsy wa satria njy nametraka an'io tena fafaefatra io...:x
74. dadabe ( 04/02/2006 05:18)
:roll::roll:
75. diamondra27 ( 04/02/2006 08:20)
Ny didy folo izay navoakan'Atra dia misy dikany tsirairay daholo.

Raha nandainga ianao dia mitovy @ olona namono olona ihany koa. Tsy misy didy lehibe na kely , na hoe 'ty mety voavela na tsia.

Ny didy oe: aza mamono olona eto de tsy oe: justice na peine de mort fa oe: tu dois contrôler tes passions et tes colères

Ny tanjon'Atra @io didy io de: Dieu a préserve notre sécurité pour rendre notre vie (en communauté) sure. Ny fiainana de tsy manampetra eo imason'Atra satria noharian'ny toa Azy isika Gen 1:27"ary Atra nahary nyn olona tahaka ny endriny"
Eny fa na de nanota aza isika de mbola nijanona ho image-ny ihany Genesisy 9:6b tahaka ny endrik'Atra no nanaovany ny olona





Miteny antsika anefa IZY fa mety hiova ny fontsika ary Mamela antsika izy
76. diamondra27 ( 04/02/2006 08:25)
ny teny hoe: namono eto dia midika oe: prémedité fa tsy hoe: intentionnel.

Qu'est-ce qui cause la mort?

Vageances, amertume, égoïsme, colère, rebellion, convoitises...

kanefa misy ihany koa fomba hafa mety hamonoana olona de

olona fournisseur des drogues,
avortements
miaramila mandefa olona hiady
77. diamondra27 ( 04/02/2006 08:41)
Ahoana ary hoy Jesosy momba ity meurtre ity?

Mat5:21-22 Efa renareo fa voalaza t@ ntaolo oe: aza mamono olona , ary izay mamono olona de mendrika hohelohina@ fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra @ rahalahiny dia mendrika hoheloina @ fitsarana, ary na zovy na zovy hanao rahalahiny oe: olompoana ianao, de mendrika ny helohina @ synedriona,ary na zovy na zovy no hanao oe:foka ialahy de mendrika ho ao @ helomireitra afo

Izany oe eo anatrehan'Atra de meloka doly isikaao @ pensée antsika sy ny intention-tsika
ISAMOELA16:7 fa tsy mba toy ny fijerin'olona ny fijerin'i Jehovah, , fa ny olona mijery ny miseho ivelany , fa Jehovah kosa mijery ny fo

Dieu nous interpelle que notre coeur soit changé et que DIEU nous pardonne
78. Veloo ( 05/02/2006 01:32)
dadabe :twisted::evil:
79. dadabe ( 05/02/2006 02:51)
veloo fa ahona ????:roll:
80. Veloo ( 05/02/2006 22:55)
dadabe ity ka:
Mpandefa : dadabe [ Valio ] 04-02-2006 09:18:07
Lohateny : Re : DIDY FOLO
:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809